Aoka Isika Hihoby ny Tontolo Vaovaon’Andriamanitra Feno Fahafahana!
“Hofafan’[Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana.” — APOKALYPSY 21:4.
1, 2. Iza ihany no afaka mitondra ny tena fahafahana, ary inona no azontsika ianarana momba Azy avy ao amin’ny Baiboly?
NY TANTARA dia nanaporofo ny fahamarinan’ilay nolazain’i Jeremia mpaminany hoe: “Tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary [hitarika, MN] ny diany.” Iza ihany no afaka mitarika ny dian’ny olombelona? Nanohy ny teniny toy izao i Jeremia: “Jehovah ô, anaro aho.” (Jeremia 10:23, 24). Eny, i Jehovah ihany no afaka mitondra ny tena fahafahana amin’ireo zava-manahirana mamely ny fianakavian’ny olombelona.
2 Ao amin’ny Baiboly, dia misy ohatra maro mampiseho ny fahaizan’i Jehovah hitondra fahafahana ho an’ireo manompo azy. “Izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra masina.” (Romana 15:4). Voarakitra ao koa ireo fitsaran’i Jehovah ny fanompoam-pivavahan-diso, ka ireny dia “fananarana antsika izay niharan’ny faran’izao tontolo izao”. — 1 Korintiana 10:11.
Ny fanafahana ny vahoakany
3. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah ny fahaizany nanafaka ny vahoakany tany Egypta?
3 Ny ohatra iray ny amin’ny fahaizan’Andriamanitra hampihatra fitsarana amin’ny fanompoam-pivavahan-diso sy hanafaka ireo izay manao ny sitrapony dia fony nandevozina tany Egypta ny vahoakany tamin’ny andro fahiny. Milaza toy izao ny Eksodosy 2:23-25: “Niakatra tany amin’Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany [fanandevozany, MN]. Ary Andriamanitra nandre ny fitarainany.” Tao anatin’ny fampisehoana nahatahotra ny fahamboniany raha noharina tamin’ireo andriamani-dison’i Egypta, ilay Andriamanitra Tsitoha dia nampihatra loza folo tamin’io firenena io. Ny loza tsirairay avy dia natao mba hampietry andriamanitra egyptiana iray, ho fampisehoana fa diso izy ireo ka tsy afaka ny hanampy ireo Egyptiana nanompo azy. Tamin’izany no nanafahan’Andriamanitra ny vahoakany sy nandringanany an’i Farao sy ny tafiny tao amin’ny Ranomasina mena. — Eksodosy toko faha-7 ka hatramin’ny faha-14.
4. Nahoana no tsy hoe nampiseho tsy rariny akory Andriamanitra rehefa nampihatra ny fitsarany tamin’ireo Kananita?
4 Rehefa nampiditra ny Isiraely tao Kanana Andriamanitra, dia noringanina ireo mponina nanompo demonia ka nomena ny vahoakan’Andriamanitra ilay tany. Amin’ny maha-Tompom-piandrianana azy, dia manana ny zo hampihatra ny fitsarany amin’ireo fivavahana mietry i Jehovah. (Genesisy 15:16). Ary momba ny fivavahana kananita, dia milaza toy izao ny Boky manome fitarihana momba ny Baiboly nataon’i Halley: “Ny fanompoam-pivavahana tamin’ireo (...) andriamanitra kananita dia voaforon’ny filibana tafahoatra indrindra; ireo tempoliny dia foiben’ny faharatsiam-pitondrantena. (...) Nanao ny fanompoam-pivavahany tamin’ny alalan’ny fanaranam-po tamin’ny fahalotoam-pitondrantena, ho fombafomba ara-pivavahana, teo anatrehan’ireo andriamaniny, ireo Kananita; ary avy eo, tamin’ny famonoana ny zanany voalohany, ho sorona ho an’ireo andriamanitra ireo ihany. Tamin’ny lafiny lehibe, dia toa nanjary karazana Sodoma sy Gomora teo amin’ny lafiny ara-pirenena ny tany Kanana.” Nanampy teny toy izao izy: “Moa ve nanana zo mbola hisy ihany ny sivilizasiôna feno fahavetavetana sy fahasiahana maharikoriko toy izany? (...) Ireo mpikaroka ny rakitry ny ela izay mandavaka ireo sisa tavela amin’ny tanàna kananita dia manontany tena hoe nahoana Andriamanitra no tsy nandringana azy ireo taloha kokoa.”
