Ny noely — Fomba fiarahabana an’i Jesosy ve izy io?
NY FAHATERAHAN’NY Mpamonjy, ilay Mesia nandrasana hatry ny ela, dia fotoana tokony hampiravoravo tokoa. “Indro”, hoy ny nambaran’ny anjely iray tamin’ireo mpiandry ondry tany amin’ny manodidina an’i Betlehema, “milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio (...), dia Kristy Tompo.” Nisy anjely sesehena nanaraka azy io, nidera an’Andriamanitra hoe: “Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.” (Lioka 2:10-14). Mety hanatsoaka hevitra ny sasany fa tokony hanahaka an’ireo anjely ny kristiana amin’ny fanehoana hafaliana noho ny fahatongavan’i Kristy teto an-tany hatramin’io.
Tsy io no fitantarana voalohany ao amin’ny Baiboly momba ny anjely niredona hira fiderana. Fony vao napetraka ny fanorenan’ny tany, dia “niara-nihira ny kintan’ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra”. (Joba 38:4-7). Tsy voarakitra ao amin’ny Baiboly ny daty hentitra nitrangan’io fisehoan-javatra io. (Genesisy 1:1, 14-18). Na dia nety ho feno fifaliana aza io fisehoan-javatra io, dia tsy nampiasa izany ireo kristiana mba hilazana fa satria nihoby ny anjely dia tokony hankalaza isan-taona ny famoronana ny tany izy ireo, ary angamba hanaraka fetin’ny mpanompo sampy mba hahatsiarovana io fotoana io.
Kanefa izany indrindra no ataon’ny olona mankalaza ny noely amin’ny fahaterahan’i Jesosy Kristy. Ny fijerena firaketana tena azo itokiana iray eo ambanin’ny lohateny hoe “Christmas”, dia manamafy fa tsy fantatra ny daty nahaterahan’i Jesosy. Tsy manisy fitenenana ny amin’io daty io ny Baiboly.
“Raha manao feo hafahafa ny trompetra”
“Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana [fikorontanana, MN], fa tompon’ny fiadanana”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly, raha nanitsy ny fikorontanan’ny kongregasiona tany Korinto fahiny izy. Ao amin’ny teny manodidina an’io ihany, dia nanontany toy izao izy: “Raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no hiomana hiady?” (1 Korintiana 14:8, 33). Izao àry, raha toa ny Andriamanitry ny filaminana iray ka nanana fikasana ny hankalazan’ny kristiana ny nahaterahan’ny Zanany tetỳ an-tany, moa ve izy ho namela ny olombelona tsy tanteraka hifidy malalaka daty iray avy amin’ny fetin’ny mpanompo sampy sy hanaraka fanao tsy araka an’Andriamanitra?
Ny fandinihana ohatra ara-baiboly vitsivitsy dia manazava fa tsy mifampiraharaha amin’ny olony amin’izany fomba izany i Jehovah Andriamanitra. Rehefa nitaky tamin’ny Isiraelita ny hitandreman’izy ireo ny fankalazana fanao isan-taona teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy Andriamanitra, dia nanondro daty hentitra ary nilaza tamin’izy ireo ny fomba fitandrina izany fotoam-piravoravoana izany. (Eksodosy 23:14-17; Levitikosy 23:34-43). I Jesosy Kristy, na dia tsy nandidy velively ny hahatsiarovana ny nahaterahany aza, dia nandidy kosa ny mpanara-dia azy hitandrina daty hentitra iray. “Tamin’iny alina iny izay namadihana Azy”, ny 14 Nisana taona 33 am.fan.ir., dia nanomboka ny fankalazana ny Sakafo harivan’ny Tompo i Jesosy, tamin’ny fampiasana mofo tsy misy masirasira sy divay. Nandidy toy izao izy: “Izao no ataovy [hatrany, MN] ho fahatsiarovana Ahy.” (1 Korintiana 11:23, 24). Ny feon-trompetra momba ny fotoana sy ny fomba fitandrina ny Sakafo harivan’ny Tompo dia mazava sady tsy diso. Ahoana àry ny amin’ny noely? Tsy mahita baiko hankalaza ny nahaterahan’i Kristy ao amin’ny Baiboly mihitsy isika, ary tsy milaza amintsika ny amin’ny fotoana na ny fomba fanaovana izany izy io.
‘Mba hahazoana ny olona’
“Fantatro aloha fa nanam-piandohana tamin’ny fanompoam-tsampy ny noely,” hoy ny mpitondra fivavahana iray ao amin’ny fiangonana Ziona any Tokyo, “nefa raha mbola liana koa amin’ny kristianisma ny sarambabem-bahoaka rehefa 25 Desambra, ary tonga mba hianatra ny amin’ireo fampianaran’i Jesosy Mendri-kaja, dia mbola manana ny toerany ao amin’ny kristianisma ny noely.” Maro be no mankasitraka ny fanjohian-keviny. Mino ve ianao fa mety ny fanekena lembenana toy izany?
