Karazan’Olona Manao Ahoana no Sitrakao?
“VEHIVAVY TADIAVINA. Tokony hazava volon-koditra sy hanifinify, hanana diplaoma, na ny tsaratsara kokoa, hanohy fianarana ambony. Tsy maintsy ho avy amin’ny fianakaviana ambony izay manam-pananana. Tsara kokoa raha mitovy foko.”
IZANY no vakina ao amin’ny filazana fitadiavam-bady iray mahazatra, mety ho hitanao ao amin’ny gazety any India. Azo inoana fa afaka mahita zavatra mitovy amin’izany any amin’ny faritra maro hafa amin’izao tontolo izao ianao. Any India, ilay filazana dia mazàna avoakan’ny ray aman-drenin’ny zazalahy iray mikasa ny haka vady. Mety ho tafiditra ao amin’ilay valin-teny ny sarin-jazavavy iray manao sari mena midorehitra sy mitondra firavaka volamena maro be. Raha manaiky ny fianakavian-drazazalahy, dia manomboka ny fifampiraharahana ho amin’ny fampakaram-bady.
Fari-pitsipika mahazatra ny amin’izay heverina fa misy vidiny
Any India, dia tena mahazatra ny fitadiavana vehivavy hampakarina mazava volon-koditra. Izany dia vokatry ny finoana lalim-paka iray milaza fa ireo lazaina fa foko ambany kokoa eo amin’ny fitambaran’olona hindoa dia maintimainty kokoa. Tsy ela izay, ny fandaharana tao amin’ny televiziona karana dia niresaka ny amin’ny tantaran-jazavavy roa, ny iray mazava volon-koditra, ny iray maintimainty kokoa. Ilay zazavavy mazava volon-koditra dia loza be sy tsy nanaja olona; ilay zazavavy maintimainty kokoa kosa dia tsara fanahy sy nalemy paika. Nitranga ny fitsimbadihan-javatra nahagaga iray, ka ilay zazavavy mazava volon-koditra dia nanjary maintimainty kokoa ho saziny, fa ilay zazavavy maintimainty kokoa kosa dia natao mazava volon-koditra ho valisoany. Ny lesona tao amin’ilay tantara dia niharihary fa na dia mandresy aza amin’ny farany ny hatsaram-po, ny fananana volon-koditra mazava dia valisoa irina.
Mazàna ny fihetseham-po manavakava-bolon-koditra toy izany dia latsa-paka kokoa tsy araka ny iheverana azy. Ny mponina iray any Azia, ohatra, dia mety hitsidika tany tandrefana iray ary hitaraina fa nentina tamin’ny fomba ratsy izy noho ny volon-kodiny sy noho izy kely maso. Manelingelina azy ny fanaovan-javatra toy izany, ary mahatsiaro tena ho navakavahina izy. Rehefa miverina any amin’ny tany nahaterahany anefa izy, dia mety hitondra amin’ny fomba tena mitovy amin’izany ireo olona tsy mitovy firazanana aminy. Na dia amin’izao andro izao aza, dia mitana toerana lehibe eo amin’ny fanombanan’ny olona ny fahamendrehan’ny hafa ny volon-koditra sy ny ivom-pirazanana.
“Ny vola no hahazoana ny zavatra rehetra”, hoy ny nosoratan’i Solomona Mpanjaka fahiny. (Mpitoriteny 10:19). Endre ny fahamarinan’izany! Misy fiantraikany eo amin’ny fomba fiheverana ny olona koa ny harena. Mahalana vao hadihadina ny amin’izay niavian’ilay harena. Tonga mpanankarena ve ny olona iray noho ny asa mafy nataony sa noho ny fitantanany raharaha tamim-pitandremana, sa noho ny tsy fahamarinana? Tsy mampaninona mihitsy izany. Ny harena, na azo tamin’ny fomba ratsy izy io na tsia, dia mitarika olona maro hisolelaka amin’izay manana azy.
Hindraindraina koa ny fianarana ambony eo amin’ity tontolo tia mifaninana ity. Raha vantany vao teraka ny zaza iray, ireo ray aman-dreny dia ampirisihina mba hanomboka hanangom-bola be ho amin’ny fianarana. Eo amin’ny fotoana maha-roa na telo taona azy, dia miahy ny handefasana azy any amin’izay akanin-jaza mety izy ireo ho toy ny dingana voalohany eo amin’ilay dia lavitra hatrany amin’ny diplaoman’ny oniversite. Misy olona toa mihevitra fa ny diplaoma malaza iray dia mitondra zo hahazo sitraka sy fanajana avy amin’ny hafa.
Eny, ny volon-koditra, ny fianarana, ny vola, ny ivom-pirazanana — dia tonga fari-pitsipika hitsaran’ny olona maro ny hafa, na hanaovany fitsarana an-tendrony kosa momba azy. Ireo no anton-javatra mamaritra izay olona anehoany fankasitrahana sy izay tsy anehoany izany. Ahoana ny aminao? Olona toy inona no sitrakao indrindra? Moa ve ianao mihevitra ny olona iray manam-bola, mazava volon-koditra, na nahita fianarana ambony ho mendrika fankasitrahana sy fanajana bebe kokoa? Raha izany no izy, dia mila ny mandinika amim-pitandremana ny fototry ny fihetseham-ponao ianao.
Fari-pitsipika tsara ve ireo?
Nanao izao fanamarihana izao ilay boky hoe Hindu World: “Izay olona avy amin’ny foko ambany namono brāhmin [Hindoa avo razana] iray, dia azo nampijalina mandra-pahafatiny, ny fananany dia nesorina taminy, ary ny fanahiny dia voaozona mandrakizay. Ny brāhmin iray namono olona dia nety ho nandoa onitra fotsiny ary tsy nomelohina ho faty mihitsy.” Na dia miresaka ny amin’ny andro fahiny aza ilay boky, ahoana ny amin’izao andro izao? Ny fitsarana an-tendrony ara-pirazanana sy ny fihenjanana misy eo amin’ny fitambaran’olona dia nahatonga ra mandriaka na dia amin’izao taonjato faha-20 izao aza. Ary tsy voafetra ho any India ihany izany. Ny fankahalana sy ny herisetra nateraky ny fanavakavaham-bolon-koditra atsy Afrika Atsimo, ny fitsarana an-tendrony ara-pirazanana any Etazonia, ny fitsarana an-tendrony noho ny fanindrahindram-pirenena any amin’ireo tany manodidina ny Ranomasina Baltika — azo tohizina foana ny lisitra — dia samy avy amin’ny fiheveran-tena ho ambony hatrany am-pahaterahana avokoa. Azo antoka fa ny fankasitrahana olona iray bebe kokoa noho ny iray hafa noho ny firazanany na noho ny firenena niaviany dia tsy nitondra vokany tsara sy milamina.
Ahoana ny amin’ny harena? Tsy isalasalana fa maro no tonga mpanankarena noho ny asa mafy natao tamim-pahamarinana. Na dia izany aza, dia harem-be no voangon’ireo antokon’olona mpanao heloka bevava, mpanao varo-maizina, mpivarotra zavatra mahadomelina sy mpivarotra fitaovam-piadiana an-tsokosoko, ary ny hafa. Marina fa ny sasany amin’izy ireny dia manao fanomezana ho an’ireo fikambanana mpanao asa soa na manohana ireo fandaharana hanampiana ny mahantra. Na dia izany aza, ny asa ratsin’izy ireo dia nitondra fijaliana sy fahoriana tsy hay lazaina ho an’ireo nataony nahita faisana. Na dia ireo azo lazaina hoe mpanao hosoka vonjimaika ihany aza, toy ireo mandray kolikoly na ireo mandray anjara amin’ny asa maizimaizina, dia nahatonga fahakiviana sy ratra ary fahafatesana rehefa tsy mahomby sy tsy mandeha tsara ny zava-bitany na ny asa nataony. Tsy azo lavina fa ny fananana harena amin’izao fotsiny dia tsy fiorenana ho an’ny fitsarana tsara.
Ahoana àry ny amin’ny fianarana? Moa ve ny fiarahan’ny anaran’olona iray amin’ny laharana diplaoma sy anaram-boninahitra lava be miantoka fa olo-marina sy mahitsy izy? Moa ve izany midika fa tokony hoheverina amim-pankasitrahana izy? Ekena aloha fa afaka manitatra ny fahalalanao ny fianarana, ary maro amin’ireo izay nampiasa ny fianarana azony mba hanasoavana ny hafa no mendrika ny voninahitra sy ny fanajana. Ny tantara anefa dia feno ohatra ny amin’ny fanararaotana sy ny fampahoriana ny sarambabem-bahoaka nataon’ny kilasin’ireo nahita fianarana. Ary diniho izay mitranga any amin’ny toerana misy ny fianarana ambony na oniversite amin’izao andro izao. Ireo campus dia tototry ny zava-manahirana momba ny fidorohana amin’ny zavatra mahadomelina sy ny areti-mifindra avy amin’ny firaisana, ary misy mpianatra maro mirotsaka ho amin’ny fitadiavam-bola sy fahefana ary laza fotsiny. Ny fianarana azon’ny olona iray fotsiny dia tsy filazana azo ianteherana velively ny amin’ny tena toetrany.
Tsia, tsy fiorenana tsara azo itsarana ny fahamendrehan’ny hafa ny volon-koditra, ny fianarana, ny vola, ny ivom-pirazanana, na ny anton-javatra hafa toy izany. Tsy tokony hanahy ny amin’izany raharaha izany mba hitadiavana sitraka amin’ny hafa ny Kristiana. Ny amin’inona àry no tokony hahin’ny olona iray? Fari-pitsipika inona no tokony harahina?