Soratanana Amin’ny Baiboly Hebreo Modely Iray
TALOHAN’NY nahitana ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty tamin’ny 1947, ny soratanana amin’ny Baiboly hebreo tranainy indrindra fantatra — ankoatra ny tapatapany vitsivitsy — dia tamin’ny faran’ny taonjato faha-9 ka hatramin’ny taonjato faha-11 am.f.i., vao arivo taona lasa monja izay. Midika ve izany fa talohan’ny 1947, ny soratra hebreo ao amin’ny Baiboly dia tsy azo antoka? Ary nahoana no vitsy aoka izany ireo soratanana hebreo tranainy?
Mba handinihana io fanontaniana farany io aloha, dia tsara ho fantatra fa, tao amin’ny fandehan-javatra jiosy ortodoksa, izay soratanana amin’ny Baiboly hebreo rehetra noheverina fa tonta loatra ka tsy azo nampiasaina intsony dia nohidiana tao anatin’ny geniza iray, efitrano fitahirizana entana tao amin’ny synagoga. Tatỳ aoriana, dia navoaka ireo soratanana tonta voangona ary nalevina. Nanao izany ny Jiosy mba hisakanana ny fametavetana na ny fampiasana amin’ny fomba ratsy ny Soratra Masin’izy ireo. Nahoana? Satria ireo soratra ireo dia nisy ny Tétragramme, ireo litera hebreo mampiseho ny anarana masin’Andriamanitra, izay mahazatra ny mampiseho azy amin’ny fiteny malagasy hoe “Jehovah”.
Ilay “Satroboninahitra”
Tamin’ny ankamaroany, ny soratra hebreo fahiny dia nampitaina tamin-pahatokiana hatrany am-boalohany indrindra. Nisy, ohatra, soratanana hebreo lehibe iray nantsoina hoe ny Keter, na ny “Satroboninahitra”, izay nirakitra ny Soratra Hebreo rehetra, na ny “Testamenta Taloha” tany am-boalohany. Izy io dia notahirizina tao amin’ilay synagoga tranainy indrindran’ny antokona Jiosy vitsy fahizay nonina tao Aleppo, any Syria, tanàna miozilimanina tamin’ny ankapobeny. Taloha kokoa, io soratanana io dia navela tamin’ireo Jiosy caraïte tany Jerosalema, kanefa lasa babon’ireo mpanao Kroazada izy io tamin’ny 1099. Tatỳ aoriana, dia azo indray ilay soratanana ary nentina tany amin’ny tanàna tranainin’i Le Caire, any Egypta. Tonga tany Aleppo izy io, fara fahelany tamin’ny taonjato faha-15, ary noho izany dia nanjary fantatra tamin’ny anarana hoe Kodeksa Aleppo. Io soratanana io, izay tamin’ny taona 930 am.f.i. fara fahelany, dia noheverina ho ny satroboninahitry ny fahaizan’ireo Masoreta, araka ny asehon’ilay anarany. Ohatra tsara dia tsara mampiseho ny fitandremana natao mba hampitana ny soratra ao amin’ny Baiboly izy io, sady tsy azo lavina fa soratanana hebreo modely.
Tamin’ny fotoana akaikikaikin’izao androntsika izao kokoa, ireo mpiambina an’io soratanana miavaka io dia tsy namela azy hojeren’ireo manam-pahaizana, noho ny tahotra tamim-pinoanoam-poana sao very hasina ilay zava-masin’izy ireo. Ambonin’izany, satria ravin-taratasy iray monja no mba azo sary hatramin’izay, dia tsy azo natao ny namoaka kopia iray mba hanaovana famotopotorana.
Rehefa niala tao Palestina ny Britanika tamin’ny 1948, dia nisy rotaka nipoaka tao Aleppo mba hamelezana ireo Jiosy. May ny synagogan’izy ireo; nanjavona ilay kodeksa sarobidy ary noheverina fa potika. Toy inona àry ny hatairana, folo taona teo ho eo tatỳ aoriana, rehefa re fa nisy telo ampahefatr’ilay izy voavotra ary nentina an-tsokosoko nivoaka an’i Syria nankany Jerosalema! Tamin’ny 1976, dia nisy fanontana tsara dia tsara mitovy tanteraka amin’ilay tena izy, 500, miloko tanteraka, navoaka tamin’ny farany.
Asan’olona faran’izay mahay
Nahoana no zava-dehibe aoka izany io soratanana io? Satria ilay soratra tany am-boalohany voaforon’ny renisoratra dia nasiana fanitsiana sy mari-piatoana tamin’ny 930 am.f.i. tany no any. Izany dia asa nataon’i Aaron ben Asher, iray amin’ireo manam-pahaizana malaza indrindra izay za-draharaha tamin’ny fanaovana kopia sy tamin’ny fampitana ny Baiboly hebreo. Kodeksa modely àry izy io, namela ny fari-pitsipika harahin’ireo kopia atỳ aoriana izay hataon’ny mpanora-dalàna tsy havanana kokoa.
Tamin’ny voalohany, izy io dia nanana takelaka 380 (760 pejy) ary mazàna dia nosoratana tao anatin’ny tsanganana telo teo amin’ny hodi-biby manify. Izao izy io dia voaforon’ny takelaka 294, ary tsy ao ny ankamaroan’ny Pentateuque (ny boky 5 voalohany ao amin’ny Baiboly) sy ilay tapany farany, ao anatin’izany ny bokin’ny Fitomaniana, Tonon-kiran’i Solomona, Daniela, Estera, Ezra, ary Nehemia. Antsoina hoe “Al” izy io ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao — Misy Fakàn-teny (Josoa 21:37, fanamarihana ambany pejy). I Moses Maimonides (eo amin’ny sary), manam-pahaizana jiosy iray malaza, tamin’ny taonjato faha-12 am.f.i., dia nanambara ny Kodeksa Aleppo ho ny tsara indrindra hitany.a
Ilay soratra hebreo natao kopia an-tanana nanomboka tamin’ny taonjato faha-13 ka hatramin’ny taonjato faha-15, dia soratra nampifangaroina nalaina avy tamin’ny fianakaviam-be roa amin’ireo soratra Masoretika, dia ny Ben Asher sy ny Ben Naphtali. Tamin’ny taonjato faha-16, i Jacob ben Hayyim dia namoaka ny soratra ho an’ny Baiboly hebreo natao pirinty, avy amin’io soratanana nampifangaroina io. Nanjary fototra ho an’ny ankamaroan’ny Baiboly hebreo natao pirinty nandritra ireo 400 taona nanaraka izy io.
Niaraka tamin’ny fanontana fahatelon’ny Biblia Hebraica (ilay soratra hebreo natao pirinty) tamin’ny 1937, ilay soratanana tamin’ny Ben Asher dia nojerena noho izy voatahiry ao amin’ny soratanana iray any Rosia, ka fantatra amin’ny hoe Leningrad B 19A. Ny Leningrad B 19A dia efa hatramin’ny 1008 am.f.i. Ny Oniversite Hebreo any Jerosalema dia mikasa ny hamoaka ilay soratra hebreo Aleppo manontolo mandritra ny vanim-potoana iray, miaraka amin’ny zavatra hovakina avy amin’ireo soratanana sy ireo fandikan-teny lehibe rehetra, anisan’izany ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty.
Azo itokiana ny soratra ao amin’ny Baiboly ampiasaintsika amin’izao andro izao. Avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra izy io, ary nampitaina nandritra ireo taonjato tamin’ny alalan’ireo mpanao kopia sady mpanora-dalàna, izay niasa tamim-pahaizana sy fitandremana fatratra. Ny fitandremana fatratra nasehon’ireny mpanao kopia ireny dia hita rehefa ampitahaina ny horonam-bokin’i Isaia hita teo akaikin’ny Ranomasina Maty tamin’ny 1947 sy ireo soratra nataon’ny Masoreta. Mahagaga fa asehon’izany fampitahana izany fa kely dia kely ny fahasamihafana, na dia zokin’ny Baibolin’ny Masoreta tranainy indrindra misy amin’izao fotoana izao maherin’ny arivo taona aza ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty. Ambonin’izany, satria azon’ny manam-pahaizana ampiasaina izao ny Kodeksa Aleppo, izy io dia hanome antony bebe kokoa ihany hitokiana fa marina ny soratra ao amin’ny Soratra Hebreo. Marina tokoa fa “ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay”. — Isaia 40:8.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nandritra ny taona sasantsasany, dia nisy manam-pahaizana tsy nino fa ny Kodeksa Allepo no ilay soratanana nasian’i Ben Asher mari-piatoana. Kanefa hatramin’ny nahafahana nampiasa ilay kodeksa mba hanaovana famotopotorana, dia mihamiseho ny porofo fa io tokoa ilay soratanan’i Ben Asher nasian’i Maimonides firesahana.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 28]
Bibelmuseum, Münster
[Sary nahazoan-dalana, pejy 29]
Jewish Division / The New York Public Library / Astor, Lenox, and Tilden Foundations