Niara-nihalehibe Tamin’ny Fandaminan’i Jehovah Teto Afrika Atsimo Aho
Notantarain’i Frans Muller
REHEFA nanatona an’ilay fiarandalamby raisinay isan-kariva, avy ao amin’ny garan’i Le Cap izahay sy i David zokiko lahy, dia gaga nahita ilay soratra hoe “Fotsy Hoditra Ihany”. Nandresy tamin’ny fifidianana tamin’ny 1948 ny Antoko Nasionalista, ary nampiditra ny politikan’ny fanavakavaham-bolon-koditra.
Mazava ho azy, fa efa nampiharina hatry ny ela teto Afrika Atsimo ny fanavakavaham-bolon-koditra, toy ny nampiharana azy io tany amin’ny ankamaroan’ireo tany atỳ Afrika nandritra ny fotoan’ny fanjanahan-tany. Izao anefa izy io dia nohamafisin’ny lalàna, ary tsy navela intsony niray efitra tao amin’ny fiarandalamby tamin’ireo Afrikana Tatsimo tsy fotsy hoditra tahaka anay izahay. Rehefa afaka efatra amby efapolo taona tatỳ aoriana, dia nofoanana ny fanavakavaham-bolon-koditra.
Nandritra ny fotoana manontolo nisian’ny fanavakavaham-bolon-koditra neken’ny lalàna, izay nitondra zava-tsarotra teo amin’ny fanatanterahana ny fanompoanay araka izay tianay, dia nanompo tamin’ny naha-mpitory manontolo andro teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Ankehitriny, amin’izao faha-65 taonako izao, dia afaka mitodika ny lasa aho ka mijery ny fitomboana mahatalanjon’ny fandaminan’i Jehovah eto Afrika Atsimo, ary velom-pankasitrahana noho ny tombontsoa niara-nihalehibe taminy.
Lova kristiana
Fony mbola tanora ny raiko, dia nasaina namaky mafy ny Baiboly tamin’ny raibeko izy isa-maraina, vao mangiran-dratsy. Tamin’ny farany dia nampitombo fitiavana lalina ny Tenin’Andriamanitra i Dada. Fony aho teraka tamin’ny 1928, dia anisan’ny konsilim-piangonan’ny Fiangonana Nohavaozina Holandey tao Potgietersrust izy. Tamin’izay taona izay ny dadatoako dia nanome azy ny boky La harpe de Dieu.
Nasain’i Dada nodoran’i Neny anefa ilay boky, tamin’ny filazana fa avy tamin’antokom-pivavahana izy io. Notahirizin’i Neny anefa ilay izy, ary indray andro, raha sendra naharay azy io i Dada, dia nisokatra teo amin’ilay lohateny hoe “Moa ve Andriamanitra Mampijaly Olona?”, izy io. Na dia nino aza izy fa diso ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany, dia nandresy azy ny fitiavany ta hahafanta-javatra ary dia nanomboka namaky izy. Tsy namelany mihitsy ilay boky. Nangiran-dratsy ny andro rehefa nitsofoka tao am-pandriana izy ary niteny hoe: “Ma a, tsy te hivaky aho fa manana ny fahamarinana ry zareo, kanefa dia izany mihitsy no izy.”
Ny ampitson’iny, dia nandeha 50 kilaometatra am-bisikilety i Dada mba hahazoana boky hafa tany amin’ny Mpianatra ny Baiboly akaikiny indrindra. Tamin’ny fomba tsy tapaka, dia namaky teny hatramin’ny alina be izy. Nanandrana nandresy lahatra an’ilay pasiteran’ny Fiangonana Nohavaozina Holandey momba ireo fahamarinana tao amin’ny Baiboly nianarany mihitsy aza izy, tamin’ny fanantenana fa hanitsy ny fampianarany ny fiangonana. Very maina ny fiezahany, hany ka nametra-pialana tamin’ny fiangonana izy ary nanomboka nitory tamin-jotom-po. Nanjary ny zava-dehibe indrindra teo amin’ny fiainany sady ny zava-dehibe indrindra tao an-tranonay ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Tao amin’izany rivo-piainana izany aho no nihalehibe.
Tatỳ aoriana i Dada dia tonga mpisava lalana, na mpitory manontolo andro. Nanao dia lavitra ezaka tamin’ny fiara tranainy modely Ford T iray izay izy mba hitory. Rehefa afaka taona vitsivitsy, ny fikarakarana ny zavatra ilain’ny fianakavianay izay nihanitombo dia nanery azy hampitsahatra ny asan’ny mpisava lalana. Mbola narisika aoka izany tamin’ny asa fitoriana ihany anefa izy. Nisy alahady sasany nandehananay hatrany amin’ny 90 kilaometatra mba hitory niaraka taminy tany amin’ny tanànan’i Pietersburg.
Raharaham-barotra niroborobo
Rehefa ela ny ela, dia nanokatra fivarotana enta-madinika iray i Dada. Tsy ela izy io dia niitatra ho avo roa heny, hany ka nisy fivarotana iray faharoa nosokafana. Nisy mpamboly sy mpiompy mpanankarena tonga niombon-draharaha tamin’i Dada, ary tamin’ny farany izy ireo dia niara-nisahana tranombarotra mpamongady iray niampy tranombarotra enina mpanao antsinjarany nanerana ny faritra midadasika iray.
Nirotsaka tamin’ilay fanaovana raharaham-barotra nampisetra loza ny sasany tamin’ireo zokiko lahy, ary izao dia afaka ny ho tonga mpanefohefo. Nanomboka niharam-pahavoazana anefa ny fahasalamanay ara-panahy. Nanjary olona azo nekena kokoa izahay teo imason’ireo namana sy mpiara-monina teo amin’izao tontolo izao, ary nanasa anay tamin’ireo korana nataony izy ireo. Rehefa nahatsinjo ny loza i Dada dia nandamina fivoriam-pianakaviana ary nanapa-kevitra ny hivarotra ny raharahany sy hifindra tany Pretoria mba hahafahanay hanao misimisy kokoa tamin’ny asan’i Jehovah. Tranombarotra iray ihany no notazoniny, ary nasainy nokarakaraina mpiasa nokaramaina izany.
Nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana i Koos sy i David, zokiko roa lahy, ka tamin’izany dia nanaraka an’i Lina zokiko vavy, ary nanaraka koa ny zokiko lahimatoa, izay mampalahelo fa nandao ny fanompoam-pivavahana marina tatỳ aoriana. Nandritra ny iray volana tamin’ny 1942, ny fianakavianay manontolo, izay nisy folo mianaka, dia nandany 1 000 ora tamin’ny asa fitoriana. Tamin’io taona io aho dia nanamarika ny fanolorako ny fiainako ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fandrobohana anaty rano.
Ny antony nialako tamin’ny fianarana aloha be
Tamin’ny 1944, raha mbola tao amin’ny fara heriny ny Ady Lehibe Faharoa, dia nanontany ahy i Gert Nel, mpiandraikitra mpitety faritany eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, raha nikasa ny hiditra ao amin’ny laharan’ny mpisava lalana aho na tsia. “Eny”, hoy aho namaly, “afaka roa taona, rehefa vita ny fianarako any amin’ny lise.”
Nampiseho taratry ny toe-tsain’ny maro tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany izy rehefa nampitandrina hoe: “Tandremo sao hahatratra anao mipetraka eo ambony dabilion-tsekoly ny Haramagedona.” Koa satria tsy tiako ny hitrangan’izany, dia niala tamin’ny fianarana aho ary nirotsaka nanao ny asan’ny mpisava lalana tamin’ny 1 Janoary 1945.
Tany Vereeniging, akaikin’i Johannesburg, no toerana nanendrena ahy voalohany, ary i Piet Wentzel sy i Danie Otto no namako. Matetika aho no nandany mihoatra ny 200 ora isam-bolana nitoriana. Tatỳ aoriana, dia voatendry ho any amin’ny tanàn-dehiben’i Pretoria indray i Piet, ary i Danie voatery nitsahatra tamin’ny asan’ny mpisava lalana mba hanampy ny rainy efa be taona tany amin’ny toeram-piompiana. Nanjary izaho irery sisa no Vavolombelona tavela mba hikarakara ireo fampianarana ny Baiboly tany an-tokantrano 23 tany Vereeniging.
Tsy ela taorian’izay aho dia naharay taratasy nanendry ahy ho any Pretoria, avy tany amin’ny biraon’ny sampana. Na dia tsy nahatakatra ny anton’ilay fanendrena vaovao aza aho tamin’io fotoana io, dia takatro tatỳ aoriana fa tsy fahendrena ny famelana ho irery olona iray 17 taona tsy ampy fanandraman-javatra. Mbola nila fampiofanana be dia be aho ary nety ho nanjary kivy.
Rehefa avy nanompo tao Pretoria aho ary nahazo ny fanandraman-javatra nilaiko, dia nasaina mba ho tonga mpisava lalana manokana. Avy eo izahay sy i Piet Wentzel dia nanao fandaharana mba hanome fampiofanana azo nampiharina teo amin’ny fanompoana ho an’ireo tanora tonga tao Pretoria mba hanao ny asan’ny mpisava lalana. Tamin’izay i Piet dia voatendry ho mpiandraikitra mpitety faritany tao amin’ilay faritra. Tatỳ aoriana izy dia nanambady an’i Lina anabaviko, ary miara-manompo ao amin’ny biraon’ny sampana eto Afrika Atsimo izy ireo izao.
Anisan’ireo tonga mba hanao ny asan’ny mpisava lalana tao Pretoria i Martie Vos, tovovavy nanintona iray izay nobeazina tao amina fianakaviana Vavolombelona. Nifanintona ara-pihetseham-po izahay, saingy mbola zatovo izahay tamin’izany ary tanora loatra ka tsy afaka ny hivady. Rehefa naharay fanendrena ho any an-toeran-kafa anefa izahay, dia tsy nitsahatra ny nifandray an-taratasy.
Fanompoana tao amin’ny Betela sy Sekolin’i Gileada
Tamin’ny 1948 aho dia nasaina mba hanompo tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower tao Le Cap. Tamin’io fotoana io, dia tsy nisy trano fonenana tokana ho anay 17 mianadahy izay niasa tao amin’ny birao telo nohofana sy fanontam-pirinty kely iray teo akaikiny. Ny sasany taminay nampiantranoina fianakaviana ary ny hafa kosa nipetraka tamina efitrano nohofana tamin’olona.
Isaky ny andro fiasana, ireo mpikambana 17 tao amin’ny fianakavian’ny Betela dia niara-nivory mba hanao ny fanompoam-pivavahana maraina tao amin’ny efitrano fisoloana akanjon’ilay fanontam-pirinty. Maro taminay no tsy maintsy nikarakara ny sakafonay manokana. Avy eo, taorian’ny asa ny tontolo andro, dia samy nandeha nankany amin’ireo toeram-ponenanay tany amin’ny faritra samy hafa tao Le Cap izahay. Tamin’ny fandehanana toy izany, araka ny efa voalaza, no nahagaga anay sy i David rahalahiko tamin’ilay soratra nanambara hoe “Fotsy Hoditra Ihany”.
Fony tonga voalohany tao amin’ny biraon’ny sampana tao Le Cap aho, dia nahatsapa fa mbola nanan-javatra betsaka tsy maintsy nianarana. Nanontany ny Rahalahy Phillips, mpiandraikitra ny sampanay, àry aho hoe: “Inona no tsy maintsy ataoko mba hahazoako ireo fanazavana nivoaka tamin’ny lasa?”
“Frans a,” hoy izy namaly, “aza manahy ny amin’izany fa aoka fotsiny ianao haharaka ireo fanazavana farany!” Niezaka nanao izany mandrakariva aho, ary hitako fa raha maharaka izay omen’ny fandaminan’i Jehovah amin’ny alalan’ny sakafo sy fitarihana ara-panahy ny olona iray, dia hiara-hitombo amin’io fandaminana io.
Tamin’ny 1950 aho dia nasaina mba hanatrika ny kilasy faha-16-n’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada Alamin’ny Watchtower mba hampiofanina ho misionera. Tany South Lansing, any New York, sahabo ho 400 kilaometatra avaratr’i Brooklyn, any New York, no nisy ilay sekoly tamin’izany. Nandritra ny fotoana niasako vonjimaika tao amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tany Brooklyn, dia nandinika nivantana ny votoatin’ny fandaminan’i Jehovah hita maso mihitsy aho. Ny fandavan-tena tanteraka nananan’ireo nandray ny fitarihana dia nameno ahy fankasitrahana lalina ny fandaminan’i Jehovah.
Ny fanompoako nitohy
Rehefa tafaverina teto Afrika Atsimo aho, dia voatendry ho mpiandraikitra mpitety faritany tany amin’ny faritra avaratr’i Transvaal, izay nahabe ahy. Rehefa avy nifanoratra nandritra ny enin-taona izahay sy i Martie, dia nivady tamin’ny Desambra 1952, ary nanaraka ahy tamin’ny asa fitetezam-paritany izy. Nampientam-po anay ny fankasitrahan’ireo rahalahinay kristiana ny fitsidihanay.
Indray mandeha, ohatra, rehefa nitsidika kongregasiona iray tao amin’ny fitambaran’olona mpiompy izahay, dia nipetraka tao amina fianakaviana iray izay niala tsiny satria tsy nanana ronono hatao amin’ny dite na kafe. Tatỳ aoriana izahay dia nahare fa nivarotra ilay hany ombivaviny nanome ronono izy ireo mba hananana vola ampy hividianana lasantsy hitondrana anay hitsidika ireo faritra lavitra tao amin’ny faritaniny, mba hitoriana tamin’ireo mpiompy. Tena tianay tokoa ny rahalahy karazan’izany!
Indraindray aho dia nahatsapa ny tenako ho tsy ampy fahaizana hanao ny asan’ny fizaran-tany, indrindra fa rehefa nandamina zava-nanahirana nahakasika olona be taona. Indray mandeha aho dia nahatsiaro tena ho rera-po aoka izany, hany ka nilaza tamin’i Martie fa tsy tokony ho gaga izy raha voatendry indray ho amin’ny asan’ny mpisava lalana izahay noho ny tsy fahampian’ny fanandraman-javatra nananako. Nanome toky ahy izy fa ho faly hanompo amin’izay anjara asa rehetra homena azy, raha mbola afaka mijanona ao amin’ny fanompoana manontolo andro koa izahay.
Alao sary an-tsaina ange ny fahagaganay rehefa tonga tany amin’ny kongregasiona nanaraka izahay ka nisy taratasy fanendrena anay hanao ny asan’ny mpiandraikitra ny distrika tao amin’ireo taratasy azonay! Nandritra ny efa ho roa taona izahay dia nitety an’i Afrika Atsimo sy Namibia, izay nantsoina hoe Afrika Atsimo Andrefana tamin’izany. Kanefa noho ny fanavakavaham-bolon-koditra, dia sarotra matetika ny asanay. Imbetsaka mihitsy izahay no tsy nomen-dalana hiditra tany amin’ireo tanànan’ny mainty hoditra ary indraindray dia tsy nomena fahazoan-dalana hanao fivoriambe.
Tamin’ny 1960, ohatra, dia nahazo lalana hanao fivoriamben’ny distrika tao Soweto izahay. Efa nividy karatra handehanana amin’ny fiarandalamby sy aotobisy ireo rahalahy mainty hoditra avy tany amin’ireo kongregasiona lavitra mba hahatongavana tamin’izany, kinanjo ren’ny fitondram-panjakana ny fikasanay ka nofoanany ilay fahazoan-dalana. Tamim-pahamalinana, dia nanatona mpiadidy sariaka iray tao amin’ny tanàna iray 20 kilaometatra any ampitan’i Johannesburg izahay. Tamin-katsaram-panahy, dia nanome anay toerana tsara kokoa mihitsy aza izy, ary dia nanao fivoriambe nahafinaritra natrehin’olona maherin’ny 12 000 izahay!
Toy inona moa ny fiovan’ny toe-javatra tao anatin’ireo taona faramparany! Ankehitriny, noho ny fanavakavaham-bolon-koditra efa foana, dia azonay atao ny miara-mivory amin-kalalahana na aiza na aiza any amin’ny faritra misy ny mainty hoditra, ny fotsy hoditra, ny safiotra, na ny Karàna. Ny rehetra, na inona na inona volon-kodiny, dia afaka miara-mipetraka sy mifanerasera tsara. Ny fahasamihafan’ny fiteny fotsiny angaha no hoe manan-kery eo amin’ny fifidianan’ny olona iray ny seza tiany hipetrahana.
Fianarana nampanaintaina
Tany amin’ny taona 1947, dia nanao fahadisoana lehibe ny raiko. Ilay tranombarony, izay tany amin’ny 200 kilaometatra mahery avy teo amin’ny nonenan’izy sy i Neny, dia nanjary tsy nahitana tombony noho ny fitantanana tsy araka ny fahamarinana. Niverina irery tany àry izy mba hitantana azy io. Ireo vanim-potoana lava nisarahany toerana tamin’i Neny dia niafara tamin’ny fahalatsahany tao amin’ny fakam-panahy. Ho vokany, dia voaroaka izy.
Izany dia nandentika tao an-tsaiko tamin’ny fomba manokana sy nampanaintaina fa tsy ampy ny ho be zotom-po ho an’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Tsy maintsy manaraka tsara an’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ny rehetra. (1 Korintiana 7:5). Rehefa afaka taona maro, dia voaray indray ho anisan’ny kongregasiona kristiana i Dada ary nanompo tamim-pahatokiana hatramin’ny fahafatesany tamin’ny 1970. Nitoetra ho nahatoky mandra-pahafatiny tamin’ny 1991 i Neny malala.
Fitahiana fanampiny
Tamin’ny 1958 izahay sy i Martie dia nanatrika ilay fivoriambe lehibe indrindra nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izay, tany amin’ny Yankee Stadium sy Polo Grounds, any New York. Ampoky ny fifaliana tsotra izao izahay satria anisan’ny fandaminana mahatalanjon’i Jehovah. Ny fiarahana tamin’izany vahoaka sesehena maherin’ny 253 000 ny alahady tolakandro izany, dia fanandraman-javatra tsy hohadinoinay na oviana na oviana. Taminay, dia io no nampiseho ny tena fisian’ny ‘olona betsaka avy tamin’ny firenena rehetra’ tafavory tamim-piadanana. (Apokalypsy 7:9, 10). Nijanona tany New York i Martie mba hanatrika ny Sekolin’i Gileada, ary izaho kosa niverina tamin’ny asan’ny distrika teto Afrika Atsimo.
Tamin’ny 1959, rehefa tafaverina avy nanatrika ny kilasy faha-32-n’ny Sekolin’i Gileada i Martie, dia nasaina izahay mba hanompo tao amin’ny biraon’ny sampan’i Afrika Atsimo, izay tany akaikin’i Elandsfontein, any atsinanan’i Johannesburg, tamin’izany. Nandritra ireo taona aho dia nahita ny fandroson’ny fandaminana tamin’ny fomba maro be aoka izany, indrindra fa ny fitomboany teo amin’ny fitiavana sy ny fahatakarana ny fihevitry ny hafa. Nianarako avy tamin’izany fa mitarika ny fandaminany amin’ny alalan’i Jesosy Kristy i Jehovah ary hampiasa an’ireo izay vonona ny hanao zavatra izy.
Tamin’ny 1962, dia niverina nankany Brooklyn, any New York aho mba hanatrika ny fianarana nampiofana ho amin’ny asan’ny sampana, izay naharitra folo volana. Hita ho nahasoa tokoa izany rehefa voatendry ho mpiandraikitra ny sampana teto Afrika Atsimo aho tamin’ny 1967. Tamin’ny 1976, dia notendrena ireo Komitin’ny Sampana, koa izao dia iantsorohan’ny loholona kristiana dimy ampy fanandraman-javatra ny andraikitra hanao ireo fanapahan-kevitra lehibe eto Afrika Atsimo.
Ny fiainana teo ambanin’ny fanavakavaham-bolon-koditra
Nisy fiantraikany teo amin’ny fomba fiasan’ny sampanay ny fanavakavaham-bolon-koditra. Rehefa naorina ny Trano Betelan’i Elandsfontein tamin’ny 1952, ny lalàna dia nitaky ny hananganana trano iray fanampiny tao ambadika mba hametrahana ireo rahalahy mainty hoditra sy safiotra. Notakin’ny lalàna koa ny hisakafoanan’izy ireo misaraka amin’ny fotsy hoditra, tany amin’ireo toeram-ponenana nolazaina fa afrikana. Tatỳ aoriana, dia nalamina ny hisakafoanan’izy ireo tao amin’ny lakozian’ny Betela. Toy izany no fandaharana momba ny fisakafoana fony izahay tonga tao amin’ny Betela tamin’ny 1959. Nikomy tamin’izany fampisarahana niorina tamin’ny volon-koditra izany ny tenako manontolo.
Tatỳ aoriana, ny fitondram-panjakana dia nanaisotra ny fahazoan-dalan’ireo rahalahintsika mainty hoditra ireo hitoetra tao amin’ilay trano ambadiky ny Trano Betela lehibe. Voatery nitoetra tany amin’ny tanànan’ny mainty hoditra, sahabo ho 20 kilaometatra avy eo, ireo rahalahy ireo. Ny sasany nipetraka tamina trano nohofana ary ny hafa tany amin’ny hotely ho an’ny lehilahy mpitovo. Nitohy nandritra ny taona maro izany toe-javatra nahatsiravina izany.
Ny fitaran’ny Betela
Teo anelanelan’izany, dia voatery nohalehibiazina ny Betelan’i Elandsfontein. Taorian’ny nanitarana azy io intelo, dia nahatratra ny fetran’ny haben’ny taninay izahay. Nanome torolalana ny Fitambara-mpitantana ny amin’ny tokony hitadiavanay tany vaovao any amin’ny toerana iray antenaina fa hanomezan’ny manam-pahefana eo an-toerana lalana anay hanorina fitambaran-trano Betela iray ho azon’ireo rahalahintsika mainty hoditra itoerana koa. Isa-maraina ny fianakavian’ny Betela dia nivavaka mba hanokafan’i Jehovah ny lalana ho amin’izany.
Androm-piravoravoana toy inona moa izany rehefa nahita sombin-tany teo amin’ny manodidina an’i Krugersdorp, eo andrefan’i Johannesburg, izahay tamin’ny farany! Kanefa dia nasaina nanorina trano nitokana ho an’ireo rahalahy mainty hoditra indray izahay. Nanao araka izany izahay, saingy tsy nahazo lalana handray olona mainty hoditra mihoatra ny 20 hapetraka ao. Soa ihany fa nanomboka niova ny toe-draharaha teo antenatenan’ireo taona 1980. Nanalefaka ireo lalàny hentitra momba ny fanavakavaham-bolon-koditra ny fitondram-panjakana, ary dia rahalahy mainty hoditra sy safiotra ary Karàna maro kokoa no nantsoina hanompo miaraka aminay tao amin’ny Betela.
Ankehitriny izahay dia manana fianakavian’ny Betela sambatra sady tafaray, izay ahafahan’ny isam-batan’olona, na inona na inona firazanany na fihodirany, mipetraka ao amin’izay trano rehetra fidiny. Toy izany koa, taorian’ny taona maro niadiana, dia nomena fanekena ara-dalàna amin’ny maha-fivavahana iray izahay tamin’ny farany. Tafaorina ny fikambanana ara-dalàna iray eto an-toerana, izay mitondra ny anarana hoe “Vavolombelon’i Jehovah eto Afrika Atsimo”. Ankehitriny izahay dia manana ireo mpanoratra fanambadiana anay manokana, ary any amin’ireo faritra onenan’ny mainty hoditra, dia maniry tahaka ny ahitra ireo Efitrano Fanjakana.
Toy inona moa ny fandroson’ny fandaminan’i Jehovah hatramin’ireo andro voalohandohany nanompoako tao amin’ny biraon’ny sampana tao Le Cap! Nanomboka tamin’ny fianakaviana kely voaforon’ny olona 17 tsy nanana Trano Betela izahay, no nitombo ankehitriny ho fianakavian’ny Betela misy mpikambana mihoatra ny 400, manana fitambaran-trano Betela maoderina misy ordinatera ary fomba sy milina fanontam-pirinty rotary ary Trano Betela tsara tarehy iray! Eny, nanana ny tombontsoa niara-nihalehibe tamin’ny fandaminan’i Jehovah teto Afrika Atsimo aho. Avy teo amin’ny mpitory ilay Fanjakana 400 izahay fony aho nanomboka ny fanompoana, tokony ho 50 taona lasa izay, no tafakatra efa ho 55 000 amin’izao andro izao!
Misaotra an’i Jehovah aho fa manana vady manohana aoka izany eo anilako, nandritra ireo 39 taona lasa. “Ny kapoakako feno dia feno”. (Salamo 23:5). Velom-pankasitrahana izahay sy i Martie amin’ny maha-anisan’ny fandaminana tarihin’ny fanahin’i Jehovah, ary tapa-kevitra ny hanohy hanompo an’i Jehovah ao an-tranony, ao amin’ny Betela, sy hiara-mandeha amin’ny fandaminany tsy mitsaha-mandroso.
[Sarintany, pejy 19]
(Jereo ny gazety)
ANGOLA
ZAÏRE
ZAMBIA
ZIMBABWE
BOTSWANA
NAMIBIA
SWAZILAND
LESOTHO
AFRIKA ATSIMO
Pretoria
Johannesburg
Le Cap
Port Elizabeth
OSEANA ATLANTIKA ATSIMO
OSEANA INDIANA
CANAL DE MOZAMBIQUE
[Sary, pejy 20]
Piet Wentzel sy Frans Muller (havia) tao amin’ny asan’ny mpisava lalana tamin’ny 1945
[Sary, pejy 23]
Frans sy Martie Muller