Ny Fandosirako ho Amin’ny Fahamarinana
Olo-meloka nandositra aho rehefa nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy ela aho dia niatrika ny zava-tsarotra ny amin’ny fomba hitsaharana tsy handainga fa hanomboka hilaza ny marina kosa.
NOVAMBRA 1974 tamin’izay, ary teo anoloan’ny fitsarana ambonin’ny Faritr’i Pender, any Caroline Avaratra, Etazonia, aho. Anisan’ny fiampangana, ny halatra nampiasana fiadiana, ny fanafihana tamin’ny fiadiana mahafaty sy ny familiana fiara amin’ny hafainganam-pandeha tafahoatra — 145 kilaometatra isan’ora amin’ny faritra voafetra ho 55 kilaometatra isan’ora. Ny volana nanaraka, fony aho 22 taona monja, dia voaporofo fa meloka noho ireo fiampangana rehetra ireo aho, ka voasazy 30 taona tao amin’ny fonjan’ny fanjakan’i Caroline Avaratra.
Tao Newark, any New Jersey, no nahalehibe ahy. Na dia polisy aza ny raiko, dia nitondra zava-manahirana ho an’ny ray aman-dreniko foana aho. Nandany ny fotoanako tany amin’ny toby fitanana zaza maditra sy ireo toby fanarenana tanora aho, ary indray mandeha aza dia notanana tao amin’ny foiben’ny polisy izay niasan’ny raiko. Tsy hohadinoiko na oviana na oviana ny kapoka mirivirivy nataony tamiko tamin’io alina io! Ho ampy hampiova famindra saika ny zatovo hafa rehetra izany, fa tsy izaho.
Nandositra niala ny trano aho, ka nandany ireo alina niaraka tamin’ny namana iray, na nijanona teny amin’ny arabe. Tatỳ aoriana dia naiditra an-tranomaizina indray aho. Nifanohitra tamin’ny fanirian-draiko, dia nanao izay hanafahana ahy i Neny. Nanapa-kevitra ny ray aman-dreniko, izay nanan-janaka dimy hafa, fa ny fidirana any amin’ny tafika angamba no nilaiko.
Nilatsaka ho miaramila aho, ary nandritra ny fotoana kelikely dia tena zava-dehibe teo amin’ny fitondran-tenako ireo fandaharam-panofanana samihafa. Nefa avy eo, dia lasa za-dratsy tamin’ny zava-mahadomelina aho, ka tsy afaka tamin’ny héroïne. Tao Fort Bragg, any Caroline Avaratra, no nanendrena ahy hanaovako ny raharaha miaramila, ary tsy ela izaho sy ireo namako dia nandeha nangalatra isan-tanàna mba hahazoana ny vola hividianana izay nilainay tamin’ny fahazaran-dratsinay. Hita tao amin’ireo gazety sy tao amin’ny televiziona ny fitantarana momba ireo halatra vitanay.
Tsy ela dia tratran’ny manam-pahefana aho ka nosamborina, ary nosaziana 30 taona an-tranomaizina, araka ny voalaza teo am-piandohana. An-taonany maro no nikomiako tamin’ireo fitsipika sy lalàna tao amin’ny fonja, nefa rehefa nandeha ny fotoana dia tsapako fa nanimba tena fotsiny aho. Koa niezaka hankato ireo fitsipika aho, tamin’ny fanantenana ny hafindra any amin’ny tranomaizina tsy henjana loatra ary hahazo fanafahana misy fepetra.
Taorian’ny folo taona nitanana ahy, dia nafindra tany amin’ny tranomaizina tsy dia henjana loatra aho, ary tsy ela taorian’izany dia nampidirina tao anatin’ny fandaharam-panafahana mba hiasa, izay nanome lalana ny voafonja voafantina hiala ny fonja ny tontolo andro mba hiasa. Nidika izany fa afaka niala tao an-tranomaizina aho ny maraina ary niverina irery ny hariva. Indray andro, dia tsy nody avy hatrany aho rehefa avy niasa, koa nesorina tamin’ilay fandaharana. Mbola navela hipetraka tao amin’ilay tranomaizina tsy dia henjana loatra anefa aho.
Hita fa tsy tena azo nantenaina ny fahafahako hahazo fanafahana misy fepetra taorian’ny efa ho 11 taona tany an-tranomaizina. Indray maraina mafanan’ny Aogositra 1985, raha tany ivelan’ny tranomaizina aho, dia niseho ny fahafahana handositra — handositra tsy misy mahatsikaritra. Nandositra tany amin’ny tranon’ny namana iray izay efa niaraka tamiko tany an-tranomaizina aho. Rehefa avy niala sasatra aho ny alina ka nanolo ireo akanjoko, dia nentiny nankany Washington D.C., izay sahabo ho 400 kilaometatra avy teo.
Nanapa-kevitra ny tsy hiverina na oviana na oviana tany an-tranomaizina aho, ka nidika izany fa tsy maintsy nanalavitra izay mety ho fanaovana heloka bevava rehetra fanampiny aho. Nanao izay nety ho asa rehetra hitako isan’andro aho aloha. Avy eo aho dia nahazo asa tao amin’ny kompanian’aratra iray. Tsy ela aho dia nahavita nahazo kopian’ny nahaterahana tamin’ny anarana hafa — dia i Derek Majette. Ny anarako, ny toerana nahaterahako, ny zavatra nataoko taloha sy ny fianakaviako — ny zavatra rehetra momba ahy izao dia lainga. Nihevitra aho fa voaro tamin’ny loza raha mbola tsy nisy nahafantatra ahy koa. Tamin’izany fomba izany no niainako tao sy teny amin’ny manodidina an’i Washington D.C., nandritra ny telo taona.
Fifanenana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah
Indray takariva, dia tonga tany an-tranoko ny lehilahy roa tanora niakanjo madio sy milamina. Niresaka tamiko momba ny Baiboly izy ireo, nametraka boky iray ary nampanantena ny hiverina. Nifindra tany amin’ny trano hafa anefa aho ka tsy hitako intsony izy ireo. Nanaraka izany, indray maraina, talohan’ny nandehanako hiasa, dia nijanona hisotro kafe teo amin’ny toerana iray aho ary nifanena tamin’ny vehivavy roa izay nanontany ahy raha hahaliana ahy ny hamaky ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana. Naka iray aho ary isa-maraina taorian’io, dia nifankahita tamiko ireo vehivavy roa ireo ary niresaka tamiko momba ny Baiboly.
Na dia fohy foana aza ny resaka nifanaovanay, dia nitombo aoka izany ny fahalianako tamin’izay nolazain’ireo vehivavy ireo, i Cynthia sy i Jeanette, hany ka nanjary tsy andriko ny hahita azy ireo isa-maraina. Tatỳ aoriana aho dia nanjary nahafantatra Vavolombelon’i Jehovah hafa izay nitory maraina be. Nanasa ahy hanatrika fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy ireo. Natahotahotra aho nefa nanaiky.
Voalohany no nandrenesako andinin-teny voazava tamin’ny fomba mora azo toy izany rehefa nipetraka nihaino ilay lahateny aho tamin’io tolakandro io. Nijanona tamin’ny fianarana ny Baiboly ampiasana Ny Tilikambo Fiambenana aho ary hitako fa azoko natao ny nandray anjara tamin’ny famaliana ireo fanontaniana. Nanome ny valin-teniko voalohany aho, ary taorian’ny fivoriana dia nanaiky hiara-mianatra Baiboly tamin’ny iray tamin’ireo loholon’ny kongregasiona.
Tsy ela dia nandroso tamin’ny fahalalana ny Baiboly aho. Ary ny zava-dehibe kokoa, dia nankasitrahako ireo fahamarinana nianarako. Tsy nampandry ny eritreritro intsony ny fiainako. Nanomboka nahatsapa tena ho meloka aho noho ireo lainga nolazaiko tamin’ireto olona izay tonga namako izao. Nanohy nianatra aho, tamin’ny fieritreretana fa tsy nety ho tratra raha mbola tsy nisy olona nahafantatra ny marina momba ahy. Tamin’izay anefa no nanombohan’ilay nampianatra ny Baiboly ahy niresaka momba ny fandraisana anjara amin’ny fitoriana isan-trano.
Sahabo ho tamin’izany fotoana izany no nitranga ny toe-javatra izay nampahafantatra ahy fa tsy ho azoko atao ny handray anjara amin’ny fitoriana na izay mety ho asa hafa rehetra tahaka izany, raha tsy manao zavatra handaminana ny zava-manahirana ahy aho. Teo am-panisiana lasantsy ny fiarako aho no iny nisy olona nanatona ahy avy tao aorianako sady nihazona mafy ireo sandriko tao an-damosina. Safotry ny tahotra aho! Nieritreritra aho fa tratran’ny manam-pahefana ihany rehefa ela ny ela. Fahamaivamaivanana toy inona moa rehefa hita fa mpiara-nigadra tamiko taloha tany an-tranomaizina izy io! Noho izy tsy nahafantatra fa nandositra aho dia niantso ahy foana tamin’ny tena anarako izy ary nanao izao karazam-panontaniana rehetra izao.
Mbola tsy natahotra toy izany aho hatramin’ny fotoana nandosirako. Tamin’izay anefa aho no voatosika hieritreritra tamim-pitandremana momba ny tarehin-javatra nisy ahy. Aoka hatao hoe eny am-pitoriana isan-trano aho ka olona mahafantatra ny marina momba ahy no tonga eo am-baravarana? Ahoana no hahafahako hivoaka amin’ny fanompoana an’i Jehovah ary hiresaka momba ny fahamarinana, nefa izaho miaina ao anatin’ny lainga? Inona no tokony hataoko? Hanohy hianatra sady hiaina ao anatin’ny lainga sa hampitsahatra izany ka hifindra toerana? Nahavery hevitra aoka izany ilay izy ka tsy maintsy nisinda kely aho mba hieritreritra.
Fandraisana fanapahan-kevitra
Nandeha nanao dia aho. Ny fitondrana fiara lavitra sy nilamina no nilaiko tokoa mba hampilaminana ny saiko sy mba hieritreretana ary hangatahana amin’i Jehovah ny fanampiany ny amin’izay fanapahan-kevitra tokony horaisiko. Teny an-dalana niverina ho any Washington D.C. aho vao nandray ny fanapahan-kevitro — hitsahatra tsy handainga ary hilaza tsotra ny marina. Tsy mora atao velively anefa izany. Koa satria nanjary nahafantatra tsara an’i Cynthia aho dia nolazaiko taminy ny tsiambarateloko. Nohazavainy tsara fa tsy maintsy mandamin-javatra amin’i Jehovah aho. Nanolo-kevitra izy ny mba hiresahako amin’ireo loholon’ny kongregasiona.
Fantatro fa marina ny azy, ary nanaiky izany aho. Koa satria anefa tsy azoko antoka ny momba izay tokony hataoko araka ny lalàna, dia niantso mpahay lalàna iray teo an-toerana aho ka nanazava taminy ny tarehin-javatra nisy ahy. Notoroany hevitra aho hifandray amin’ny mpahay lalàna any Caroline Avaratra, satria izy no hahafantatra ny fomba fanaovan-javatra ho an’io fanjakana io. Koa nandeha nanao dia nianatsimo aho mba hitady mpahay lalàna iray.
Rehefa tonga tao Raleigh, any Caroline Avaratra, aho dia namily ny fiarako nankany amin’ny tranomaizina, izay teo amin’ny ilany amin’ny iray amin’ireo arabe lehibe. Nijanona aho ary nipetraka fotsiny mba hijery ny fefy avo vita tamin’ny rarin-tariby, ireo mpiambina nitondra fiadiana tao amin’ny toerana avo fanaraha-maso ireo voafonja, sy ireo mpigadra nandehandeha tao anatin’ny fefy. Mpigadra toy izany koa moa aho nandritra ny 11 taona lava be! Tsy fanapahan-kevitra mora izany.
Noraisiko anefa ny annuaire-n’ny telefaonina ary nifidy mpahay lalàna iray aho. Niantso azy aho ary nanome azy fanazavana nitovy tamin’ny an’ilay mpahay lalàna niresahako voalohany. Tsy nanao fanontaniana be dia be izy. Nolazainy tamiko fotsiny ny karamany ary hoe tokony hiantso azy aho rehefa vonona ka homeny ny fotoana. Rehefa niverina tany Washington D.C. aho dia nivantana avy hatrany tany amin’ilay nampianatra Baiboly ahy.
Toy ny fianakaviana ho ahy izy mivady sy ny zanany vavy. Koa ny alina nankanesako tany amin-dry zareo dia nila fotoana kelikely aho vao afaka namoaka ny teny nataoko. Nahatsiaro fahamaivamaivanana anefa aho rehefa nanao izany. Azo lazaina fa zendana tokoa izy ireo. Kanefa, rehefa lasa ny fahatairana dia tena nangoraka izy ireo ary nampahery ahy.
Ny zavatra nilaiko hatao nanaraka dia ny fahitana ny vola karaman’ilay mpahay lalàna sy ny fanapahan-kevitra hoe rahoviana aho no hitolo-batana amin’ny manam-pahefana. Ny daty noferako dia ny 1 Martsa 1989, izay herinandro vitsy monja taorian’izay. Te hiala tamin’ny asako aho mba hanararaotra ireo andro fahafahako farany, nefa tsy afa-nanao izany satria nila vola mba handoavana ny karaman’ilay mpahay lalàna.
Nahatsikaiky ny nieritreritra fa nandositra avy tany an-tranomaizina aho kanefa izao dia nanangom-bola mba hiverenana any. Indraindray dia tonga tao an-tsaiko ny hanadino fotsiny momba izany rehetra izany ka handeha. Tsy ela anefa dia tonga ny 1 Martsa. Niaraka tamiko nankany Raleigh ilay nampianatra Baiboly ahy sy ny lehilahy hafa iray niara-nianatra Baiboly taminy. Nankany amin’ny biraon’ilay mpahay lalàna izahay ary nidinika momba ny fiampangana nahatonga ny fandefasana ahy tany an-tranomaizina, ny halavan’ny fanamelohana, sy ny anton’ny nahatonga ahy ho vonona hitolo-batana. Niantso ny biraon’ny mpitsara ilay mpahay lalàna avy eo mba hahazo fanazavana momba izay toerana tokony halehako. Nilaza taminy ilay mpitsara fa azony natao ny nitondra ahy avy hatrany nankany an-tranomaizina.
Tsy nanampo hiverina aloha be tahaka izany tany an-tranomaizina aho. Nihevitra aho fa hiara-miresaka fotsiny amin’ilay mpahay lalàna izahay ary hitolo-batana aho ny ampitso. Koa satria tapaka ny hevitra anefa izao, dia nizotra nilamina nankany an-tranomaizina izahay efatra. Tadidiko aho nieritreritra hoe: ‘Tsy nofy ve izao zavatra izao?’ Ny zavatra nanaraka fantatro dia hoe teo anoloan’ny vavahady izahay ary nihaino ilay mpahay lalàna nanazava tamin’ilay mpiambina hoe iza aho.
Tafaverina tany an-tranomaizina
Rehefa nisokatra ny vavahady, dia fantatro fa fotoana hifanaovam-beloma izany. Nifamihin-tanana izahay sy ilay mpahay lalàna. Avy eo dia nifamihina izaho sy ilay nampianatra Baiboly ahy sy ilay namana mpianatra Baiboly. Raha vantany vao tany ambadiky ny vavahady aho, dia nasiana gadran-tanana ary naterina tany amin’ny toerana izay nanoloana ny akanjoko tamin’ny akanjon’ny voafonja. Nahazo ny nomeraon-tranomaizina 21052-OS aho, ilay ahy teo aloha ihany.
Tranomaizina tsy dia henjana loatra ilay izy, koa adiny iray taorian’izany dia nentina tany amin’ny tranomaizina ho an’ny mpanao heloka bevava raindahiny aho. Tsy nisy afa-tsy ny Baiboly sy ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany ihany no azoko notazonina. Teo anivon’ny voafonja izay nisy fantatro nandritra ireo taona naha-tao an-tranomaizina, no nametrahana ahy. Noheverin’izy ireo fa tratra aho, nefa rehefa nohazavaiko fa niverina tamin’ny nahim-poko aho satria te ho tonga Vavolombelon’i Jehovah, dia nilaza daholo izy rehetra fa mbola tsy nandre hadalana tahaka izany.
Iray tamin’ireo hafatra farany nataon’ilay nampianatra ny Baiboly ahy dia izao: “Aza mitsahatra mianatra mihitsy.” Koa ny ankamaroan’ny fotoanako dia nolaniko tamin’ny famakiana ny Baiboly sy ny boky Hiaina Mandrakizay, ary tamin’ny fanoratana taratasy tany amin’ireo namana izay nahafantatra izay nitranga tamiko. Anisan’ireo Vavolombelon’i Jehovah nanoratako i Jerome sy i Arlene vadiny. Fohy ny taratasiko, teny fisaorana vitsivitsy sy fanehoana ny fihetseham-poko tamin’ireo fotoana laniko niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Tsy ela aho dia nahazo vaovao avy tamin’i Jerome izay nangata-dalana tamiko mba hampiasa ny taratasiko amin’ny lahateny izay hataony amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanaiky aho, nefa tsy nanan-kevitra mihitsy momba izay ho vokany. Vavolombelona vitsivitsy monja no nahafantatra momba ny zavatra nataoko taloha. Koa gaga aoka izany ny maro rehefa nilaza i Jerome, taorian’ny namakiany ny taratasiko sy nanambarany ny tena anarako hoe Brian E. Garner, hoe “fantatra koa amin’ny anarana hoe Derek Majette”! Avy eo dia anjarako indray no gaga. Nanomboka tonga maro be ireo taratasy fampaherezana avy tamin’ireo rahalahy sy anabavy — tsy avy tao amin’ny Kongregasionan’i Petworth izay nanatrehako fivoriana ihany, fa avy tamin’olona tany amin’ny kongregasiona hafa koa.
Tsy ela aho dia nafindra avy tao amin’ny Foiben’ny Fonja nankany amin’ny tranomaizina tsy dia henjana tao Lillington, any Caroline Avaratra. Raha vantany vao tonga tany aho dia nanontany momba ny fotoam-pivavahana natao tao. Faly erỳ aho rehefa nilazana fa misy fivoriana tarihin’ny Vavolombelon’i Jehovah atao ao amin’ny efitrano fianaran’ny tranomaizina isaky ny alarobia hariva. Tsy hohadinoiko na oviana na oviana ny fitiavana naseho, ny fanampiana nomena, sy ny ezaka natao mba hanampiana, tsy ny tenako ihany, fa izay rehetra naniry hianatra ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly tao amin’io tranomaizina io. Rehefa nahafantatra ny iray tamin’ireo loholona izay nitarika ireo fivoriana tao an-tranomaizina fa efa nianatra aho, avy hatrany izy dia nanohy ny fianarana niaraka tamiko teo amin’izay nijanonako.
Fandinihana ny fanafahana misy fepetra
Nandalo ny volana maromaro, ary avy eo dia tonga ny teny nilaza fa hihaona amin’ny vaomiera manapa-kevitra momba ny fanafahana misy fepetra aho. Na dia olona nandositra sy niverina vao haingana tao an-tranomaizina aza aho, dia notakin’ny lalàna ny hitondrana ahy teo anoloan’ilay vaomiera mba handinihana indray ny raharahako na fara faharatsiny hilazana amiko fa efa nodinihiny izany. Nampahafantariko ireo namako fa hodinihina ny fanafahana ahy misy fepetra. Nanomboka tonga maro be indray ireo taratasy, tsy tatỳ amiko, fa tany amin’ilay vaomiera.
Ny Oktobra 1989, dia nahazo filazana aho fa hodinihin’ilay vaomiera indray ny raharahako. Taitaitra aoka izany aho. Nefa tamin’ny andro tokony hahatongavan’ireo anisan’ilay vaomiera, dia tsy nisy olona tonga. Tsy nisy koa filazana ny amin’ny hoe rahoviana ry zareo no ho avy. Tena diso fanantenana aho, nefa tsy nitsahatra ny nivavaka tamin’i Jehovah. Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, ny 8 Novambra, dia nampandrenesina izaho sy ny roa lahy hafa fa tonga tao an-tranomaizina ireo anisan’ilay vaomiera ary izaho no hantsoina voalohany.
Rehefa niditra ilay birao aho dia nahatsikaritra antontan-taratasy roa nifono. Ny iray dia ny antontan-taratasy momba ahy hatramin’ny 1974. Tsy azoko antoka izay tao anatin’ilay hafa. Rehefa avy nidinika tamiko ireo zavatra sasany momba ny raharahako ny mpikambana iray tamin’ilay vaomiera, dia nanokatra ilay antontan-taratasy hafa. Taratasy am-polony maro momba ahy no tao. Ta hahafantatra ny fomba nahafantarako olona be dia be tahaka izany taorian’ny nandosirako avy tao an-tranomaizina ilay vaomiera. Koa notantaraiko fohifohy ny zavatra hitako niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Avy eo aho dia nangatahina hivoaka ilay birao.
Fanafahana sy fiainam-baovao
Rehefa nasaina niditra aho, dia nampandrenesina fa nifidy ny “Fanafahana avy Hatrany Misy Fepetra” ilay vaomiera. Ravoravo aoka izany aho. Taorian’ny sivy volana monja tao an-tranomaizina dia hafahana aho! Nila fotoana kelikely vao vita ireo antontan-taratasy, koa ny 22 Novambra 1989, dia nivoaka ny tranomaizina aho — tsy voatery nihazakazaka tamin’itỳ indray mitoraka itỳ.
Ny 27 Oktobra 1990, tsy ampy herintaona taorian’ny nanafahana ahy, dia nanamarika ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny alalan’ny batisa tamin’ny rano aho. Ankehitriny aho dia manompo amim-pifaliana an’i Jehovah amin’ny maha-mpikarakara momba ny asa eto Washington D.C. Ny 27 Jona 1992 dia nivady izahay sy i Cynthia Adams.
Isaorako i Jehovah, ny vadiko sy ny fianakaviany ary ireo rahalahy sy anabavy rehetra, izay nanampy ahy ho tonga anisan’ny fandaminana maneran-tany iray be fitiavana toy izany. — Notantarain’i Brian E. Garner.
[Sary, pejy 22]
Ilay tranomaizina nandaniako 11 taona lava be
[Sary, pejy 24]
Miaraka amin’i Cynthia vadiko