Milaza ny sasany fa na dia i Paoly aza dia nanaiky lembenana mba hahazoana mpino. “Nataoko ho mpanompon’ny olona rehetra ny tenako”, hoy ny nosoratany, “mba hahazoako olona maro be araka izay azo atao (...) Rehefa niara-niasa tamin’ny Jentilisa aho, dia niaina toy ny Jentilisa ivelan’ny Lalàna jiosy, mba hahazoako ny Jentilisa. (...) Nataoko izany rehetra izany noho ny filazantsara, mba handraisana anjara amin’ireo fitahiana ao aminy.” (1 Korintiana 9:19-23, Today’s English Version). Moa ve ireo teny ireo manamarina fanarahana fetin’ny mpanompo sampy mba hanintonana ny jentilisa ho amin’ny kristianisma?
Diniho amim-pitandremana ny teny manodidina ny fanambaran’i Paoly. Eo amin’ny andininy faha-21, dia milaza toy izao izy: “Tsy milaza izany fa tsy mankatò ny lalàn’Andriamanitra aho; eo ambanin’ny lalàn’i Kristy tokoa aho.” (TEV). Noho izany dia tsy nanaiky lembenana izy ka handika ny lalàn’i Kristy, fa ‘niaina toy ny Jentilisa’ kosa izy tamin’ny fanajana ny fomba amam-panao teo an-toerana raha mbola tsy nifanohitra tamin’ny didy kristiana izany.a
Amin’ny fitadidiana izany, dia eritrereto ny fomba hisehoan’ny fanarahana ireo fetin’ny mpanompo sampy ao amin’ny “kristianisma” ka omena anarana hoe noely rehefa ampitahaina amin’ity didy ao amin’ny Baiboly manaraka ity: “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? (...) Ary inona no iraisan’ny anjaran’ny mino sy ny tsy mino? (...) ‘Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, ary aza manendry izay zavatra tsy madio; ary Izaho dia handray anareo.’ ” (2 Korintiana 6:14-17). Na inona na inona fialan-tsiny mety hatolotra, dia tsy fiarahabana an’i Jesosy amin’ny maha-Mpamonjy velively ny fanatsatsoana ny kristianisma amin’ireo fetin’ny mpanompo sampy. Tsy nety izany tamin’ny taonjato voalohany, fony tonga nofo i Jesosy, ary tsy mety toy izany koa amin’izao andro izao na amin’ny hoavy, rehefa tonga amin’ny maha-Mpanjaka mba hampihatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra i Kristy. (Apokalypsy 19:11-16). Raha ny marina, ireo izay mankasitraka ny fankalazana fetin’ny mpanompo sampy ao ambadiky ny sarontava “kristiana” dia tena mety handa an’i Jesosy Kristy.
“Kristiana miafina” tsy tafaverina
Manatsoaha fianarana avy amin’izay nitranga tamin’ireo katolika tany Japana nandritra ny vanim-potoan’ny “shogun”. Rehefa nanomboka ny fanafoanana ny fivavahana katolika tamin’ny 1614, dia nanana safidy telo ireo katolika japone 300 000 teo ho eo: hanjary martiora na hiala tamin’ny finoany na ho any ambanin’ny tany. Ireo izay nankany ambanin’ny tany dia nantsoina hoe kristiana miafina. Mba hanafenana ny finoany dia nanaraka fanao bodista sy shintoista isan-karazany izy ireo. Tao amin’ny litorjiany izy ireo dia nampiasa ny hoe Maria Kannon, izay Maria nampitafina toy ny “bodhisattva” bodista amin’ny endrika reny iray mitrotro zaza. Ireo fetiny dia nampifangaro ny bodisma sy ny fivavahana katolika ary ny fivavahana nentim-paharazana. Kanefa rehefa noterena hanatrika fandevenana bodista izy ireo dia nihira vavaka kristiana ary nanao ny modoshi, fombafomba iray natao hanafoanana ny fotoam-pivavahana bodista. Nanjary inona izany “kristiana” izany?
“Raha ny amin’ny ankamaroan’ireo Kirishitans [kristiana] ireo”, hoy ny fanazavan’ilay boky hoe The Hidden Christians (Ireo kristiana miafina), “dia nisy fifikirana ara-pivavahana nitombo tao aminy, ka nampahasarotra ny fialany tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’ireo andriamanitra shinto sy bodista.” Rehefa nofoanana ny fandrarana ka niverina tany Japana ireo misionera katolika, dia nifikitra tamin’ilay karazam-pivavahana nifangaro ihany ny ankamaroan’ireo “kristiana niafina” ireo.
Kanefa, moa ve ny Eglizy katolika hanakiana araka ny mety “ireo kristiana niafina” izay nanda tsy hiverina amin’ny fivavahana katolika romana ireo? Nanaraka fampianarana sy fetin’ny mpanompo sampy maro be toy izany koa ny Eglizy katolika, anisan’izany ny noely. Raha toa ny katolika sy ny protestanta, izay samy milaza tena ho kristiana, ka nampisy endrika fanompoan-tsampy an’izay heveriny ho “kristianisma” tamin’ireo fetin’ny mpanompo sampy, moa ve izy ireo tsy mandà an’i Jesosy Kristy koa?
