Sary avy any Amin’ny Tany Nampanantenaina
Mihinan-kanina — Mihinana mofo
INDRAY mandeha, rehefa tao amin’ny trano iray i Jesosy sy ny mpianany dia “tsy nahazo nihinan-kanina akory izy” noho ny vahoaka. (Marka 3:20). Tamin’ny fotoana hafa i Jesosy dia niditra tao an-tranon’ny Fariseo iray mba ‘hihinan-kanina’. (Lioka 14:1). Karazan-tsakafo inona no tonga ao an-tsainao?
Ireo Isiraelita fahiny dia azo inoana fa ho nieritreritra ny mofo, satria ilay fitenenana hoe “mihinan-kanina” amin’ny teny hebreo sy grika, dia nidika ara-bakiteny hoe “mihinana mofo”. Mora takatra ny nahatonga izany, satria ny mofo vita tamin’ny varimbazaha na vary hordea (orge) no foto-tsakafon’izy ireo.
Olona maro amin’izao fotoana izao no mihevitra an’ireo patriarka hebreo ho mpiandry ondry ary ny mpianatr’i Jesosy ho mpanjono. Nanao izany karazana asa izany tokoa ny sasany, kanefa azo antoka fa tsy izy rehetra. Tena zava-dehibe teo amin’ny fiainan’ny maro ny varimbazaha. Miharihary fa izany no izy tamin’i Isaka sy i Jakoba tamin’ny fotoana sasany, araka ny hevitra azontsika tsoahina avy amin’ny Genesisy 26:12; 27:37; ary ny 37:7. Ary satria ny fambolena no asa lehibe indrindra fanaon’ny olona tany Galilia tamin’ny andron’i Jesosy, dia nety ho mpamboly varimbazaha ve ny sasany tamin’ireo apostoly?
Mety ho izany, satria ny fambolena varimbazaha dia niely patrana tany amin’ny Tany Nampanantenaina, ary maro be ireo teny ao amin’ny Baiboly manisy fitenenana ny amin’izany. (Deoteronomia 8:7-9; 1 Samoela 6:13). Inona no tafiditra tamin’izany?
Rehefa avy nandemy ny tany ny orana voalohany amin’ny Oktobra sy Novambra, ireo mpamboly varimbazaha dia niasa ny tany tamin’ny angadin’omby ary namafy ny voa. Ny fara orana dia nanampy ny voly hitombo, ary avy eo, amin’ny Aprily sy May, dia ho masaka ka ho tonga mavo antitra mivolom-bolamena alohan’ny hafanan’ny lohataona. Be mpahalala aoka izany ny fijinjana ny varimbazaha, hany ka mamaky ny amin’izany ho toy ny filazana vanin-taona ianao. (Genesisy 30:14; Mpitsara 15:1). Moa ve ianao afaka mamaritra hoe fotoana inona tao anatin’ny taona no nakana ilay sary etsy amin’ny havia?a Ary tamin’ny vanin-taona inona no nanotazan’ireo mpianatr’i Jesosy voam-bary manta? — Matio 12:1.
Ny fijinjana ny varimbazaha dia nidika ho asa be ho an’ny mpamboly. Ireo mpijinja dia nikapa ireo taho tamin’ny antsy fijinjana ary namatotra azy ireny ho amboara, araka ny hitanao etsy ambany. Marina aloha fa mety hisy taho sasany tsy ho voaray na mety ho latsaka amin’ny tany, ka izany no antony nahafahan’i Rota nitsimpona tamim-pahombiazana. (Rota 2:2, 7, 23; Marka 4:28, 29). Avy eo dia nentina teny am-pamoloana, toy ilay an’i Araona, ireo amboaram-barimbazaha. Inona no nitranga teo? Manisy fitenenana ny amin’ny “fivelezam-bary sy ny hazo amin’ny omby” ny Baiboly. (2 Samoela 24:18-22; 1 Tantara 21:23). Ireo amboaram-barimbazaha dia naely teo amin’ny faritra iray marin-tampona izay vato na tany voafatratra tsara. Nandeha nihodinkodina teo ny ombilahy iray na biby hafa, nanitsakitsaka ny varimbazaha. Ilay biby dia mety ho nitarika kalesy fivelezana vita tamin’ny hazo, izay nanampy mba hanapotehana ny mololo ka hampihintsana ny voa. — Isaia 41:15.
Avy eo ilay voa dia vonona ny hokororohina, ka atao izany amin’ny fanipazana azy eny amin’ny rivotra amin’ny angady na fitrebika, araka ny hita etsy ambony. (Matio 3:12). Ny mpamboly dia mety hikororoka amin’ny takariva izay itsofan’ny rivotra malefaka ny akofa (fonon’ny voa poaka aty) hiala, ary itondrany ny mololo ho etsy an-kilany. Raha vantany vao voangona sy voasivana mba hanesorana ny vato ireo voa, dia vonona ny hotahirizina izy — na vonona ny hanaovana ilay sakafo lehibe indrindra, dia ny mofo. — Matio 6:11, NW.
Raha vehivavy mpikarakara tokantrano ianao ka manana andraikitra ny hanao mofo, isan’andro ianao dia hampiasa laona sy fanoto mba hitotoana ny voa ho lasa koba, angamba kobam-barimbazaha somary mbola maraorao ihany. Na mety hitoto “koba tsara toto” toy ilay nampiasain’i Saraha mba hanaovana “mofo” ho an’ireo anjely naka vatan’olombelona ianao, na toy ilay nampiasain’ny Isiraelita tamin’ny fanatitra hohanina ho an’i Jehovah. (Genesisy 18:6; Eksodosy 29:2; Levitikosy 2:1-5; Nomery 28:12). Noleman’i Saraha tamin’ny rano ilay kobam-barimbazaha ary nafangarony ho lasa feta izany.
Etsy ambany ianao dia afaka mahita feta voavolavola ho boribory maromaro sy feta iray fisaka, mofo manify novelarina, miandry ny handrahoana azy. Ny mofo boribory lehibe toy izany dia azo nendasina teo ambonin’ny vato na vy fisaka, toy ny ataon’ilay vehivavy. Moa ve izany manampy anao hahazo sary an-tsaina ny amin’izay nataon’i Saraha avy teo ho an’ireo anjely mpitsidika, sy izay nataon’ny fianakavian’i Lota fotoana kelikely taorian’izay? Izao no vakintsika: “Nivily tany aminy izy [ireo anjely] ka niditra tao an-tranony; dia nanaovany nahandro izy sy nanendasany mofo tsy misy masirasira, dia nihinana izy.” — Genesisy 19:3.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ampitahao amin’ny Calendrier des Témoins de Jehovah 1992.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]
Garo Nalbandian