Nanohana Ahy Tany Amin’ny Fonja Tany An’efitra i Jehovah
NOTANTARAIN’I ISAIAH MNWE
Tsy nisy fitsarana natao, ary tsy nisy heloka vitako. Na dia izany aza, dia voaheloka hanao asa an-terivozona aho tany amin’ny toeram-pigadrana nitokana tany afovoan’ny faritra faran’izay ratsy indrindra amin’ny Efitr’i Sahara eto Afrika. Vao mainka nanaratsy kokoa izany ny tsy nahafantaran’ireo namako izay nisy ahy. Efa maherin’ny valo taona lasa izay no nitrangan’izany, tamin’ny lohataonan’ny 1984. Aoka aho hanazava ny fomba nahatonga ahy tao anatin’izany tarehin-javatra nahatsiravina izany.
TAMIN’NY 1958, fony aho vao 12 taona, dia lasa Vavolombelon’i Jehovah ny zokiko lahy. Ny raiko sy ny reniko anefa dia nanohy nanolotra fanompoam-pivavahana tamin’ireo andriamanitry ny fokon’ny Fanjakan’i Abia, eto Nigéria izay nisy anay.
Niditra tao amin’ny tafik’i Biafra aho tamin’ny 1968. Rehefa tany am-bava ady aho dia nieritreritra ny amin’ny toeram-pialanalanana notanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nivavaka tamin’Andriamanitra mba hanampy ahy. Nampanantena aho fa, raha namela ahy tsy ho faty tamin’ny ady izy, dia ho tonga iray amin’ireo Vavolombelony aho.
Nanao zavatra haingana aho, taorian’ny ady, mba hanatanterahana ilay fampanantenana nataoko. Natao batisa aho tamin’ny Jolay 1970, ary nanomboka avy hatrany ny fanompoana manontolo andro tamin’ny naha-mpisava lalana. Rehefa afaka kelikely dia voatendry ho loholona tao amin’ny kongregasiona kristiana aho. Tsy ela dia nahazo fanasana avy tamin’ny biraon’ny sampana tao Nigéria aho mba hanomboka ny asa misionera tao amin’ny tany iray akaiky izay mbola tsy nanekena ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanaiky aho, ary tamin’ny Janoary 1975 dia niainga aho, niaraka tamin’ny pasipaoroko tany amiko.
Voasambotra
Notendrena hitsidika ny Vavolombelona nanerana ilay tany aho tamin’ny 1978. Koa satria vitsy izy ireo, dia nanao dia lavitra tamin’ny faritra nidadasika aho, nitsidika ireo tanàn-dehibe rehetra nisy kongregasiona, ary koa ireo faritra nisy olona liana. Matetika aho no nadinina tany amin’ireo toerana fanaovan’ny polisy fisavana. Indroa aho no voatana sy nofotopotorana momba ny asanay, nandritra ny efatra andro isaky ny voatana.
Avy eo, tamin’ny Jona 1984, raha teo am-piomanana ho amin’ny asa fanompoana izahay indray alahady, dia nampahafantatra anay ny mpanao fanjakana tsara fanahy iray fa nitady hisambotra ny Vavolombelon’i Jehovah ny polisy. Herinandro tatỳ aoriana, dia voasambotra izahay sy i Djagli Koffivi, avy any Togo. Nentina tany amin’ny foiben’ny polisy izahay ary nodidiana mba hampahafantatra ny anaran’ireo Vavolombelon’i Jehovah rehetra tao amin’ilay tanàna. “Raha tsy manome anay ireo anarana ireo ianareo”, hoy izy ireo, “dia tsy havoakanay.”
“Polisy ianareo”, hoy ny navaliko. “Asanareo ny mitady izay olona tianareo ho hita. Tsy masoivohonareo akory ny tenako.” Niady hevitra nandritra ny 30 minitra teo ho eo izahay, ary dia nandrahona anay tamin’ny kapoka ny polisy. Na dia izany aza, dia tsy nanome azy ireo ny anaran’ireo rahalahinay kristiana izahay. Nanapa-kevitra izy ireo, avy eo, fa haka an-keriny ireo fitambarana boky fakàn-teny momba ny Baiboly rehetra nananako.
Rehefa voatana tao am-ponja
Rehefa niverina tany amin’ny paositry polisy niaraka tamin’ireo boky izahay sy i Djagli, dia nitatitra ireo boky. Teo am-panaovana izany dia nisy taratasy nilatsaka avy tao amin’ilay Baiboliko amin’ny sora-pirinty vaventy. Fandaharan’ny fivoriamben’ny distrika nisy ny anarana vita pirintin’ireo loholona kristiana rehetra tao amin’ilay tany izy io. Notsimponiko haingana izy io ary nasisiko tao am-paosiko. Nahita ahy anefa ny iray tamin’ireo polisy ary dia nandidy ahy hanolotra izany azy. Mazava ho azy fa natahotra mafy aho.
Napetraka teo ambonin’ny latabatra tao amin’ilay efitrano nitondranay sy i Djagli ireo boky ilay taratasy. Rehefa niditra niaraka tamin’ny entana nentiko nanaraka aho, dia nankeo amin’ilay latabatra, naka ilay taratasy ary nanitrika azy tao am-paosiko. Avy eo dia nilaza aho fa te hivoaka. Nisy polisy iray nanaraka ahy tany amin’ny toerana fivoahana. Rehefa tafiditra sy nanidy ny varavarana aho, dia norovitiko ho potipotika ilay taratasy ary nalefako nanaraka ny ranon’ilay lava-piringa.
Rehefa fantatry ny polisy izay nitranga, dia tezitra mafy izy ireo. Tsy sahy nanao na inona na inona nikasika izany anefa izy ireo satria ho niampanga azy ireo ho nanao tsirambina ny lehibeny, noho ny nanomezan’izy ireo ahy fahafahana hanapotika ilay taratasy. Rehefa avy nitana anay am-ponja nandritra ny 17 andro ny inspekteran’ny polisy, dia nilaza taminay mba hanangona ny entanay satria hafindra any an-toeran-kafa izahay. Nampiditra akanjo sasany tao anatin’ny harona plastika iray izahay, ary tao amin’ny fanambaniny dia nasiako Baiboly kely iray izay nampidirin’ny mpitsidika iray an-tsokosoko tao aminay.
Afaka nampahafantatra ireo Vavolombelona izahay fa hafindra toerana saingy tsy fantatray hoe aiza. Vao maraina be ny ampitson’iny, ny 4 Jolay 1984, dia namoha anay ilay inspekteran’ny polisy. Nisava anay izy, nangataka anay mba hanala ireo akanjo tao anatin’ilay harona ary hanantona azy ireo teo an-tsandrinay. Rehefa haka ilay lobaka farany anefa aho, dia nilaza izy fa afaka mamerina ireo akanjo tao anatin’ilay harona aho, koa dia tsy tratra ilay Baiboly.
Fonja iray tany an’efitra
Nitondra anay tany amin’ny seranam-piaramanidina ny polisy, ka tao izahay dia niondrana tao amin’ny fiaramanidin’ny tafika. Ora maromaro taorian’izay dia tonga tao amin’ny tanàna iray misy olona eo amin’ny 2 000 eo ho eo izahay, ka teo akaiky teo dia nisy fonja iray. Ny tanàna akaiky indrindra izany toerana izany dia eo amin’ny 650 kilaometatra eo ho eo manaraka arabe. Nentina avy teo amin’ilay fiaramanidina nankany amin’ilay fonja izahay ary natolotra an’ilay mpiandraikitra ny fonja. Tsy nisy tamin’ireo havanay na sakaizanay nahafantatra izay nitondrana anay.
Ilay tanàna nitondrana anay dia oasis iray any Sahara. Misy kirihitra sy hazo vitsivitsy ary trano mifefy tamboho ampiantany ao. Afaka mahazo rano ny tena amin’ny fihadiana ny tany eo amin’ny iray metatra na iray metatra sy sasany eo ho eo monja. Kanefa dia nilaza taminay ny teratany iray 31 taona tao amin’ilay faritra, fa tsy nahita ranonorana afa-tsy indray mandeha tao anatin’ny androm-piainany izy! Ary faran’izay nahamay ilay faritra. Nilaza ny voafonja iray fa indray mandeha ny fitsapan-kafanana tao amin’ny toerana voatokana ho an’ny mpigadra dia nanondro 60° Celsius! Nisy rivo-mahery nifofofofo tsy an-kijanona, nampisidina fasika izay nanindrontsindrona ny hoditra sy nampangirifiry ny maso.
Na iza na iza tonga tamin’izany toerana izany dia ho nahatakatra fa tao amin’ny toeram-panasaziana karazany iray tena faran’izay ratsy ao amin’ilay tany izy. Ilay fonja dia voahodidin’ny tamboho avo izay nitondra fiarovana sasany tamin’ny rivotra sy ny masoandro. Tsy nilaina mba hisakanana ny fandosirana anefa ireo tamboho, satria tsy nisy toeran-kaleha. Tany ivelan’ilay oasis, dia tsy nisy hazo na iray aza, tsy nisy na inona na inona mihitsy, mba hanome fialokalofana ho an’izay naniry handositra.
Talohan’ny nidiranay, dia nisava anay ilay mpiandraikitra ny fonja. Nasainy navoakanay izay zavatra rehetra tao anatin’ny haronay. Nanomboka namoaka tsirairay ireo lobaka aho. Rehefa tsy nisy afa-tsy ny lobaka nandrakotra ilay Baiboly sisa tavela, dia narosoko teo aloha ilay harona mba hampisehoana aminy ilay lobaka tao anatiny sady niteny aho hoe: “Ireo fotsiny no navelan’izy ireo hoentinay.” Afa-po izy ka nasainy niditra tao an-tokotanin’ilay fonja izahay. Ilay Baiboly no hany zavatra vita an-tsoratra nanananay.
Fiainana tao am-ponja
Tamin’ny fitambarany dia nisy mpigadra teo amin’ny 34 teo ho eo tao. Mpanao heloka bevava faran’izay nalaza ratsy sy faran’izay nampidi-doza tao amin’ilay tany izy ireo. Maro no mpamono olona izay noheverina fa tsy azo ovana intsony. Izahay rehetra dia natory tao anatin’ny efitrano lehibe roa nosarahin’ny efitrano fidiovana nibanabana iray. Ilay toerana fidiovana dia nisy barika iray tsy nisarona izay nampiasaina toy ny lava-piringa. Na dia nesorin’ny mpigadra isa-maraina aza ny tao anatiny, ny lalitra rehetra tany an’efitra dia toa tonga mba hifaly tamin’ny hatsiatsiaka sy ny loton’ilay barika.
Ny hany sakafo azonay dia ampemby. Nototoin’ny mpigadra iray izy io, nampangotrahina, ary notsinjaraina tao anaty lovia, izay navoaka avy eo, lovia iray eo amin’ny tsihy fandrian’ny mpigadra tsirairay. Tsy nosaronana ilay sakafo. Tamin’ny fotoana niverenanay avy niasa, dia nisy lalitra an-jatony maro nandrakotra ny lovia tsirairay nisy sakafo ampemby. Rehefa naka ny lovianay izahay, dia nanidina nisamonimonina mafy ireo lalitra. Tsy nihinana na inona na inona izahay ny andro roa voalohany. Farany, tamin’ny andro fahatelo, rehefa avy nandroaka ireo lalitra sy nanaisotra ilay tampony narihitra teo amin’ilay ampemby nampangotrahina izahay, dia nanomboka nihinana. Nivavaka mba hiarovan’i Jehovah ny fahasalamanay izahay.
Niasa teo amin’ny hain’andro izahay, nandrava ny tambohon’ilay fonja taloha ary nanorina vaovao. Asa faran’izay mafy ilay izy. Niasa mafy tsy nisy fiatoana nanomboka tamin’ny enina ora maraina ka mandra-pitataovovonan’ny andro izahay, nisakafo kely, avy eo dia niasa hatramin’ny enina ora hariva. Tsy nisy andro tsy niasana. Tsy vitan’ny hoe nijaly noho ny hafanana fotsiny izahay, fa nandritra ny ririnina dia nijaly noho ny hatsiaka koa. Ary nijaly noho ny mpiambina tsy nifaditra ovana koa izahay.
Fitoerana ho matanjaka ara-panahy hatrany
Namaky ny Baiboly niafina izahay sy i Djagli, ary niara-niresaka ny amin’izay nianaranay. Tsy afaka namaky teny an-karihary izahay satria ho nesorina taminay ilay Baiboly ary ho voasazy izahay. Nanana jiro nandeha solitany, izay nampiasainy niaraka tamiko, ilay mpigadra iray nanombohako fampianarana ny Baiboly. Matetika aho dia nifoha tamin’ny iray ora na tamin’ny roa ora maraina ary namaky teny hatramin’ny dimy ora tany ho any. Tamin’izany fomba izany dia afaka namaky ny Baiboly iray manontolo aho.
Nitory tamin’ireo mpigadra hafa izahay, ary niresaka anay tany amin’ny lehiben’ny mpiambina ny iray tamin’izy ireo. Tamin’ny fomba tsy nampoizina, ilay mpiambina dia nanome an’ilay mpigadra gazety Mifohaza! iray nananany. Nampita izany tany aminay ilay mpigadra. Namerimberina namaky izany imbetsaka aho. Ny famakian-teny sy ny fitoriana nataonay dia nanampy anay hitoetra ho matanjaka ara-panahy.
Fifandraisana tamin’ireo namanay
Tsy navela hanoratra na handefa taratasy izahay. Nilaza ny hanampy ahy anefa ny olona tsara fanahy iray. Tamin’ny 20 Aogositra, iray volana sy tapany teo ho eo taorian’ny nahatongavanay, dia nanoratra mangingina taratasy roa aho, ny iray ho an’ny ambasadin’i Nigéria, ary ny iray hafa ho an’ireo namana Vavolombelona. Naleviko tao anaty fasika izy ireo ary nasiako marika tamin’ny vato lehibe iray ilay toerana. Tatỳ aoriana dia tonga ilay namako ary dia namoaka azy ireo.
Lasa ny herinandro maromaro, ary tsy nandre na inona na inona aho. Very tsikelikely ny fanantenako momba ny fahalasanan’ireo taratasy. Kanefa dia lasa soa aman-tsara izy ireo, ary nanomboka niady mba hiantohana ny fanafahana anay ireo namana Vavolombelona. Liana tamin’ilay raharaha koa ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny tany Nigéria ka nanontany ny fitondram-panjakana tao amin’ilay tany nanagadrana ahy ny antony nametrahany ahy tao amin’ny fonja toy izany.
Tamin’izay fotoana izay ihany, tamin’ny marainan’ny 15 Novambra 1984, dia nentina mba hanao fanadiovana sasany izahay. Nentin’ireo mpiambina tany amin’ny lava-piringan’ny sekoly ambaratonga faharoa fototra iray aho, dia lava-piringa izay nampiasain’ny olona nandritra ny herinandro maro na dia efa tsentsina aza. Feno diky ilay izy. Ny asako, hoy ireo mpiambina, dia ny manadio io toerana io. Ny tanako no hany fitaovana nananako. Teo am-pieritreretana ny amin’izay fomba hanatanterahako io asa naharikoriko io aho, dia tonga ilay filohan’ny mpiambina ary nilaza fa naniry ny hahita ahy ny mpitondra ny distrika.
Rehefa tonga aho dia nilaza tamiko ilay mpitondra ny distrika fa, tsy ela izay, dia niresaka tamin’ny prezidàn’ilay tany izy. Nandre ny amin’ny toe-javatra nampahonena nisy ahy ilay prezidà. Nanazava ilay prezidà fa raha nanome ny anaran’ireo Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ilay tany aho dia hovotsorana avy hatrany ary ho afaka handeha tamin’izay fiaramanidina niainga nanaraka. Namerina niteny aho fa raha nitady ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, dia asan’ny polisy ny nitady azy ireo. Nilaza tamiko ilay mpitondra ny distrika fa tokony handinika tsara ny fanolorana nataon’izy ireo aho. Nanome ahy efatra na dimy andro mba hisaintsainana izany izy. Navela handeha aho avy eo, ary nanaraka ahy niverina tany am-ponja ny mpiambina, soa ihany, fa tsy tany amin’ilay lava-piringa!
Nampiantso ahy ilay mpitondra ny distrika rehefa afaka dimy andro ary nanontany izay hevitra notapahiko. Nilaza aho fa ny hany antony naha-tao am-ponjan’izy ireo ahy, dia noho ny nanaovako fanambarana ny amin’ilay Andriamanitra marina ary tsy nisy ratsy nataoko. Nohazavaiko fa nanana pasipaoro sy fahazoan-dalana hipetraka ara-dalàna aho. Ara-dalàna avokoa ny taratasiko rehetra, ary na taiza na taiza tanàna nalehako, dia niara-nanamarina tamin’ny polisy foana aho mba hahazoana antoka fa ara-dalàna ny zava-drehetra. Koa satria aho tsy nanao heloka, dia nanontany aho hoe: “Nahoana aho no sazina? Raha tsy irina ao amin’ilay tany aho, nahoana aho no tsy nalefa hody tany amin’ny taniko? Nahoana aho no voaheloka tao amin’io toerana io?”
Niteny nandritra ny 15 minitra teo ho eo aho. Rehefa vita, dia nangatahina hanoratra izay vao nambarako aho, ary nilazana aho fa hampandalovina any amin’ny prezidà ny fanazavako. Nomena taratasy aho, ary dia nanoratra taratasy efatra pejy.
Novotsorana ihany rehefa ela ny ela!
Tsy nandre na inona na inona fanampiny nikasika ilay raharaha aho hatramin’ny Janoary 1985, fito volana teo ho eo taorian’ny nanaovana ahy am-ponja. Tamin’izay fotoana izay dia tonga ilay filohan’ny mpiambina ary nanontany ahy raha nanoratra taratasy tany amin’ny ambasadin’i Nigéria aho. “Eny”, hoy aho namaly.
“Nahoana no nanao izany ianao? Nahoana no tsy nampahafantarinao ahy izany?” hoy izy nanontany.
Nambarako taminy fa tsy nahakasika azy ilay raharaha. Nomeko toky anefa izy fa tsy nanoratra zavatra hamelezana azy aho, satria tsy nandray anjara tamin’ny fandefasana ahy tany am-ponja izy. “Na dia ny reniko aza tsy mahafantatra izay misy ahy”, hoy aho. Naniry hahafantatra ny fomba nandefasako ilay taratasy izy avy eo, fa tsy nety nilaza taminy aho.
Ny andro nanaraka, dia nanomana Land-Rover iray ny mpiambina ary nilaza tamiko sy tamin’i Djagli fa hafindra toerana izahay. Nentina tany ivelany izahay, nesorina ny akanjonay ary nosavaina izahay. Taloha kokoa, dia nomeko an’ilay mpigadra niara-nianatra tamiko ilay Baiboly satria fantatro fa haka izany an-keriny ny mpiambina raha nahita azy io tany amiko. Nilaza taminay io lehilahy io, fa rehefa mahazo fahafahana izy, dia ho tonga Vavolombelon’i Jehovah. Mivavaka ny hanaovany izany izahay.
Fotoana fohy taorian’izay, dia nalefa hody tany Nigéria aho, ary tamin’ny Febroary 1985, dia nanohy indray ny fanompoako aho, tamin’ny naha-mpiandraikitra mpitety faritany ahy tao amin’io tany io. Hatramin’ny 1990, dia manompo amin’ny maha-mpiandraikitra ny distrika eto Nigéria ny tenako. Manompo amin’ny maha-Vavolombelona mahatoky any Côte d’Ivoire izao i Djagli.
Avy amin’io fanandraman-javatra io, dia nianatra nivantana aho fa afaka manohana antsika na dia ao anatin’ny fanerena faran’izay mafy aza i Jehovah Andriamanitra. Imbetsaka aho no nahita ny tanany niaro anay tany am-ponja. Ny fanafahana anay dia nanoritra tao an-tsaiko fa tsy vitan’ny hoe mahafantatra ny toerana misy ny mpanompony sy izay zavatra iaretan’izy ireo fotsiny i Jehovah, fa hainy koa ny manafaka azy ireo amin’ny fitsapana. — 2 Petera 2:9.