FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 1/12 p. 5-6
  • Iza no Mahazo Sitraka Amin’Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza no Mahazo Sitraka Amin’Andriamanitra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo fari-pitsipik’Andriamanitra ambony kokoa
  • Afaka mahazo sitraka amin’Andriamanitra isika
  • Karazan’Olona Manao Ahoana no Sitrakao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Iangaran’Andriamanitra ve ny Firenena Sasany?
    Mifohaza!—2005
  • “Manankarena Amin’Andriamanitra” ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Ny fanantenanao: Andriamanitra sa ny harena?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 1/12 p. 5-6

Iza no Mahazo Sitraka Amin’Andriamanitra?

SAMY maniry ny ho tian’ireo olona ifaneraserantsika isika rehetra. Ho an’ny Kristiana iray, dia mbola faniriana lehibe lavitra ny fahazoana sitraka amin’Andriamanitra. Izao no ambara momba an’i Jehovah Andriamanitra ao amin’ny Salamo 84:11: “Fahasoavana [“fankasitrahana”, NW ] sy voninahitra no homen’i Jehovah. Tsy hiaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy”. Tamin’ny nahaterahan’i Jesosy, ilay antsoantsom-pifalian’ireo anjely tany an-danitra dia nampanantena “fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany”. — Lioka 2:14.

Fa iza anefa no ankasitrahan’Andriamanitra? Moa ve ny fari-pitsipik’Andriamanitra mitovy amin’ny an’ny olona? Mazava ho azy fa tsia, araka izay nasehon’ilay dinidinika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Koa satria tokoa anarina mba “hanahaka an’Andriamanitra” ny Kristiana, dia mety hanontany mora foana ny tsirairay amintsika hoe: Moa ve aho maneho fankasitrahana amin’ireo olona izay ankasitrahan’Andriamanitra, sa kosa aho mirona hanaraka ny fari-pitsipik’izao tontolo izao eo amin’ny fitsarako olona? (Efesiana 5:1). Mba hahazoana sitraka sy telina avy amin’i Jehovah, dia tsy maintsy mitandrina isika mba hijery zavatra araka ny fomba fijeriny.

Ireo fari-pitsipik’Andriamanitra ambony kokoa

“Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra”, hoy ny apostoly Petera, “fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany”. Ankoatra izany, ny apostoly Paoly dia nanamarina fa Andriamanitra dia “nanao ny firenena rehetra avy amin’ny olona iray”. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35; 17:26, NW ). Ara-dalàna tsotra izao àry ny hanatsoahana hevitra fa ny olona rehetra dia mitovy eo imason’Andriamanitra na toy inona na toy inona toetra mampiavaka azy ara-batana. Koa satria izany no zava-misy, dia tsy hahasoa ny Kristiana ny hankasitraka tafahoatra olona iray satria fotsiny hoe avy any amin’ny toerana manokana iray izy na manana volon-koditra toy izao na anisan’ny firazanana hafa. Manao ny tsara kosa izy amin’ny fanarahana an’i Jesosy Kristy, ilay Modeliny, izay tsy nizaha tavan’olona, ka na dia ireo fahavalo aza dia niaiky izany. — Matio 22:16.

Ilay fitenenana amin’ny fiteny anglisy hoe “lalina toy ny hoditra” dia ampiasaina indraindray mba hilazana zavatra izay tsy lalina na tsy zava-dehibe. Toy izany mihitsy anefa ny volon-koditra, lalina toy ny hoditra fotsiny izy io. Tsy manome taratry ny maha-izy ny olona iray na ny toetra tsara anaty ananany mihitsy ny volon-kodiny. Raha ny amin’ny fifidianana izay olona hifaneraserana, hiaraha-misakafo, na horaisin-tanana, dia azo antoka fa tsy tokony hijery fotsiny ny volon-kodiny isika. Tsarovy fa nilaza toy izao ny amin’ny tenany ilay zazavavy izay nahatonga ny sasany tamin’ireo tononkalom-pitiavana kanto indrindra ho voasoratra: “Mivalomainty aho, nefa tsara tarehy (...) mivalomainty aho, satria efa azon’ny hainandro”. (Tononkiran’i Solomona 1:5, 6). Na ny firazanana na ny volon-koditra dia samy tsy mahaforona fototra araka ny tokony ho izy mba hanehoana fankasitrahana. Zava-dehibe kokoa ny hoe matahotra an’Andriamanitra sy manao ny fahamarinana ve ny olona iray sa tsia.

Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny fananana harena ara-nofo? Teo amin’ireo olona izay tian’Andriamanitra sy nankasitrahany, dia i Jesosy Kristy Zanany no voalohany indrindra. Na dia izany aza, dia tsy ‘nanana izay hipetrahan’ny lohany’ izy fony tetỳ an-tany. (Matio 8:20). Tsy nanan-tany ho fananana izy, na trano, na saha, na hazo fihinam-boa, na biby fiompy. Kanefa dia nanome voninahitra azy i Jehovah ary nanandratra azy ho amin’ny toerana izay ambonin’ny olon-kafa rehetra eo amin’izao rehetra izao, ankoatra ny tenan’Andriamanitra. — Filipiana 2:9.

Nahazo sitraka tamin’Andriamanitra i Jesosy Kristy noho izy nanankarena tamin’ny asa tsara fa tsy tamin’ny fananana ara-nofo. (Ampitahao amin’ny 1 Timoty 6:17, 18.) Nananatra ny mpanara-dia azy toy izao izy: “Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamitrano sy mangalatra. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra.” (Matio 6:19, 20). Araka izany, dia aleon’ny Kristiana tsy manisy fanavakavahana ny olona miorina amin’ireo fananana eo amin’izao tontolo izao, toy izay haneho fankasitrahana amin’izay manankarena amin’ireo fananan’ity tontolo ity ihany. Hitady ireo manankarena araka an’Andriamanitra izy, tsy maninona na manankarena izy na mahantra ara-nofo. Aza hadinoina na oviana na oviana fa “nofidin’Andriamanitra (...) ny malahelo amin’izao fiainana izao ho mpanan-karena amin’ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana”. (Jakoba 2:5). Raha mitana ny fomba fijerin’Andriamanitra ianao, dia tsy ho latsaka na oviana na oviana ao amin’ilay fanao mahazatra hoe mankasitraka na mitady sitraka amin’ny manankarena ara-nofo.

Raha ny fianarana, dia asehon’ny Baiboly mazava tsara fa Andriamanitra dia mampirisika antsika hitady fahalalana sy fahendrena, ary asehony fa i Jesosy Kristy no mpampianatra lehibe indrindra nandia ny tany. (Ohabolana 4:7; Matio 7:29; Jaona 7:46). Tsy ny fahendrena na ny fianaran’izao tontolo izao akory no ankasitrahan’Andriamanitra. Mifanohitra amin’izany fa milaza amintsika i Paoly hoe tamin’ireo nantsoina dia “tsy firy no olon-kendry araka ny nofo (...) fa ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry”. — 1 Korintiana 1:26, 27.

Ankasitrahan’Andriamanitra ireo izay tena mahita fianarana, tsy avy amin’ireo taranja tsy ara-pivavahana ampianarina any amin’ny sekoly ambony akory, fa avy amin’ny “fiteny madio”-n’ny fahamarinana araka ny hita ao amin’ny Teniny, ny Baiboly. (Zefania 3:9, NW ). Raha ny marina, ankehitriny dia mampianatra ny olony ny tenan’i Jehovah mihitsy, amin’ny alalan’ny fandaharam-pampianarana iray izay miitatra hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany. Ary araka ny nambaran’ny mpaminany Isaia mialoha, dia misy olona avy amin’ny firenena rehetra manaiky izany amin’ny filazana hoe: “Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony”. Noho izany, dia tsy hanindrahindra fianarana tsy ara-pivavahana ny Kristiana, fa hitady kosa ireo izay manaporofo amin’ny teniny sy ny asany fa olona tena “nampianarin’i Jehovah” izy. Amin’ny fanaovan’izy ireo izany no hifaliany amin’ny ‘fiadanana be’ izay omen’Andriamanitra. — Isaia 2:3; 54:13.

Afaka mahazo sitraka amin’Andriamanitra isika

Eny, ny fari-pitsipik’Andriamanitra momba ny fankasitrahana ny hafa dia tena tsy mitovy amin’ny an’ny olombelona. Na dia izany aza, dia tsy maintsy miezaka ny hotarihin’ny fombany isika raha maniry hahazo sitraka eo imasony. Midika izany fa tsy maintsy mianatra mijery ny hafa araka ny fomba fijerin’Andriamanitra isika fa tsy araka ny fari-pitsipik’olombelona izay mety hiharan’ny herin’ny fitiavan-tena sy ny fitsarana an-tendrony. Ahoana no ahafahantsika manao izany?

Mandinika ny fon’ny olona iray i Jehovah Andriamanitra ary mankasitraka ireo izay maneho toetra tsara toy ny fitiavana, hatsaram-po, hatsaram-panahy, ary fahari-po. Tokony hanao toy izany koa isika. (1 Samoela 16:7; Galatiana 5:22, 23, NW ). Ilaintsika ny mijery ilay olona ao anatiny, araka izay farany azontsika olombelona atao, fa tsy ny volon-kodiny na ny ivom-pirazanany. Tsy hitady ireo manankarena amin-javatra ara-nofo isika, fa tsara kosa ny hitadidiantsika ao an-tsaina ny fomba fijerin’Andriamanitra ny harena ka hiezahantsika ny “hanan-karena amin’ny asa tsara, hazoto manome sy miantra”. (1 Timoty 6:18). Mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, dia tsy maintsy manohy mitady fahalalana marina momba an’Andriamanitra sy i Jesosy Kristy Zanany, isika, tena hahita fianarana avy amin’ny fiteny madion’ny fahamarinana. (Jaona 17:3, 17). Amin’ny fanaovantsika izany, dia ho anisan’ireo izay ankasitrahan’Andriamanitra koa ny tenantsika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara