FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 15/5 p. 26-28
  • Inona moa ny Soratra Masoretika?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona moa ny Soratra Masoretika?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny tenin’i Jehovah
  • Nisokatra kely ho amin’ny fahadisoana ny varavarana
  • Fiezahana nanakatona ilay varavarana
  • Afaka mahita soratra masoretika “madio” ve isika?
  • Iza moa Ireo Masoreta?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Soratanana Amin’ny Baiboly Hebreo Modely Iray
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Fianarana Faha-5 — Ny Soratra Hebreo ao Amin’ny Soratra Masina
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Baiboly Sora-tanana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 15/5 p. 26-28

Inona moa ny Soratra Masoretika?

NA AMIN’NY fiteny inona na amin’ny fiteny inona no amakianao ny Baiboly, dia azo inoana fa nadika mivantana na tsy mivantana avy tamin’ny soratra masoretika, izay mahafaoka ny Soratra Hebreo, na ny “Testamenta Taloha”, ny ampahany amin’izy io. Raha ny marina, dia nisy soratra masoretika mihoatra ny iray. Koa soratra masoretika inona no nofidina, ary nahoana? Raha ny tena izy, inona moa ny soratra masoretika, ary ahoana no ahafantarantsika fa azo ianteherana izy io?

Ny tenin’i Jehovah

Nanomboka teo amin’ny Tendrombohitra Sinay tamin’ny 1513 al.f.i. ny fanoratana ny Baiboly. Izao no lazain’ny Eksodosy 24:3, 4 amintsika: “Tonga Mosesy ka nanambara tamin’ny olona ny teny rehetra izay nataon’i Jehovah sy ny fitsipika rehetra. Ary namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Ny teny rehetra izay nolazain’i Jehovah dia hataonay. Ary Mosesy nanoratra ny teny rehetra nataon’i Jehovah”.

Nitohy ny firaketana an-tsoratra ny Soratra Hebreo nandritra ny arivo taona mahery, nanomboka tamin’ny 1513 al.f.i. ka hatramin’ny 443 al.f.i. tany ho any. Koa satria nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra ireo mpanoratra, dia azon’ny saina ekena ny hoe izy no nitarika ny raharaha mba ho voatahiry tamim-pahatokiana ny hafatra nomeny. (2 Samoela 23:2; Isaia 40:8). Kanefa, midika ve izany fa nisakana ny fahadisoana rehetra nataon’ny olona i Jehovah, hany ka tsy nisy litera na dia singany iray aza niova rehefa natao ireo kopia?

Nisokatra kely ho amin’ny fahadisoana ny varavarana

Na dia lehilahy nanaja lalina ny Tenin’Andriamanitra aza no nanao kopia azy io nandritra ny taranaka nifandimby, dia nisy ihany fahadisoana sasany nataon’ny olona tena tafiditra tsikelikely tao amin’ireo sora-tanana. Nahazo tsindrimandry ireo mpanoratra ny Baiboly, saingy tsy nanao ny asany teo ambanin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ireo mpanao kopia.

Taorian’ny niverenany avy tamin’ny sesitany tany Babylona tamin’ny 537 al.f.i., ireo Jiosy dia nanaraka fomba fanoratra vaovao izay nampiasana ireo litera miendrika efa-joro nianarana tany Babylona. Io fanovana lehibe io dia nitondra ny olana tsy nisaraka taminy, dia ny mety hampifangaroana ny litera sasany mitovy endrika. Koa satria fiteny iray miorina amin’ny renisoratra ny teny hebreo, miaraka amin’ny zanapeo anampian’ny mpamaky arakaraka ny fahatakarany ny teny manodidina, dia mety ho nanova mora foana ny hevitry ny teny iray ny fiovan’ny renisoratra iray. Amin’ny ankamaroan’ny fisehoan’ny fahadisoana toy ireny anefa, dia efa hita sy nahitsy izy ireny.

Tsy niverina tany Isiraely ny ankamaroan’ireo Jiosy taorian’ny nianjeran’i Babylona. Noho izany, dia nanjary foibe ara-panahy ho an’ireo fiaraha-monina jiosy nanerana an’i Moyen-Orient sy i Eoropa ireo synagoga.a Nila kopian’ireo horonam-bokin’ny Soratra Masina ny synagoga tsirairay. Arakaraka ny nitomboan’ireo kopia no nitomboan’izay mety ho fahadisoan’ny mpanao kopia.

Fiezahana nanakatona ilay varavarana

Nanomboka tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., ireo mpanora-dalàna tao Jerosalema dia niezaka nanorina soratra fiaingana izay azo anitsiana ireo horonam-bokin’ny Soratra Hebreo hafa rehetra. Kanefa, tamin’izany dia tsy nisy fomba raikitra nentina hampisehoana ny fahasamihafan’ny soratra tany am-boalohany sy ireo sora-tanana izay nirakitra fahadisoana nataon’ireo mpanao kopia. Nanomboka tamin’ny taonjato faharoa am.f.i., ny soratra amin’ny renisoratra tao amin’ny Soratra Hebreo dia toa saika nekena tsara, na dia mbola tsy natao raikitra tamin’ny fomba ofisialy aza. Matetika tokoa ireo fakan-teny avy ao amin’ny Soratra Hebreo miseho ao amin’ny Talmoda (natambatra teo anelanelan’ny taonjato faharoa sy fahenina am.f.i.) no manondro loharanon-kevitra hafa noho ilay fantatra tatỳ aoriana hoe soratra masoretika.

Ny teny ilazana ny hoe “fanao nolovana” amin’ny teny hebreo dia hoe ma·soh·rahʹ na ma·soʹreth. Tamin’ny taonjato fahenina am.f.i., ireo izay nitana ny fanao nolovana, dia ny fanaovana kopia araka ny marina ny Soratra Hebreo, dia nanjary fantatra hoe Masoreta. Resahina ho soratra masoretika ireo kopia nataon’izy ireo. Inona no nampiavaka ny asa soratr’izy ireo sy ny soratra nomanin’izy ireo?

Nihalefy ka nanjary tsy teny velona, tenim-pirenena, ny teny hebreo, ary Jiosy maro no tsy nahay azy io intsony. Koa tamin’izany, dia ny fahatakarana mihitsy ny soratra amin’ny renisoratra ao amin’ny Baiboly no notandindomin-doza. Mba hiarovana azy io, dia namorona rafitra nisy zanatsoratra naseho tamin’ny teboka sy tsipika kely, ireo Masoreta. Napetraka teo ambony sy teo ambanin’ireo renisoratra izy ireny. Namorona koa rafitra be kojakojany nisy marika izay nampiasaina ho mari-piatoana sady ho mpitari-dalana ho amin’ny fanononana araka ny marina kokoa, ireo Masoreta.

Teo amin’izay noheverin’ireo Masoreta fa nanovan’ireo mpanora-dalàna nifandimby teo aloha ny soratra na nanaovany kopia tamin’ny fomba diso, dia tsy nanova ny soratra ireo Masoreta, fa nanao fanamarihana teo an-tsisim-pejy kosa. Nanamarika ireo endrika sy fikambanan-teny tsy mahazatra ary ny fiverimberenan’ireny ao anatin’ny boky iray na ao anatin’ny Soratra Hebreo manontolo, izy ireo. Nomarihina koa ireo fanazavana fanampiny mba hanampiana ireo mpanao kopia tamin’ny fanamarinana faobe. Noforonina ny rafitra nisy “marika” nohafohezina mba hiraketana io fanazavana io tamin’ny fomba faran’izay fohy. Teo an-tsisim-pejy ambony sy ambany, ny karazana konkordansa kely dia kely iray dia nitanisa ampahany tamin’ireo andininy izay nohazavaina teo amin’ireo fanamarihana teo an-tsisim-pejy.

Nolavorarin’ireo Masoreta tany Tiberiasy, any akaikin’ny Ranomasin’i Galilia, ny rafitra nalaza indrindra. Nanjary nalaza indrindra ireo fianakaviana Ben Asher sy Ben Naphtali, angamba Karaita, tamin’ny taonjato fahasivy sy fahafolo am.f.i.b Na dia nisy fahasamihafana aza teo amin’ny fomba fanononana sy ny fanamarihana nataon’ireo kilasy roa ireo, dia tsy mitovy ao amin’ny toerana latsaka ny folo ireo renisoratra ao amin’ny soratra nataon’izy ireo, ao amin’ny Soratra Hebreo manontolo.

Samy nandray anjara lehibe tamin’ny fandalinana ny soratra tamin’ny androny ireo kilasy roan’ny Masoreta, dia ny kilasy Ben Asher sy Ben Naphtali. Taorian’ny nideran’i Maimonides (manam-pahaizana manokana momba ny Talmoda izay nanana fitaomana lehibe tamin’ny taonjato faha-12) ny soratra nataon’ny Ben Asher, dia io irery ihany no tian’ny hafa. Tian’ny olona tokoa izy io, hany ka tonga hatramin’izao mihitsy aza: tsy misy sora-tanana nataon’ny Ben Naphtali mety ho hita amin’izao andro izao. Ny hany sisa tavela tamin’izy ireny dia ny lisitr’ireo fahasamihafana eo amin’ireo kilasy roa ireo. Kanefa, nifandray tamin’ny fandinihana momba ny fitsipi-panoratana, toy ny fanisiana elanelana amin’ireo fehintsoratra, ny fanazavan’i Maimonides, fa tsy tamin’ny lafiny lehibe kokoa momba ny fampitana ny soratra araka ny marina.

Afaka mahita soratra masoretika “madio” ve isika?

Nisy fifandirana be teo amin’ireo manam-pahaizana manokana raha ny amin’ny hoe kodeksa inona misy amin’izao andro izao no ilay soratra “madio” nataon’ny Ben Asher, toy ny hoe hanome antsika ilay soratra masoretika “marina” izany. Raha ny marina, dia tsy nisy mihitsy soratra masoretika tokana monja sy “madio” ary ekena fa manam-pahefana. Nisy soratra masoretika maro kosa, ka ny tsirairay dia samy hafa kely tamin’ny hafa. Soratra mifangaro ny kodeksa rehetra misy ankehitriny, misy ny fomba famakiana Ben Asher sy Ben Naphtali.

Sarotra ny asa atrehin’ny mpandika ny Soratra Hebreo amin’izao andro izao. Tsy vitan’ny hoe tsy maintsy mifankazatra amin’ny soratra hebreo izy, fa tsy maintsy mifankazatra amin’ny soratra azo isafidianana rehetra azo ekena koa, izay mety ho niova tamin’ny alalan’ny fahadisoana nataon’ny mpanao kopia na tamin’ny fomba hafa. Na dia ampiasaina ho fototra aza ireo soratra masoretika samihafa, dia ilainy ny mijery ireo loharanon-kevitra marim-pototra hafa izay mety hampiseho, amin’ny fomba azo ekena, dikan-teny tranainy kokoa ary angamba araka ny marina kokoa, amin’ny soratra amin’ny renisoratra.

Ao amin’ny sasin-tenin’ilay bokiny hoe The Text of the Old Testament, dia manazava toy izao i Ernst Würthwein: “Rehefa tojo andinin-teny sarotra isika dia tsy afaka ny hanangona fotsiny ireo fomba famakiana samihafa ary hifidy iray izay toa manolotra ny vahaolana tsotra indrindra, ka indraindray dia hifidy ny soratra hebreo, amin’ny fotoana hafa ny Septante, ary amin’ny fotoana hafa kosa ny Targum aramiana. Tsy azo ianteherana amin’ny fomba mitovy avokoa ireo porofo momba ny soratra. Samy manana ny toetoetrany sy ny tantarany mampiavaka azy manokana ny tsirairay avy. Tsy maintsy mifankazatra amin’izy ireny isika raha manantena ny hanalavitra ireo vahaolana tsy ampy na diso.”

Manana fototra mafy orina isika mba hananana fatokiana feno fa nitahiry ny Teniny i Jehovah. Noho ny fitambaran’ny fiezahan’ireo lehilahy tso-po maro nandritra ny taonjato maro, dia eo am-pelatanantsika ny fitaovana nampitana ny hafatra ao amin’ny Baiboly sy ny hevitra raketiny ary na dia ireo tsipiriany aminy mihitsy aza. Tsy nisy fiantraikany teo amin’ny fahaizantsika mahatakatra ny Soratra Masina izay mety ho fiovana kely amin’ny litera na amin’ny teny. Ankehitriny, ny fanontaniana lehibe dia ny hoe: Hiaina hifanaraka amin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, ve isika?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Koa satria tsy nahay namaky teny hebreo tsara intsony ny Jiosy maro tany ivelan’i Isiraely, toy ny fiaraha-monina jiosy tany Aleksandria, tany Egypta, tsy ela dia hita fa nilaina ny fandikana ny Baiboly ho amin’ny fiteny andavanandro. Mba hanomezana fahafaham-po izany zavatra nilaina izany, dia nomanina ny dikan-teny Septante grika tamin’ny taonjato fahatelo al.f.i. Tonga loharanon-kevitra lehibe ho an’ny fampitahana soratra io dikan-teny io tatỳ aoriana.

b Tamin’ny taona 760 am.f.i. tany ho any, dia nisy antokon’olona jiosy fantatra hoe Karaita nitaky ny hanarahana akaiky kokoa ny Soratra Masina. Noho izy ireo nanda ny fahefan’ireo raby sy ny “Lalàna Am-bava” ary ny Talmoda, dia nanana antony lehibe kokoa hitanana ny soratra ao amin’ny Baiboly tamin’ny fomba voalamina izy ireo. Nanjary mpanao kopia ny soratra masoretika havanana ny fianakaviana sasany avy tamin’io antokon’olona io.

[Sary, pejy 26]

Mirakitra ny soratra masoretika ny Kodeksa Aleppo

[Sary nahazoan-dalana]

Bibelmuseum, Münster

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara