Nahoana no Misy Famoizam-po Be toy Izao?
FANANTENANA fiainana tsaratsara kokoa — tanteraka ihany rehefa ela ny ela! Nino izany ny olona maro niaina tany amin’izay nantsoina tamin’izany hoe Alemaina Atsinanana, rehefa nirodana ny Rindrin’i Berlin tamin’ny Novambra 1989. Herintaona mahery kely taorian’izay anefa, dia nitaraina izy ireo fa “hitan’izy ireo ho sarotra kokoa ny miatrika ny tontolo manahiran’ny demokrasia kapitalista noho ny fiainana narovan’ny Rindrin’i Berlin”. Inona no vokany? Fahadisoam-panantenana sy famoizam-po mitombo hatrany.
Ny herisetra ao an-tokantrano sy eo amin’ny fiaraha-monina dia mety hanery olona handao ny fonenany mba hitady tsy fananana ahiahy, kanefa dia vitsy no mahita izany. Ny sasany aza dia mety hiafara mihitsy any amin’ireo tsy manan-kialofana izay mitoby eny amin’ny araben’ny tanàn-dehibe. Any amin’ny tany sasany, dia maro amin’izy ireny amin’ny farany no tafiditra ao anatin’ny raharaha ara-panjakana sarotra. Noho izy ireo tsy afaka ny hanana trano onenana satria tsy manana asa, dia tsy afaka ny hahazo asa izy satria tsy manana adiresin-trano. Miezaka manampy ireo sampan-draharaham-panjakana mikarakara ny sahirana, kanefa dia maka fotoana lava ny famahana ireo olana. Koa manjary mahazo vahana àry ny fahakiviana sy ny famoizam-po.
Entin’ny famoizam-po ny vehivavy maro ka tonga hatramin’ny fanaovan-javatra tena maharikoriko. Tao amin’ilay tatitra hoe Ny Vehivavy sy ny Heloka bevava amin’ireo taona 1990 (anglisy), dia manazava toy izao ilay mpampianatra lalàna atao hoe Dr. Susan Edwards: “Ny fahatafidiran’ny vehivavy tanora kokoa [ao amin’ny fivarotan-tena] dia vokatra mivantan’ny tsy fahampiana ara-bola, fa tsy avy amin’ny tsy fisian’ny fahaizana mifehy tena na avy amin’ny ivom-pianakaviana.” Toy izany koa, ireo tovolahy izay mandao ny tokantrano mba hitady asa dia mazàna tsy mahita. Ny sasany, mamoy fo, dia tonga anisan’ireny ‘zazalahy hofana’ ireny, manao izay hahazoan’ireo lehilahy mandry amin’ny lehilahy mampiasa ny vatany ho takalon-tsakafo sy fialofana, ka tonga kilalao eo an-tanan’ireo antokon’olona mpanao heloka bevava.
Ireo zava-misy henjana ara-politika, ny herisetra, ireo zava-manahirana ara-toekarena, izany rehetra izany dia mety hiteraka ambaratongam-pamoizam-po maro. Na dia ireo manam-pahaizana manokana momba ny asa ataony aza dia tsy voaro satria mitady hitana ny fomba fiainany milomano amin’ny harena izy sady miady amin’ireo zava-manahirana ara-bola tsy mitsaha-mitombo. Inona no vokany? “Fa ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry”, hoy ny nambaran’i Solomona mpanjaka fahiny!a (Mpitoriteny 7:7). Tsy azo lavina fa ny famoizam-po dia mitarika olona mitombo isa hatrany hifidy ny vahaolana faran’izay henjana — ny famonoan-tena.
Ny vahaolana faran’izay henjana
Ny fisian’ny famonoan-tena maro be eo amin’ny tanora dia mampiseho fa na dia izy ireo aza dia iharan’ny loza ateraky ny famoizam-po. Nanontany toy izao ny mpanoratra gazety britanika iray: “Inona eo amin’izao androntsika izao no mahatonga famoizam-po be aoka izany eo amin’ny zatovo?” Tao amin’ny fandinihana iray natao tamin’ny ankizy teo anelanelan’ny 8 ka hatramin’ny 16 taona izay naiditra hopitaly rehefa avy nanandrana nanapoizina ny tenany, dia nanao izao tatitra izao ny Dr. Eric Taylor ao amin’ny Fikambanana Mitsabo Aretin-tsaina any Londres: “Ny zavatra iray manaitra dia ny hoe firifiry amin’ireo ankizy no mamoy fo sy tsy manam-panantenana na amin’inona na amin’inona.” Any Grande-Bretagne, isan-taona, dia tombanana ho 100 000 ny isan’ireo ninia nihinana poizina nefa tsy maty. Izany fihinanana poizina izany dia tsy inona fa antsoantso amim-pamoizam-po mitady fanampiana.
Ny fikambanana britanika iray mpanao asa soa dia nanomboka ezaka manokana mba hihainoana amim-pangoraham-po ireo mamoy fo. Amin’izany fomba izany, ireo mpanolo-tsaina ao aminy dia milaza fa manolotra “zavatra hafa azo fidina ankoatra ny fahafatesana”. Miaiky anefa izy ireo fa tsy hainy ny mandamina ireo zava-manahirana izay mahatonga ny olona hamoy fo.
Ny tahan’ny famonoan-tena dia taratry “ny ambaratongam-pihatahana sy ny tsy fisian’ny firindrana ara-tsôsialy eo amin’ny fitambaran’olona”, hoy ny fanazavan’ny gazety The Sunday Correspondent. Nahoana no misy tahan’ny famonoan-tena avo dia avo amin’izao andro izao? Ilay gazety dia nanonona ny “tsy fananam-pialofana, ny fitomboan’ny fisotroana zavatra misy alikaola, ny fandrahonan’ny SIDA ary ny fikatonan’ireo hopitaly ho an’ny marary saina” ho anton-javatra mitarika ny olona hamoy fo lalina aoka izany ka hihevitra fa ny fanesorana ny ainy no hany fanafodin’ny zava-manahirana azy.
Moa ve misy fanantenana mba hampisinda ny famoizam-po? Eny! “Miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo”, hoy ny antso fanentanan’i Jesosy! (Lioka 21:28). Inona no tiany holazaina? Inona no fanantenana misy?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Araka ny Theological Wordbook of the Old Testament, navoakan’i Harris sy i Archer ary i Waltke, amin’ny fiteny tany am-boalohany, ny fototenin’ilay teny nadika hoe “fampahoriana” dia mifandray amin’ny “fanasarana, fampitondrana ny mafy, fanandevozana ireo izay ambany toerana kokoa.”