“Miharihary fa Mahery ny Hatsaram-panahiny Miharo Fitiavana Amintsika”
NOTANTARAIN’I JOSÉ VERGARA OROZCO
Mihevitra ve ianao fa hety ho feno risi-po vaovao ny fiainanao eo amin’ny faha-70 taonanao? Ny ahy dia nety. Ary izany dia efa maherin’ny 35 taona lasa izay.
Noho ny hatsaram-panahin’i Jehovah miharo fitiavana, dia manompo amin’ny maha-mpitory maharitra mandavantaona aho hatramin’ny 1962, ary hatramin’ny 1972, dia mpiandraikitra ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto El Carrizal, ao amin’ny fanjakan’i Jalisco, Meksika, aho. Mamelà ahy hitantara fohifohy aminareo ny fiainako teo aloha.
TERAKA tao amin’ny fanjakan’i Michoacán, teto Meksika aho, tamin’ny 18 Aogositra 1886. Ny raiko dia anisan’ny fikambanan’ny framasao, ka noho izany dia tsy nandeha tany amin’ny fiangonana katolika ny fianakavianay, na tsy nandray anjara tamin’ireo fety ara-pivavahana katolika izahay ary tsy nanana mihitsy sary ara-pivavahana tao an-tranonay.
Fony aho 16 taona, dia lasa niasa tany Etazonia ny raiko, kanefa dia nasainy nampianatra asa ahy ny lehilahy iray. Roa taona tatỳ aoriana anefa, dia nentin’ilay lehilahy tany amin’ny tanànan’ny Meksikô aho mba hiofana tao amin’ny akademian’ny miaramila iray. Taorian’izany dia nanomboka niasa tao amin’ny tafika meksikanina aho.
Tao amin’ny tafika sy taorian’izany
Niady tao amin’ny revaolisiona meksikanina izay nanomboka tamin’ny 1910 aho. Nanohana an’i Francisco I. Madero, izay revaolisionera nanohitra ny fitondrana tsy refesi-mandidin’i Porfirio Díaz, izahay lehilahy tanora rehetra tao amin’ny akademia. Niandany tamin’i Madero izahay mandra-pahafatiny tamin’ny 1913, ary taorian’izay, dia nanohana an’i Venustiano Carranza, izay niasa tamin’ny naha-prezidàn’ny repoblika nanomboka tamin’ny 1915 ka hatramin’ny 1920, izahay. Nantsoina hoe Carranzistas izahay.
Tamin’ny fotoana efatra samy hafa, dia nanandrana niala tao amin’ny tafika aho, nefa tsy nahomby. Nitsoaka aho tamin’ny farany ary dia nanjary mpandositra. Vokatr’izany, ny raiko, izay niverina tany Meksika, dia nampidirina an-tranomaizina. Indray andro, tamin’ny fisehoana ho toy ny zanakalahin’ny iray tam-po aminy, dia nitsidika azy tany an-tranomaizina aho. Nifampiresaka tamin’ny alalan’ny fanoratana tapa-taratasy kely izahay mba tsy hahafahan’ireo mpiambina nandre anay. Mba hisorohana ny hahafantaran’ny rehetra hoe iza aho, dia nohaniko ireo taratasy.
Taorian’ny nivoahan’ny raiko avy tany an-tranomaizina, dia nitsidika ahy izy ary nangataka ahy hitolo-batana tany amin’ireo manam-pahefana. Nanao izany aho, ary gaga fa tsy nisambotra ahy ilay jeneraly tompon’andraikitra. Nanolo-kevitra ny hifindrako tany Etazonia kosa izy. Narahiko ny tolo-keviny ary dia nipetraka tany aho nanomboka tamin’ny 1916 ka hatramin’ny 1926.
Tamin’ny 1923, dia nanambady vehivavy meksikanina izay nipetraka tao Etazonia koa aho. Nianatra asa momba ny fanorenana aho, ary nanangana zazavavy kely iray ho zanaka izahay. Rehefa 17 volana izy, dia niverina tany Meksika izahay ary niorim-ponenana tao Jalpa, any Tabasco. Tamin’izay no nanomboka ny “ ‘fikomian’ny Cristero’ ”, ary naharitra hatramin’ny 1926 ka hatramin’ny 1929 izany.
Nirin’ireo ‘Cristeros’ ny hiarahako tamin’izy ireo. Naleonay mianakavy anefa nandositra tany amin’ny fanjakan’i Aguascalientes. Rehefa avy nonina tao amin’ny toerana samihafa tany amin’ny repoblikan’i Meksika izahay dia nanorim-ponenana tao Matamoros, any Tamaulipas tamin’ny 1956, ary tao no nanombohako nanara-maso ireo asa fanorenana.
Miova ny fiainako
Teto no nanomboka niova ny fiainako. Ny zanako vavy, izay efa nanambady ary nonina teo ampitan’ny sisin’i Brownsville, any Texas, Etazonia, dia nitsidika anay matetika. Nilaza izy indray andro hoe: “Dada a! fianakaviana maro dia maro no mivory ao amin’ny tranom-pokonolona amin’izao fotoana izao. Andao hojerena hoe inona izany.” Izany dia ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny zanako vavy, ny vinantolahiko, ny zafikeliko lahy, ny vadiko ary ny tenako dia nanatrika ny fivoriambe nandritra ny efatra andro.
Nanomboka tamin’io taona io, dia nanatrika ireo fivoriana kristiana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay. Nandroso ara-panahy aho tao Meksika, raha nanao toy izany koa ny zanako vavy tany Etazonia. Tsy ela dia nanambara tamin’ireo mpiara-miasa tamiko ireo fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly nianarako aho. Nahazo gazety folo isaky ny nomerao tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! aho, ka nozaraiko tamin’ireo mpiara-miasa tamiko izany. Lasa vavolombelona ny dimy tamin’ireo tao amin’ny birao sy ny telo tamin’ireo tompo-marika ary koa ny sasany tamin’ireo mpiasa hafa.
Hatsiaka re izany tamin’ny 19 Desambra 1959, fony aho natao batisa tao anaty renirano! Narary ireo rehetra natao batisa tamin’io andro io noho ny rano nangatsiaka be loatra. Vita batisa talohako ny zanako vavy, ary ny vadiko, na dia mbola tsy natao batisa aza, dia tonga tamin’ny fahalalana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, ary tena tia fiaraha-miasa izy.
Ny fanompoana manontolo andro
Nahatsapa ho nananan’Andriamanitra trosa aho noho ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana lehibe, hany ka tamin’ny febroary 1962, rehefa 75 taona aho, dia nanomboka ny fanompoana manontolo andro tamin’ny naha-mpitory maharitra. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin’ny 1968, dia maty ny vadiko. Taorian’izany dia naniry hanompo tany amin’ny tany hafa aho, nefa noho ny taonako, dia nihevitra ireo rahalahy fa tsy nety izany. Tamin’ny 1970 anefa, dia voatendry ho mpitory maharitra tany amin’ny fanjakan’i Jilsco, izay nisy kongregasiona kely iray, aho.
Tamin’ny septambra 1972, ny mpiandraikitra ny fizaran-tany dia nanolo-kevitra mba hifindrako teto amin’ny tanàna kelin’i El Carrizal, izay eo akaikin’i Colotlán. Ny volana novambra tamin’io taona io, dia naorina teto ny kongregasiona iray, ary izaho no voatendry ho loholona tao. Na dia tanàna tena mitokana aza izy io, dia mahatratra 31 no manatrika ireo fivorian’ny kongregasiona.
Na dia eo aza ny taonako, dia mbola marisika amin’ny fanompoana ihany aho, miezaka mafy manampy ny olona hanjohy hevitra momba ireo zavatra inoany. Ohatra, miaraka amin’ny sampile, ireo katolika tso-po dia mamerimberina ny arahaba ry Maria toy izao: ‘Arahaba, ry Maria; feno hasoavana; ny Tompo ao aminao.’ Manampy toy izao ilay vavaka: ‘Masina Maria, Renin’Andriamanitra.’ Manontany azy ireo aho hoe: ‘Ahoana no hetezan’izany? Raha toa ka Andriamanitra no mamonjy an’i Maria, amin’ny ahoana no hahafahany koa ho zanany lahy?’
Dimy amby zato taona aho izao ary manompo amin’ny maha-loholona sy amin’ny maha-mpitory maharitra eto El Carrizal, Jalisco, hatramin’ny efa ho 20 taona izao. Tsapako fa sitrapon’i Jehovah ny hiainako mandritra ny taona maro, satria amin’izany fomba izany no ahafahako manonitra ny fotoana veriko fony aho tsy nanompo Azy.
Ny zavatra iray nianarako dia ny tokony hananantsika fatokiana mandrakariva fa ilay Mpitsara Tampony antsika dia mandinika antsika avy eny amin’ny seza fiandrianany marina ary manome antsika ireo zavatra ilaintsika. Araka ny ambaran’ny Salamo 117:2 dia ‘Miharihary fa mahery ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana amintsika.’