FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/10 p. 9-13
  • Azoko ‘izay nirin’ny foko’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Azoko ‘izay nirin’ny foko’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Hery nitaona aloha be
  • Nitady ny fahamarinana aho
  • Niforona ny kongregasiona kely iray
  • Ny asa manontolo andro
  • Ny valin’ny ‘fanirian’ny foko’ hafa iray koa
  • Fianarana tena lehibe
  • Niara-nihalehibe Tamin’ny Fandaminan’i Jehovah Teto Afrika Atsimo Aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Nanome hery ahy i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Nanandrana nanova ny tontolo aho
    Mifohaza!—1991
  • Nahita ny firindran’ny firazanana aho tao Afrika Atsimo rotidrotika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/10 p. 9-13

Azoko ‘izay nirin’ny foko’

Nataon’i P. Wentzel

REHEFA tody tao amin’ny seranan’i New York ny sambonay avy any Afrika Atsimo, ny lehilahy iray, Mainty hoditra, dia niandry anay teo amin’ny fefiloha mba hitondra anay ho any amin’ny fonenanay — izahay, izany hoe izaho sy Lina vadiko mbamin’ny namana be taona iray. Nijanona tao amin’ny faritany mainty hoditra iray izahay, ary nivoaka kely ilay mpamily mba hanamarina ny adiresy ho an’ilay mpiray dia taminay. “Eto Piet, hoy io tamiko, tsy misy afa-tsy mainty hoditra!”

“Atỳ Amerika isika, hoy aho nampahatsiahy azy. Eto dia tsy misy fahasamihafana mihitsy amin’ny Mainty hoditra sy ny Fotsy hoditra; sahala daholo isika rehetra.” (Tao anatiko tao anefa, dia nanantena tokoa aho fa hasaina hilasy ao an-tokantranon’ny Fotsy hoditra izahay mivady!) Avy eo dia nataon’ilay mpamily veloma ilay namanay izay noraisin’ny fianakaviana mainty hoditra iray tamin-kafanam-po.

Dia tonga ny anjaranay, ary mbola tao amin’ny faritanin’ny mainty hoditra ihany izahay. Raha mbola nanatona ny fiarakodia ilay mpampiantrano anay sy ny vadiny, dia nivavaka mafy tamin’Andriamanitra aho mba hanampy ahy handroaka izay rehetra nety ho notehiriziko tamin’ny fitompoan-teny fantatra ara-pirazanana, dia fitompoan-teny fantatra nampandovain’ny ray aman-dreniko ahy.

Ireo mpampiantrano anay mponina tao New York, dia nandray tsara anay. Nialoha anay izy hatrao amin’ny efitranonay, nahitana ny zavatra rehetra nadio tsy nisy azo nokianina. Rehefa irery izahay sy Lina dia tsy nahateny. Avy eo i Lina dia nanatona ny farafara, nanainga ny zoron’ny firakotra ary nihiaka hoe: “Vao voalohany moa teo amin’ny fiainako anio alina no tsy maintsy hatory eo amin’ny fandrian’ny vehivavy Mainty hoditra aho!” Kanefa dia nianatra ny hahalala sy ho tia tokoa ireo mpampiantrano anay izahay.

Fa nahoana no dia sarotra taminay telo mianaka toy izany ny nandresy ny fitompoanay teny fantatra ara-pirazanana?

Hery nitaona aloha be

Bonnievale, izay nahaterahako tamin’ny 1922, dia tanàna kely tany amin’ny 160 kilaometatra any atsinanan’i Cap, atsy Afrika atsimo. Mpikambana tao amin’ny fiangonana protestanta holanday ny raiko. Natokana ho an’ny Fotsy hoditra ilay trano niangonanay. Ireo Mainty hoditra dia nanana ny toeram-pivavahany manokana tao amin’ny faribohitra nitokana nonenan’izy ireo. Tamin’izany no nahatarika anay hanaiky ny fanavakavaham-pirazanana.

Ary endrey ny mety hahalatsa-paka lalina ny fitompoan-teny fantatra ara-pirazanana! Nampianarina anay fa ambony ny firazananay. Taminay ny Mainty hoditra dia olona tokony hoentina toy ny olombelona, fa tsy toy ny mitovy saranga eo amin’ny fari-piainana ara-tsosialy. Fony aho mbola ankizy, dia fanao ny nandray ny Mainty hoditra tamin’ny varavarana andamosina; rehefa omena dite izy ireny, dia tao amin’ny kaopy natokana ho azy no nandrosoana izany ho azy. Voatarika hino izahay fa raha hafa noho izany angamba no izy any an-danitra, eto an-tany dia nilaina ny fanavakavahana hentitra.

Taoriana kelin’ny nahafeno 17 taona ahy, dia nangataka tamin’ny raiko aho raha afaka ny hatao konfirmasiona, kanefa namaly ahy izy fa hitany ho mbola kely loatra aho. Tamin’ny taona nanaraka anefa, dia nilaza tamiko izy fa tonga ny fotoana hanaovana konfirmasiona ahy. Noheveriko ho zava-dehibe tokoa io fisehoan-javatra io. Teo imasoko, izany dia ny andro nanoloran-tena ho an’Andriamanitra mba hanao ny sitrapony. Noho izaho velona ho an’izao tontolo izao sy ny fahafinaretany anefa, nampiasa sigara be dia be aho, ohatra, dia takatro fa tokony hanao fiovana tanteraka eo amin’ny fiainako aho.

Noho izany antony izany, nandritra ny fiatoana tamin’ny fisakafoana antoandro, dia nandray fahazarana nandany saika ny fotoanako rehetra namakiana ny Baiboly aho. Nahitako zavatra izany. Tsapako fa tsy nifanaraka velively tamin’ireo fitsipiky ny Soratra Masina ny fomba fiainako sy ny an’ny fianakaviako. Tetsy andaniny koa, na dia namaky ny Baiboly tamin’ny fiteniko, ny fiteny “afrikaans” aza aho, dia tsy azoko ny hevitry ny zavatra maro. Noho izany antony izany dia tsy vitan’ny hoe naharitra tamin’ny famakiana ny Baiboly aho, fa nivavaka tamin’Andriamanitra koa aho mba hanampy ahy hahazo ny heviny.

Rehefa nanatona ny andron’ny konfirmasionako, dia efa nahavaky saika ny Baiboly manontolo aho. Nangataka ny raiko aho mba hanoro ahy ireo andinin-teny izay hanondro amiko ireo andinin-teny nivaofy ny amin’ny konfirmasiona mba hahafahako mianatra izany.

“Tsy miresaka ny amin’izany ny Baiboly, hoy ny navaliny ahy. Zavatra takin’ny fiangonana izany.” Endrey ny fahatairako!

“Koa raha tsy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny konfirmasiona, ahoana no mety hanekeko azy? hoy ny fanontaniako. Ary raha voafitaka isika amin’io raharaha tena lehibe io, ahoana no azoko anankinana ny fiainako amin’ny fiangonana?”

Tamin’io andro io no nanombohako nitady ny fahamarinana.

Nitady ny fahamarinana aho

Indray andro, ny namana iray dia nanasa ahy hanatrika fotoam-pivavahana tao amin’ny fiangonana protestanta holanday. Hatramin’ny elaela no tsy nanatrehako izany intsony. Niresaka ny amin’ny fanantenana ilay pastora: “Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin’ny faharetana.” (Romana 8:24, 25). Izany no tiako ho fantatra! Inona no fanantenantsika? Nahoana aho no velona? Hanome valin’ny fanontaniako ve ilay mpitory teny? Tsia, tsy nilazalaza ny amin’izany fanantenana ho amin’ny ho avy izany izy. Ary ny tenako dia nipetraka teo, nitalaho tamin’Andriamanitra mba hanampy ilay mpitory teny hanampy ahy!

Nisy zavatra hafa nahavery hevitra ahy koa. Voamariko fa olona be dia be no natoritory. Raha liana aoka izany aho ny handre ny fahamarinana, ireo olona ireo kosa dia natory! Nivoaka diso fanantenana avy ao am-piangonana aho ary tsy niverina tao intsony mihitsy.

Taty aoriana, dia nifanakalo hevitra ny amin’ny Baiboly tamin’ny namana iray nanana hevitra pentekotista aho. Nanantitrantitra tamiko izy fa izay maniry hanompo an’Andriamanitra dia tokony hatao batisa amin’ny fandrobohana tanteraka ao amin’ny rano. Niaraka tamin’ny antokony kely aho raha vao tamin’ny fotoam-pivavahana nanaraka ary natao batisa tao amin’ny renirano. Rehefa nandre izany ny raiko dia nisafoaka mafy. Nandrahona ny hamono ahy mihitsy aza izy noho izaho sahy niditra tao amin’ny antokom-pinoana iray! Tsy afaka namaky ny Baiboly tao an-trano intsony aho, kanefa nanao izany niaraka tamin’ilay antokon’olom-bitsy niarahako. Tsy afaka niara-nihinana tamin’ny raiko akory aza aho, ary raha sendra tafahaona izahay, dia nilaza tamiko izy mba hampitodika ny tavako aho: tsy tiany intsony ny hahita izany!

Ireny pentekotista ireny dia namaky fotsiny ny Baiboly, nihira sy niara-nivavaka, ary niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra. Tamin’izany fotoana izany aho dia nanadio ny fiainako, nitsahatra tsy nifoka mihitsy aza. Nanao izay rehetra azoko natao aho mba handraisana ny fanahy masina sahala amin’ny hafa, ka nifady hanina nandritra ny andro vitsivitsy mihitsy aza, nefa tsy nisy vokany. Dia nanomboka nieritreritra izany rehetra izany aho. Fantatro fa ny sasany, tao amin’ilay tanàna, dia nanantitrantitra fa niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra, kanefa nanana fiainana maloto. Amin’izany, ahoana no nety ho nanomezan’Andriamanitra ny fanahiny masina ho an’olona izay ny fiainany dia tsy nifanaraka tamin’ny sitrapony? Nisy zavatra hafa nahatonga ahy ho very hevitra koa. Tapa-kevitra aho ny hanontany ny pastoran’ilay antokonay.

“Moa ve ny fanahy masina raisinao sy ny hafa ilay nanome ara-tsindrimandry ny Baiboly ihany? hoy aho nanontany azy.

— Eny, hoy ny navaliny.

— Tsara; tokony ho tonga fonenana mandrakizay ho an’ny olombelona ve ny tany sa tokony hofoanana?

— Hofoanana ny tany, ary hiaina any an-danitra ny kristiana.

— Misy zavatra hafahafa amin’izany, hoy aho nanohitra, satria ny Baiboly manambara fa maharitra mandrakizay ny tany. Io fanambarana io anefa dia avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, ilay lazainao mihitsy fa ananana. — Mpitoriteny 1:4.

Nananako hatreo ny porofo fa tsy nitana ny fahamarinana ilay antokonay. Nanohy ny fikarohako àry aho.

Indray andro ilay pastora pentekotista dia nitondra ho ahy boky iray nitondra ny anarana hoe Richesses, navoakan’ny fikambanana Watchtower. Raha vao teo amin’ireo pejy voalohandohany amin’io boky io, dia tsapako fa ny noraketiny dia nifanaraka tamin’izay novakiko tao amin’ny Baiboly. Hitako ny fahamarinana rehefa ela ny ela! Nanoratra aho mba hangatahana boky hafa. Neken’ireo anisan’ny antokonay tamin-kafanam-po izany, ka nandray fahazarana nampiasa izany izahay mba hianarana ny Baiboly sy hanaovana fanambarana tamin’ny hafa. Fotoana fohy taty aoriana, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah vitsivitsy tonga tao Bonnievale nitsidika anay vetivety, ary nanao fifanakalozan-kevitra nahaliana tamin’izy ireny izahay. Afa-tsy izany koa, ny alahady nanaraka, ny efatra taminay dia niaraka tamin’izy ireny tamin’ny asa fitoriana isam-baravarana.

Niforona ny kongregasiona kely iray

Mba hahafahana manohy mampiely ny hafatra fanantenana, dia nanafatra boky hafa tany amin’ny sampan’ny fikambanana Watchtower any Cap izahay. Novaliana fa alohan’ny zavatra rehetra dia tokony hanao fangatahana mba hamorona kongregasiona iray izahay. Nahatahotra anay izany tamin’ny voalohany, kanefa satria nilaina maika dia maika kokoa ihany ny boky, tamin’ny farany izahay dia nanao izany fangatahana izany, avy eo dia namorona kongregasiona vaovao izahay — voaforonay efatra ihany, ary tsy nisy na dia iray monja aza taminay mbola natao batisa tamin’ny naha-Vavolombelon’i Jehovah.

Isam-bolana dia nilaza ny fotoana laninay nitoriana izahay. Kanefa noho izahay tsy nahazo fampiofanana mihitsy ho amin’izany, dia tsy niverina hitsidika ny olona naneho fahalianana izahay. Isam-bolana isam-bolana, dia nanintona ny sainay ho amin’io zavatra io ny sampana. Farany, indray andro aho sy ny anankiray tamin’ireo namako dia nanangona ny herim-ponay ka nankany amin’ny trano iray hitanay ho nandray tsara ny olona tao. Novorinay ny fianakaviana, niara-nihira izahay. Avy eo dia nanao vavaka aho ary nandefa ny feo noraisina araka ny Baiboly tamin’ny anankiray amin’ireo lahatenin’i J. Rutherford. Nihaino tamim-pitandremana ny rehetra. Avy eo, dia nofarananay tamin’ny hira hafa iray sy ny vavaka. Teny an-dalana hody dia nihiaka toy izao aho: “Io no ‘fiverenana mitsidika’ nataoko voalohany!”

Tsy nihena ny fanoheran’ny raiko nandritra izany fotoana izany. Voafetra aoka izany ny fahalalako ny Baiboly! Nifikirako tamin’ny foko rehetra anefa ny kely fantatro. Indray mandeha dia tonga tao aminay ny anankiray tamin’ireo anabaviko, Rachel. Nandritra ny fiatoako tamin’ny fotoana fisakafoana, dia nanomboka niady hevitra ny amin’ny Trinite izy.

“Nahoana no lavinareo ny fampianarana ny amin’ny Trinite? hoy izy nanontany ahy. Ampianarin’ny fiangonanay mazava fa mitovy ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina amin’ny fotony sy ny hery.

— Raha mitovy amin’ny Ray sy ny Zanaka ny fanahy masina, hoy ny navaliko, dia afaka manao amiko izay azon’ny Ray sy ny Zanaka atao indrindra izy. Noho izany dia ho afaka hivavaka amin’ny fanahy masina koa aho.”

Tsy nanampy na inona na inona i Rachel. Niantso azy toy izao anefa ny raiko tao an’efitra hafa: “Rachel, avelao izy. Tsy hisy na inona na inona ho vitanao aminy.” Nanatona ny fianakaviana manontolo mba hanohana an-dRachel. Avy eo dia niditra tao amin’ilay efitrano ny raiko. Namonkin-totohondry izy ka nandefa izany nanandrify ny handriko — kanefa najanony ny fihetsehany ary nihemotra izy. Fa raha ny amiko, dia nijanona tsy niraika sy tsy nihetsika aho.

“Mijajirika eo tahaka ny anjely mpihatsaravelatsihy ialahy”, hoy ny raiko nikiakiaka. Nampahatsiaroviny ahy ny fotoana nilatsahako an-tsitrapo hiady tamin’i Hitler ka tsy nanomezany lalana ahy, satria mbola tsy ampy taona aho. “Ho tsara kokoa raha nandeha ialahy ka maty tany!” hoy ny fierony. Nisaotra azy tamim-pahatoniana aho noho ny nisakanany ahy tsy hilatsaka tao amin’ny tafika.

Rehefa nitony ny zavatra rehetra, dia nivoaka aho mba hieritreritra. Talohan’ny nankafizako ny Baiboly, dia nanjaka tao an-tranonay ny filaminana. Izao dia misy tsy fifanarahana ao anatin’ny fianakaviana. Inona no tokony hataoko? Hiverina any am-piangonana ve ka amin’izany dia hampiverina indray ny filaminana ao anatin’ny tokantranonay? Raha izany no fidiko, dia hiala amin’ireo fahamarinana sarobidy nianarako aho. Marina fa niteraka ahy ny ray aman-dreniko, kanefa Andriamanitra irery ihany no afaka nanome ahy ny fiainana mandrakizay. Nitana ny palmie tsara tarehy iray nahitsy tsara sy tsy nihozongozona aho, ka nanao ny fanapahan-kevitro: “Afaka mamono ahy izy ireo, fa tsy hihemotra aho!”

Ny asa manontolo andro

Noho izaho mpitovo, tanora sy feno hery, dia nihanahatsapa aho fa tsy nahandry izay hialana tany am-piasana. Niasa enina andro isan-kerinandro tokoa aho tao amin’ny fanaovana fromazy iray teo an-toerana ho takalon’ny karama kely, nefa indray andro isan-kerinandro monja no azoko natokana tamin’ny asan’i Jehovah nanantenako fiainana mandrakizay. Inona no ilàna hanohy hanamboatra fromazy rehefa nitana fahamarinana sarobidy afaka namonjy aina aho? Tiako ny ho minisitra manontolo andro.

Nanoratra tany amin’ny fikambanana aho nilaza fa naniry ho tonga “mpitory maharitra” na mpitory manontolo andro. “Ahoana anefa no hahafahako manao izany?” hoy ny fanontaniako. Vao valo ambin’ny folo taona aho ary tsy hanaiky na oviana na oviana ny raiko. Tao amin’ny valiny voaraiko avy amin’ny fikambanana dia notononina izao teny mahafinaritra izao: “Ary miravoravoa amin’i Jehovah hianao, dia homeny anao izay irin’ny fonao.” (Salamo 37:4). Ahoana no hahatanterahan’ny fanirian’ny foko, kanefa nanohitra aoka izany ny raiko. Na dia tao aza izany rehetra izany, dia nosaintsainiko ireo teny ireo ka nanohy nivavaka aho.

Tamin’ny farany, dia nanao drafitra aho. Nilaza tamin’ny raiko aho fa tsy nisy asa nifanaraka tamin’ny zavatra nianarako tao Bonnievale ka naniry ny ho any Cap aho. Hoy ny navaliny ahy: “Fantatro ny antony. Mba handehanana hivarotra bokin’ilay Rutherford mpitsara iny!” Nanaiky anefa izy.

Tany Cap, dia niasa mafy aho mba hahazoana izay hividianana kanonkanona sasany hilaiko eo am-panombohana ny fanompoana manontolo andro. Rehefa tafahaona tamin’ny mpiandraikitra ny sampana, George Phillips, aho, dia nipetraka ny zava-manahirana iray. Noho izaho avy ao amin’ny fitambaran’olona “afrikaner”, dia kely dia kely ny teny anglisy haiko, hany ka voatery nila fanampian’ny mpandika teny aho mba hiresahana amin’ny rahalahy Phillips. Ary tamin’ireo fivoriana dia tsy nisy azoko izay nolazaina, hany ka tsy nanatrika fivoriambe iray nalamina tao Cap aho satria tsy nisy zavatra azoko mihitsy rehefa nambara izany!

Tamin’ny novambra, dia nampahafantatra ahy ny rahalahy Phillips fa nomena fahafahana ny ho tonga mpitory maharitra tany Kimberley aho ary afaka nanomboka ny asako raha vao tamin’ny volana nanaraka. Nody tany an-tranoko aho mba hanao veloma ny fianakaviako. Tsy maintsy nanindry ny fihetseham-poko aho, satria nieritreritra fa tsy hahita intsony ny fianakaviako alohan’ny Hara-Magedona! Tsy nilaza tamin’izy ireo anefa aho fa niainga mba ho mpitory maharitra.

Ny 1 desambra 1941 aho no nanomboka ny raharahako tamin’ny naha-mpitory maharitra tany Kimberley. 19 taona aho tamin’izay. Avy eo dia nanoratra ho an’ireo ray aman-dreniko aho. Tsy nitahiry lolompo tamin’ny raiko aho noho ny fomba nitondrany ahy. Namaly ny reniko fa faly izy noho izaho afaka nahatanteraka ny fanirian’ny foko. ‘Niravoravo tamin’i Jehovah’ tokoa aho, satria nomeny ahy ‘izay nirin’ny foko’: ny asa manontolo andro.

Ny valin’ny ‘fanirian’ny foko’ hafa iray koa

Tamin’ny 1942, tamin’ny fivoriambem-pirenena voalohany natrehiko, tany Johannesburg, dia nanamarika ny fanoloran-tenako ho an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny batisa aho. Roa taona taty aoriana, dia tafahaona tamin’ny zazavavy mpitory maharitra iray, Lina Muller, aho. Samy nahatsiaro ho voasintona izahay, kanefa nifanaraka izahay mba hamela handalo ny fahoriana lehibe alohan’ny hieritreretana tsara ny hivady.

Nanomboka tamin’ny 1945 ny fiezahana manokana hanao fivoriana ampahibemaso. Tamin’izany fotoana izany aho dia nanompo an’Andriamanitra tany Vereeniging niaraka tamin’ny mpitory maharitra hafa roa, ka ny anankiray dia Frans Muller, anadahin’i Lina. Rehefa nandre firesahana ny amin’izany fiezahana manokana vaovao izany izahay, dia niteny anakampo fa tsy natao ho anay izany. Tsy nanana fanandraman-javatra mihitsy izahay tamin’ny naha-mpandahateny ampahibemaso. Noho ny famporisihan’ny fikambanana anefa, dia nifidy planin’ny lahateny izahay. Mba hanazaran-tena amin’ny fanaovana azy, dia naka toerana mangina teo amoron’i Vaal izahay, ka teo dia niteny tamin’ny “mpihaino” anay: ny renirano! Novalian-tsoa izahay rehefa iray volana taty aoriana, rehefa tsy ny olona 4 na 5 zatra manatrika ireo fivorianay intsony no nomarihinay fa olona 37 tamin’ny lahateny voalohany!

Tamin’ny 1947 aho dia voatendry ho mpiandraikitra ny fizaran-tany. Tamin’ny taona nanaraka dia nanambady an’i Lina aho. Hatramin’izay dia niasa mafy teo anilako ny vady malalako, namana mahatoky indrindra. Tamin’izany no nahazoana valin’ny ‘fanirian’ny foko’ hafa iray koa.

Fianarana tena lehibe

Tamin’ny 1953 izahay sy Lina dia nanana tombontsoa lehibe nanatrika ny fivoriamben’ny fikambanan’izao tontolo izao vaovao tany New York, any Etazonia. Izany no dianay voalohany tany an-tany hafa. Ary tamin’izay fotoana izay ny anankiray tamin’ireo rahalahinay kristiana no tonga mba hitsena anay teny amin’ny seranana mba hitondra anay ho any an-tranon’ilay fianakaviana Vavolombelona mainty hoditra izay nampiantrano anay. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanjary maminay tokoa io fianakaviana misy rahalahy sy anabavy malalanay io!

Sarobidy taminay tokoa io fanandraman-javatra io rehefa nanao ny asan’ny mpiandraikitra ny distrika aho taty aoriana tany amin’ireo Vavolombelona mainty hoditra eto Afrika Atsimo, satria matetika izahay no noraisina tany amin’ireo tokantrano tsotra dia tsotra tsy maintsy nipetrahanay teo amin’ny tany indraindray; indray mandeha aza izahay dia natory teo amin’ny tany.

Nanomboka tamin’ny 1966 izahay mivady dia manompo eto amin’ny Betelan’i Afrika Atsimo. Koa satria aho nandany efa ho 20 taona tamin’ny asa fitetezam-paritany, tamin’ny voalohany aho dia nahita fahasahiranana nizatra tamin’ny fiainana ao amin’ny Betela. Nahita fahafinaretana lehibe aho tamin’ny fivoahana nitory, nampianatra sy nampiofana ny hafa. Rehefa ela anefa ny ela, dia nianatra nankamamy aoka izany ny asan’ny Betela aho. Tamin’ny fotoana sasany aho dia nanana tombontsoa niasa tao amin’ny birao mikarakara ireo kongregasiona, ary hatramin’ny taona maro izao dia anisan’ny Komitin’ny sampana aho.

Rehefa mitodika ny lasa aho, dia mahatsiaro fa tamin’ny 1942, raha mbola tany Kimberley aho, dia nambara ny nahafatesan’ny prezidà J. Rutherford. Nanao izao famoaboasan-kevitra izao ny gazety iray: “Rehefa maty izao ny filohan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia hihamalazo sy ho faty io fandaminana io, toy ny voatavo eo ambanin’ny hafanambe.” Mifanohitra lavitra amin’izany, tamin’ny fomba mahafinaritra toy inona moa no nandrosoan’ny fandaminana tao anatin’ireo taona, na dia tao anatin’ireo afo mivaivain’ny fanenjehana aza.” Ary fitomboana mahatalanjona manao ahoana moa no voamarika eto Afrika Atsimo hatramin’ireo taona rehetra nanombohako ny fanompoako teto Bonnievale! Nisy Vavolombelona tokony ho 1000 teto Afrika Atsimo tamin’izany; amin’izao andro izao, dia 36000 mahery izy ireny.

Rehefa eritreretiko izay rehetra nataon’i Jehovah sy ny fandaminany sy nasehony tamiko tao anatin’ny taona maro, dia amporisihiko mafy ny Vavolombelona tanora rehetra mba hanome toerana ho an’ny asa manontolo andro araka izay azo atao. Valisoa lehibe no raisina avy amin’izany. Fantatro fa raha tsy mitsahatra ny miravoravo amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’i Jehovah aho, dia homeny ahy izay irin’ny foko: asa hahafaly ho mandrakizay.

[Teny notsongaina, pejy 9]

Nianatra ny hahalala sy ho tia tokoa an’ireo mpampiantrano anay mainty hoditra izahay.

[Teny notsongaina, pejy 12]

“Mijajirika eo tahaka ny anjely mpihatsaravelatsihy ialahy, hoy ny raiko nikiakiaka. Ho tsara kokoa raha nandeha ialahy ka maty!”

[Teny notsongaina, pejy 13]

Tamin’ny fomba mahafinaritra toy inona moa no nandrosoan’ny fandaminana tao anatin’ireo taona, na dia tao anatin’ny afo mivaivain’ny fanenjehana aza!

[Sary, pejy 10]

P. Wentzel sy Lina vadiny.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara