Nivavaka Tamin’ny Emperora vao Nankamin’ny Fanompoam-pivavahana Marina
NOTANTARAIN’I ISAMU SUGIURA
Na dia niharihary izao aza, tamin’ny 1945, fa resy i Japon tamin’ny Ady Lehibe Faharoa, dia natoky izahay fa hisy kamikaze (“rivotra avy amin’Andriamanitra”) hamely ny fahavalo sy handresy azy. Ny kamikaze dia manondro ireo rivo-doza tamin’ny 1274 sy 1281. Nanafika avy teny an-dranomasina, nanandrify ny moron-tsiraka japoney, ireo andian-tsambo mpiady mongol, nomontsanin’ireo rivo-doza ireo indroa ny maro taminy, ka voatery niala.
REHEFA nambaran’ny Emperora Hirohito tamin’ny 15 Aogositra 1945 àry, fa nilavo lefona teo anoloan’ny Tafiky ny Mpiray Dina, i Japon, dia montsamontsana ny fanantenan’ny olona zato tapitrisa nanokan-tena ho azy. Zazalahy mbola nandeha tany an-tsekoly aho tamin’izay, ary montsamontsana koa ny fanantenako. Nanontany tena aho hoe: ‘Raha tsy ny emperora no Andriamanitra velona, dia iza indray?’ ‘Iza no tokony hitokiako?’
Raha ny tena izy anefa, dia ny faharesen’i Japon tamin’ny Ady Lehibe Faharoa no nanokatra ny lalana nahafahan’ny tenako mbamin’ny Japoney an’arivony maro nianatra momba an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina. Alohan’ny hilazako aminareo ny fiovana tsy maintsy nataoko, dia aleo ampahafantariko anareo ny fitaizana ara-pivavahana azoko.
Fitaomana ara-pivavahana tany am-boalohany
Teraka tany amin’ny tanànan’i Nagoya aho, tamin’ny 16 Jona 1932, ary faralahy taminay efatra mirahalahy. Mpandrefy tany tao amin’ilay tanàna i Dada. I Neny kosa dia mpivavaka nafana fo tao amin’ny Fivavahana Tenrikyo, izay sekta shintoista, ary nahazo fiofanana ara-pivavahana ho tonga mpampianatra tenrikyo ny zokiko lahimatoa. Tsy nifankafoy tokoa izahay sy i Neny, ka nentiny niaraka taminy, tany amin’ny toerana nanaovana fanompoam-pivavahana, aho.
Nampianarina hanondrika ny lohako sy hivavaka aho. Nampianarin’ny Fivavahana Tenrikyo ny finoana ny mpamorona iray antsoina hoe Tenri O no Mikoto, miampy andriamanitra folo hafa latsa-danja kokoa. Nanao fanasitranana tamin’ny alalan’ny finoana ireo mpikambana tao, ary nantitranteriny ny fanompoana ny hafa sy ny fampielezana ireo zavatra inoany.
Zazalahy be fanontaniana izay aho, fony mbola kely. Nahatalanjona ahy ny volana mbamin’ireo kintana tsy tambo isaina teny amin’ny lanitra tamin’ny alina. Nanontany tena koa aho hoe tonga hatraiza ny any ambony tsy taka-maso rehefa dila an’io lanitra io. Nahasondriana ahy ny nandinika ny fitombon’ireo baranjely sy konkombra izay namboleko teo amin’ny sombin-tany kely tao am-badiky ny trano. Nanatanjaka ny finoako an’Andriamanitra ny fandinihana ny natiora.
Ireo taona nisian’ny ady
Nifanindry tamin’ny fotoan’ny Ady Lehibe Faharoa ireo taona nahatany amin’ny sekoly fanabeazana fototra ahy, tamin’ny 1939 ka hatramin’ny 1945. Nantitranterina tao amin’ny fanabeazana anay tany an-tsekoly ny fivavahana tamin’ny Emperora, izay tapany lehibe amin’ny Fivavahana Shintoista. Nampianarina shushin izahay. Nahafaoka fampiofanana ara-pitondran-tena namofompofona fanindrahindram-pirenena sy raharaha ara-tafika, izy io. Samy anisan’ny fanao nahazatra tao amin’ny sekolinay avokoa ireo fombafomba fananganan-tsaina, ny fihirana ny hiram-pirenena, ny fianarana ireo didin’ny emperora mahakasika ny fianarana, ary ny fanomezam-boninahitra ny sarin’ny emperora.
Nankany amin’ny toerana masina shintoista teo an-toerana koa izahay mba hangataka tamin’Andriamanitra ny mba handresen’ny tafiky ny emperora. Nanompo tao amin’ny tafika ny zokiko roa lahy. Nahafaly ahy ireo vaovao momba ny fahombiazan’ny tafika japoney, noho ny tenako vontom-pampianarana ara-pivavahana niharo fanindrahindram-pirenena.
Foiben’ny indostria fanamboarana fiaramanidina japoney i Nagoya, hany ka izy no tena lasibatry ny fanafihana sesilany nataon’ny tafika ana habakabaka amerikanina. Nandritra ny fotoana nampahazava ny andro, dia fiaramanidina mpanjera baomba B-29 no niara-nisidina tamin’ny fomba nirindra, teo amin’ilay tanàna, tany amin’ny 9 000 metatra. Tamin’izay izy ireo dia nanjera baomba an-taoniny maro teo ambonin’ireo faritra nisy orinasa. Tamin’ny alina, dia tazana tamin’ireo jirobe ny fiaramanidina mpanjera baomba izay nisidina ambany dia ambany, tany amin’ny 1 300 metatra. Nahatonga hain-trano nahery vaika teo amin’ireo faritra nisy trano fonenana, ireo fanafihana ana habakabaka niverimberina izay nanjerana baomba mpandoro zavatra. Tao Nagoya fotsiny, dia nisy fanafihana ana habakabaka 54 nandritra ireo sivy volana farany tamin’ny ady, ka nahatonga fahoriana be sy fahafatesan’olona maherin’ny 7 700.
Nanomboka nandaroka baomba tanàna folo teny amoron-tsiraka ireo sambo mpiady tamin’izay fotoana izay, ary ambentin-dresaky ny olona ny hoe mety hiakatra an-tanety tany akaikin’i Tokyo, ny tafika amerikanina. Nampiofanina hiady tamin’ny fampiasana sabatra bararata ny zaza amam-behivavy, mba hiarovana ilay firenena. Izao no teny fanevanay: “Ichioku Sougyokusai”, izay midika hoe: “Aleonay mamoy olona 100 tapitrisa toy izay hilavo lefona.”
Nanao izao tatitra izao ny matoan-dahatsoratra an-gazety iray tamin’ny 7 Aogositra 1945: “Karazam-baomba Vaovao Nazera tao Hiroshima”. Roa andro taorian’izay dia nisy hafa iray nazera tao Nagasaki. Baomba ataomika ireo, ary nilazana izahay tatỳ aoriana fa tamin’ny fitambarany, dia namoizana ain’olona 300 000 izy ireo. Avy eo, tamin’ny 15 Aogositra, teo am-pifaranan’ny matso fanazaran-tena iray natao niaraka tamina basy hazo, dia renay ny kabary nataon’ny emperora, nanambarany fa nilavo lefona i Japon. Niaiky mafy izahay fa handresy, kanjo tankina izahay izao!
Nisy fanantenana vaovao nitombo
Arakaraka ny nanombohan’ireo andian-tafika amerikanina naka ilay tany, no nanekenay tsikelikely fa nandresy tamin’ny ady i Etazonia. Nampidirina teto Japon ny demokrasia mbamin’ny lalàm-panorenana vaovao izay niantoka ny fahalalahana hanao fanompoam-pivavahana. Mafy ny fiainana, ary zara raha nisy ny sakafo, ka maty noho ny tsy fahampian-tsakafo ny raiko, tamin’ny 1946.
Nandritra izany fotoana izany, dia nanomboka nampianarina tany amin’ilay sekoly nianarako ny fiteny anglisy, ary nanomboka nandefa fandaharana nisy fifampiresahana tamin’ny teny anglisy ny radio NHK. Nandritra ny dimy taona, dia nihaino io fandaharana be mpitia io isan’andro aho, niaraka tamin’ny boky fianarana teny an-tanako. Izany dia nahatonga ahy hanonofinofy ny hankany Etazonia indray andro any. Diso fanantenana tamin’ny Fivavahana Shintoista sy Bodista aho ka nanomboka nihevitra fa angamba mety ho hita any amin’ireo fivavahana tandrefana ny fahamarinana momba an’Andriamanitra.
Nihaona tamin’i Grace Gregory izay misioneran’ny Fikambanana Watch Tower aho, tany amin’ny voalohandohan’ny Aprily 1951. Nijoro teo anoloan’ny garan-damasinin’i Nagoya izy, nanolotra gazety Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny anglisy sy bokikely iray tamin’ny teny japoney izay nisy foto-kevitra ara-baiboly. Nanaitra ny saiko ny fanetren-tena nasehony tamin’ny fanaovana izany asa izany. Nahazo ireo zavatra vita an-tsoratra roa ireo aho, ary nanaiky avy hatrany ny fanolorany fianarana ny Baiboly. Nampanantena ny hankany an-tranony aho mba hianatra ny Baiboly, andro vitsivitsy tatỳ aoriana.
Rehefa nipetraka tao amin’ny lamasinina aho ka nanomboka namaky Ny Tilikambo Fiambenana, dia nisarika ny masoko ilay teny voalohany hoe “Jehovah”, tao amin’ny lahatsoratra fanokafana. Mbola tsy nahita io anarana io mihitsy aho talohan’izay. Tsy nampoiziko ho hita tao amin’ilay diksionera kely anglisy-japoney nentiko ilay izy, kanjo inona fa tao tokoa! “Jehovah (...), ilay Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.” Nanomboka nahafanta-javatra momba ilay Andriamanitry ny Kristianisma aho tamin’izay!
Tamin’ilay nitsidihako voalohany ny tranon’ny misionera, no nandrenesako fa hisy lahateny ara-baiboly hatao herinandro vitsivitsy taorian’izay, ka i Nathan H. Knorr, prezidàn’ny Watch Tower Bible and Tract Society tamin’izay no hanao azy io. Nitsidika an’i Japon niaraka tamin’i Milton Henschel, sekreterany izy, ary tonga tany Nagoya. Na dia voafetra aza ny fahalalana ny Baiboly nananako, dia tena nankafiziko ilay lahateny mbamin’ny fiarahana tamin’ireo misionera sy ireo mpanatrika hafa.
Tao anatin’ny roa volana, dia fantatro avy tamin’ny fianarako niaraka tamin’i Grace ireo fahamarinana fototra momba an’i Jehovah sy i Jesosy Kristy, ny avotra, i Satana Devoly, ny Haramagedona sy ny Paradisa an-tany. Io vaovao tsara momba ny Fanjakana io indrindra no ilay karazana hafatra nokarohiko. Tamin’ny fotoana nanombohako nianatra no nanombohako nanatrika koa ireo fivorian’ny kôngregasiôna. Nankafiziko ilay rivo-piainana feno fisakaizana tamin’ireny fiaraha-mivory ireny, ka tao ireo misionera dia nifanerasera tamin-kalalahana tamin’ireo Japoney no sady niara-nipetraka taminay teo ambony tatami (tsihy).
Natao tao amin’ny Tranom-pokonolon’i Nakanoshima, tao amin’ny tanànan’i Osaka, ny fivoriamben’ny fizaran-tany voalohany tany Japon, tamin’ny Oktobra 1951. Latsaka ny 300 ny Vavolombelona nanerana an’i Japon, kanefa dia olona tokony ho 300 no nanatrika ilay fivoriambe, anisan’izany ireo misionera efa ho 50. Na ny tenako aza mba nanana anjara kely tamin’ilay fandaharana. Nanaitra ny saiko tokoa izay hitako sy reko ka tapa-kevitra tao am-poko aho fa hanompo an’i Jehovah mandritra ny fiainako manontolo. Natao batisa aho ny ampitson’iny, tao anaty rano matimaty tao amin’ny trano fandroam-bahoaka teo akaiky teo.
Fifaliana teo amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana
Niriko ny ho tonga mpisava lalana, araka ny iantsoana ny mpanompo manontolo andro eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsapako koa anefa ny adidiko hanampy eo amin’ny famelomana ny fianakaviako. Rehefa nisikina herim-po aho mba hilaza ny faniriako tamin’ny sefoko, dia akory ny hagagako nandre azy niteny hoe: “Hahafaly ahy ny hanampy anao amin’izay tianao hatao raha izany no hahasambatra anao.” Afaka niasa roa andro monja isan-kerinandro aho, no sady mbola afaka nanampy an-dreniko teo amin’izay lany tao an-trano ihany. Tena toy ny vorona afa-patorana no nahatsapako ny tenako.
Rehefa nitohy nihatsara ny toe-piainana, dia nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana aho tamin’ny 1 Aogositra 1954, tao amin’ny faritany iray tao ambadiky ny garan-damasinin’i Nagoya, tsy lavitra ilay toerana nihaonako voalohany tamin’i Grace. Rehefa afaka volana maromaro, dia voatendry ho mpisava lalana manokana aho, ka voatendry hanompo tany Beppu, tanàna iray any amin’ny nosy Kyushu, any andrefana. I Tsutomu Miura no voatendry ho namako.a Tsy nisy kôngregasiônan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ilay nosy manontolo tamin’izany fotoana izany, fa ankehitriny dia misy an-jatony maro voazara ho fizaran-tany 22!
Santatry ny tontolo vaovao
Rehefa nitsidika indray an’i Japon ny Rahalahy Knorr tamin’ny Aprily 1956, dia nangataka ahy mba hamaky mafy ny fehintsoratra vitsivitsy tao amin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny anglisy. Tsy nolazaina tamiko ny antony, fa volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia voaraiko ny taratasy iray nanasa ahy hanatrika ny kilasy faha-29 amin’ny sekolin’i Gileada ho an’ny misionera. Tamin’ny Novambra tamin’io taona io àry, dia nientanentana erỳ aho nanomboka ny diako ho any Etazonia, ho fahatanterahan’ilay nofinofiko hatramin’ny ela. Nanatanjaka ny finoako ny fandaminan’i Jehovah hita maso ny nipetrahako sy niasako nandritra ny volana vitsivitsy niaraka tamin’ireo mpianakavin’ny Betelan’i Brooklyn maro be.
Tamin’ny Febroary 1957, dia mpianatra telo izahay no nentin’ny Rahalahy Knorr tamin’ny fiarakodia nankany amin’ny fonenan’ny mpianatry ny Sekolin’i Gileada, tany South Lansing, avaratr’i New York. Efa nisantatra sahady ny Paradisa an-tany aho nandritra ireo dimy volana nanaraka, tao amin’ny Sekolin’i Gileada, teo am-pandraisako fampianarana avy amin’ny Tenin’i Jehovah sy niainako tao amin’ny faritra kanto dia kanto niaraka tamin’ireo mpiara-mianatra tamiko. Voatendry ho atỳ Japon ny mpianatra 10 tamin’ireo 103, ka anisan’izany ny tenako.
Fankasitrahana ny fanendrena ahy
Tokony ho 860 ny Vavolombelona teto Japon, fony aho niverina, tamin’ny Oktobra 1957. Voatendry ho amin’ny asa fitetezam-paritany aho, ho mpiandraikitra ny fizaran-tany, kanefa dia mbola nampiofanin’i Adrian Thompson ho amin’io asa io aloha aho nandritra ny andro vitsivitsy, tany Nagoya. Voafaoka tao amin’ny fizaran-taniko ny faritra nanomboka tany Shimizu, any akaikin’ny Tendrombohitra Fuji, ka hatrany amin’ny Nosy Shikoku, ary tafiditra amin’izany ireo tanàna lehibe toa an’i Kyoto sy i Osaka sy i Kobe ary i Hiroshima.
Voatendry ho mpiandraikitra ny distrika aho tamin’ny 1961. Tafiditra tamin’izany ny fanaovana dia lavitra tany amin’ny nosy Hokkaido rakotry ny ranomandry, any avaratra, ka hatrany amin’ny nosy Okinawa, any akaikin’ny tropika, ary mbola midina hatrany amin’ny nosy Ishigaki, any akaikin’i Taïwan mihitsy aza, izany hoe elanelan-tany mahatratra 3 000 kilaometatra eo ho eo.
Nasaina hianatra folo volana tao amin’ny Sekolin’i Gileada, tany amin’ny Betelan’i Brooklyn aho avy eo, tamin’ny 1963. Nantitranterin’ny Rahalahy Knorr nandritra ilay fianarana fa zava-dehibe ny ananana toe-tsaina tsara mahakasika ny asa fanendrena. Nolazainy fa zava-dehibe toy ny fiasana any amin’ny birao ny fanadiovana ny toeram-pivoahana. Raha tsy madio ny toeram-pivoahana, hoy izy, dia hisy fiantraikany eo amin’ny fianakavian’ny Betela manontolo sy ny asa ataony izany. Anisan’ny asako tato amin’ny Betelan’i Japon, tatỳ aoriana, ny fanadiovana toeram-pivoahana, ary tadidiko io torohevitra io.
Voatendry indray ho amin’ny asa fitetezam-paritany aho rehefa tafaverina teto Japon. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin’ny 1966, dia nalaiko ho vady i Junko Iwasaki, mpisava lalana manokana iray izay nanompo tao amin’ny tanànan’i Matsue. Nanao lahatenim-panambadiana nahafinaritra i Lloyd Barry izay mpiandraikitra ny sampana teto Japon tamin’izay. Avy eo, dia niaraka tamiko teo amin’ny asa fitetezam-paritany i Junko.
Niova ny fanendrena anay tamin’ny 1968, rehefa voantso tany amin’ny biraon’ny sampana tany Tokyo aho, mba handika teny. Noho ny tsy fahampian’ny toerana tao amin’ny Betela, dia nody isan-kariva tany amin’ny zaran-tany Sumida, tany Tokyo aho, ary i Junko kosa niara-nanompo tamin’ny kôngregasiôna tao amin’io toerana io, tamin’ny naha mpisava lalana manokana azy. Nilaina ny tranon’ny sampana lehibe kokoa tamin’izay fotoana izay. Tamin’ny 1970 àry, dia novidina ny tany iray efa nisy trano, tao Numazu, tsy lavitra ny Tendrombohitra Fuji. Naorina teo ny orinasa iray nisy rihana roa sy trano fonenana iray. Talohan’ny nanombohan’ny fanorenana, dia nampiasaina ny trano maromaro teo amin’ilay tany mba hanaovana ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana, izay nampiofana ireo loholon’ny kôngregasiôna. Nanana tombontsoa hampianatra tao amin’ilay sekoly ny tenako, ary nahandro ny sakafon’ireo mpianatra i Junko. Nampientam-po ny nahita lehilahy kristianina an-jatony maro nomena fiofanana manokana ho amin’ny fanompoana.
Naharay telegrama maika aho, indray tolakandro. Nampidirina hôpitaly i Neny ary tsy nantenaina ny ho velona intsony. Nandray ilay lamasinina faran’izay haingam-pandeha nankany Nagoya aho, ary niolomay nankany amin’ny hôpitaly. Tsy nahatsiaro tena izy, kanefa nandany ny alina teo anilan’ny fandrianany aho. Vao nangiran-dratsy ny andro, dia maty i Neny. Teny an-dalana hody ho any Numazu, dia tsy tanako ny ranomasoko rehefa nahatsiaro ny fotoan-tsarotra nodiaviny teo amin’ny fiainany sy ny firaiketam-pony tamiko, aho. Raha sitrapon’i Jehovah, dia hahita azy indray aho amin’ny fitsanganan’ny maty.
Tsy ela dia tsy antonona anay intsony ireo trano tao Numazu. Koa nisy tany fito hektara novidina tany amin’ny tanànan’i Ebina, ary natomboka tamin’ny 1978 ny fanorenana fitambaran-tranon’ny sampana vaovao. Ankehitriny ny faritra rehetra azo nampiasaina tamin’io tany io dia rakotry ny orinasa sy trano fonenana mbamin’ny Efitrano Fivoriambe iray mahazaka olona maherin’ny 2 800. Vita teo am-piandohan’ity taona ity ny fanorenana fanampiny farany indrindra izay voaforon’ny trano fonenana roa misy rihana 12 sy parkings 5 mifanao ambaratonga miaraka amin’ny trano fiasana. Tokony ho 530 izao ny isan’ny mpianakavin’ny Betelanay, kanefa ireo trano nasiam-panitarana dia hahatonga anay ho afaka handray olona tokony ho 900.
Antony maro hifaliana
Nampientam-po ny fahitana ny faminanian’ny Baiboly tanteraka, eny, ny fahitana ‘ny kely nitombo ka tonga firenena mahery’. (Isaia 60:22). Tsaroako ny zokiko lahy iray nanontany ahy tamin’ny 1951, nanao hoe: “Firy ny Vavolombelona eto Japon?”
“Tokotokony ho 260”, hoy aho namaly.
“Izay fotsiny ve?”, hoy ny fanontaniany tamin’ny feo nanambany.
Tsaroako fa izao no noeritreretiko: ‘Ny fotoana no hilaza hoe firy ny olona hosintonin’i Jehovah ho amin’ny fanompoam-pivavahana aminy, eto amin’ity tany shintoista sy bodista ity.’ Ary nanome ny valiny i Jehovah! Amin’izao andro izao, dia tsy misy intsony izany faritany hitoriana tsy misy tompony izany eto Japon, ary nitombo maherin’ny 222 000 ny isan’ny mpivavaka marina, any amin’ny kôngregasiôna 3 800!
Nahasambatra ahy indrindra ireo 44 taona teo amin’ny fiainako nanompoako manontolo andro, ka ny 32 taona tamin’io dia niarahako tamin’ny vadiko be fitiavana. Nanompoako tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny tao amin’ny Betela ny 25 taona tamin’io. Nasaina ho tonga anisan’ny komitin’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Japon aho, tamin’ny Septambra 1979.
Tombontsoa sy fitahiana ny fahafahana nandray anjara kely teo amin’ny fanampiana olona tso-po sy tia fihavanana ho tonga mpivavaka amin’i Jehovah. Maro no nanao zavatra tsy nisy hafa tamin’ny nataoko ka tsy nifikitra intsony tamin’ny emperora fa nivavaka kosa tamin’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina. Faniriako amim-pahatsorana ny hanampy olona maro kokoa mba hifindra ho amin’ilay andanin’ny mpandresy misy an’i Jehovah, ka hahazo fiainana tsy manam-pahataperana eo amin’ny tontolo vaovao iray mandry feizay. — Apokalypsy 22:17.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny rainy dia Vavolombelona nahatoky izay tsy maty tamin’ny fipoahan’ny baomba ataomika tao Hiroshima tamin’ny 1945, fony izy tao amin’ny fonja japoney iray. Jereo ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Oktobra 1994, pejy faha-11-15.
[Sary, pejy 29]
Nifantoka tamin’ny fivavahana tamin’ny emperora ny fampianarana tany an-tsekoly
Tany New York, niaraka tamin’ny Rahalahy Franz
Miaraka amin’i Junko, vadiko
[Sary nahazoan-dalana, pejy 29]
Ny Gazety Mainichi
[Sary, pejy 31]
Miasa ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny