Ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana sy ny Fivarotana Andevo
NANDRITRA ny taonjato faha-19, dia niray saina teo amin’ny fanoherany ny fivarotana andevo ireo misionera katolika sy protestanta. Kanefa dia tsy toy izany foana ny toerana notanany. Tamin’ireo taonjato talohan’izay, dia nankasitraka sy nandray anjara tamin’ny fivarotana andevo izy ireo na dia teo aza ny fahoriana nahatsiravina naterak’izany.
Nanomboka tonga tany amin’ny morontsiraka atsinanana sy ny morontsiraka andrefan’i Afrika ireo misionera fony hita voalohany ny lalana an-dranomasina falehan’ny mpivarotra, nanodidina ny Cap de Bonne-Espérance, tamin’ny taonjato faha-15. Rehefa afaka taonjato telo anefa, dia saiky nifarana tanteraka ny asa misionera tatsy Afrika. Afrikana vitsy no voataona hanaraka ny finoan’ireo. Ny antony iray nahatonga io tsy fahombiazana io, dia ny firotsahan’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana tao amin’ny fivarotana andevo. Nanazava toy izao i C. P. Groves ao amin’ny bokiny hoe The Planting of Christianity in Africa:
“Ny fanaovana tamim-paharisihana ny fivarotana andevo dia niara-dalana tamin’ny misiona kristiana, ary tsy noheverina ho diso toerana izy io. Tsy azo lavina fa ny misiona mihitsy aza dia nanana andevo ho azy manokana; ny monasitera jesoita iray tao Loanda [Luanda amin’izao fotoana izao, renivohitr’i Angola] dia novatsina andevo 12 000. Rehefa niroborobo ny fivarotana andevo nifanaovan’i Angola sy Brezila, dia teo amin’ny seza vato iray teo amoron-tseranana ny evekan’i Loanda no nanome ny tsodranony ho an’ireo sambo nitondra andevo teo am-piaingana, ary nampanantena azy ireo fahasambarana hoavy izy, rehefa tapitra ireo fitsapana toy ny tafiotra eo amin’ny fiainana.”
Tsy nitsangana mba “hanohitra ny fanandevozana ny Mainty hoditra” ireo misionera jesoita, hoy ny fanamafisana nataon’i C. R. Boxer, araka izay voatonona ao amin’ilay boky hoe Africa From Early Times to 1800. Tany Luanda, talohan’ny niakaran’ireo andevo tao anaty sambo efa vonona ny hiainga ho any amin’ireo zanatany espaniola sy portioge, hoy ny teny nanampin’i Boxer, “dia nentina tao amin’ny fiangonana akaiky indrindra izy ireo (...) ary tao dia nataon’ny pretra teo an-toerana batemy niaraka ny antokon’olona zato isaky ny nanao”. Avy eo, rehefa avy nofafazana “rano voahasina” ireo andevo dia nilazana hoe: “Jereonareo ry olona, fa efa zanak’Andriamanitra sahady ianareo; hankany amin’ny tanin’ny Espaniola ianareo, ka any ianareo dia hianatra zavatra momba ny Finoana (katolika). Aza mieritreritra intsony ny amin’ny toerana niavianareo (...) Mandehana amim-piadanana.”
Marina aloha fa tsy ireo misioneran’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana ihany no nankasitraka ny fivarotana andevo. “Hatramin’ny tapany farany tamin’ny taonjato fahavalo ambin’ny folo”, hoy ny fanazavan’i Geoffrey Moorhouse ao amin’ny bokiny hoe The Missionaries, “izany dia fihetsiky ny ankamaroan’ny olona”. Notononin’i Moorhouse ny ohatr’i Thomas Thompson, misionera protestanta iray tamin’ny taonjato faha-18, izay nanoratra trakitra iray nitondra ny lohateny hoe Ny Fivarotana Andevo Mainty Hoditra Afrikana dia Naseho fa Mifanaraka Amin’ny Fotopoto-pitsipiky ny Maha-olombelona sy ny Lalàn’ireo Fivavahana Voambara. (anglisy).
Na dia izany aza, noho ny fandraisan’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana anjara, dia nanana andraikitra koa izy teo amin’ny fahoriana mahatsiravina nampianjadiana tamin’ireo andevo afrikana an-tapitrisany maro. “Ankoatran’ireo andevo izay maty talohan’ny niondranany hiala an’i Afrika”, hoy ny The Encyclopædia Britannica, “dia nafoy nandritra ny fandalovany tany India Andrefana ny 121/2%; tany Jamaika dia maty teo an-tseranana na talohan’ny fivarotana azy ny 41/2%, ary anampy ireo ny ampahatelon’ireo niondrana an-tsambo tany am-boalohany izay maty noho ny ‘famolahana ireo vaovao ho tonga tena andevo’ ”.
Tsy ho ela i Jehovah Andriamanitra dia hampamoaka ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana sy ireo endri-pivavahan-diso hafa noho ny fandatsahan-dra mahatsiravina rehetra nalany tsiny ary notsofiny rano mihitsy aza. — Apokalypsy 18:8, 24.
[Kisary, pejy 8]
(Jereo ny gazety)
Sarin’ny fomba namatrarana ireo andevo tao anatin’ny sambo mpitatitra andevo
[Sary nahazoan-dalana]
Schomburg Center for Research in Black Culture / The New York Public Library / Astor, Lenox and Tilden Foundations