FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 15/6 p. 30-31
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Mitovitovy Aminy
  • Voadio ny Anaran’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Onitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Alao sary an-tsaina ny izao tontolo izao iray tsy misy faniriana mihoa-pampana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Halatra — Koa Nahoana Moa?
    Mifohaza!—1995
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 15/6 p. 30-31

Fanontanian’ny Mpamaky

Ahoana no fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fividianana entana nangalarina?

Manalavitra izay fandraisana anjara amim-pahalalana amin’ny fividianana entam-barotra na fitaovana nangalarina ny Kristiana.

Azo antoka fa ratsy ny fangalarana. Nilaza tamin’ny fomba tsy nisy olakolaka ny Lalàn’Andriamanitra ho an’ny Isiraely hoe: “Aza mangalatra.” (Eksodosy 20:15; Levitikosy 19:11). Raha tratra ny mpangalatra iray, dia voatery nanonitra avo roa heny, na efatra heny, na dimy heny izy, arakaraka ny toe-javatra.

Hatramin’ny fahagola, ny mpangalatra dia niezaka nanome olon-kafa ireo entana nangalarina mba hahazoana tombony haingana ary mba tsy ho tratra miaraka amin’ny porofon’ny heloka nataony. Mba hanaovana izany, dia mazàna amidin’izy ireo mora ireo entana nangalarina ka sarotra amin’ny mpividy maro ny handa izany. Ny fanao toy izany dia nety ho tafiditra tao amin’izay vakintsika ao amin’ny Eksodosy 21:37 toy izao: “Raha misy olona mangalatra omby, na ondry, na osy, ka mamono azy, na mivarotra azy, dia hanonitra omby dimy ho solon’ny omby iray izy ary ondry na osy efatra ho solon’ny ondry na osy iray.”

Nanoratra toy izao ny Raby atao hoe Abraham Chill, raha nahazo an-tsaina izay tafiditra tamin’izany lalàna izany: “Voarara ny mividy na mandray fananana nangalarina, na dia tsy fantatra avy hatrany ho toy izany aza ilay fananana. Noho izany dia tsy tokony hividy osy avy amin’ny mpiandry ondry ny olona iray, satria azo inoana fa manao ilay varotra tsy fantatry ny mpampiasa azy izy, ary manandrana ny hihazona ny vola.” — The Mitzvot — The Commandments and Their Rationale.

Raha ny marina anefa, ny lalàn’Andriamanitra dia tsy mandrara ny ‘hividianana osy avy amin’ny mpiandry ondry’, satria fotsiny hoe ahiahina ho nitana ny volan’ny tompony izy, izany hoe nivarotra osy nangalarina. Amin’ny lafiny iray anefa, ny mpanompon’i Jehovah dia tsy tokony hinia ho tonga andaniny iray amin’ny varotra (osy na zavatra hafa rehetra) rehefa toa miharihary fa tsy tompony ilay mpivarotra na mety ho halatra ilay izy. Asehon’ny lalàn’Andriamanitra fa ekeny ho ara-dalàna ny fananana manokana, kanefa ny mpangalatra iray dia manaisotra amin’ny tompony ny fananany. Ny olona izay mividy zavatra fantatra fa halatra dia mety tsy ho mpangalatra toy izany, kanefa ny fividianana nataony dia mampihena ny mety hiverenan’ilay fananana any amin’ny tompony. — Ohabolana 16:19; ampitahao amin’ny 1 Tesaloniana 4:6.

Takatsika rehetra fa ny mpividy — na mpikarakara tokantrano izany, na masoivoho mpividy entan’ny kaompania — dia mitady ny hividy entam-barotra amin’ny vidiny tsara indrindra. Ireo vehivavy maneran-tany dia mitady varo-mora tsara, miezaka ny hampihemotra ny fividianany zavatra mandra-pahatongan’ny fotoana hidinan’ny vidin’entana, na mividy any amin’ny mpivarotra ambongadiny na any amin’ny fivarotana mitondra anarana tsotsotra izy ka amin’izany dia hahazo zavatra mora kokoa. (Ohabolana 31:14). Tokony hisy fetrany ara-pitondrantena anefa ny fahalianana amin’ny varo-mora toy izany. Ireo olona nahatoky tamin’ny andron’i Nehemia dia nanda ny hividy zavatra tamin’ny Sabata na dia nety ho nahazo mora aza izy ireo tamin’ireny andro ireny. (Nehemia 10:32; ampitahao amin’ny Amosa 8:4-6.) Mitovy amin’izany ny an’ny Kristiana. Ny fanalavirany ny fangalarana dia manampy azy ireo hifehy izay mety ho fakam-panahy hividy mora, entana izay miharihary fa halatra.

Mety ho fantatry ny rehetra fa mivarotra halatra ny mpivarotra sasany. Na mety haningana aoka izany ny fanononana vidin-javatra amin’ny fomba miafinafina ka na iza na iza olona salama saina dia hanatsoaka hevitra fa angamba azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ilay entam-barotra. Na dia ny lalàna eo amin’ilay tany aza dia mety hiaiky ny amin’ny ilàna fahalalana ny antonony toy izany. Nanazava toy izao ny boky iray momba ny lalàna:

“Tsy ilaina eo amin’ny ‘heloka noho ny fahalalana’ takin’ny toe-javatra, ny hahafantaran’ilay voampanga hoe tany amin’iza na iza no nangalatra ilay fananana, na oviana na taiza no nangalarana azy, na tamin’ny toe-javatra ahoana no nangalarana azy. (...) Ny fitsarana sasany dia mihevitra fa azo ambara ny fisian’ny ‘heloka noho ny fahalalana’ miorina amin’ny hoe: ilay voampanga dia nandray ilay fananana tao anatin’ny toe-javatra izay ho nampiaiky olona iray manana fahalalana sy fahamalinana mitovy amin’ny olon-drehetra, fa halatra ilay izy.”

Izany dia manampy antony ara-dalàna ho an’ny Kristiana mba tsy hividianana entana nangalarina. Ny fividianany entana toy izany dia mety hahatonga azy ho mpandika lalàna. Misy olona maro tsy enjehin’ny fieritreretany, mandika ny lalàna raha heveriny fa tsy ho tratra izy. Tsy marina izany ho an’ny Kristiana izay maniry ny ‘hanaiky ny fahefana lehibe’. Ny maha-mpankatò lalàna azy ireo dia miaro azy amin’ny fiampangana ho mpanao heloka bevava, ary izany dia mandray anjara amin’ny fananany fieritreretana tsara eo anatrehan’i Jehovah. — Romana 13:1, 4, 5.

Namela ohatra tsara dia tsara momba ny feon’ny fieritreretana i Abrahama sakaizan’Andriamanitra. Tamin’ny androny, dia nandresy ireo mpanjaka tao amin’ny nisy an’i Lota ny mpanapaka efatra tany atsinanana, ka namabo fananana sarobidy maro tamin’ny endriky ny halatra nataon’ny miaramila. Nanenjika ny fahavalo i Abrahama, nandresy azy ary nitondra niverina ireo entana nangalarina. Nilaza tamin’i Abrahama ny mpanjakan’i Sodoma hoe: ‘Ny fananana ento ho anao’ ho valisoa. Tsy nanao izany i Abrahama fa namerina ireo entana tany amin’ireo tena tompony tamin’ny filazana hoe: “Izaho (...) tsy handray (...) amin’izay rehetra mety ho anao (fandrao hataonao hoe: Izaho no nampanan-karena an’i Abrama)”. — Genesisy 14:1-24.

Ny Kristiana dia tsy mba liana amin’izay mety ho tombontsoa ara-bola mety ho azo amin’ny alalan’ny entana nangalarina. Nanoratra toy izao i Jeremia: “Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin’ny rariny”. (Jeremia 17:11). Koa, ankoatra ny fanehoana fahendrena amin’ny tsy fandikana ny lalàn’i Kaisara mikasika ny fananana nangalarina, ny Kristiana dia maniry ny hanandratra ny rariny araka an’Andriamanitra amin’ny fandavana tsy ho voaroiroy na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana amin’ny halatra, izay zavatra tsy ara-drariny. Mifanentana amin’izany indrindra, dia nanoratra toy izao i Davida: “Tsara lavitra ny kely ananan’ny olo-marina anankiray noho ny be ananan’ny ratsy fanahy maro.” — Salamo 37:16.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara