“Nefa tena mihetsika izy io!”
“NY BAIBOLY dia mampianatra ny fomba fandehanana mankany an-danitra fa tsy ny fomba fandehan’ny lanitra”, hoy ilay mpahay siansa sady mpamoron-javatra italiana tamin’ny taonjato faha-16 atao hoe Galilée. Zavatra inoana sahala amin’izany no nampifanandrina azy tamin’ny Eglizy katolika romana, izay nandrahona azy tamin’ny fampijaliana sy ny fitanana am-ponja. Rehefa afaka 350 taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia namerina nijery indray ny fomba nitondrany an’i Galilée ny fiangonana. Izay nitranga tamin’ny andron’i Galilée dia nantsoina hoe “fifanandrinana eo amin’ny siansa miorina amin’ny fanandramana sy ny hevitra itompoana an-jambany.”
Amin’izao andro izao, ireo mpikaroka ny fahamarinana dia afaka mianatra avy amin’ny zavatra niainan’i Galilée. Nefa nahoana ny fifanandrinana toy izany no nitranga foana? Ny fijerena ny fomba fiheverana siantifika azo ekena tamin’ny androny no hanome ny valiny.
Teo antenatenan’ny taonjato faha-16, ny tany dia noheverina ho ny ivon’izao rehetra izao. Noheverina ho nihodina nanao faribolana tonga lafatra ireo planeta. Na dia tsy voaporofo tamin’ny fomba siantifika aza ireo hevitra ireo, dia nekena tamim-pinoana ho zava-nisy marim-pototra. Eny tokoa, ny siansa sy ny “hevi-draviny” dia tandra vadin-koditry ny fivavahana.
Tao amin’izany tontolo izany no nahaterahan’i Galilée tao amin’ny fianakaviana nohajaina iray tany Pisa, tamin’ny 1564. Nirin’ny rainy ny hianarany momba ny fitsaboana, saingy nanjary babon’ny matematika ilay zazalahy tia namanta-javatra. Tamin’ny farany, tamin’ny naha-mpampianatra siansa azy, dia nahita aingam-pitsipika sasany momba ny tsy fihetsehana izy. Rehefa nahazo filazalazana momba ny teleskôpy holanday tany am-boalohany izy dia nanatsara izany be dia be an-tsary, ary namorona ny fitaovany ambony manokana. Nampitodika izany nanandrify ny lanitra izy, ary namoaka izay nianarany tao amin’ilay bokiny voalohany hoe Sidereus Nuncius (Ilay mpitondra hafatry ny kintana), ary nampahafantatra tamin’ny taranaka nisy azy ny amin’ny volana efatra mahaforona an’i Jupiter. Tamin’ny 1611, dia voantso tany Roma izy, izay nampisehoany ny zava-bitany tamin’ny Collegio Romano (Kolejy romana) an’ny zezoita. Nanome voninahitra azy izy ireo tamin’ny fanambarana andro iray fahatsiarovana an’i Galilée.
Fampianarana notoherin’ny fiangonana
Toy ny fambara ratsy tamin’i Galilée fa talohan’ny nandaozany an’i Roma, dia nisy zezoita nanana fahefana iray, ny kardinaly Bellarmine, nitarika fanaovana famotopotorana momba ireo fampianaran’i Galilée. Nino i Galilée fa notarihin’ny lalàna azon’ny olombelona fantarina amin’ny alalan’ny fianarana ny famoronana. Nanohitra an’io fiheverana io ny Eglizy katolika.
Nisy aza manam-pahaizana momba ny astrônômia sasany nanohitra ny hevitr’i Galilée. Nino izy ireo fa tsy vitan’ny teleskôpy ny hampiseho ny tena zava-misy ary fandrebirebena ilay zavatra noforonina. Ny pretra iray aza nanao izay hiheverana fa zavatra natao tao anaty fanita-jery ireo kintana hita tao! Rehefa nahita ireo tendrombohitra eny amin’ny volana i Galilée ka nanamafy fa tsy tena boribory tsara ireo tenan-javatra eny amin’ny lanitra, dia nanohitra i Clavius pretra fa zavatra nampidirina tao anaty krystaly ilay volana mba hahafahana mahita ireo tendrombohitra, kanefa dia boribory tanteraka iray ilay izy! “Izany” hoy i Galilée namaly, “dia zavatra mahafinaritra noforonin’ny saina fotsiny.”
Ny fahalianan’i Galilée nanosika azy hamaky tao amin’ny “Bokin’ny Natiora”, araka ny niantsoany ny fianarana momba ny famoronana, dia nitarika azy ho amin’ny zava-bitan’ilay astrônôma polone atao hoe Nicolaus Copernicus. Tamin’ny 1543, i Copernicus dia namoaka boky iray nanaporofo fa mandeha mihodidina ny masoandro ny tany. Nohamarinin’i Galilée izany. Kanefa izany dia nahatonga an’i Galilée hanohitra ny fikambanana ara-tsiansa sy ara-politika ary ara-pivavahana nisy tamin’ny androny.
Raha nampiasa ny astrônômian’i Copernicus ny Eglizy katolika mba hamaritana ny daty, toy ny Paka, dia tsy nekena tamin’ny fomba ôfisialy ny fiheveran’i Copernicus. Nanohana ny teôrian’i Aristotle, milaza fa ny tany no ivon’izao rehetra izao, ny ambaratongam-pitondrana tao amin’ny fiangonana. Ny hevi-baovaon’i Galilée anefa dia nihaika ny lazan’izy ireo sy ny fahefany.
Na dia nanao zavatra mba hanamafisana ny fomba fiasan’i Copernicus aza ireo mpahay siansa nahaleotena nanerana an’i Eoropa, dia nianina tamin’ny fiadian-kevitra momba izany teo amin’ny samy mpahay siansa fotsiny. Teo amin’izany fototra izany no namelan’ny Eglizy katolika azy ireo ho irery. Tsy nanoratra tamin’ny fiteny latina i Galilée fa tamin’ny fiteny italiana iombonan’ny rehetra ka izany dia nahatonga ny zava-bitany ho fanta-bahoaka. Nahatsapa ny klerjy fa tsy nihaika azy ireo fotsiny izy fa ny Tenin’Andriamanitra koa.
Tsy boky fianarana siansa
Mazava ho azy fa tsy fihaikana ny Tenin’Andriamanitra mihitsy ny fahitana ny tena zava-misy momba izao rehetra izao. Mahatsapa ireo mpianatra io Teny io fa tsy boky fianarana siansa ny Baiboly, na dia tsy misy diso aza ny lazainy rehefa miresaka raharaha momba ny siansa izy io. Nosoratana izy io mba hananan’ireo mpino fandrosoana ara-panahy fa tsy hoe mba hampianarana azy ireo fizika na siansa momba ny natiora hafa. (2 Timoty 3:16, 17). Niombon-kevitra tamin’izany i Galilée. Nanipy hevitra izy fa misy karazam-piteny roa, dia ireo fomba fiteny ara-tsiansa voafaritra sy ny teny fampiasan’ny mpanoratra nahazo tsindrimandry amin’ny andavanandro. Hoy ny nosoratany: “Tena ilaina ao amin’ny Soratra masina (...) ny manitsy azy ireny ho takatry ny olon-tsotra, rehefa milaza zavatra maro toa tsy mitovy (raha ny amin’ny hevi-teny) amin’ny tena fahamarinana izany.”
Misy ohatra maro momba izany ao amin’ireo andinin-tenin’ny Baiboly samihafa. Ao amin’ny Joba 38:6 ny iray, izay iresahan’ny Baiboly ny tany ho toy ny manana ‘vodiandry’ sy ‘vato fehizoro’. Misy mampiasa izany amin’ny fomba diso ho toy ny porofo fa tsy mihetsika ny tany. Ny fitenenana toy izany dia tsy midika ho filazalazana ara-tsiansa ny tany, fa fanoharana ny famoronana ny tany amin’ny fanorenana trano iray amin’ny fomba poetika kosa, ka Jehovah no Mpanorina Lehibe azy.
Araka ny asain’ilay mpanoratra tantaram-piainan’olona atao hoe L. Geymonat marihina, ao amin’ilay bokiny hoe Galilée, “Ireo teôlôjiana tery saina naniry ny hametra ny siansa ho eo amin’ny fototry ny fanjohian-kevitra ara-baiboly dia tsy nanao afa-tsy ny namafy fisalasalana ny amin’ny Baiboly mihitsy.” Noho ny antony feno fitiavan-tena no nanaovan’ireo olona be kirina izany indrindra. Nisy taratasy nalefa tany amin’ny “Saint-Office” nangataka famotopotorana momba an’i Galilée.
Asa voarara
Tamin’ny 19 Febroary 1616, dia nentina teo anatrehan’ny teôlôjiana katolika ireto fanoloran-kevitra roa ireto: 1) “ny masoandro no ivon’izao rehetra izao” ary 2) “tsy ny tany no ivon’izao rehetra izao.” Tamin’ny 24 Febroary izy ireo dia nanambara tamim-pahefana fa mampiseho hadalana sy manohitra ny finoan’ny maro izany hevitra izany. Nodidiana i Galilée mba tsy hino na hampianatra ny teôria toy izany. Nisy bokiny sy an’ny hafa maromaro natsahatra.
Nasaina nangina i Galilée. Tsy vitan’ny hoe nanohitra azy ny Eglizy katolika fa tsy nanan-kery hanampy azy koa ireo namany. Nanokan-tena tamin’ny fanaovana fikarohana fotsiny izy. Raha tsy tamin’ny fanovana papa tamin’ny 1623 angamba isika tsy nandre firesahana ny aminy indray. Kanefa ilay papa vaovao, i Urbain VIII, dia avara-pianarana sady mpanohana an’i Galilée. Tonga tany amin’i Galilée ny feo fa tsy hanohitra famoahana boky vaovao iray ny papa. Tao amin’ny fihaonana iray natao aza ny papa dia nanolotra tsangan-kevitra iray azo nampidirina tao amin’io boky io. Noho izany toa fampaherezana izany, dia nanomboka nanao ilay boky i Galilée.
Na dia navoaka voalohany teo ambanin’ny fanomezan-dalan’ny katolika aza ilay bokin’i Galilée hoe Dialogue Concerning the Two Chief World Systems, tamin’ny 1632, tsy ela dia foana ny hafanam-pon’ny papa. Tamin’ny faha-70 taonany i Galilée dia nampanantsoina hiseho fanindroany teo anatrehan’ny “Inquisition”. Ny fiampangana noho ny fiahiahiana ny amin’ny fanoheram-pinoana dia nitaky ny hanazavana mialoha ny fahazoan-dalana avy amin’ny eglizy hamoahana ilay boky, ary nohantitranterina fa nanafoana tamim-pitaka ilay fandrarana taloha kokoa ny fampianarana “Copernicanisme” i Galilée. Koa satria ny Dialogue nampitaha ny firafitry ny zavatra eny amin’ny lanitra, anisan’izany ny an’i Copernicus, dia nohamafisina fa nandika ny fandrarana izany.
Namaly i Galilée fa fitsikerana an’i Copernicus ilay bokiny. Fiarovan-tena tsy nanan-kery izany, satria nisy toe-javatra naharesy lahatra indrindra natao ho an’i Copernicus tao amin’ilay boky. Ambonin’izany, ny tenin’ny papa dia nampitondraina ilay mpandray anjara donendrina indrindra tao amin’ilay boky, dia i Simplicio, ka tamin’izany dia nanafintohina ny papa Urbain VIII.
Nomelohina ho mpanohitra ny finoan’ny fiangonana i Galilée
Noheverina ho olo-meloka i Galilée. Efa narary izy sady norahonana hampijalina raha tsy mandà, koa dia nataony izany. Nianiana toy izao izy teo am-pandohalehana: “Tena laviko (...) izay lazaina ho fahadisoana sy fanoheram-pinoana (...) Tsy hiresaka indray na oviana na oviana aho (...) ny amin’ny zavatra toy izany izay mety hahatonga ahy hahiahina sahala amin’izao.” Mahaliana fa milaza ny fitantarana fa nony nitsangana izy dia nikapoka ny tany ary ningonongonona hoe: “Eppur si muove! [Nefa tena mihetsika izy io!]”
Ny saziny dia fitanana am-ponja sy fanamelohana mandra-pahafatiny, izay nitranga rehefa afaka sivy taona tatỳ aoriana. Nilaza toy izao ny taratasy iray nosoratany tamin’ny 1634: “Tsy noho ny hevitro velively no nanombohan’ny ady fa noho ny tsy fitiavan’ny zezoita ahy.”
Tamin’ny 1822, dia foana ny fandrarana ireo bokiny. Nefa hatramin’ny 1979 ny papa Joany Paoly II dia mbola nampipoitra indray ilay raharaha ary niaiky fa “natao hijaly mafy (...) noho izay ataon’ny olona sy ireo fikambanan’ny Eglizy” i Galilée. Tao amin’ny gazetin’i Vatican, L’Osservatore Romano, i Mario D’Addio, mpikambana malaza ao amin’ny vaomiera manokana naorin’ny papa Joany Paoly II mba hijery indray ny fieken’i Galilée tamin’ny 1633, dia niteny hoe: “Ilay lazaina fa fanoheram-pinoan’i Galilée dia toa tsy nisy fototra iorenany mihitsy na ara-teôlôjia na teo ambanin’ny lalàn’ny Eglizy.” Araka ny hevitr’i D’Addio, dia nihoatra ny fahefany ny fitsaran’ny “Inquisition” — tsy nandika na dia andininy iray momba ny finoana aza ny teôrian’i Galilée. Niaiky ny gazetin’i Vatican fa tsy nanam-pototra ny fiekena ny amin’ny fanoheram-pinoan’i Galilée.
Inona no ianarantsika avy amin’izay niainan’i Galilée? Ny kristiana iray dia tokony hahatsapa fa tsy bokin-tsiansa ny Baiboly. Rehefa misy fifanoherana mitranga eo amin’ny Baiboly sy ny siansa, dia tsy voatery manandrana mampifanaraka ny “fahasamihafana” rehetra izy. Rehefa dinihina tokoa, ny finoana kristiana dia miorina amin’ny “tenin’i [teny momba an’i, MN] Kristy” fa tsy amin’ny fahefana ara-tsiansa. (Romana 10:17). Ankoatra izany, dia miovaova hatrany koa ny siansa. Ny teôria iray izay toa manohitra ny Baiboly sady fanta-bahoaka androany dia mety ho hita fa diso sady hailika rahampitso.
Kanefa, rehefa nanintona ny saina ho amin’i Galilée ireo mpahay siansa mba hampisehoana ny fanafoanan’ny siansa ny fivavahana, dia tsara hotadidiany fa tsy neken’ny fikambanana mpanao fikarohana tamin’ny androny ny zavatra hitan’i Galilée. Mifanohitra amin’ny fiheverana tamin’ny androny, ny Baiboly dia tsy hoe tsy nifanaraka tamin’izany fahamarinana izany. Tsy nila ny nahitsy ny Tenin’Andriamanitra. Ny fandraisana tamin’ny fomba diso ny hevitry ny Baiboly no nahatonga ny olana.
Tokony hohetsehin’ny lalàna mirindra tsara sady voajanahary manerana izao rehetra izao ny rehetra ho fankasitrahana misimisy kokoa ilay Mpamorona, dia i Jehovah Andriamanitra. Nanontany toy izao i Galilée: “Moa ve ny Asany ambany kokoa noho ny Teniny?” Namaly ny apostoly Paoly hoe: “Ny fombany [ny an’Andriamanitra] tsy hita (...) dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony.” — Romana 1:20.