Ario Ireo Nofinofin’izao Tontolo Izao, Katsaho Ireo Zavatra Tena Misin’ilay Fanjakana
“Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” — MATIO 6:33.
1. Fampitandremana inona no omen’ny Tenin’Andriamanitra mikasika ny fo ara-panoharana, ary inona no iray amin’ireo fomba lehibe amitahany antsika?
“TANDREMO ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy ao aminy no ihavian’ny aina.” (Ohabolana 4:23). Nahoana no nilain’i Solomona mpanjaka hendry ny nanome io fampitandremana io? Satria ny “fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina”. (Jeremia 17:9). Iray amin’ireo fomba lehibe ahafahan’ny fontsika ara-panoharana mamitaka antsika ny fanaovana izay anaranantsika fo amin’ny nofinofin’izao tontolo izao. Fa inona moa no atao hoe nofinofy? Izany dia zavatra foromporonin’ny saina tsy araka ny zavatra tena misy, nofy antoandro, firiorion’ny saina tsy manan-katao. Rehefa tonga nofinofin’izao tontolo izao ireny nofy antoandro ireny, dia tsy vitan’ny hoe mandany fotoana fotsiny izy ireny fa tena manimba koa. Noho izany, dia tsy maintsy ariantsika tanteraka izy ireny. Raha ny marina, raha mankahala ny fandikan-dalàna sahala amin’ny nataon’i Jesosy isika, dia hitandrina ny fontsika mba tsy hanaram-po amin’ny nofinofin’izao tontolo izao. — Hebreo 1:8, 9, NW.
2. Inona moa no atao hoe nofinofin’izao tontolo izao, ary nahoana isika no tokony hanary azy ireny?
2 Fa inona anefa no atao hoe nofinofin’izao tontolo izao? Izany dia nofinofy mampiavaka an’ity tontolo mipetraka eo ambany fahefan’i Satana ity. Mikasika izany, dia izao no nosoratan’ny apostoly Jaona: “Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany.” (1 Jaona 2:16; 5:19). Nahoana ny Kristiana no tsy maintsy manary ireo nofinofin’izao tontolo izao? Satria ny nofinofy toy izany dia manaitra faniriana feno fitiavan-tena ao an-tsaina sy ao am-po. Ny nofy antoandro mikasika ny fanaovana izay ratsy, raha ny marina, dia mety ho fanaovana famerenana ao an-tsaina ny amin’izay tena hotanterahin’ny olona iray marina tokoa. Nampitandrina antsika toy izao i Jakoba mpianatra: “Fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filany sy fitahiny izy. Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.” — Jakoba 1:14, 15.
Ohatra fampitandremana
3. Ny toe-javatra nanjo an’iza no ohatra fampitandremana voalohany indrindra ny amin’ny fanimbana entin’ny nofinofy feno fitiavan-tena?
3 Aoka isika handinika ohatra mampiseho ny antony tsy maintsy anariantsika ny nofinofin’izao tontolo izao. Izay nanjo an’i Satana Devoly dia manome ny ohatra voalohany indrindra ny amin’ny fanimbana mety hateraky ny fanaranam-po amin’ny nofinofy feno fitiavan-tena. Navelany hitombo aoka izany tao am-pony ny fiheveran-tena ho zavatra, hany ka notsiriritiny ny toerana tsy manam-paharoa ananan’i Jehovah amin’ny maha-Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao azy, ary niriny ny hanolorana fanompoam-pivavahana aminy. (Lioka 4:5-8). Nofinofy tsy araka ny zavatra tena misy ve izany? Azo antoka fa izany tokoa! Ho voaporofo amin’ny fomba tsy azo iadian-kevitra mihitsy izany rehefa ho voafatotra mandritra ny arivo taona i Satana, ary indrindra, rehefa hatsipy ao anatin’ny “farihy afo”, dia ny fahafatesana faharoa, izy. — Apokalypsy 20:1-3, 10.
4. Ahoana no namitahan’i Satana an’i Eva?
4 Manana ohatra fampitandremana hafa iray isika tamin’izay nanjo an’i Eva, ilay vehivavy voalohany. Tamin’ny fiezahany hanatanteraka ny faniriany mafy hisandratra, i Satana dia namitaka an’i Eva tamin’ny fanolorana hodinihin’ny sainy ilay nofinofy hoe: raha mihinana amin’ilay voankazo voarara izy, dia tsy ho faty akory, fa ho sahala amin’Andriamanitra, hahafantatra ny tsara sy ny ratsy. Moa ve izany, nofinofy tsy araka ny zavatra tena misy sy feno fitiavan-tena? Tsy azo lavina fa izany no izy, araka ny mety ho hitantsika ao amin’ilay fanamelohan’i Jehovah an’i Eva sy ny vadiny, tamin’ny andro nitsarana azy ireo. Vokatr’izany, dia nafoin’izy ireo ny zon’ny tenany hiaina ao amin’ny paradisa, sy ny an’ireo taranany tsy tanteraka rehetra. — Genesisy 3:1-19; Romana 5:12.
5. Inona no nahatonga ny fahalavoan’ny anjely zanak’Andriamanitra sasany, ary inona no vokatr’izany tamin’izy ireo?
5 Manana ohatra fampitandremana koa isika mahakasika anjely zanak’Andriamanitra sasany. (Genesisy 6:1-4). Toy izay ho afa-po tamin’ny fitahiana nananany tany an-danitra niaraka tamin’i Jehovah, dia naleon’izy ireo nanonofinofy ny amin’ny vehivavy tetỳ ambonin’ny tany sy ny fahafinaretana mety ho tsapa amin’ny fananana firaisana ara-nofo amin’izy ireny. Noho izy ireo nanao zavatra nifanaraka tamin’izany nofinofy izany, ireo anjely tsy nankatò ireo izao dia voatana ao anatin’ny haizina ara-panahin’ny Tartare, miandry ny fanafoanana azy amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy Kristy. — 2 Petera 2:4, NW; Joda 6; Apokalypsy 20:10.
Ario ny nofinofin’izao tontolo izao
6, 7. Nahoana ireo nofinofin’izao tontolo izao mahakasika ny harena ara-nofo no manimba sy mamitaka?
6 Aoka isika izao handinika iray amin’ireo nofinofy mahazatra indrindra sy mampidi-doza indrindra ampirisihan’i Satana. Alaim-panahy hanaram-po amin’ny nofinofin’izao tontolo izao isika amin’ny alalan’ireo fampitam-baovao isan-karazany. Mazàna izany dia vokatry ny faniriana harena fatratra. Tsy ratsy amin’ny maha-izy azy akory ny fananana harena. Olona tia an’Andriamanitra tena nanankarena i Abrahama sy i Joba ary i Davida Mpanjaka, kanefa tsy naniry harena ara-nofo fatratra izy ireo. Ireo nofinofy tsy mihevitra afa-tsy ny fananana ara-nofo dia manosika ny olona hiasa mafy mandritra ny taona maro mba hahazoana harena. Ny nofinofy toy izany dia manosika azy ireo koa hanaram-po amin’izao karazana filokana rehetra izao, toy ny fanaovana fanamby momba ny soavaly na ny fividianana karatra amin’ny lôteria. Aoka isika tsy hanolokolo izay mety ho famitahana ara-tsaina mikasika ny harena. Raha mieritreritra isika fa ireo fananana ara-nofo dia hanome tsy fananana ahiahy, dia diniho ity ohabolana milaza ny zavatra tena misy ity: “Ny harena dia tsy mahasoa amin’ny andro fahatezerana; fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon’ny fahafatesana.” (Ohabolana 11:4). Tsy azo lavina fa ny fananana ara-nofo dia tsy hisy ilàna azy eo amin’ny fahatafitana velona amin’ny “fahoriana lehibe”. — Matio 24:21; Apokalypsy 7:9, 14.
7 Afaka mamitaka antsika mora foana ireo fananana ara-nofo. Izany no antony ilazana amintsika hoe: “Ny haren’ny manan-karena no vohiny mafy, ary raha araka ny fiheviny, dia toa mànda avo izany.” (Ohabolana 18:11). Eny, “araka ny fiheviny” ihany izany, satria ny harena ara-nofo dia tsy manolotra afa-tsy fiarovana kely dia kely amin’ny fotoana isian’ny fitotongan’ny sandam-bola tsy voafehy, na fitambotsoran’ny toekarena, na fikorontanana ara-politika, na aretina mitondra fahafatesana. Nampitandrina i Jesosy Kristy fa hadalana ny fametrahana ny fitokiantsika amin’ny fananana ara-nofo. (Lioka 12:13-21). Ananantsika koa ireo teny fampitandreman’ny apostoly Paoly hoe: “Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” — 1 Timoty 6:10.
8. Hatraiza no itiavan’ny olona ny nofinofin’izao tontolo izao mahakasika ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, ary loza inona avy no aterak’izany?
8 Ny nofinofy hafa dia mifandray amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy tsy ara-dalàna. Azo atao ny mahita hoe hatraiza no itiavan’ny maha-izy ny olombelona mpanota mitana ny sainy hifantoka amin’ny nofinofy momba ny lahy sy ny vavy, eo amin’ny fitiavan’ny olona amin’ny ankapobeny ireo fitenenana vetaveta azo henoina amin’ny fiantsoana nomeraon-telefaonina sasany sy amin’ny fihainoana hafatra vetaveta (pornographique). Any Etazonia, ny dial-a-porn, sampan-draharaha mikarakara ny pornographie an-telefaonina, dia raharaha mampidi-bola an’arivo tapitrisany dôlara maromaro. Raha avelantsika hifantoka amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy tsy ara-dalàna ny saintsika, moa ve isika tsy ho mpihatsaravelatsihy, miseho ivelany fotsiny ho toy ny Kristiana madio? Ary tsy ho eo ve ny loza mety hitarihan’ny nofinofy toy izany ho amin’ny firaisana maloto? Efa nitranga izany ary nahatonga ny sasany ho voaroaka tsy ho ao amin’ny kongregasiona kristiana noho ny fijangajangana na noho ny fanitsakitsaham-bady. Raha jerena amin’ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 5:27, 28, moa ve izay rehetra mikiry manaram-po amin’ny nofinofy toy izany tsy meloka ho mijangajanga ao am-pony?
9. Torohevitra tsara dia tsara inona no raketin’ny Soratra Masina mba hampitandremana antsika amin’ireo nofinofin’izao tontolo izao?
9 Mba hanoherana ny fironan’ny fontsika, mpanota tsy hanaram-po amin’ny nofinofy toy izany, dia ilaintsika ny mitadidy ao an-tsaina ny fampitandremana nataon’i Paoly hoe: “Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’Izay iafaran’ny ataontsika.” (Hebreo 4:13). Amin’ny fotoana rehetra, dia tokony hirintsika ny ho sahala amin’i Mosesy izay “naharitra toy ny mahita Izay tsy hita”. (Hebreo 11:27). Eny, tsy maintsy manohy milaza amin’ny tenantsika isika fa ireo nofinofin’izao tontolo izao dia tsy ankasitrahan’i Jehovah ary tsy afaka hitondra afa-tsy fanimbana ho an’ny tenantsika. Tsy maintsy milofo eo amin’ny fambolena ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra rehetra isika, indrindra fa ny fifehezan-tena, satria tsy afaka mandositra izao zava-misy izao isika: raha mamafy ho an’ny nofo isika, dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo. — Galatiana 5:22, 23; 6:7, 8.
Ireo zavatra tena misin’ilay Fanjakana
10, 11. a) Zava-misy inona no manohana ny maha-tena misy ny Mpamorona? b) Inona no porofo fa tena Tenin’Andriamanitra marina tokoa ny Baiboly? d) Inona no porofo fa tena misy ny Mpanjakan’ilay Fanjakan’Andriamanitra?
10 Ny fomba tsara indrindra hanariana ny nofinofin’izao tontolo izao dia ny fikatsahana hatrany ireo zavatra tena misin’ilay Fanjakana. Ireo zavatra tena misin’ilay Fanjakana izay avy amin’Andriamanitra dia mifanohitra amin’ny fomba manaitra amin’ireo nofinofin’izao tontolo izao. Tena misy ve Andriamanitra? Tsy misy isalasalana ny amin’ny fisiany. Ny zavatra noforonina hita maso dia manamarina izany zava-misy izany. (Romana 1:20). Ampahatsahivina antsika izay nambara tao amin’ilay boky hoe Le Plan Divin des Âges, navoakan’ny Fikambanana Watch Tower, efa maherin’ny zato taona lasa izay. Izao no nambarany: “Ny olona izay afaka mijery ny lanitra amin’ny teleskôpy, na amin’ny maso tsotra izao fotsiny aza, ka mahita eny ny fidadasiky ny zavatra noforonina, ny fifandanjana eo amin’ny bikany sy ny toerany, ny hakantony, ny filaminany, ny fifandrindrany ary ny hamaroan’ny karazany, ary anefa dia misalasala fa ambony lavitra noho ny tenany eo amin’ny fahendrena sy ny hery ilay Mpamorona ireny, na koa hoe mety hanombantombana mandritra ny fotoana iray fa avy tamin’ny kisendrasendra ny filaminana toy izany fa tsy nisy Mpamorona, dia namoy tanteraka ny fahaizana misaina na minia tsy mahalala izany, ka mety tsara ny hiheverana azy araka ilay iantsoan’ny Baiboly azy hoe: adala (olona minia tsy mahalala ny fisainana na tsy manan-tsaina).” — Salamo 14:1.
11 Izay rehetra mahakasika ilay Fanjakana dia ianarantsika ao amin’ny Baiboly Masina. Tena Tenin’Andriamanitra voasoratra marina tokoa ve ny Baiboly? Tena azo antoka fa izany izy io, araka ny hita amin’ny fifandrindrana ao aminy, ny fahamarinana ara-tsiansa hita ao anatiny, sy ny heriny manova fiainan’olona ary indrindra fa ny fahatanterahan’ireo faminaniana raketiny.a Ahoana ny amin’ny Mpanjakan’ilay Fanjakan’Andriamanitra, dia i Jesosy Kristy? Tena nisy marina tokoa ve izy io? Ireo fitantarana ao amin’ny Filazantsara ary ireo taratasy ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Grika Kristiana dia manamarina tsy misy isalasalana sy amin’ny fomba mampiaiky ny maha-olona ara-tantara an’i Jesosy Kristy. Momba ny maha-olona ara-tantara an’i Jesosy, dia eo koa ny fanambaran’ny Talmoda jiosy, izay manisy fitenenana ny amin’i Jesosy ho toy ny olona. Toy izany koa no nataon’ireo mpanoratra tantara jiosy sy romana tamin’ny taonjato voalohany am.f.i.
12, 13. Zava-misy inona no manamarina ny tena fisian’ny Fanjakan’Andriamanitra?
12 Ahoana ny amin’ny maha-tena misy ilay Fanjakana mihitsy? Minia tsy mahalala izany tokoa ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana, araka ny asehon’ity fitarainana nataon’ny Presbitera iray fanta-bahoaka ity: “Efa maherin’ny telopolo taona tokoa izao no lasa hatramin’ny nihainoako mpitandrina iray manandrana manazava amin’ny ondriny ny amin’ny tena fisian’ilay Fanjakana ho azy ireo.” Kanefa dia ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah amin’ny alalan’ilay Fanjakana no foto-kevitry ny Teniny. Ny tenan’Andriamanitra mihitsy no nanome ny fampanantenana voalohany momba ilay Fanjakana tamin’ny filazana hoe: “Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (Genesisy 3:15). Ilay Fanjakana dia naseho tandindona tamin’ny alalan’ny firenen’ny Isiraely, indrindra nandritra ny fanjakan’i Solomona mpanjaka. (Salamo 72). Ankoatra izany, dia ilay Fanjakana no foto-kevitry ny fitoriana nataon’i Jesosy. (Matio 4:17). Nanome sary an-tsaina ny amin’izy io Izy tao anatin’ny fanoharana maro nataony, toy ireo ao amin’ny Matio toko faha-13. Nilaza tamintsika mba hivavaka ho an’ilay Fanjakana i Jesosy ary mba hikatsaka azy io hatrany voalohany indrindra. (Matio 6:9, 10, 33). Raha ny marina, dia voatonona efa ho in-150 ny Fanjakan’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Grika Kristiana.
13 Ilay Fanjakana dia tena fitondrana iray manan-kery sy fahefana, ary izy io no hanatanteraka ireo zavatra antenaina ara-dalàna rehetra. Manana fitambaran-dalàna izy, hita ao amin’ny Baiboly izany. Efa nahatonga zavatra maro hisy sahady ilay Fanjakana. Manana olom-pehezina tsy mivadika izy io — dia Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 4 000 000. Mitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tany 211 izy ireo, ho fanatanterahana ny Matio 24:14. Nandritra ny taom-piasany 1991, dia nandany ora 951 870 021 izy ireo tamin’ny fitoriana ny hafatr’ilay Fanjakana. Mitondra vokatra tena miharihary sy maharitra io asa io, arakaraka ny ianaran’ny olona maro be ny “fiteny madio”, dia ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. — Zefania 3:9, NW.
Fikatsahana ireo zavatra tena misin’ilay Fanjakana
14. Ahoana no ahafahantsika manamafy ny fankasitrahantsika ny zavatra tena misin’ilay Fanjakana?
14 Ahoana àry no ahafahantsika mikatsaka ireo zavatra tena misin’ilay Fanjakana? Ny fanantenantsika dia tsy maintsy miorina amin’ny fomba azo antoka amin’ny fiekena mafy. Tsy maintsy ho zavatra tena misy ho antsika ilay tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra. (2 Petera 3:13). Ary tsy maintsy inoantsika ilay fampanantenana fa Andriamanitra dia ‘hamafa ny ranomaso rehetra amin’ny masontsika, ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo na fitarainana na fanaintainana’. (Apokalypsy 21:4). Ahoana no ahazoantsika antoka fa tsy nofinofy izany? Azo antoka ny hahatanteraka izany amin’ny fotoana voatendrin’Andriamanitra, satria Izy dia tsy mahay mandainga. (Titosy 1:1, 2; Hebreo 6:18). Ilaintsika ny misaintsaina ireny fampanantenana ireny. Tsy nofinofy tsy mihevitra ny zavatra tena misy akory ny fakana sary an-tsaina ny tenantsika ao amin’ilay tontolo vaovaon’Andriamanitra eo am-pifaliana amin’ireo fitahiany, fa manome porofon’ny finoana kosa izany. Araka ny namaritan’i Paoly azy, “ny finoana dia fiandrasana azo antoka ny zavatra antenaina, fampisehoana miharihary ny zavatra tena misy na dia tsy tazana aza.” (Hebreo 11:1, NW ). Aoka isika hanatanjaka ny finoantsika amin’ny famahanan-tena tsy tapaka amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana izay manampy antsika hahatakatra sy hampihatra izany. Ary arakaraka ny habetsahan’ny fotoana atokantsika hilazana amin’ny hafa ny amin’ilay Fanjakana, ara-potoana sy tsy ara-potoana, no anatanjahantsika kokoa ny finoantsika sy ampahazavantsika kokoa ny fanantenantsika.
15. Manana adidy hanao inona amin’ny fanompoana kristiana moa isika?
15 Ilaintsika koa ny miasa mifanaraka amin’ireo zavatra tena misin’ilay Fanjakana amin’ny fanatsarantsika ny toetran’ny fanompoantsika. Koa satria mbola misy zavatra betsaka tokony hatao, ahoana no ahafahantsika manao izany? (Matio 9:37, 38). Marina ilay fitenenana hoe “tsy misy olona antitra loatra ka tsy ho afaka hianatra”. Na firy taona na firy taona no nandraisantsika anjara tamin’ny asa fanambarana, dia afaka manatsara izany isika. Amin’ny fahatongavana ho mahita vokatra kokoa eo amin’ny fampiasana ny Tenin’Andriamanitra, dia ho azontsika ampiana amin’ny fomba tsaratsara kokoa ny hafa mba hihaino ny feon’i Jesosy Kristy Mpanjaka. (Ampitahao amin’ny Jaona 10:16.) Rehefa mieritreritra isika fa izay ho fiafaran’ny olona mandrakizay no tafiditra, dia tokony haniry ny hamita tanteraka ny faritanintsika isika mba hanomezana azy ireo fahafahana imbetsaka hampiseho ny toerana tanany: na ho “ondry”, na ho “osy”. (Matio 25:31-46). Mazava ho azy fa izany dia midika ho fitanana an-tsoratra amim-pitandremana ny amin’ireo tsy tratra an-trano, ary indrindra ny amin’ireo liana amin’ny hafatr’ilay Fanjakana.
Katsaho hatrany ilay Fanjakana
16. Iza no namela ohatra tsara dia tsara eo amin’ny fikatsahana ireo zavatra tena misin’ilay Fanjakana, ary ahoana no ‘akan’izy ireo an-keriny’ ny Fanjakana?
16 Takina ny ezaka amim-pahatsorana mba hikatsahana hatrany ireo zavatra tena misin’ilay Fanjakana. Moa ve isika tsy ampaherezin’ny ohatra feno zotom-po omen’ireo Kristiana sisa voahosotra? Efa nikatsaka ilay Fanjakana nandritra ny am-polony taona maro izy ireo. Voalazalazan’ny tenin’i Jesosy toy izao izany fikatsahana izany: “Ary hatramin’ny andron’i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan’ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny.” (Matio 11:12). Eto ny hevitra dia tsy mahakasika fahavalo maka an-keriny ilay Fanjakana akory. Izany kosa dia anisan’ny asan’ireo izay mendrika hahazo ilay Fanjakana. Hoy ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly: “Amin’io fomba io no ilazalazana ny fikelezana aina sy filofosana fatratra sy tsy hay tohaina ho an’ilay fanjakana Mesianika manakaiky.” Tsy nitandro hasasarana mba hahazoana ilay Fanjakana ireo voahosotra. Takina amin’ny “ondry hafa” ny ezaka mafy toy izany mba hahatonga azy ireo hahafeno fepetra ho vahoaka eto an-tanin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. — Jaona 10:16.
17. Inona no hanjo ireo izay mikatsaka ny nofinofin’izao tontolo izao?
17 Miaina amin’ny vanim-potoana manokana izay fanararaotra marina tokoa isika izao. Ireo izay mikatsaka ny nofinofin’izao tontolo izao dia hifoha mba hahita zavatra tena misy mampanaintaina indray andro any. Voalazalaza tsara amin’izao teny izao ny hanjo azy: “Ary ho tahaka ny olona noana manonofy, fa, indro, mihinana izy; kanjo nony mahatsiaro, dia noana ihany izy; na ho tahaka ny olona mangetaheta manonofy, fa, indro, misotro izy; kanjo nony mahatsiaro, indro, ana ihany izy, ary ny fanahiny mbola maniry ihany”. (Isaia 29:8). Azo antoka tokoa fa ny nofinofin’izao tontolo izao dia tsy hahatonga olona iray ho afa-po na ho sambatra na oviana na oviana.
18. Raha jerena amin’ireo zavatra tena misin’ilay Fanjakana, lalana inona no tokony harahintsika, ary ho fikendrena fahatsinjovan-javatra inona?
18 Zavatra tena misy ny Fanjakan’i Jehovah. Manapaka amim-paharisihana izy io, fa ity fandehan-javatra ratsy ity kosa dia miatrika faharavana maharitra, efa antomotra izao. Noho izany dia raiso am-po ny torohevitr’i Paoly manao hoe: “Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika fa aoka hiambina ka hahonon-tena.” (1 Tesaloniana 5:6). Enga anie isika hitana ny fontsika sy ny saintsika hifantoka amin’ireo zavatra tena misin’ilay Fanjakana ka amin’izay dia hahazo fitahiana mandrakizay. Ary enga anie ho tanteraka amintsika ny handre ilay Mpanjakan’io Fanjakana io miteny hoe: “Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao”. — Matio 25:34.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay boky hoe La Bible: Parole de Dieu ou des hommes? navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona moa no atao hoe nofinofin’izao tontolo izao, ary nahoana isika no tokony hanary azy ireny?
◻ Ohatra inona avy no mampiseho fa hadalana ny manaram-po amin’ny nofinofin’izao tontolo izao?
◻ Zava-misy inona no manaporofo ny maha-tena misy ny Mpamorona sy ny Teniny voasoratra, ary i Jesosy Kristy sy ilay Fanjakana?
◻ Ahoana no ahafahantsika manatanjaka ny finoantsika an’ireo zavatra tena misin’ilay Fanjakana?
[Sary, pejy 15]
Ireo nofinofin’izao tontolo izao mazàna dia vokatry ny faniriana harena ara-nofo fatratra
[Sary, pejy 16]
Fomba iray hikatsahana ireo zavatra tena misin’ilay Fanjakana ny fitoriana ny vaovao tsara
[Sary, pejy 17]
Eo am-pikatsahana ireo zavatra tena misin’ilay Fanjakana ve ianao amin’ny fianarana amim-paharisihana ny Tenin’Andriamanitra?