5. Tamin’ny ahoana ny nanafahan’Andriamanitra ny vahoakany fahizay no namela ohatra harahina amin’izao androntsika izao?
5 Io fitantarana ny amin’ny nanoheran’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahan-diso io, nanafahany ny vahoakany nanaovany fanekena ary nanomezany azy ireo tany nampanantenaina iray, io dia namela ohatra harahina atỳ aoriana. Izany dia nanondro ilay fotoana efa akaiky dia akaiky hanorotoroan’Andriamanitra ireo fivavahan-dison’ity tany ity sy ny mpanohana azy ireo ka hitarihany ny mpanompony amin’ny andro ankehitriny hiditra ao amin’ny tontolom-pahamarinana vaovao iray. — Apokalypsy 7:9, 10, 13, 14; 2 Petera 3:10-13.
Ny tena fahafahana ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra
6. Inona avy no sasany amin’ireo fahafahana mahatalanjona homen’Andriamanitra ao amin’ny tontolo vaovao?
6 Ao amin’ny tontolo vaovao, Andriamanitra dia hitahy ny vahoakany amin’ireo lafiny mahatalanjona rehetra amin’ny fahafahana izay nokasainy homena ny fianakavian’olombelona. Hisy fahafahana amin’ny fampahoriana avy amin’ny fototra ara-politika, ara-toekarena ary ara-pivavahan-diso. Hisy fahafahana amin’ny fahotana sy ny fahafatesana, ka hanana fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay eto an-tany ny olona. “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” — Salamo 37:29; Matio 5:5.
7, 8. Inona no ho hitan’ireo izay hahazo fahasalamana tanteraka indray ao amin’ny tontolo vaovao?
7 Tsy ela aorian’ny hampidirana izany tontolo vaovao izany, dia haverina hanana fahasalamana tanteraka indray ny mponina ao aminy. Ny Joba 33:25 dia milaza hoe: “Dia ho tsara noho ny an’ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin’ny andro nahatanorany izy.” Ny Isaia 35:5, 6 dia mampanantena hoe: “Dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana.”
8 Ianareo izay manana aretina ara-batana noho ny fahanterana na ny tsy fahasalamana, dia alao sary an-tsaina ange ny tenanareo ao amin’ny tontolo vaovao e, mifoha isa-maraina ka mihasalama sy mihamatanjaka noho ny omalin’iny. Nanome toerana ho an’ny hoditra malambolambo sady salama ireo ketrona amin’ny tenanao — tsy mila menaka fihosotra intsony. Nahazo fahitana lavorary indray ireo masonao nanjary tsy nahita tsara na jamba — tsy mila solomaso intsony. Naverina ho amin’ny laoniny ny fandrenesana amin’ny fomba feno — ario ireny fitaovana fanampiana ho an’ny sofina ireny. Matanjaka sy feno izao ireo tongotra aman-tanana kilemaina — atsipazo ireny tehina sy fiankinana ary seza mikorisa ireny. Tsy misy aretina intsony — ario avokoa ireny fanafody rehetra ireny. Mifanaraka amin’izany, dia mampanantena toy izao ny Isaia 33:24: “Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho.” Manambara koa izy hoe: “Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.” — Isaia 35:10.
9. Amin’ny fomba ahoana no hamaranana ny ady mandrakizay?
9 Tsy hisy olona na dia iray aza hatao sorona ho an’ny ady intsony. “Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany [Andriamanitra]; manapaka ny tsipìka sy manito [mamotipotika, MN] ny lefona Izy ary mandoro ny sariety amin’ny afo.” (Salamo 46:9). Tsy havelan’ilay Mpanapaka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia i Jesosy Kristy, izay antsoin’ny Isaia 9:5 [Is 9:6, MN] hoe “Andrian’ny fiadanana”, hisy intsony mihitsy ireo fitaovam-piadiana. Manampy teny toy izao ny andininy faha-6 [Is 9:7, MN]: “Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana.”
10, 11. Hidika ho inona ho an’ny tany ny fisian’ny fiadanana feno?
10 Ho fitahiana toy inona ho an’ny taranak’olombelona, sy ho an’ity tany ity, moa izany hoe ho afaka amin’ny fitaovam-piadiana! Amin’izao fotoana izao, dia mbola mandringana olona ireo fitaovam-piadiana nampiasaina tamin’ireo ady teo aloha. Any amin’ny tany iray, izany hoe any Frantsa, dia nisy maherin’ny 600 ny isan’ireo manam-pahaizana mpanaisotra baomba maty, nanomboka tamin’ny 1945 no ho mankatỳ, teo am-panandramana ny hanala ireo zavatra mety hipoaka sisa tavela avy tamin’ireo ady teo aloha. Nilaza toy izao ny filohan’ny fikarakarana ny fanesorana baomba any Frantsa: “Mbola mahita bala tafondro velona avy tamin’ny Ady nifanaovan’i Frantsa sy i Prusse tamin’ny 1870 izahay. Misy farihy maro feno grenady mahafaty avy tamin’ny Ady Lehibe voalohany. Matetika dia manitsaka vanja milevina iray natao ho an’ny “tank” avy tamin’ny Ady Lehibe faharoa ny trakteran’ny tantsaha iray, dia izay, vita ny aminy. Misy hatraiza hatraiza ireo zavatra ireo.” Roa taona lasa izay, dia nanome izao fanazavana izao ny The New York Times: “Tao anatin’ireo 45 taona nanomboka tamin’ny faran’ny Ady Lehibe faharoa, [ireo mpanaisotra baomba] dia nanala bala 16 tapitrisa, baomba 490 000 ary vanja nilevina tao ambany rano 600 000 avy tamin’ny tany [frantsay]. (...) Misy hektara ana hetsiny maro no mbola voafefy, feno hipoka fitaovam-piadiana ary voahodidin’ny soratra mampitandrina hoe: ‘Aza kasihina fa mamono!’ ”
11 Endrey ny fahasamihafan’ny tontolo vaovao amin’izany! Ny rehetra dia hanana trano tsara, sakafo tondraka ary asa fanovana ny tany manontolo ho paradisa, asa izay misy heviny sady mitondra valisoa. (Salamo 72:16; Isaia 25:6; 65:17-25). Tsy hodarofana fitaovana mipoaka an-tapitrisany maro intsony mihitsy ny olona, na ny tany manontolo koa aza. Izany tontolo vaovao izany no tao an-tsain’i Jesosy rehefa nilaza toy izao tamin’ny olona iray naneho finoana azy izy: “Hiaraka amiko ao amin’ny Paradisa ianao.” — Lioka 23:43, MN.
Fampianarana maneran-tany ho amin’ny fiainana
12, 13. Asa fampianarana maneran-tany inona no nolazain’i Jesosy sy i Isaia mialoha fa hatao amin’izao androntsika izao?
12 Rehefa mianatra momba ny tontolo vaovaon’Andriamanitra ny olona iray, dia mianatra koa fa, amin’izao androntsika izao, i Jehovah dia nanorina kongregasiona maneran-tany iray voalamina ho amin’ny fanompoam-pivavahana marina. Izy io no ho fototra hahaforona ilay tontolo vaovao, ary mampiasa azy io Andriamanitra ankehitriny mba hampianarana ny hafa momba ny fikasany. Io fandaminana kristiana io dia manatontosa asa fampianarana maneran-tany iray amin’ny lafiny sy toetra mbola tsy hita hatramin’izay mihitsy. Nilaza mialoha ny amin’izy io i Jesosy. Hoy izy: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” — Matio 24:14.
13 I Isaia koa dia niresaka momba io asa fampianarana maneran-tany io: “Ary izao no ho tonga any am-parany [ny fotoana misy antsika ankehitriny]: ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah [ny fanompoam-pivavahana aminy nasandratra] dia haorina [mafy, MN] (...) ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany. Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, (...) mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony.” — Isaia 2:2, 3.
14. Ahoana no hahafantarantsika ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao?
14 Noho izany, ny asa fanaovana fanambarana maneran-tany momba ny Fanjakan’Andriamanitra dia porofo mahery fa akaikin’ny faran’ity fandehan-javatra ratsy ity isika ka efa antomotra ny tena fahafahana. Ireo olona mitsidika ny hafa mitondra ny hafatra feno fanantenana momba ny tontolo vaovaon’Andriamanitra dia voalazalaza ao amin’ny Asan’ny apostoly 15:14 (MN) ho toy ny “olona ho an’ny anaran[’Andriamanitra]”. Iza no mitondra ny anaran’i Jehovah ka manao fanambarana maneran-tany momba an’i Jehovah sy ny fanjakany? Mamaly ny filazan’ny fitantarana amin’izao taonjato faharoapolo izao hoe: ny Vavolombelon’i Jehovah ihany. Amin’izao andro izao, dia maherin’ny efatra tapitrisa ny isan’izy ireo ao amin’ny kongregasiona maherin’ny 66 000 maneran-tany. — Isaia 43:10-12; Asan’ny apostoly 2:21.
15. Raha ny amin’ny raharaha ara-politika, ahoana no ahafahantsika mahafantatra ireo tena mpanompon’Andriamanitra?
15 Ny porofo hafa iray fa manatanteraka ireo faminaniana momba ny asa fitoriana ilay Fanjakana ny Vavolombelon’i Jehovah dia voamarika ao amin’ny Isaia 2:4 hoe: “Hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka. Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” ‘Tsy mianatra ady intsony’ àry ireo izay manao ny asa fitoriana momba ny Fanjakan’Andriamanitra maneran-tany. Nilaza i Jesosy fa tsy maintsy ho “tsy anisan’izao tontolo izao” izy ireo. (Jaona 17:16, MN). Izany dia midika fa tsy maintsy mialanalana izy ireo eo amin’ny raharaha ara-politika, ka tsy hiandany na amin’iza na amin’iza amin’ny adin’ireo firenena. Iza no tsy anisan’izao tontolo izao ka tsy mianatra ady intsony? Eto indray koa, ny filazan’ny tantaran’izao taonjato faharoapolo izao dia manamarina hoe: ny Vavolombelon’i Jehovah ihany.
16. Hanao ahoana ny fitaran’ny fanaovana ny asa fampianaran’Andriamanitra maneran-tany?
16 Ny asa fampianarana maneran-tany ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah dia hitohy na dia aorian’ny hamaranan’Andriamanitra ity tontolo ratsy ankehitriny ity aza. Manambara toy izao ny Isaia 54:13: “Ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah.” Hatao amin’ny fomba lalina aoka izany io fampianarana io, hany ka milaza mialoha ny Isaia 11:9 hoe: “Ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” Hila fampianarana mitohy, tsy ireo ho tafita velona amin’ny faran’ity tontolo tranainy ity sy ireo zanany mety haterany ao amin’ny tontolo vaovao, ihany, fa ireo olona an’arivo tapitrisany maro hiverina ho amin’ny fiainana amin’ny fitsanganana amin’ny maty koa. Amin’ny farany, ny olona tsirairay hiaina eto an-tany dia hampianarina ny fomba hampiharana ny safidiny malalaka araka ny tokony ho izy ao anatin’ireo fetra noferan’ireo lalàn’Andriamanitra. Inona no ho vokany? “Ny mpandefitra (...) no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” — Salamo 37:11.
Fahafahana lehibe maro dieny izao
17. Inona no nasain’i Mosesy nataon’ny vahoakan’Andriamanitra fahizay?
17 Fony teo an-tokonan’ny Tany Nampanantenaina ireo Isiraelita fahizay, dia nilaza toy izao tamin’izy ireo i Mosesy: “Efa nampianariko didy sy fitsipika hianareo, araka izay nandidian’i Jehovah Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin’ny tany izay efa hidiranareo holovana. Koa tandremo ary ataovy izany, fa izany no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason’ny firenen-tsamy hafa; fa handre izany lalàna rehetra izany izy ka hanao hoe: Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena io. Fa iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana andriamanitra akaiky azy tahaka an’i Jehovah Andriamanitra amin’izay rehetra iantsoantsika Azy? Ary iza no firenena, na dia lehibe aza no mba manana didy sy fitsipika marina tahaka izao lalàna rehetra izao, izay ataoko eo anatrehanareo anio?” — Deoteronomia 4:5-8.
18. Fahafahana lehibe inona avy no ho azon’ireo izay manompo an’Andriamanitra, dieny izao?
18 Amin’izao andro izao, ireo olona an-tapitrisany maro manompo an’i Jehovah dia eo an-tokonan’ny tany nampanantenaina iray koa — ilay tontolo vaovao. Noho izy ireo mankatò ireo lalàn’Andriamanitra, dia manana Azy akaiky azy izy ireo ka miavaka amin’ireo firenena hafa rehetra. Efa nafahan’Andriamanitra avy tamin’ny hevi-diso ara-pivavahana, tamin’ny fanavakavaham-bolon-koditra, tamin’ny fampiasana zavatra mahadomelina tsy ara-dalàna, tamin’ny fanindrahindram-pirenena, tamin’ny ady ary tamin’ny fihanaky ny aretina azo avy amin’ny firaisana, sahady izy ireo. Ankoatra izany, dia nampiray azy ireo tao amin’ny fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena be fitiavana ka tsy hay ravana, izy. (Jaona 13:35). Tsy manahy ny amin’ny hoavy izy ireo, fa “hihoby noho ny faharavoam-po” kosa. (Isaia 65:14). Fahafahana lehibe maro toy inona moa no ankafiziny dieny ankehitriny noho ny fanompoany an’Andriamanitra amin’ny maha-Mpanapaka azy! — Asan’ny apostoly 5:29, 32, MN; 2 Korintiana 4:7; 1 Jaona 5:3.
Fanafahana olona hafa koa avy amin’ny finoana diso
19, 20. Ahoana no anafahan’ny fampianaran’ny Baiboly momba ny toetran’ireo maty, ny olona?
19 Olona maro itorian’ny Vavolombelon’i Jehovah no manjary mahita ireo fahafahana ireo koa. Ohatra, any amin’ireo tany anaovana ny fanompoam-pivavahana amin’ireo razana, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mampahafantatra amin’ny hafa fa tsy velona any ho any akory ireo maty ary tsy afaka manisy ratsy ny velona. Manondro ny Mpitoriteny 9:5 izy ireo, izay manambara fa “fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona.” Manonona ny Salamo 146:4 koa izy ireo, izay milaza fa rehefa maty ny olona iray dia “miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany”. Koa mampiseho àry ny Baiboly fa tsy misy fanahy (esprit) matoatoa na fanahy (âme) tsy mety maty mba hanao fanasitranana na hampihorohoro ireo velona. Noho izany, dia tsy misy ilàna handaniana vola niasana mafy ny fahazoana azy mba handoavana ny saran’asan’ireo mpanao ody ratsy na pretra.
20 Ny fahalalana marina ny Baiboly toy izany dia manafaka ny olona avy amin’ny fampianaran-diso momba ny afobe sy ny afo fandiovana. Rehefa mianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ny olona fa hoe tsy mahatsiaro tena ny maty, fa toy ny ao anatin’ny torimaso lalina, dia tsy manahy intsony izy ireo ny amin’izay manjo ireo olon-tiany maty. Miandry amim-panantenana kosa aza izy ireo ny fotoana noresahin’ny apostoly Paoly rehefa nilaza izy hoe: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka [tsy marina, MN].” — Asan’ny apostoly 24:15.
21. Iza no tsy isalasalana fa ho anisan’ireo hatsangana amin’ny maty, ary azo inoana fa hanao ahoana ny ho fihetsiny?
21 Amin’ny fitsanganana amin’ny maty, ireo maty dia hiverina ho amin’ny fiainana eto ambonin’ny tany nafahana mandrakizay tamin’ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama. Tsy isalasalana fa ho anisan’ireo hatsangana amin’ny maty ireo ankizy natao sorona ho an’ireo andriamanitra kananita toa an’i Moloka, ireo zatovolahy natao sorona ho an’ireo andriamanitra “aztèques” ary koa ireo an-tapitrisany tsy tambo isaina natao sorona ho an’ny andriamanitry ny ady. Ho talanjona sy ravoravo toy inona moa ireny niharam-pahavoazana taloha noho ny finoana diso ireny! Amin’izay ireny ho tafatsangana amin’ny maty ireny dia ho afaka hanambara amim-pahasambarana hoe: “Ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao? Ry fiainan-tsi-hita [Sheola, fanamarihana ambany pejy sy MN] ô, aiza ny fandringananao?” — Hosea 13:14.
Mitadiava an’i Jehovah
22. Raha maniry hiaina ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra isika, dia inona no ilaintsika hotadidina ao an-tsaina?
22 Maniry hiaina ao amin’ny tontolon’Andriamanitra vaovao sy marina, izay hisian’ny tena fahafahana, ve ianao? Raha izany no izy, dia alatsaho ao am-po àry ireo teny ao amin’ny 2 Tantara 15:2 manao hoe: “Jehovah momba anareo, raha hianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa hianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy hianareo, dia hahafoy anareo Izy.” Ary tadidio ao an-tsaina fa ny fiezahanao amim-pahatsorana hianatra momba an’Andriamanitra sy hanao izay sitrany dia tsy hoe tsy ho hita akory. Milaza ny Hebreo 11:6 fa “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” Andriamanitra. Ary ny Romana 10:11 (MN) dia milaza hoe: “Tsy hisy ho diso fanantenana izay mametraka ny finoany aminy.”
23. Nahoana isika no tokony hihoby ny tontolo vaovaon’Andriamanitra feno fahafahana?
23 Manangasanga erỳ amin’ny faravodilanitra ny tontolo vaovaon’Andriamanitra misy ny tena fahafahana. Ao “ny zavatra noforonina koa dia hafahana avy amin’ny fanandevozan’ny fahalòvana ka hahazo ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” Ary “hofafan’[Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana.” (Romana 8:21; Apokalypsy 21:4). Amin’izay, ireo mpanompon’i Jehovah rehetra dia ho afaka hanandrandra ny lohany ka hihoby amim-pifaliana ny tontolo vaovaon’Andriamanitra feno fahafahana ary hihiaka hoe: ‘Misaotra, Jehovah ô, noho ny fahafahana rehefa ela ny ela!’
Ahoana no Havalinao?
◻ Tamin’ny fomba ahoana no nampisehoan’i Jehovah ny fahaizany manafaka ny vahoakany?
◻ Fahafahana mahatalanjona inona avy no ho hita ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra?
◻ Amin’ny fomba ahoana no ampianaran’i Jehovah ny vahoakany ho amin’ny fiainana?
◻ Inona avy ny sasantsasany amin’ireo fahafahana ankafizin’ny vahoakan’Andriamanitra dieny izao noho izy manompo an’i Jehovah?
[Sary, pejy 10]
Nampiseho ny fahamboniany raha noharina tamin’ireo andriamani-dison’i Egypta i Jehovah, tamin’ny fanafahana ireo nanolotra fanompoam-pivavahana taminy
[Sary, pejy 12, 12]
Amin’izao andro izao, ireo tena mpanompon’Andriamanitra dia fantatra amin’ny fanatanterahan’izy ireo ny asany fampianarana maneran-tany sy amin’ny fitondrany ny anarany