Afaka Manohitra ny Fahakiviana Ianao!
DINIHO ny toe-javatra mahonena mahazo ny lehilahy iray 23 taona. Voafetra ny fianarana vitany ary faran’izay kely ny karama azony amin’ny asany. Toa tsy azony eritreretina izany hoe hanambady sy hanana fiainana mahafa-po izany. Tsy mahagaga raha milaza ny reniny hoe: “Faran’izay malahelo sy kivy izy.” Mampiavaka ny toe-javatra misy ny maro hafa an-tapitrisany maro ny mahazo io tovolahy io. Noho ny antony iray na ny hafa, dia kivy ny olona avy amin’ny lafim-piainana rehetra.
Ny fahakiviana dia “fahatsapana na fananana ahiahy sy fahaketrahana ary tsy fahafaham-po, izay sady lalina no maharitra, vokatry ny faniriana voasakana, ny ady anaty, na ny zava-manahirana hafa tsy voalamina.” (Webster’s Third New International Dictionary). Mahita fahakiviana isika rehefa miezaka mafy erỳ ny hanatanteraka zavatra iray kanefa tsy mahomby. Mahatsiaro ho voatohana tsy afa-mandroso isika isaky ny mihetsika, toy ny hoe mandona ny lohantsika amin’ny rindrim-bato iray isika, ka tsy misy fahafahana hahomby mihitsy. Mahafantatra izany fihetseham-po izany isika rehetra.
Ireo mpiasa izay manana asa toa tsy mahafa-po dia mety hahatsiaro tena ho tsy mendrika. Raha raisina ho toy ny mandeha ho azy ny asa tontosain’ireo vehivavy manambady na ireo reny miady mafy amin’ireo ahiahy isan’andro sy ireo adidy mandreraka, dia mety hahatsiaro tena ho tsy afa-po, ho tsy ankasitrahana, izy ireo. Ireo tanora mahita fisedrana any an-tsekoly dia mety hahatsiaro tena ho kivy eo amin’ny fiezahany hamita fianarana. Ireo mpikambana ao amin’ny antokon’olona vitsy an’isa dia mety ho tezitra sady tsy sambatra, noho izy ireo mino fa iharan’ny fanavakavahana tsy ara-drariny ny tenany. Ireo mpandraharaha miezaka hanao ny marina mba hamatsiana vokatra na asa fanampiana tsara dia mety ho lany harena noho ireo mpifaninana aminy maty eritreritra sy manao ny tsy marina. Izany sy ny fanandraman-javatra mitovy amin’izany dia mahatonga fahakiviana ary mamela ny maro hahatsapa tsy fananana fanantenana.
Afaka nilaza ny fahakiviany tamin’ny teny azontsika tsara ny olon-kendry iray niaina taonjato maro lasa izay. Nilaza toy izao i Solomona mpanjaka: “Nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon’ny tànako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa tatỳ ambanin’ny masoandro. Fa inona no azon’ny olona amin’ny fisasarany rehetra sy amin’ny fikatsahan’ny fony, izay nisasarany tatỳ ambanin’ny masoandro? Fa ny androny rehetra dia fanaintainana avokoa, ary ny fisasarany dia fahasorisorena; eny, na dia amin’ny alina aza dia tsy manam-pitsaharana ny fony. Zava-poana koa izany.” (Mpitoriteny 2:11, 22, 23). Ireo tenin’i Solomona ireo dia milaza tsara ny famoizam-po tsapan’ny maro aoka izany eo am-piezahany hizakana ireo fahakiviana izay manaisotra aminy ny fananana fiainana mahafa-po.
Mety hamoy fo mihitsy aza ny olona kivy. Tamin’ny toe-javatra mafy, ny sasany dia nilavo lefona, ka niala tanteraka tsy hiaina araka ny fomba fiaina eken’ny fiaraha-monina. Mba hahazoana izay heveriny fa tokony ho azy, ny hafa dia nampiasa heloka bevava sy herisetra. Nandrava fanambadiana sy fianakaviana ny fanerena tsy nisy farany.
Maro amintsika no mety ho voatery hanao ezaka mafy mba hitadiavana fomba hanoherana ny fahakiviana. Na dia manao izay azontsika atao aza isika, dia toa miharatsy ny tarehin-javatra. Milaza toy izao ny Ohabolana 13:12: “Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary [ny fo, NW ].” Mety hotandindomin-doza ny fahasalamantsika ara-batana sy ara-panahy. Tsy misy azo antenaina ve ilay tarehin-javatra? Tsy maintsy miaina ao anatin’ny fahakiviana tsy an-kijanona ve isika, ho valin’ny tsy fahaizantsika na ny fahadisoantsika? Mety hisy dingana azo atao ve mba hanoherana ny fahakiviana ka hananana fiainana mahafa-po kokoa? Aoka hojerentsika izany.
Fomba sasantsasany hanoherana ny fahakiviana
Rehefa manan-java-manahirana ka mila torohevitra isika, mazàna dia manatona olona iray manana fahalalana sy fanandraman-javatra ka azontsika itokiana. Manoro hevitra toy izao ny Ohabolana 3:5, 6: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” Misy torohevitra azo ampiharina hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. Diniho ny ohatra sasany ny amin’ny fahatakaran-javatra omeny.
Mety hifandray amin’ny asa fivelomana ny fahakiviana. Ohatra, mety hahafa-po ny asantsika, kanefa ny karama kely azontsika dia mety ho loharanom-pahaketrahana. Tia ny fianakaviantsika isika ary maniry ny tsara indrindra ho azy ireo. Na dia izany aza, dia toa tsy misy farany ireo ahiahy momba ny fiantsorohana ireo adidy ara-bola. Mety hanao ora fanampiny any am-piasana isika, na haka asa faharoa mihitsy aza. Rehefa afaka kelikely, dia toa fiainana dridralava tsy misy afa-tsy fisakafoana, fatoriana ary fiasana, ny antsika. Ny faktiora anefa mihamiangona, ny trosa mihabetsaka ary ny fahakiviana mitombo.
Ny zava-kendren’ny asa fivelomana voalohany indrindra dia ny fanomezana fahafaham-po amin’izay ilaintsika. Firy anefa no zavatra ilaintsika? Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.” Moa ve isika mitady hahazo mihoatra noho izany ka hifaninana hanana izay ananan’ny hafa na hanao izay ataony? Raha izany no izy, dia mety hijinja fahakiviana isika. Nampitandrina toy izao i Paoly: “Izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” (1 Timoty 6:7-10). Rehefa manombana amim-pahamarinana ny zavatra ara-nofo katsahintsika isika, izany dia mety hampiharihary zavatra tsy dia ilaintsika. Mety hanampy be dia be ho amin’ny fampihenana ny fahakiviantsika ho faran’izay kely ny fanaovana fanamboarana araka ny antonony sasantsasany mba hanarahana fomba fiaina mahay mitsitsy sy maotina kokoa.
Niteraka fahakiviana be ny tsy fahatanterahan’ny faniriana voajanahary sasany. Ohatra, ara-dalàna ny hananan’ny vehivavy tanora iray faniriana mafy ny hanambady sy ny hahatsapa ny tsy fananana ahiahy sy ny firaiketam-po entin’ny fiainam-pianakaviana. Mety handany fotoana sy ezaka be izy mba hahatonga ny tenany hanintona kokoa, amin’ny fanarahana ny lamody sy ny haingo farany. Mety ho tonga mpamaky fatratra ireo gazety manolotra torohevitra ho an’ireo tsy manana olon-tiana, izy. Mety hanatrika fiaraha-miala voly misesy izy, amin’ny fanantenana ny hahita olona mifanentana aminy — kanefa very maina foana izany rehetra izany. Mandeha ny taona, ary dia manjary tsy zaka ny fahakiviana. Amim-pamoizam-po, dia mety halaim-panahy hanambady olona tsy mendrika izy. Ny ratsy kokoa aza, mba hanomezana fahafaham-po ny faniriany mafy hanehoana firaiketam-po, dia mety hanjary ho latsaka ao amin’ny fitondrantena maloto izy.
Amin’ny toe-javatra toy izany, dia tena ilaina indrindra ny faharetana sy ny fahaiza-mitsara zavatra. Ho fahadisoana lehibe ny fanambadiana olona tsy mendrika iray — indrindra fa olona tsy manam-pinoana an’i Jehovah. (1 Korintiana 7:39; 2 Korintiana 6:14, 15). Tsy azo sorohina fa tsy mitarika afa-tsy ho amin’ny alahelo sy ny famoizam-po ny fahalotoam-pitondrantena. (Ohabolana 6:32, 33). Ny fandinihan-tena amim-pahamarinana, arahin’ny fandaminana ilay raharaha amim-pahamatoran-tsaina, dia afaka manampy. Afaka manintona ilay karazana vady araka ny tokony ho izy amin’ny fomba tsara lavitra noho ny akanjo manara-damody na ny fanosotra amin’ny tarehy manaitra, ny “toe-tsaina tony sy malefaka”. (1 Petera 3:3, 4, NW ). Tsy hiankina amin’ny torohevitra izay mazàna tsy mijery ny lavitra na poaka aty atolotr’ireo manam-pahaizan’izao tontolo izao, ny vehivavy iray, fa zava-dehibe kosa ny hanatonany ny Mpamorona ny fanambadiana mba hianarana ny amin’izay ilaina mba hahatongavana ho vady izay ho tiana sy hankamamina. (Ohabolana, toko faha-31). Ireo lehilahy sy vehivavy tsy manambady dia tokony hiezaka mba haneho ireo toetra izay tiany ho hita eo amin’ny ho vadiny. Endre ny maha-fahendrena ny fitadiavana fifaneraserana mahasoa amin’ny olona izay manaja ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Raha mampihatra azy ireo eo amin’ny fiainantsika isika, dia ho tsara lavitra ny fahatsinjovantsika hanana fanambadiana sambatra. Na dia tsy tonga eo no ho eo aza ny fanambadiana, ny fanarahana izay lazain’ny Soratra Masina dia hitondra fifaliana ary hahatonga ny fitoerana ho mpitovo ho fiainana mahafa-po.
Ny adidy mavesatra dia mety hitondra antsika ho amin’ny fahasosorana. Mety hisy fanerena avy amin’ny lafiny rehetra. Feno ahiahy isika momba ireo zavatra ilain’ny fianakaviantsika maika, ary ny mpampiasa antsika dia mety ho tsy afa-po mihitsy. Ireo havantsika koa dia mety hanantena antsika hanampy azy isaky ny misy zava-manahirana. Noho ny fanerena maro, dia mitaky ny hikarakarantsika azy ny lisitra lavan’ireo raharahan’ny tenantsika manokana izay nataontsika tsirambina. Mety ho toa tsy maintsy hampifantohana amin-javatra maro samy hafa miaraka ny fotoanantsika sy ny herintsika. Mety hivadika ho fahasosorana ny fahakiviana, ary mety haniry ny hanary toky isika. Koa inona àry no tokony hataontsika?
Haneho fahendrena isika raha manombana indray ireo zavatra omentsika ny toerana voalohany. Koa satria voafetra ihany ny azontsika atao, dia tsy afaka ny hanome fahafaham-po amin’izay zavatra rehetra angatahin’ny hafa isika. Mila ny mamintina ireo raharaha ho amin’ny “zava-dehibe indrindra” isika. (Filipiana 1:10, NW ). Rehefa dinihina tokoa, “ny amboa velona no tsara noho ny liona maty”. (Mpitoriteny 9:4). Ny adidy sasany dia ilaina hotanterahina maika dia maika ka tsy azo ailika, fa ny hafa kosa tsy dia maika loatra toy izany ka mety ho voatery hiandry. Nety ho nisy adidy sasany niantsorohantsika tamin’ny fomba feno kanefa tokony hozaraina amin’ny hafa. Mety ho voatery hofoanana tanteraka ny andraikitra sasany raha tsy tena ilaina. Na dia mety hiteraka fahasahiranana na handiso fanantenana ny hafa aza izany amin’ny voalohany, dia mila ny manaja ny fetran’ny tenantsika ara-batana sy ara-pihetseham-po isika.
Ny aretina mampahalemy iray dia mety hitondra fahakiviana fatratra, satria mety hampihitsoka antsika ao am-pandriana mandritra ny andro na herinandro maro indray mandeha izany. Mety hahatonga fahoriana ho antsika ny fanaintainana mafy. Mitady fahasitranana isika ka mety hitety dokotera na mety hihinam-panafody na vitamina maro, amin’ny fanantenana fa hitondra soa ho antsika izany. Kanefa dia mety hanohy hijaly isika ary mety hanomboka hanontany tena raha mendrika ny hanaovana ilay ady ny fiainana.
Izany dia mety ho zava-manahirana izay tsy misy afa-tsy ny tontolo vaovaon’Andriamanitra ihany no ho afaka handamina azy. (2 Petera 3:13; ampitahao amin’ny Isaia 33:24.) Koa satria tsy tanteraka ny olombelona, dia voafetra ihany ny mety ho vitan’ny dokotera sy ny fanafody. Misy fotoana izay tsy maintsy anekentsika fa anisan’ny fiainana ny fijaliantsika. Ny apostoly Paoly dia nanana “tsilo tamin’ny nofo”, angamba aretina tamin’ny masony na tamin’ny faritra hafa tamin’ny tenany. Izany dia nanahirana azy aoka izany, hany ka namerimberina nivavaka mba hahazo fanamaivanana izy. (2 Korintiana 12:7-10). Tsy nanasitrana an’i Paoly anefa Andriamanitra, ary angamba tsy maintsy nizaka ilay aretina mandra-pahafatiny ilay apostoly. Niaina niaraka tamin’ny fijaliany izy, tsy nitady fangorahana ary anefa tsy namoy ny fifaliany na oviana na oviana. (2 Korintiana 7:4). Na dia nijaly noho ny aretina mafy aza i Joba, lehilahy nahitsy, dia nihazona ny finoana an’i Jehovah izy, ary izany dia nitondra valisoa tondraka ho azy. (Joba 42:12, 13). Raha mpanompon’Andriamanitra isika, dia afaka mahita tanjaka mba hanohizana, amin’ny fisaintsainana momba ireo ohatra ireo sy amin’ny fivavahana mba hahazoana ny fanampian’i Jehovah. — Salamo 41:1-3.
Matanjaka na dia eo aza ny fahakiviana
Afaka ny hatanjaka ara-panahy ny vahoakan’i Jehovah na dia eo aza ny fahakiviana. Ohatra, na dia mety hiaritra aretina aza isika, dia afaka ny ho “salama amin’ny finoana” amin’ny fanararaotana amin’ny fomba feno ireo fandaharana ara-panahy nataon’Andriamanitra. (Titosy 2:1, 2, fanamarihana ambany pejy). Na dia mety hahantra ara-nofo aza isika ka mahakivy aoka izany antsika izany, dia afaka ny hanankarena aoka izany eo amin’ny ara-panahy isika.
Amin’ny fianteherana amin’Andriamanitra mba hahazoana fahendrena sy hery, dia afaka manohitra ireo fahakiviana mety hitombo ao an-tokantrano, isika. Diniho ohatra, i Abigaila, vadin’i Nabala. ‘Saro-po sy ratsy tamin’izay nataony’ ny vadiny, ka ny anarany mihitsy dia midika hoe “adala; vendrana”. Tsy maintsy ho nahakivy aoka izany ny niara-niaina tamin’olona toy izany! Nitoetra ho “hendry” anefa i Abigaila ary tsy namoy fo. Tena nampiseho fahendrena aoka izany ny teniny sy ny nataony nandritra ny toe-java-nanahirana iray, hany ka nampiaiky an’i Davida izy mba tsy hamaly ireo fanevatevan’i Nabala sy ny tsy fahaizany nankasitraka tamin’ny alalan’ny fandatsahan-dra sy ny tsy fitokiana tamin’i Jehovah. — 1 Samoela 25:2-38.
Na dia mahatonga fahakiviana ao amintsika aza ny tarehin-javatra mifandray amin’ny olona iray ao amin’ny kongregasiona kristiana, dia afaka miaritra izany isika amin’ny alalan’ny hery omen’i Jehovah. Izany no asehon’ny fanandraman-javatra hitan’i Gaio, lehilahy tia an’Andriamanitra. Naneho fihetsika afaka ny hanakivy ny hafa aoka izany i Diotrefa. I Gaio anefa tsy namela izany hanakana azy tsy hanohy hanao soa ka hijinja hasambarana sy valisoa ara-panahy tondraka. — Asan’ny Apostoly 20:35; 3 Jaona 1-10.
Mety ho tonga ny fahakiviana raha maniry hanompo ireo mpiray finoana amintsika ao amin’ny kongregasiona isika, kanefa tsy noraharahaina, fa hafa no voatendry ho loholona na mpikarakara momba ny asa. Tsy hamela ny fahadisoam-panantenana haharesy antsika anefa isika, fa hitady kosa ny hampahery ny tenantsika eo amin’ny ara-panahy, ary hamela ny fanahin’Andriamanitra hamokatra ao amintsika ny vokany tsara dia tsara amin’ny lafiny lehibe kokoa. (Galatiana 5:22, 23). Nandritra ireo 40 taona nitoeran’i Mosesy tany Midiana, Andriamanitra dia nampitombo tao aminy tamin’ny lafiny lehibe kokoa ny fandeferana, ny faharetana ary ireo toetra tsara hafa nilainy mba handresena ireo zava-tsarotra sy fahakiviana ho hitany rehefa ho mpitarika ny Isiraelita izy. Mitovy amin’izany koa, i Jehovah dia mety hanomana antsika ho amin’ny tombontsoam-panompoana amin’ny hoavy, izay mety ho azontsika raha mitoetra ho matanjaka ara-panahy isika ka tsy manaiky ho resin’ny fahakiviana.
Fanafahana amin’ny fahakiviana — Tsy ho ela!
Na manao ahoana na manao ahoana antony mahakivy antsika, moa ve izany hifarana ihany indray andro any? Amintsika dia mety ho toa tsy misy azo antenaina ny tarehin-javatra misy antsika, fa tsy izany kosa no izy amin’i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona antsika. Tsy azon’ny fahakiviana izy. Tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany, dia nilaza toy izao Andriamanitra: “Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.” (Isaia 55:11). Koa satria manana ny hery sy ny fahefana fara tampony i Jehovah, dia tsy misy zavatra tsy hainy. (Marka 10:27). Azo antoka fa ho tanteraka ireo fampanantenany hitondra fitahiana tsy hanam-pahataperana ho an’ny vahoakany. — Josoa 21:45.
Ny fisalasalana sy ny tsy fahazoana antoka dia lafin-javatra lehibe eo amin’ny fahakiviana. Mifanohitra amin’izany anefa fa “ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita”. (Hebreo 11:1). Ny finoana an’Andriamanitra dia manome antoka fa ho tanteraka amin’ny fomba feno ireo fanantenantsika rehetra miorina amin’ny Baiboly. Ny loha hevitra ankapoben’ny Baiboly dia manasongadina ny fampanantenan’i Jehovah ny amin’ilay Fanjakana, ka eo ambany fanapahan’io ny tany dia ho tonga paradisa tanteraka hiainan’ny marina amim-pifaliana mandrakizay. (Salamo 37:11, 29). Ny zavatra ratsy rehetra — anisan’izany ny fahakiviana — dia ho lasa, satria Andriamanitra dia ‘hahavoky soa ny zava-miaina rehetra’. — Salamo 145:6.
Mandra-pahatongavan’izany fitahiana izany ho zava-misy, isika rehetra dia hiharan’ny fahakiviana. Ny fanantenana araka ny Soratra Masina anefa dia afaka manome antsika ny herim-po sy ny tanjaka ilaina mba hiaretana. Ny torohevitra mahasoa hitantsika ao amin’ny Baiboly dia afaka mampiseho amintsika ny fomba fampiasa fahaiza-mitsara zavatra sy fahalalana ny antonony, mba hitondran’izany fahatoniana eo amin’ny fiainantsika ary fiadanana ho an’ny fontsika. Na dia eo aza ny fahadisoam-panantenantsika, dia afaka mahita “ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra”, isika. (Filipiana 4:6, 7). Koa tsy hoe tsy misy azo antenaina àry ny ady atao amin’ny fahakiviana. Noho ny fanampian’i Jehovah, dia afaka manohitra azy io isika ankehitriny ary maharesy azy amin’ny hoavy.
[Teny notsongaina, pejy 31]
Afaka manampy anao hanohitra ny fahakiviana Andriamanitra, toy ny nanampiany an’i Joba, i Mosesy, i Abigaila ary i Paoly