Tafaverina ho amin’ny kristianisma marina
I Setsuko, katolika tia fivavahana iray nandritra ny 36 taona, dia tonga tamin’ny fahatakarana izany tamin’ny farany. Taorian’ny Ady lehibe faharoa, dia nanandrana nameno ny banga teo amin’ny ara-panahiny izy tamin’ny fikambanana tamin’ny fiangonana katolika iray. ‘Fahafahampo re izany!’ hoy ny noeritreretiny rehefa nanatrika lamesan’ny noely sy nahita ireo hazo noely nirenty fatratra tao anatiny sy ivelan’ny fiangonany izy. “Nahatsapa ho nirehareha ny amin’ireo ravakay tsara tarehy nihoatra noho ireo fiangonana teo akaikiny, aho”, hoy izy. Kanefa tsy tena nanana fahatakarana ireo fampianarana katolika i Setsuko, na dia nampianatra sekoly alahady nandritra ny fotoana sasany aza izy. Noho izany, rehefa naniry ny hiditra lalina kokoa tamin’ny asan’ny fiangonana izy, dia nanao fanontaniana vitsivitsy tamin’ny pretrany. Tsy namaly ny fanontaniany ilay pretra fa nanambanimbany azy. Kivy izy ary nanapa-kevitra ny hampiana-tena tamin’ny Baiboly. Rehefa afaka tapa-bolana tatỳ aoriana, dia nitsidika azy ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nanaiky fampianarana Baiboly tany an-tokantrano izy.
Hoy ny fanazavany: “Nampangirifiry ny nifanatrika tamin’ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly izay namaky betroka ireo zavatra ninoako teo aloha. Voan’ny “alopécie neurotique”, fihintsanam-bolo noho ny fikorontanan-tsaina mihitsy aza aho. Tsikelikely anefa, dia namirapiratra tao am-poko ny fahazavan’ny fahamarinana. Zendana aho rehefa nahafantatra fa tsy afaka ny ho teraka tao anatin’ny volana Desambra nanorana sady namirifiry i Jesosy, ary tsy niandry ny andian’ondriny tany an-tsaha andro alina ireo mpiandry ondry tamin’izany. (Lioka 2:8-12). Nandrava ny fiheverako ny amin’ny fahaterahan’i Jesosy izany, satria nampiasa vohavohan-dandihazo izahay ho toy ny orampanala handravahana ny toeran’ny ondry sy ireo mpiandry azy.”
Rehefa avy nampiaiky ny tenany tamin’izay tena ampianarin’ny Baiboly i Setsuko, dia nanapa-kevitra ny hitsahatra tsy hankalaza ny noely. Tsy nanana ny “toe-tsain’ny noely” indray mandeha isan-taona intsony izy fa mampiseho ny toe-tsain’ny kristiana ravoravo manome isan’andro.
Raha mino amim-pahatsorana an’i Kristy ianao, dia aza sosotra rehefa mahita ny mpanompo sampy mandoto ny noely. Mamerina fotsiny izay naha-izy azy tany am-boalohany — fetin’ny mpanompo sampy — izy ireo. Ny noely dia tsy mitondra na iza na iza hiarahaba an’i Kristy, izay efa niverina tamin’ny fomba tsy hita maso amin’ny maha-Mpanjaka any an-danitra. (Matio, toko faha-24 sy 25; Marka, toko faha-13; Lioka, toko faha-21). Ny kristiana marina kosa dia mampiseho toe-tsaina toy ny an’i Kristy mandavantaona, ary manambara ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, izay i Jesosy no tonga Mpanjakany. Izany no fomba irin’Andriamanitra hiarahabantsika an’i Jesosy Kristy amin’ny maha-Mpamonjy antsika azy sady Mpanjakan’ilay Fanjakana. — Salamo 2:6-12.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ampitahao ny fomba roa nentin’i Paoly namaly ny fanontaniana momba ny famorana. Na dia fantany aza fa “tsinontsinona ny famorana”, dia namora an’i Timoty mpiara-dia taminy, izay Jiosy avy amin’ny reniny, izy. (1 Korintiana 7:19; Asan’ny apostoly 16:3). Raha ny amin’i Titosy indray, dia nitandrina tsy hamora azy ny apostoly Paoly noho ny amin’ny fotopoto-pitsipika tamin’ny ady tamin’ny mpanaraka ny jodaisma. (Galatiana 2:3). Grika i Titosy, ary noho izany, tsy sahala amin’i Timoty izy fa tsy nanana antony ara-dalàna tokony hamorana azy. Raha izy jentilisa no tsy maintsy hoforana, dia ‘tsy hahasoa azy akory i Kristy’. — Galatiana 5:2-4.
[Sary, pejy 7]
Ny kristiana marina dia manome voninahitra an’i Jesosy mandavantaona