Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
Fanomezana Fahafaham-po Ireo Noana Ara-panahy — Any An-tsekoly
“SAMBATRA izay mahatsapa fa mila zavatra ara-panahy”, hoy i Jesosy tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra. (Matio 5:3, NW ). Ankizy mpianatra maro be no mangetaheta ny fahalalana an’Andriamanitra sy ireo fikasany mahatalanjona. Izy ireny dia maniry hahazo valin’ireo fanontaniana momba ny fiainana sy ny fomba tokony hitondrany ny fiainany mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra sy mba hahasambatra. Niharihary izany tao amin’ny sekoly iray any amin’ireo Îles Vierges britanniques. Mitantara toy izao ny Vavolombelon’i Jehovah iray any an-toerana:
◻ “Nanatrika fivorian’ny ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny mpampianatra tao amin’ny sekoly eto an-toerana aho, ary betsaka ny voalaza mikasika ny zava-mahadomelina, ny fisotroana, ny fiarahan’ny ankizilahy sy ny ankizivavy, ny fijerena televiziona, ny naoty, mbamin’ireo raharaha hafa, koa dia nanapa-kevitra ny hitondra ilay boky hoe Les jeunes s’interrogent — Réponses pratiques aho ka hampiseho azy io an’ilay ramatoa tale. Rehefa avy nandinika an’ilay boky izy dia nilaza fa io indrindra no nilain’izy ireo ary nanontany izy raha toa ka afaka mahazo boky ilay sekoly ho an’ny tsirairay avy tamin’ireo mpianatra 120. Nodinihina niaraka tamin’ireo loholon’ny kongregasiona ilay raharaha, ary nanapa-kevitra izy ireo ny hanolotra ireo boky ho toy ny fanomezana ho an’ilay sekoly. Rehefa niresaka ny amin’izany izahay, dia nangataka anay ireo mpampianatra mba hanolotra ireo boky ireo ho an’ireo mpianatra. Vavolombelona roa no tonga tany, ary hipoky ny mpianatra niandry azy ireo ilay efitrano. Niteny nandritra ny antsasak’adiny ireo rahalahy, ary nisy fitantarana nampiseho hoe tamin’ny ahoana ilay boky no nanampy tanora sy olon-dehibe, novakina avy tao amin’ireo gazetin’ny Fikambanana Watch Tower. Avy eo ireo boky dia natolotra an’ireo mpianatra efa notsindrian-daona.”
Fifaliana ny mahafantatra fa nanapa-kevitra ny hampiasa io boky io ho anisan’ny fianarana raikitra ao amin’ny taona fahefatra sy ny taona fahadimy, ilay sekoly. Tena hamaly fanontaniana maro be ananan’ireo mpianatra momba ny fiainana sy ny hoavy tokoa izy io.
Fanomezana fahafaham-po ireo noana ara-panahy — Any Papouasie-Nouvelle-Guinée
Ny fitantarana manaraka dia voaray avy tamin’ny mpiandraikitra mpitety faritany iray. Izany dia mampiseho fa noana ara-panahy ny olona any amin’io tany io ary ahazoam-bokatra tsara ireo zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly ananantsika eo amin’ny fanomezana fahafaham-po ny hanoanan’izy ireo.
◻ “Noho izaho tsy afaka nitsidika ny tanànan’i Kamberatoro”, hoy ilay mpiandraikitra, “dia nandany ny fotoana fiasako niaraka tamin’ny kongregasiona kelin’i Vanimo aho. Betsaka no maneho fahalianana any. Nisy olona maromaro avy any Bewani nandray zavatra vita an-tsoratra. Nangataka ahy ho tonga hitsidika io tanàna kely io ny lehilahy iray, ary nanome filasiana ahy izy. Maro be ny olona mifankazatra tsara amin’ny zavatra vita an-tsoratra avoakantsika. Isaky ny nankany amin’ny tanànan’i Vanimo izahay, dia lany foana ny zavatra vita an-tsoratra na dia nitondra boky telo baoritra aza izahay. Noheverina ho sarobidy toy ny volamena mihitsy ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Mitady azy io ny olona. Vetivety dia voapetraka ireo boky nentiko. Rehefa nampiseho ny zavatra vita an-tsoratra navoakantsika tamin’ny olona izahay, dia nanontany ny sasany taminy hoe: ‘Aiza ilay boky mavomavo?’ Nisy lehilahy iray nanafatra enina. Nomeny ahy ny anarany sy ny adiresiny ary nangataka ahy izy mba hanao fampandrenesana amin’ny radio rehefa mahazo azy ireo aho. Avy eo izy dia ho tonga avy any an-tanànany mba haka azy ireo.” Manampy teny toy izao ilay mpiandraikitra mpitety faritany: “Nahita aho fa maro be ny olona any Vanimo no nandray ny boky L’humanité à la recherche de Dieu sy ny Les jeunes s’interrogent — Réponses pratiques.”
Izany dia mampiseho fa noana ny sakafo ara-panahy hita ao amin’ny Baiboly sy ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra nomen’i Jehovah amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” ireo olona tso-po. (Matio 24:45-47, NW ). Toy inona moa ny hafalian’ireo Vavolombelon’i Jehovah afaka manampy an’ireny olona noana ny fahamarinana ireny!
[Sary, pejy 19]
Fanaovana fanambarana any Papouasie-Nouvelle-Guinée