FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 1/10 p. 2-5
  • Tena Mila Mesia Tokoa ve ny Olombelona?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tena Mila Mesia Tokoa ve ny Olombelona?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no misy izany hanoanana rehetra izany?
  • Tsy misy vahaolana ve?
  • Tarehin-javatra Faran’izay Mafy Misy ny Ankizy
    Mifohaza!—1993
  • Mitohy ny Fikarohana Vahaolana
    Mifohaza!—2000
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Mosary Amin’izao Andro Izao?
    Foto-kevitra Hafa
  • Ny Fijalian’ny Olombelona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 1/10 p. 2-5

Tena Mila Mesia Tokoa ve ny Olombelona?

“TONTOLO MILA FATRATRA MESIA IRAY, HOY NY MPITONDRA FANJAKANA IRAY”

Niseho tao amin’ny The Financial Post tany Toronto, any Kanada, io lohateny lehibe io tamin’ny 1980. I Aurelio Peccei no ilay mpitondra fanjakana voalaza, prezidà sady mpanorina fikambanana iray be mpahalala izay mandinika ireo zava-manahirana ara-tsosialy, antsoina hoe Club de Rome. Araka ny voalazan’ny Post, dia nino i Peccei fa “filoha iray mahay manentana olona — na ara-tsiansa, na ara-politika, na ara-pivavahana — no ho hany famonjena an’izao tontolo izao avy amin’ilay fikorontanana lehibe ara-tsosialy sy ara-toekarena izay mandrahona ny hanapotika ny sivilizasiona.” Ahoana no fihevitrao? Moa ve ity tontolo ity tena ao anatin’ny fahasahiranana faran’izay lehibe tokoa ka mila Mesia ny taranak’olombelona? Diniho fotsiny ny iray amin’ireo zava-manahirana atrehin’ity tontolo ity — ny hanoanana.

MISY maso be anankiroa volon-takatra mibanjina anao avy eo amin’ny sary iray ao amin’ny gazety na gazetiboky. Mason-jaza iray ireo, vavy kely tsy ampy dimy taona akory. Tsy mahatonga anao hitsiky anefa ireo maso ireo. Tsy misy famirapiratan’ny fahazazana eo amin’izy ireo, tsy misy fahatsapana mahafaly ta hahafanta-javatra, tsy misy fatokiana feno fahatsorana. Izy ireo kosa dia feno fanaintainana mahavery hevitra, sy fara fahoriana, ary hanoanana tsy misy fanantenana. Maty noana ilay zaza. Fanaintainana sy hanoanana no mba hany fantany.

Angamba, sahala amin’ny maro, dia tsy te hijanona eo amin’ny sary toy izany ianao, ka mamadika haingana ny pejy. Tsy hoe tsy miraharaha akory ianao, fa mahatsiaro tena ho kivy kosa satria ahinao ho tsy misy na inona na inona azo atao intsony ho an’io zazavavy kely io. Ny rantsam-batana kaozatra sy ny kibo mibontsina be tafahoatra dia famantarana fa efa nanomboka nihinan-tena ny vatany. Amin’ilay fotoana ahitanao ny sariny, dia azo inoana fa efa maty izy. Ny mbola ratsy kokoa aza, dia fantatrao fa tsy maningana velively ny mahazo azy.

Efa tonga hatraiza anefa ilay zava-manahirana? Moa ve ianao afaka maka sary an-tsaina ankizy 14 tapitrisa? Tsy afaka manao izany ny ankamaroantsika; be loatra tsotra izao ilay isa ka tsy azo alaina sary an-tsaina. Alao sary an-tsaina àry, kianja iray fanaovana fanatanjahan-tena mahazaka olona 40 000. Eritrereto izao hoe feno hika amin’ny ankizy izy io — isan-daharana, isan’ambaratonga, tarehy sesehena. Na dia izany fotsiny aza dia sarotra alaina sary an-tsaina. Kanefa dia mila kianja fanaovana fanatanjahan-tena 350 nofenoina ankizy toy izany hatambatra vao mahatratra ny 14 tapitrisa. Araka ny voalazan’ny UNICEF (Vola Atokan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy), dia izany no isa manaitra momba ireo ankizy latsaka ny dimy taona izay maty isan-taona noho ny faharatsian-tsakafo sy noho ny aretina azo sorohina mora foana, any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana. Izany dia saiky mitovy amin’ny kianja fanaovana fanatanjahan-tena iray nofenoina ankizy maty isan’andro! Ampio amin’izany ny isan’ireo olon-dehibe noana, dia ho azonao ny totaliny maneran-tany eo amin’ny olona arivo tapitrisa eo ho eo tsy ampy sakafo amin’ny fomba raikitra.

Nahoana no misy izany hanoanana rehetra izany?

Mamokatra sakafo betsaka kokoa noho izay hanin’ny olombelona amin’izao fotoana izao ny planeta tany, ary manana fahafahana ny hamokatra bebe kokoa izy. Isaky ny iray minitra anefa, dia ankizy 26 no maty noho ny faharatsian-tsakafo sy noho ny aretina. Ao anatin’io iray minitra io ihany, izao tontolo izao dia mandany eo amin’ny 2 000 000 dolara eo amin’ny fiomanana ho amin’ny ady. Azonao alaina sary an-tsaina ve izay mety ho vitan’izany vola rehetra izany — na ny ampahany aminy fotsiny aza — ho an’ireo ankizy 26 ireo?

Mazava fa ny hanoanana eo amin’izao tontolo izao dia tsy azo ailika fotsiny any amin’ny tsy fisian’ny sakafo na ny vola. Lasa lalina kokoa ilay zava-manahirana. Araka ny nolazain’i Jorge E. Hardoy, profesora avy any Arzantina, “izao tontolo izao amin’ny fitambarany dia tsy mahay mizara, amin’ny fomba raikitra, fampiononana, hery, fotoana, harena ary fahalalana amin’ireo izay mila ireny zavatra ireny kokoa.” Eny, ny zava-manahirana dia tsy avy amin’ny harenan’ny olombelona, fa avy amin’ny olona mihitsy. Ny fieremana sy ny fitiavan-tena dia toa hery manapaka eo amin’ny fitambaran’olona. Ny ampahadimin’ny mponina eto an-tany izay manankarena indrindra dia miriaria amin’ny fananana sy amin’ireo zavatra naorina mba hahasoa vahoaka in-60 avo heny noho ilay ampahadiminy mahantra indrindra.

Marina fa misy olona sasany miezaka amim-pahatsorana mba hanome sakafo ireo noana, kanefa ny ankabeazan’ny ezaka ataony dia mandamoka noho ny anton-javatra tsy azony fehezina. Matetika ny mosary dia mahazo ireo tany izay rotidrotiky ny ady an-trano, na ny fikomiana, ary tsy maningana ny hoe sakanan’ireo hery mpanohitra mba tsy ho tonga any amin’izay mila azy, ireo fanampiana ara-tsakafo. Ny andaniny roa dia samy matahotra sao dia manome hanina ny fahavalony izy rehefa mamela ny sakafo ho tonga any amin’ireo sivily maty noana any an-tany fahavalo. Misy aza fitondram-panjakana mampiasa ny mosary ho fitaovam-piadiana ara-politika.

Tsy misy vahaolana ve?

Mampalahelo fa tsy ny zava-manahirana momba ny fijaliana noho ny mosary ihany no hany zava-tsarotra mahazo ny olona maoderina. Ny fanapotehana sy fanapoizinana hatraiza hatraiza ny tontolo iainana, ny loza tsy mety afaka avy amin’ny ady izay mandringana aina an-tapitrisany maro, ny fihanahan’ny fanaovana heloka bevava feno herisetra izay miteraka tahotra sy tsy fatokiana na aiza na aiza, ary ny rivo-piainana mikororosy ara-pitondrantena mbola tsy nisy toy izany izay toa fototry ny maro amin’ireo aretina ireo — ireo zava-tsarotra maneran-tany rehetra ireo dia mifampitantana, raha azo atao ny milaza izany, ary manamafy ilay fahamarinana tsy azo iadian-kevitra iray ihany hoe — tsy mahay manapaka ny tenany amim-pahombiazana ny olombelona.

Tsy isalasalana fa izany no mahatonga olona maro hamoy fo raha ny amin’ny fahitana vahaolana amin’ireo zava-manahirana an’izao tontolo izao. Ny hafa dia mihevitra sahala amin’ny nataon’i Aurelio Peccei, ilay manam-pahaizana italiana voalaza terỳ am-piandohana. Raha tsy maintsy hisy ny vahaolana, hoy ny fanjohian-kevitr’izy ireo, dia tsy maintsy ho avy any amin’ny loharano iray ankoatra ny mahazatra izany — angamba mihoatra noho ny an’ny olombelona mihitsy. Araka izany dia manana hery manintona ny hevitra mikasika ny mesia iray. Moa ve anefa mijery ny zava-misy ny tena raha manantena mesia iray? Sa kosa ny fanantenana toy izany dia eritreritra irariana ho tonga fotsiny?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

Sary eo amin’ny fonony: Ambony: U.S. Naval Observatory photo; Ambany: NASA photo

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

WHO photo by P. Almasy

[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]

WHO photo by P. Almasy

U.S. Navy photo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara