FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 1/11 p. 27-31
  • Rehefa Misy Miantso Anao, Mamaly ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Rehefa Misy Miantso Anao, Mamaly ve Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Novaliana ny antsoko rehefa ela ny ela
  • Fanaovana ny asan’ny mpisava lalana tany Hawaii
  • Fiantsoana tsy nampoizina
  • Fampiomanana ny saina ho amin’izay mbola tsy fantatra
  • Ny fanaovana ny asa misionera niaraka tamin’ireo zanakay
  • Avy any avaratra nankany atsimo
  • Tsy nisy zava-nanahirana mihitsy ve?
  • Mitarika ny Olon-tsotra ho Amin’ny Fahamarinana i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Nahazo Fanampiana mba Handresena ny Fahasarotan-kenatro Aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Miteraka Fitomboana Eran-tany ny Misionera
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Nivavaka Tamin’ny Emperora vao Nankamin’ny Fanompoam-pivavahana Marina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 1/11 p. 27-31

Rehefa Misy Miantso Anao, Mamaly ve Ianao?

TANTARAIN’I SHINICHI TOHARA

NANDRITRA ny tapany voalohany tamin’ny fiainako, dia tsy niantso an’Andriamanitra aho, na nitady ny fitarihany. Nifindra honina tany Hawaii avy tany Japana ireo raibeko sy renibeko, ary ny ray aman-dreniko dia Bodista. Tsy dia narisika loatra tao amin’ny finoany izy ireo, hany ka tsy nieritreritra firy momba an’Andriamanitra aho fony nihalehibe.

Avy eo aho dia nianatra momba ny fivoarana miandalana ary nanjary nihevitra fa hadalana ny finoana an’Andriamanitra. Kanefa, rehefa nandroso teo amin’ny fianarako aho dia nianatra momba ny astronomia sy ny fizika ary ny biolojia tamin’ireo lesona momba ny siansa. Tamin’ny alina aho dia nibanjina matetika ny lanitra ary nanontany tena ny amin’ny fomba nahatongavan’ireo kintana rehetra ireo teny. Nisy feo nalefaka kely tao anatiko tao nanomboka nanontany hoe: ‘Sao dia misy Andriamanitra iray mifehy ireo zavatra rehetra ireo àry?’ Nanjary nihevitra aho fa tsy maintsy misy Persona iray any amin’ny faritra tsy hita maso any. Nanomboka niantso ny foko hoe: ‘Iza izany Andriamanitra izany?’

Rehefa avy nahavita ny fianarako tany amin’ny lise aho, dia nanjary voafehin’ny asako tao amin’ny orinasa iray fanamboarana sake (zava-pisotro misy alkaola avy amin’ny vary), ka tsy nanam-potoana hisaintsainana ny amin’ilay fanontaniana momba an’Andriamanitra. Tsy ela aho dia nahita an’i Masako, izay nanjary vadiko tamin’ny 1937, ary tatỳ aoriana izahay dia notahina fa nahazo zanaka telo. Niseho ho tena namana mahatoky sy reny miasa mafy tokoa i Masako!

Noho izaho nanana fianakaviana izao dia nieritreritra tamim-pitandremana momba ny hoavinay aho. Niverina nivoaka mba hibanjina ireo kintana indray aho. Niaiky aho fa nisy Andriamanitra. Tsy fantatro hoe iza izany Andriamanitra izany, fa nanomboka niantso azy ihany aho. Nitalaho tsy an-kijanona aho hoe: ‘Raha misy any ho any ianao, dia ampio re ny fianakaviako hahita fomba handehanana eo amin’ny lalan’ny fahasambarana.’

Novaliana ny antsoko rehefa ela ny ela

Niara-nipetraka tamin’ny ray aman-dreniko izahay hatramin’ny nivadianay, nefa tamin’ny 1941 dia nanomboka nitokan-trano izahay, tany Hilo, any Hawaii. Raha vantany vao nifindra tao amin’ny fonenanay vaovao izahay dia nanafika an’i Pearl Harbor, tamin’ny 7 Desambra 1941, ireo Japoney. Fotoana feno fihenjanana tamin’izay, ary nanahy ny amin’ny hoavy ny rehetra.

Iray volana taorian’ny fanafihana an’i Pearl Harbor, dia teo am-panadiovana ny fiarako aho rehefa nisy lehilahy iray nanatona ahy ary nanolotra ahy boky iray nitondra ny lohateny hoe Children. Nitonona ho Ralph Garoutte, mpitory iray teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, izy. Tsy azoko izay nolazainy, nefa liana ny amin’Andriamanitra aho, hany ka nandray ilay boky. Ny herinandro nanaraka, dia niverina i Ralph ary nanolotra ahy fampianarana Baiboly tany an-tokantranoko. Na dia efa nahare momba ny Baiboly aza aho, dia tamin’izay vao tena nahita iray. Nanaiky ilay fianarana Baiboly aho, ary niaraka tamiko koa ny vadiko sy ny zandriny vavy.

Tena nanohina ahy ny fahamarinana fa hoe Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. (2 Timoty 3:16, 17). Vao mainka nahafinaritra kokoa noho izany aza ny nahafantatra fa nanam-pikasana i Jehovah. Izy no ilay Mpamorona notadiaviko! (Isaia 45:18). Faly aoka izany izahay nianatra fa haorina indray eto ambonin’ny tany mihitsy ilay Paradisa tany am-boalohany izay very, ary koa fa ho afaka ny ho anisan’izany izahay. (Apokalypsy 21:1-4). Izany no valin’ilay antso nataoko tamin’Andriamanitra!

Niresaka na tamin’iza na tamin’iza sy tamin’ny olona rehetra momba ireo fahamarinana vao hitanay ireo izahay. Noheverin’ny ray aman-dreniko ho adala izahay, kanefa tsy nahakivy anay izany. Taorian’ny fianarana ny Baiboly fatratra nandritra ny telo volana, tamin’ny 19 Aprily 1942, dia natao batisa izahay mivady ho fanamarihana ny fanoloran-tenanay ho an’i Jehovah Andriamanitray. Niara-natao batisa taminay i Yoshi, zandrin’i Masako, sy i Jerry vadiny, izay nanjary niaraka nianatra ny Baiboly taminay koa. Voafetra ihany ny fahalalana ny Soratra Masina nanananay, nefa ampy izany mba hanosika anay haniry hanompo an’Andriamanitra.

Noho ny ady lehibe faharoa mbola namely mafy, dia nihevitra aho fa efa tena akaiky ny faran’ity fandehan-javatra ity, ary nahatsapa ny nilana hampitandrina ny olona momba izany izahay mivady. Ry Garoutte no ohatra narahinay tamin’izany. Samy mpisava lalana, izany hoe mpanompo manontolo andro teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, i Ralph sy ny vadiny. Nampitaha ny toerana nisy anay tamin’ny an’i Ralph aho. Nanambady izy ary nanan-janaka efatra. Izaho koa nanambady, nefa telo monja ny zanako. Raha afaka nanao izany izy, dia tokony ho afaka hanao izany koa aho. Ny volana nanaraka ny batisanay àry, dia nangataka hanao ny asan’ny mpisava lalana izahay.

Na dia talohan’ny nanekena ahy ho mpisava lalana aza dia efa tsy notazoniko intsony ireo zavatra rehetra tsy nilaiko, anisan’izany ny gitara haoaiana sy ny saxophone ary ny violon nananako. Olona mpankafy mozika be aho, nefa nesoriko tamiko avokoa izy rehetra ireo, afa-tsy ny harmonica keliko ihany. Ambonin’izany, dia toa tsy nanintona ahy intsony ny asako tao amin’ilay orinasa fanaovana sake. (Filipiana 3:8). Nanamboatra tranofiara iray aho ary niandry mba hahita raha hovalian’i Jehovah ny fitalahoako mba hampiasaina. Tsy voatery niandry ela aho. Nekena ho mpisava lalana izahay nanomboka tamin’ny 1 Jona 1942. Avy hatrany izahay dia nanompo an’i Jehovah manontolo andro ary tsy nanenenanay mihitsy izany.

Fanaovana ny asan’ny mpisava lalana tany Hawaii

Niaraka tamin-dry Garoutte izahay niasa ny faritanin’i Hawaii, izany hoe ilay Nosy Lehibe, anisan’izany i Kona, ilay toerana malaza noho ny kafe, sy i Kau. Tamin’izany andro izany dia nampiasa ny grafofona izahay. Navesa-be ilay izy, nefa mbola tanora sy natanjaka izahay. Nivimbina ilay grafofona tamin’ny tanana iray àry izahay ary kitapo iray nisy boky tamin’ny ilany, ary nanaraka izay lalana rehetra nety ho nitarika anay tany amin’ny olona vonona ny hihaino anay tany amin’ireo tanin-kafe, tany fambolena ary tany an-toeran-kafa rehetra. Avy eo, rehefa avy niasa ilay nosy manontolo izahay, dia notendrena ho any Kohala teo amin’ilay Nosy Lehibe. I Kohala dia toeram-pambolena fary kely, nonenana Kokaziana, olona avy tany Philippines, Sinoa, Haoaiana, Japoney ary Portogay. Samy nanana ny fombafombany, ny fomba fiheviny, ny zavatra tiany manokana ary ny fivavahany ireo antokon’olona ireo.

Raha vao nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana aho dia tsy nandray asa fivelomana intsony mihitsy. Nivelona tamin’ny vola notahiriziko izahay aloha, ary rehefa nisy nilana izany, dia nandeha nanjono tamin’ny alalan’ny lefona aho. Nahagaga fa nitondra trondro nody foana aho. Nitango anana dia naniry teny amoron-dalana izahay, ary izany no nameno ny lovianay tamin’ny sakafo hariva. Nanamboatra lafaoro tamin’ny vifotsy tsy azon’ny harafesina aho, ary dia nianatra nanao mofo i Masako. Izany no mofo tsara indrindra nohaniko tamin’ny fiainako.

Rehefa nankany Honolulu mba hanatrika fivoriambe kristiana iray izahay tamin’ny 1943, dia nanasa anay mba hifindra ho any ka hipetraka tao amin’ny trano kely iray teo ambonin’ny fitoeram-piarakodian’ny Fikambanana Watch Tower, i Donald Haslett, izay mpiandraikitra ny sampana tany Hawaii tamin’izany. Notendrena ho mpiandry ny tanin’ny sampana aho ary nankafy ireo dimy taona nanaovako ny asan’ny mpisava lalana tany.

Fiantsoana tsy nampoizina

Tamin’ny 1943 izahay dia nahare fa nanokatra sekoly ho fampiofanana misionera hanao fanompoana any an-tany hafa ny Fikambanana. Endre ny fanirianay hanatrika izany! Tsy nasaina ho amin’izany anefa ny fianakaviana nanan-janaka, hany ka tsy nieritreritra momba izany intsony izahay. Tamin’ny 1947 anefa, dia nilaza taminay ny Rahalahy Haslett fa naniry hahafantatra ny Fikambanana raha nisy Haoaiana vonona ny hanao ny fanompoana tany Japana. Nanontany ny hevitray izy, ary sahala amin’i Isaia, dia hoy aho hoe: “Iraho aho.” (Isaia 6:8). Nitovy hevitra tamiko ny vadiko. Tsy nisalasala izahay raha ny amin’ny famaliana ny antson’i Jehovah.

Koa nasaina hanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada Alamin’ny Watchtower àry izahay mba hampiofanina ho misionera. Tafiditra tao anatin’izany fanasana izany koa ny zanakay kely telo. Nisy dimy hafa koa niara-nasaina taminay: i Donald sy i Mabel Haslett, i Jerry sy i Yoshi Toma ary i Elsie Tanigawa, ary dia niaraka izahay nankany New York tamin’ny ririnin’ny taona 1948.

Nandeha fiarabe izahay niampita ilay kontinenta. Rehefa avy nandany telo andro teny ambony fiarabe izahay rehetra dia vizana avokoa, ary nanipy hevitra ny Rahalahy Haslett fa tokony hijanona kely sy hatory tao amin’ny trano fandraisam-bahiny izahay. Rehefa nidina ny fiarabe izahay, dia nisy lehilahy nanatona anay sady nihiakiaka hoe: “Japs ireto! Handeha haka basy aho hitifirako azy!”

“Tsy Japoney ireo fa Haoaiana”, hoy ny Rahalahy Haslett. “Tsy mahay manavaka azy ve ianao e?” Voavonjin’izany teny nampiseho hakingan-tsaina nataony izany izahay.

Tena anisan’ilay kilasin’i Gileada faha-11 tokoa ve izahay? Toa toy ny nofy nahafinaritra ilay izy. Tsy ela anefa dia nanjary niharihary fa tena marina tokoa izany. Tamin’ny kilasinay dia nisy mpianatra 25 nofidin’i Nathan H. Knorr, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay, mba hampiofanina ho amin’ny fanaovana ny asa misionera nety hatao tany Japana. Satria japoney ny fiaviako ary satria niteny japoney kely aho, dia notendrena mba hampianatra io fiteny io tamin’ilay antokona mpianatra. Koa satria tsy dia nahay loatra ilay fiteny aho, dia tsy mora ilay izy; nefa tafavoaka ihany izahay rehetra!

Tamin’izany fotoana izany, dia folo taona i Loy zanakay lahy, ary i Thelma sy i Sally zanakay vavy, valo sy enin-taona. Rehefa nankany an-tsekoly izahay, dia inona no nanjo azy ireo? Nankany an-tsekoly koa izy ireo! Nisy fiarabe naka azy ireo ny maraina ary nanatitra azy ireo nody taoriana kokoa tamin’ny andro. Rehefa nody avy tany an-tsekoly ireo zanakay, dia niara-niasa tamin’ireo rahalahy tany amin’ny toeram-piompian’ny Fikambanana i Loy, ary i Thelma sy i Sally dia niasa tao amin’ny fanasan-damba, namalona mosara.

Fampiomanana ny saina ho amin’izay mbola tsy fantatra

Rehefa nandray ny diplaoma tamin’ny sekolin’ny Gileada tamin’ny 1 Aogositra 1948 izahay rehetra dia samy tsindrian-daona avokoa niandry izay hanendrena anay. Nialoha lalana anay ny Rahalahy Haslett mba hitady toerana hipetrahan’ireo misionera. Tamin’ny farany, dia nahita trano nisy rihana tany Tokyo izy, ary tamin’ny 20 Aogositra 1949, dia niainga ho any amin’ny ho fonenanay amin’ny hoavy ny fianakavianay.

Talohan’ny nahatongavanay teto Japana, dia nieritreritra matetika momba io tany tatsinanana io aho. Nisaintsaina ny amin’ny fahatokian’ny vahoaka japoney teo anatrehan’ireo tompony olombelona sy tamin’ny emperora, aho. Japoney maro no nanolotra ny ainy ho an’ireny mpanapaka olombelona ireny. Nandritra ny ady lehibe faharoa, dia nisy mpamily fiaramanidina kamikaze maty ho an’ny emperora tamin’ny fampandonana ny fiaramanidiny tamin’ny fivoahan-tsetrok’ireo sambo mpiadin’ny fahavalo. Tadidiko ny nieritreritra hoe, raha mahatoky toy izany eo anatrehan’ireo tompo olombelona ireo Japoney, inona no hataony raha nahita an’ilay tena Tompo marina, dia i Jehovah, izy ireo?

Rehefa tonga teto Japana izahay, dia tsy nisy afa-tsy misionera fito sy mpitory vitsivitsy tamin’ilay tany manontolo. Nanomboka niasa izahay rehetra, ary niezaka mafy hanatsara ny fahaizako ilay fiteny aho ka afaka nanomboka fampianarana Baiboly tamin’ny olona maro izay niantso an’Andriamanitra tao am-pony. Maro tamin’ireny mpianatra ny Baiboly voalohany ireny no mbola mahatoky ihany hatramin’izao.

Ny fanaovana ny asa misionera niaraka tamin’ireo zanakay

Ahoana no nahavitanay ny asa misionera, nefa nikarakara zanaka kely telo? I Jehovah no hery tao ambadik’izany rehetra izany. Nahazo fanampiana ara-bola kely tamin’ny Fikambanana izahay, ary nanao akanjo ho an’ireo ankizy i Masako. Ankoatra izany, dia nahazo fanampiana avy tamin’ny ray aman-dreniko izahay.

Rehefa nahavita ny fianarany tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa fototra i Loy dia nanompo tany amin’ny sampan’ny Watch Tower Bible and Tract Society eto Japana nandritra ny fotoana sasantsasany. Kanefa, noho ny zava-manahirana ara-pahasalamana, dia nanapa-kevitra ny hiverina tany Hawaii mba hotsaboina tany izy. Manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana any Kalifornia izao izy sy ny vadiny. Nitondra fitahiana ho anay ny fanambadiany satria nahazoanay zafikely mahatoky efatra. Samy efa vita batisa izy rehetra ireo, ary ny iray aminy, miaraka amin’ny vadiny, dia manompo any amin’ny Betelan’i Brooklyn, foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

I Thelma sy i Sally zanako vavy dia notendrena ho misionera rehefa lehibe. I Thelma izao dia misionera any amin’ny tanànan’i Toyama. I Sally kosa nanambady rahalahy misionera, i Ron Trost, ary misionera eto Japana manao ny asan’ny mpitety faritany efa hatramin’ny 25 taona mahery izao izy ireo.

Avy any avaratra nankany atsimo

Rehefa avy nipetraka roa taona teto Tokyo izahay, dia nirahina nankany Osaka nandritra ny roa taona. Ny fanendrena anay nanaraka dia nitondra anay nankany Sendai, any avaratra, izay nanompoanay nandritra ny enin-taona teo ho eo. Ireo taona laninay tany Sendai ireo dia nampiomana anay ho amin’ireo fanendrena anay tany Hokkaido, ilay nosin’i Japana farany avaratra indrindra. Tany Hokkaido no nanaovana an’ireo zanakay vavy ho misionera. Tany koa no nahavoatery anay hizatra tamin’ireo maripanan’ny ririnina izay nidina hatrany ambanin’ny zero indraindray. Fiovana toy inona moa izany taorian’ny toetrandron’ny tany mafanan’i Hawaii!

Avy eo, indray andro, dia nahare antso vaovao tonga tamin’ny alalan’ny taratasy iray avy tany amin’ny Fikambanana, aho. Nangataka ahy izy io mba hanokatra biraon’ny sampana iray tany Okinawa, izay mbola notantanan’i Etazonia tamin’izay. Ho zava-tsarotra goavana ny fifindrana avy tany amin’ny tendrony mangatsiaka tany avaratr’i Japana ho any amin’ilay nanjary ny faritany atsimo indrindran’i Japana. Inona àry no hataoko? Na dia nahatsiaro tena ho tsy ampy fahaizana ho amin’izany aza aho, dia tonga tany Okinawa tamin’ny Novambra 1965, narahin’ny vadiko mahatoky toy ny nahazatra. Hitovy amin’ny fiainana tany Japana ve ny fiainana tany Okinawa? Hanao ahoana ny kolontsaina any? Hanaiky ny hafatr’i Jehovah momba ny famonjena ve ny olona any?

Rehefa tonga tany Okinawa izahay, dia tsy ampy 200 ny mpitory tany. Izao dia maherin’ny 2 000 izy ireo. Tany am-piandohana, dia sady mpiandraikitra ny fizaran-tany tapak’andro aho no mpiandraikitra ny sampana tapak’andro. Ny fitetezana ireo nosy dia nanampy ahy hamboly fifandraisana akaiky tamin’ireo rahalahy tany, ary raisiko ho toy ny tombontsoa ny nanompoako azy ireny.

Tsy nisy zava-nanahirana mihitsy ve?

Ny anton’asanay tamin’ny naha-misionera anay dia tsy hoe tsy nahitan-java-manahirana. Rehefa nandeha niala sasatra tany Etazonia izahay tamin’ny 1968, dia narary i Masako ary tsy maintsy nodidiana. Nisy nivonto nesorina tamin’ny tsinainy ary avy eo dia nihatsara haingana tsy nisy ohatra izany izy. Tsy nanana fiantohana ara-pitsaboana izahay, ary nanahy hoe nety tsy ho afaka ny hiverina tany amin’ny nanendrena anay. Gaga aoka izany anefa izahay raha nikarakara ny zavatra rehetra ireo namanay tao amin’ny finoana.

Raha ny amiko kosa, dia manana ireo zava-manahirana mahazatra ny diabetika aho izao. Na dia tsy jamba aza aho, dia simba aoka izany ny masoko. Kanefa noho ny hatsaram-panahin’i Jehovah miharo fitiavana, dia afaka mandray sakafo ara-panahy tsy tapaka amin’ny fihainoana ireo Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! nalaina feo amin’ny cassettes aho. Manampy ahy koa ireo rahalahy sy anabavy ao amin’ny finoana amin’ny famakiana amiko zavatra vita an-tsoratra samihafa.

Ahoana no nahafahako nanao lahateny ampahibemaso nefa simba ny masoko? Tamin’ny voalohany dia nalaiko feo ireo lahateniko ary nasaiko nalefa tamin’ny fitaovana fandefasam-peo, fa izaho mody nanaraka izany tamin’ny fihetsika. Kanefa, rehefa nanoro hevitra ahy ny zanako vavy, dia nohatsaraiko izany. Izao aho dia maka feo ireo lahateniko amin’ny alalan’ny fandefasana casset­te kely ary manao ilay lahateny amin’ny fihainoana ilay izy efa nalaina feo mialoha, amin’ny alalan’ny écouteurs.

Isaky ny tojo zava-manahirana lehibe izahay, dia tsy nanadino mihitsy ny niantso an’i Jehovah. Hita tatỳ aoriana fa ireo fitahiana vokatry ny nandaminan’i Jehovah ireo zava-manahirana dia toa lehibe lavitra foana noho ny toa nisehoan’ireo zava-manahirana. Ny fanohizana hanao ny fanompoana azy no hany fomba hanehoanay ny fankasitrahanay.

Rehefa avy nandany 23 taona tany Okinawa izahay dia notendrena indray ho eto amin’ilay toerana nanompoanay fony izahay tonga voalohany teto Japana. Ny biraon’ny Fikambanana lehibe indrindra sy ny trano misionera lehibe indrindra dia mbola eo amin’ilay toerana voalohany misy ilay trano misy rihana eto Tokyo, izay novidin’ny Rahalahy Haslett taona maro lasa izay.

Ankoatra ny tenako sy i Masako, dia misy 11 amin’ireo havanay izao no misionera eto Japana. Mihevitra avokoa izahay rehetra fa tombontsoa lehibe ny nahita ny fitomboana nentin’i Jehovah teto amin’ity tany anjakan’ny kolontsaina bodista sy shinto ity. Nahita fiandohana kely ny asa teto Japana, nefa ny herin’i Jehovah dia nahaforona “firenena” iray misy mpitory ny vaovao tsara 167 000. — Isaia 60:22.

Rehefa niantso an’Andriamanitra aho, dia namaly ahy izy. Rehefa nanasa ahy izy, dia nanaiky aho. Izahay mivady dia samy mihevitra fa tsy nanao afa-tsy izay tokony ho nataonay izahay. Ary ianao? Rehefa miantso anao ny Mpamorona anao, moa ve ianao mamaly?

[Sary, pejy 28]

Ry Tohara miaraka amin’ireo mpisava lalana niara-niasa taminy tany Hawaii, 1942

[Sary, pejy 29]

Ireo zanaky ry Tohara tany Gileada tamin’ny 1948

[Sary, pejy 31]

Faly i Shinichi sy i Masako Tohara fa namaly ilay antso, ary efa nahatapitra 43 taona teo amin’ny asa misionera izao izy ireo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara