FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 1/7 p. 24-25
  • Gérasa — Toerana Nifanenan’ny Jiosy sy ny Grika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Gérasa — Toerana Nifanenan’ny Jiosy sy ny Grika
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Mitovitovy Aminy
  • Dekapolisy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Gerasianina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Andeha Isika Hizaha ny Ranomasin’i Galilia!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • B10 Israely Tamin’ny Andron’i Jesosy
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 1/7 p. 24-25

Sary avy any Amin’ny Tany Nampanantenaina

Gérasa — Toerana Nifanenan’ny Jiosy sy ny Grika

NANORATRA ny apostoly Paoly fa, eo amin’ny tena taranak’i Abrahama, dia “tsy misy intsony na Jiosy na Grika”. (Galatiana 3:26-29). Eny, ny fiaviana ara-pirazanana na ara-kolontsaina dia tsy zava-dehibe teo amin’ny fahazoana sitraka tamin’Andriamanitra.

Ireo teny ireo dia nety ho toa sahaza an’ireo Kristiana niparitaka nanerana ny provansa romana, toy ny provansan’i Galatia izay nisy fifangaroan’ireo Jiosy, Grika, Romana, ary tompon-tany. Ahoana kosa anefa ny amin’ireo tapany amin’ny Isiraely mihitsy, toa an’i Gileada?

Izany faritra izany dia any atsinanan’i Jordana, eo anelanelan’ny Ranomasina Masira (Maty) sy ny Ranomasin’i Galilia. Sahabo ho eo antenatenan’io lembalemba (plateau) lonaka io no mitsontsorika mankao Jordana ny reniranon’i Jaboka. Ny sary etsy ambony dia mampiseho ny sasany amin’ireo sisan-javatra rava manaitra ny saina tamin’i Gérasa, antsoina ankehitriny hoe Djarach, izay eo akaikin’ny tampon’i Jaboka.

Misy lalana tranainy falehan’ny mpandranto avy any avaratra mianatsimo antsoina hoe “lalan’andriana” namakivaky an’i Gileada. Rehefa nandao an’i Harana i Jakoba sy ny fianakaviany, dia toa nandeha nidina tamin’io lalana io nankany Jaboka. Nitolona tamin’ny anjely izy ary nifanena tamin’i Esao teo akaikin’ny toerana ho nanorenana an’i Gérasa. (Genesisy 31:17-25, 45-47; 32:22-30; 33:1-17). Tatỳ aoriana kokoa, ireo Isiraelita dia nifindra avy tany atsimo, niakatra nanaraka ny lalan’andriana rehefa nizotra ho any amin’ny Tany Nampanantenaina. Nisy foko roa sy tapany nanorim-ponenana tany atsimo sy tany avaratr’i Jaboka, nanaraka ilay lalan’ny mpandranto. — Nomery 20:17; Deoteronomia 2:26, 27.

Nanjary tafiditra tao amin’izany faritra izany ve ny Grika, ary raha izany no izy, dia tamin’ny fomba ahoana? Eny, tafiditra izy ireo rehefa nandresy ilay faritra i Aleksandra Lehibe. Araka ny lovantsofina, dia nanorina an’i Gérasa izy ho an’ireo miaramila menavazana tao amin’ny tafiny. Tsikelikely dia nanjary tafaorina tsara ny hery fitaomana grika. Ny folo tamin’ireo tanàna zanatany tany atsinanan’i Jordana sy ny Ranomasin’i Galilia dia nahaforona fivondronana iray fantatra tamin’ny anarana hoe Dekapolisy. Mety ho efa nahamarika izany anarana izany ianao tao amin’ny Baiboly izay mitantara fa “nanaraka Azy [Jesosy] ny vahoaka betsaka avy tany Galilia sy Dekapolisy sy Jerosalema sy Jodia ary ny avy tany an-dafin’i Jordana”. Iray tamin’ireo tanànan’i Dekapolisy i Gérasa. — Matio 4:25.

‘Anisan’ny tetik’i Aleksandra ny fampidirana ny vahoaka grika tany amin’ny faritry ny empira manontolo. Ny faritra atsimon’i Syria [anisan’izany i Dekapolisy] indrindra no nandray vahoaka grika sesehena, tamin’ny naha-anisan’ny foibem-pamaharana azy. Hatramin’izao dia tsy misy tapany eo amin’ny tontolo tatsinanana afaka mampiseho sisan-javatra rava grika manaitra sy maro aoka izany, toy ny tany any atsinanan’i Jordana. Ireo tanàna grika dia nampiseho, tetỳ ivelany, fiorenan’ny fomba amam-panao grika — tempoly kanto ho an’ireo andriamanitra sy andriamanibavy grika, trano malalaka fanaovana fanatanjahan-tena, trano fandroam-bahoaka, fankalazana lalao isan-taona, ary tamin’ny toe-javatra maro dia sekoly fianarana filôzôfia sy sekoly ho an’ny fianarana ambony.’ — Hellenism, nosoratan’i Norman Bent­wich.

Raha mitsidika ny sisan-javatra rava tamin’i Gérasa ianao, dia hahita porofo ampy ny amin’izany. Eo akaikin’ny fidirana any atsimo, dia misy forum, na tsenam-bahoaka iray miendrika faribolana, hita eo amin’ny sary. Azo inoana fa ho talanjona ianao amin’ireo trano fandroana, ireo tempoly, ireo trano fanaovana teatira ary ireo tranom-panjakana, ka ny ankamaroan’izy ireny dia mifandray amin’ny alalan’ny arabe voarakotra rarivato izay temerin’ny andry mitandahatra. Any ivelan’ilay tanàna ianao dia afaka mahita tsatobato (borne) na famaritana eny an-tsisin’ilay arabe taloha izay nampifandray an’i Gérasa tamin’ireo tanànan’i Dekapolisy hafa sy ireo seranan-tsambon’i Méditerranée.

Na dia taorian’ny nahazoan’i Roma an’i Gérasa tamin’ny taona 63 al.f.i. aza, dia nitohy hatrany ny toetoetra nampiavaka ny Grika. Azonao alaina sary an-tsaina ny nety ho fiantraikan’io toetoetra nampiavaka io teo amin’ireo Jiosy nonina tao Gérasa sy tao amin’ilay faritra. Manao izao fanamarihana izao ilay boky hoe Hellenism: “Tsikelikely, saingy tamin’ny fomba azo antoka, ireo Jiosy dia nanomboka nandray ireo hevitra ara-pivavahan’ny olona nanodidina azy, sy nihevitra ny Soratra Masina teo ambanin’ny herin’ireny hevitra ireny.”

Na dia nety ho tsy nitory tao amin’ilay tanàna aza i Jesosy, dia niditra tao amin’ny distrikan’i Gérasa izay nety ho nahatratra ny Ranomasin’i Galilia izy. Namoaka demonia maro tao amin’ny lehilahy iray tao amin’izany distrika izany izy, ka namela azy ireo hiditra tao anatin’ny kisoa. (Marka 5:1-17). Azo inoana fa ireo mpianany voalohany dia nitory tamin’ny Jiosy tany amin’ireo tanànan’i Dekapolisy, ary taorian’ny taona 36 am.f.i., dia azo nozaraina tamin’ireo Grika tao Gérasa ny vaovao tsara. Ny olona iray nanaiky ny Kristianisma, na mpanaraka akaiky ny Jodaisma izy, na Jiosy nanaraka ny kolontsaina grika, na Grika, dia azon’ilay Andriamanitra marina noraisina ho anisan’ny taranaka ara-panahin’i Abrahama.

[Sarintany, pejy 24]

(Jereo ny gazety)

Dion

Gérasa (Djarach)

Philadelphie (Rabbah)

Route du roi

Mer Salée

Jérusalem

Jourdain

Jabboc

Pella

Scythopolis (Beth-Schéan)

Gadara

Mer de Galilée

[Sary nahazoan-dalana]

Based on a map copyrighted by Pictorial Archive (Near Eastern History) Est. and Survey of Israel.

[Sary, pejy 24]

Io sary io dia nohalehibeazina ao amin’ny Fitadidianandron’ny Vavolombelon’i Jehovah 1992.

[Sary nahazoan-dalana]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara