Nanomboka Tsy Nifanaraka ny Siansa sy ny Fivavahana
NIEZAKA mafy namaky ny boky teny an-tanany, ilay astronoma 70 taona nadiva ho faty. Efa vonona hatao pirinty io boky nosoratany io. Asa raha fantany na tsia, fa hanova tanteraka ny fiheveran’ny olona an’izao rehetra izao izy io. Niteraka adihevitra be teo anivon’ny Kristianisma Anarana koa io boky io, ary mbola tsapa hatramin’izao ny vokany.
Tamin’ny 1543 no nitranga izany, ary i Nicolas Copernic io rangahy io. Poloney izy ary Katolika. Nampitondrainy ny lohateny hoe Ny Fihodinan’ny Tenan-javatra eny Amin’ny Lanitra (anglisy) ilay bokiny. Nohazavainy tao amin’izy io fa ny masoandro no eo afovoan’izao rehetra izao, fa tsy ny tany. Io fanazavana tsotra io no nasolon’i Copernic ilay fanazavana faran’izay sarotra teo aloha, dia ny hoe ny tany no eo afovoan’izao rehetra izao.
Tsy nampoizina hiteraka adihevitra be izy io. Malina mantsy i Copernic, rehefa nampahafantatra ny heviny. Ankoatra izany, dia toa vonona kokoa hanaiky ny tombantomban’ny mpahay siansa ny Eglizy Katolika, izay nino fa ny tany no eo afovoan’izao rehetra izao. Na ny papa aza nampirisika an’i Copernic hamoaka ilay bokiny. Rehefa nanao izany tokoa izy, dia natahotra ny mpampanonta ilay boky. Nolazainy tao amin’ny sasin-tenin’ilay izy àry, fa tsy voatery ho marina ny hoe ny masoandro no eo afovoan’izao rehetra izao, na dia mifanaraka tsara amin’ny matematika aza izany.
Nihanafana ny adihevitra
Niditra tamin’ilay adihevitra koa ilay astronoma atao hoe Galilée (1564-1642). Katolika io Italianina io, ary mpahay matematika sy fizika. Vao noforonina ny fitaratra manalehibe tamin’izay, ary nampiasa izany i Galilée mba hanamboarana teleskaopy handinihana ny lanitra. Nahita tsipirian-javatra mbola tsy tsikaritry ny olona mihitsy àry izy, ka resy lahatra fa marina ny an’i Copernic. Nahita pentina teo amin’ny masoandro koa i Galilée, ka lasa nampisalasala ilay filozofia sy finoana niely tamin’izany andro izany hoe tsy mety miova na simba ny masoandro.
Tsy toa an’i Copernic i Galilée, fa sahy nanaparitaka ny heviny sady nafana fo. Tsy nalala-tsaina toy ny taloha intsony anefa ny fivavahana, satria efa lasa nanohitra an-karihary ny teorian’i Copernic ny Eglizy Katolika. Nahiahiny ho nivadi-pinoana àry i Galilée, rehefa nilaza fa marina sy mifanaraka amin’ny Baiboly ilay teoria hoe ny masoandro no eo afovoan’izao rehetra izao.a
Nandeha niaro tena tany Roma i Galilée, nefa tsy nahazo rariny. Nandidy azy tsy hanohana an’i Copernic intsony ny Eglizy tamin’ny 1616. Tsy navela haneho ny heviny i Galilée nandritra ny fotoana kelikely. Namoaka boky hafa nanohana an’i Copernic indray anefa izy tamin’ny 1632. Nomelohin’ny Inquisition na fitsarana katolika higadra mandra-pahafatiny àry izy, ny taona nanaraka. Noho izy efa be taona anefa, dia tsy nalefa tany am-ponja izy fa nogadraina tany amin’ny trano iray.
Maro no mihevitra fa fandresena lehibe ho an’ny siansa, ilay fifandonana teo amin’i Galilée sy ny eglizy. Tsy ny fivavahana ihany, hono, no resy, fa ny Baiboly koa. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka anefa, fa misy zavatra maro tsy voadiniky ny olona manatsoaka hevitra maimaika toy izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nitsangana ho fahavalon’i Galilée ny olona ambony sasany, noho izy nahay vava sy nanao esoeson-teny nandratra. Vao mainka tezitra ny eglizy, rehefa nanizingizina izy fa mifanaraka amin’ny Baiboly ilay teoria. Toy ny hoe izy indray mantsy no nahalala betsaka momba ny fivavahana.
[Sary, pejy 3]
Copernic
[Sary nahazoan-dalana]
Nalaina avy tao amin’ny Giordano Bruno and Galilei (German edition)
[Sary, pejy 3]
Miaro tena eo anoloan’ny Inquisition i Galilée
[Sary nahazoan-dalana]
Avy amin’ilay boky The Historian’s History of the World, Vol. IX, 1904
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
Eo andamosina: Kisary mampiseho ny teorian’i Copernic momba ny masoandro sy ireo planeta manodidina azy