Fanontanian’ny Mpamaky
Raha marary na any am-panaovana dia lavitra ny Kristiana iray, ka noho izany dia tsy afaka manatrika ny fankalazana ny Fahatsiarovana, moa ve tokony hankalaza izany izy rehefa afaka iray volana atỳ aoriana?
Teo amin’ny Isiraely fahiny, ny Paska dia nankalazaina isan-taona tamin’ny andro faha-14 amin’ny volana voalohany, nantsoina hoe Nisana (na Abiba). Nefa mahita fandaharana manokana iray toy izao isika ao amin’ny Nomery 9:10, 11: “Mitenena amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Raha misy olona eo aminareo, na eo amin’ny taranakareo hatramin’ny fara mandimby, maloto amim-paty, na lasan-davitra, dia mbola hitandrina ny Paska ho an’i Jehovah ihany koa izy. Amin’ny harivan’ny andro fahefatra ambin’ny folo amin’ny volana faharoa [nantsoina hoe Iara, na Ziva] no hitandremany azy; ary hampiarahina amin’ny mofo tsy misy masirasira sy ny anana mangidy no fihinany azy.”
Mariho fa izany akory tsy nanorina daty roa azo isafidianana ho an’ny Paska (14 Nisana na 14 Ziva), ka hoe hisy Isiraelita na ankohonana hisafidy malalaka, miankina amin’izay mety aminy. Ny fandaharana ny amin’ny sakafon’ny Paska tamin’ny volana faharoa kosa dia voafetra. Naningana ny fisian’ny Isiraelita iray naloto tamim-paty tamin’ny 14 Nisana na lavitra loatra ny toerana nanaovana ny fankalazana tsy tapaka.
Ny hany toe-javatra voarakitra an-tsoratra nampiasana izany tamin’ny fomba malalaka dia tamin’ny fotoana nanorenan’i Hezekia, mpanjaka nahatoky, indray ny fitandremana ny Andro Firavoravoana Amin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira. Tsy nisy fotoana niomanana ho amin’ny volana voalohany (tsy niomana ireo mpisorona ary tsy tafavory ny vahoaka), koa dia natao tamin’ny andro faha-14 tamin’ny volana faharoa izany. — 2 Tantara 29:17; 30:1-5.
Rehefa tsy nisy fisehoan-javatra naningana toy izany, dia nitandrina ny Paska tamin’ny daty notondroin’Andriamanitra ihany ireo Jiosy. (Eksodosy 12:17-20, 41, 42; Levitikosy 23:5). Nankalaza izany araka izay notakin’ny Lalàna i Jesosy sy ireo mpianany, fa tsy nametraka io daty io tamin’ny kisendrasendra. Mitantara toy izao i Lioka: “Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska. Ary Jesosy naniraka an’i Petera sy Jaona ka nanao hoe: Mandehana, ka amboary ny Paska hohanintsika.” — Lioka 22:7, 8.
Tamin’izay fotoana izay i Jesosy dia nanorina ilay fankalazana isan-taona fantatry ny Kristiana amin’ny hoe ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Tsy tafahoatra loatra ny fanantitranterana ny maha-zava-dehibe ny fanatrehan’ny Kristiana izany. Izy io dia ny fisehoan-javatra lehibe indrindra ao anatin’ny taona ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mampiseho ny antony ny tenin’i Jesosy, rehefa nilaza izy hoe: “Aza mitsahatra manao izao ho fahatsiarovana ahy”. (Lioka 22:19, NW ). Araka izany, ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay dia tokony hanao fandaharana volana maromaro mialoha mba hitandremana ny datin’ilay fankalazana, tsy misy fanaovam-potoana hafa na inona na inona. Ny Sakafo Harivan’ny Tompo dia hankalazaina ny talata 6 Aprily 1993, aorian’ny filentehan’ny masoandro eo an-toerana.
Amin’ireo toe-javatra maningana, dia misy fisehoan-javatra tsy ampoizina sasany toy ny aretina na fanaovana dia lavitra mampananosarotra, mety hanakana ny Kristiana iray tsy hanatrika, araka izay efa nanaovany fandaharana. Inona no tokony hatao amin’ny toe-javatra toy izany?
Mandritra ilay fankalazana dia misy mofo tsy misy lalivay sy divay mena ampandalovina, ary ireo izay voahosotry ny fanahin’Andriamanitra sy voafidy ho amin’ny fiainana any an-danitra no mandray anjara. (Matio 26:26-29; Lioka 22:28-30). Raha toa ny olona iray nandray anjara isan-taona ka voatana ao am-pandriana any an-trano na any amin’ny hopitaly amin’ity taona ity, dia hanao fandaharana ireo loholona ao amin’ny kongregasiona eo an-toerana mba hisian’ny iray amin’izy ireo hitondra amin’ny mofo sy divay ho an’ilay marary, hanazava andinin-tenin’ny Baiboly mifanentana momba ilay foto-kevitra, ary hanolotra ireo marika. Raha lavitra ny kongregasiona misy azy ny Kristiana voahosotra iray, dia tokony hanao fandaharana izy mba ho any amin’ny kongregasiona iray ao amin’ny faritra hisy azy amin’io daty io.
Rehefa heverina amin’izany, dia amin’ny fisehoan-javatra tena maningana mihitsy vao hoe ho voatery hankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo 30 andro (iray volana araka ny fandehan’ny volana) atỳ aoriana ny Kristiana voahosotra iray, mifanaraka amin’ny baiko ao amin’ny Nomery 9:10, 11, sy ny ohatra ao amin’ny 2 Tantara 30:1-3, 15.
Ireo anisan’ny kilasin’ny “ondry hafa”-n’i Jesosy, manana ny fanantenana fiainana mandrakizay eo amin’ny tany paradisa iray, dia tsy eo ambanin’ny baiko mba handray anjara amin’ny mofo sy ny divay. (Jaona 10:16). Zava-dehibe ny hanatrehana ilay fankalazana isan-taona, nefa tsy hoe mandray anjara amin’ny marika akory izy ireo. Noho izany, raha marary ny iray amin’izy ireo na any am-panaovana dia lavitra, ka tsy miaraka amina kongregasiona na iza na iza amin’io takariva io, dia azony atao ny mamaky manokana ireo andinin-tenin’ny Soratra Masina mifanentana (anisan’izany ny fitantarana ny nanorenan’i Jesosy ilay fankalazana), sy mangataka ny fitahian’i Jehovah amim-bavaka ho amin’ilay fisehoan-javatra atao maneran-tany. Nefa amin’io toe-javatra io dia tsy misy tokony hilana ny hanaovana fandaharana fanampiny ho amin’ny fivoriana iray na fandinihana Baiboly manokana, rehefa afaka iray volana atỳ aoriana.