Fifandraisana Amin’ny Vady — Tsy Vitan’ny Firesahana Fotsiny
ALAO sary an-tsaina hoe misy mpizaha tany maro be mifanizina eo am-pijerena toerana taza-maso kanto iray. Na dia mitazana zavatra iray ihany aza ilay antokon’olona manontolo, dia mahita izany amin’ny fomba tsy mitovy ny olona tsirairay. Nahoana? Satria ny isam-batan’olona dia manana fomba fijery tsy mitovy. Tsy misy olona roa samy mijoro marina eo amin’ny toerana iray ihany. Ankoatra izany, tsy samy mifantoka amin’ny tapany iray ihany amin’ilay zavatra jerena akory ny rehetra. Ny olona tsirairay avy dia mahita lafiny samy hafa mahaliana manokana.
Marina koa izany ao anatin’ny fanambadiana. Na dia tena mifanaraka tsara aza izy ireo, dia tsy misy olon-droa manana fomba fijery zavatra mitovy tanteraka. Tsy mitovy ny mpivady eo amin’ny anton-javatra toy ny maha-izy azy ara-pihetseham-po, ny fanandraman-javatra teo amin’ny fahazazana, ary ny fitaoman’ny fianakaviana. Ny tsy fitovian’ny fahitan-javatra vokatr’izany dia mety ho tonga loharanom-pifandirana mafy. Nilaza tamim-pahatsorana toy izao ny apostoly Paoly: “Izay manam-bady dia hanam-pahoriana sy alahelo.” — 1 Korintiana 7:28, The New English Bible.
Ny fifandraisana amin’ny vady dia mahatafiditra ezaka mba handravona ireo tsy fitoviana ireo ao anatin’ny fifandraisan’ny nofo iray ihany. Izany dia mitaky ny hakana fotoana mba hiresahana. (Jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-7.) Mihoatra lavitra noho izany anefa no tafiditra.
Fampisehoana fahiratan-tsaina
Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Ny fon’ny hendry dia mahatonga ny vavany hampiseho fahiratan-tsaina, ary ho an’ny molony dia manampy fahaiza-mandresy lahatra izy io.” (Ohabolana 16:23, NW ). Ilay teny hebreo nadika eto hoe ‘mahatonga hampiseho fahiratan-tsaina’ dia midika hoe mitandrina, mandanjalanja amim-pitandremana ao an-tsaina. Araka izany, ny foiben’ny fifandraisana aman’olona mandaitra dia ny fo, fa tsy ny molotra. Ny olona iray mahay mifandray aman’olona dia tsy vitan’ny hoe olona mpiresaka fotsiny; tsy maintsy ho mpihaino mahatakatra ny fihevitry ny hafa izy. (Jakoba 1:19). Tsy maintsy mahatsikaritra ny fihetseham-po sy ireo tsy firaisan-kevitra izay fonosin’ny fihetsiky ny vadiny etỳ ivelany izy. — Ohabolana 20:5.
Amin’ny fomba ahoana? Indraindray izany dia azo atao amin’ny fandinihana ireo toe-javatra miseho manodidina ny fifandonana iray. Moa ve ny vadinao eo ambanin’ny fanerena lehibe ara-pihetseham-po na ara-batana? Misy tsy fahasalamana ve mandray anjara amin’ny toe-pon’ny vadinao? “Fifaliana toy inona moa ny mahita teny tena mety amin’ny fotoana mahamety azy!” hoy ny Baiboly. (Ohabolana 15:23, Today’s English Version). Koa ny fandinihana ny toe-javatra miseho dia hanampy anao hanao zavatra mifanaraka amin’izany. — Ohabolana 25:11.
Matetika anefa dia mamaka any amin’ireo raharaha ivelan’ny toe-javatra miseho ankehitriny ny anton’ilay fifandonana.
Fahatakarana ny lasa
Ireo fanandraman-javatra teo amin’ny fahazazana dia manao zavatra betsaka mba hamolavolana ny fisainantsika rehefa tonga olon-dehibe isika. Koa satria avy amin’ny fianakaviana tsy mitovy ny mpivady, dia tsy azo halavirina ny fiheverana mampifandona.
Manazava izany ny fisehoan-javatra iray voarakitra ao amin’ny Baiboly. Rehefa naverina tany Jerosalema ny fiaran’ny fanekena, dia nasehon’i Davida ampahibemaso ny hafanam-pony. Ahoana anefa ny amin’i Mikala vadiny? Mitantara toy izao ny Baiboly: “Nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin’i Saoly, ka nahita an’i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka teo anatrehan’i Jehovah; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.” — 2 Samoela 6:14-16.
Naneho ilay toe-po tsy nanam-pinoana tao amin’i Saoly, rainy ratsy fanahy, i Mikala. Nanipy hevitra i C. F. Keil sy i F. Delitzsch, mpanazava ny Baiboly, fa izany no antony nanisiana fitenenana an’i Mikala hoe “zanakavavin’i Saoly” fa tsy hoe vadin’i Davida, eo amin’ny andininy faha-16. Na ahoana na ahoana, ilay fifandirana nanaraka izany teo amin’izy ireo dia nampiseho mazava tsara fa tsy nanana fomba fijery nitovy ny amin’io fisehoan-javatra nahafaly io i Davida sy i Mikala. — 2 Samoela 6:20-23.
Asehon’io ohatra io fa mety hahatonga ny lehilahy iray sy ny vadiny hijery zavatra amin’ny fomba tsy mitovy tanteraka ny hery fitaomana miasa mangingina avy amin’ny fitaizana. Marina izany na dia samy tafaray amin’ny fanompoana an’i Jehovah aza izy roa. Ny vehivavy iray tsy nomena fanohanana ara-pihetseham-po sahaza fony izy mbola zaza, ohatra, dia mety hampiseho filana fankasitrahana sy fanomezan-toky tsy misy toy izany. Mety hahavery hevitra ny vadiny izany. “Afaka milaza aminy injato aho fa tia azy”, hoy ny mety ho fihiakany, “ary dia mbola tsy ho ampy ihany izany!”
Amin’io ohatra io, ny fifandraisana amin’ny vady dia mahatafiditra ny tsy ‘fiheverana ny soa ho an’ny tena ihany, fa ny ho an’ny namana koa’. (Filipiana 2:4, DIEM ). Mba hifandraisany amin’ny vadiny, ny lehilahy iray dia tsy maintsy mijery ny vadiny avy amin’ny fiheverana ireo fanandraman-javatra hitan-dravehivavy tamin’ny lasa fa tsy avy amin’ny fiheverana ny azy manokana. Ary mazava ho azy fa tokony ho voatosika hanao toy izany amin’ny vadiny koa ny vehivavy manambady. — 1 Korintiana 10:24.
Rehefa nisy fitondrana ratsy tamin’ny lasa
Tena ilaina indrindra ny fiheverana manokana rehefa misy iray amin’ireo mpivady voasavika na nisy nanimba fony mbola zaza — zava-manahirana izay mampalahelo fa tsy mitsaha-mitombo amin’izao andro izao. Mety ho hitan’ny vehivavy iray, ohatra, amin’ny fotoan’ny firaisana, fa tsy afaka manavaka ny ankehitriny amin’ny lasa izy, manavaka ny vadiny amin’ilay nahavanon-doza, na manavaka ny firaisan’ny lahy sy ny vavy amin’ny fametavetana. Mety hahakivy izany, indrindra fa raha tsy manisy fiheverana io raharaha ilana fitandremana io avy amin’ny fomba fijerim-badiny ilay lehilahy. — 1 Petera 3:8.
Na dia tsy afaka manafoana ny lasa na manasitrana tanteraka ny vokany aza ianao, dia afaka manao zavatra betsaka mba hampiononana ny vady ory. (Ohabolana 20:5). Amin’ny fomba ahoana? “Ianareo lehilahy dia tokony hiezaka hahatakatra ny fihevitry ny vehivavy andefimandry miara-miaina aminareo”, hoy ny nosoratan’i Petera. (1 Petera 3:7, Phillips). Tapany tena lehibe eo amin’ny fifandraisana amin’ny vady ny fahatakarana ny fiainan’ny vadinao tamin’ny lasa. Tsy hisy ilana azy ny teny ataonao raha tsy misy fangorahana feno fahatakarana ny fihevitry ny hafa.
“Onena” i Jesosy rehefa nifanena tamin’ireo izay narary, na dia mbola tsy nandalo manokana tamin’ny aretin’izy ireo mihitsy aza ny tenany. (Matio 14:14). Toy izany koa, mety ho tsy nandalo manokana tamin’ny fanaovana tsirambina sy fitondrana ratsy toy ny an-dravehivavy vadinao ianao, kanefa dia aza hamaivanina ny tebitebiny, fa ekeo kosa ny fiainany tamin’ny lasa, ary omeo ny fanohananao izy. (Ohabolana 18:13). Nanoratra toy izao i Paoly: “Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.” — Romana 15:1.
Voafandriky ny tsy fahafaliana
Toy ny vazy sarobidy iray ny fanambadiana. Rehefa simban’ny fanitsakitsaham-bady izy io, dia mitranga ny fahavoazana tsy hay tombanana. (Ohabolana 6:32). Marina fa raha manapa-kevitra ny hamela heloka ilay vady tsy diso, dia azo araikitra hitambatra ireo tapatapany, amin’ny alalan’ny fampihavanana. Mitoetra eo ihany anefa ireo tresatresaka, ary mandritra ny fifamaliana iray, dia mety hisy ny fironana hijery ireny tresatresaka ireny ka hampiasa ny lasa ho toy ny fiadiana.
Fihetsika ara-dalàna ny tsy fahafaliana eo anatrehan’ny fivadihan’ny vady. Raha efa namela ny vadinao anefa ianao, dia aza mamela ny fahasosorana maharitra hanafoana ny tsara vitanao tamin’ny famelan-keloka. Na kobonina mangina izy io, na hapoaka tsy misy indrafo, ny tsy fahafaliana mitombo dia manimba ny andaniny avy amin’ny mpivady. Nahoana? Mandroso hevitra toy izao ny dokotera iray: “Raha mahatsiaro tena ho voaratra ianao noho ny vadinao, izany dia satria mbola mihevitra azy ianao. Koa amin’ny fandavana indray izay efa nekena, na amin’ny fitadiavana valifaty, dia tsy vitan’ny hoe mandratra ny vadinao fotsiny ianao fa manapotika ny tenanao koa. Vao mainka ianao mandrava ilay fifandraisana izay irinao hositranina.”
Eny, tsy afaka mandravona tsotra izao ireo tsy fitoviana ao amin’ny fanambadianao ianao raha tsy mampitony ny fahatezeranao. Noho izany, amin’ny fotoana izay tsy mampahafana ny fihetseham-po, dia resaho amin’ny vadinao ny fihetseham-ponao. Hazavao ny antony ahatsiarovanao tena ho voaratra sy izay ilainao mba tsy hananana ahiahy, ary izay hataonao mba hiarovana ilay fifandraisana. Aza mampiasa na oviana na oviana ny lasa ho toy ny fiadiana mba hisehoana ho mahery kokoa fotsiny eo amin’ny ady hevitra iray.
Manimba ny fifandraisana amin’ny vady ny fidorohana
Mandalo fahoriana mafy ny fanambadiana rehefa mampiasa amin’ny fomba ratsy ny alkaola sy ny zava-mahadomelina ny iray amin’ny mpivady. Ilay vady tsy mpidoroka dia mety ho ao anatin’ny tarehin-javatra mitovy amin’ny an’i Abigaila, araka ny voatantara ao amin’ny Baiboly. Raha “mamo mbola tsy nisy toy izany” i Nabala vadiny, i Abigaila dia nifofotra mafy nanandrana nanodina ny vokatry ny fitondran-tenany tsy nampiseho fahendrena. (1 Samoela 25:18-31, 36, NW ). Mitovy amin’ny ankohonan’i Nabala sy i Abigaila matetika ny fanambadiana misy andaniny iray voa mafy noho ny fidorohana ary ny ankilany revo amin’ny fiezahana manova ny fitondran-tenan’ilay mpidoroka.a
Takatra mora foana fa misy fahamaivamaivanana lehibe tsapa rehefa manomboka sitrana ny mpidoroka iray. Vao fanombohana fotsiny anefa izany. Alao sary an-tsaina ny rivo-doza mafy iray mahatonga fandravana lehibe eo amin’ny tanàna kely iray. Misy trano mirodana, hazo miongotra, taribin-telefaonina mianjera amin’ny tany. Misy fifaliana lehibe rehefa mitsahatra ilay tafio-drivotra. Izao anefa dia ilaina ny asa fanarenana goavana. Marina koa izany rehefa manomboka mihasitrana ny vady iray. Tsy maintsy atsangana indray ireo fifandraisana nirodana. Tsy maintsy averina aorina indray ny fatokiana sy ny tsy fivadihana. Ilaina ny fanorenana indray ireo fomba fifandraisana amin’ny vady. Ho an’ny olona iray niala tamin’ny fahazaran-dratsy, io fanorenana indray tsikelikely io dia anisan’ilay “toetra vaovao” izay takin’ny Baiboly mba hambolen’ny Kristiana. Io toetra vaovao io dia mahatafiditra “ny hery izay manetsika ny sainareo”. — Efesiana 4:22-24, NW.
Ny fianarana ny Baiboly dia nahatonga an’i Leonard sy i Elaine ho afaka nitsahatra tsy hidoroka zava-mahadomelina, saingy tsy nandray anjara tamin’ny fomba feno ilay hery manetsika ny saina.b Tsy ela dia nisy fahazaran-dratsy hafa nipoitra. “Nandritra ny 20 taona dia niezaka hampihatra ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly sy hanana fanambadiana mahafa-po izahay, kanefa dia tsy nety ho azonay foana izany”, hoy i Elaine. “Namaka lalina ireo fahazaran-dratsinay. Tsy afaka nanaisotra azy ireo tamin’ny alalan’ny fianarana sy ny vavaka izahay”.
Nitady fitarihan’ny manam-pahaizana manokana i Leonard sy i Elaine mba hahatakarana ny anton’ny fahazaran-dratsin’izy ireo. Tamin’ny fotoana nilana azy indrindra dia nisy lahatsoratra avy amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina” mikasika ny fanimbana ankizy sy ny alkaolisma ary ny fanajana ny vehivavy izay nanampy tamin’ny fomba manokana.c (Matio 24:45-47). “Nampiana izahay mba hanamboatra ny simba ary hamerina tamin’ny laoniny ny fifandraisanay”, hoy i Elaine.
Fandaminana zava-manahirana
Nahatsiaro tebiteby tsy zaka momba ireo vadin’i Esao, zanany lahy, i Rebeka. Noho ny fahatahorany fandrao hanaraka ny ohatr’i Esao koa i Jakoba, zanany lahy hafa iray, dia namboraka ny fahakiviany i Rebeka, tamin’ny filazana tamin’i Isaka vadiny hoe: “Tsy te-ho velona aho noho ireny zanakavavin’ny Hetita; raha maka vady amin’ny zanaka vavin’ny Hetita Jakoba, tahaka ireto izay avy amin’ny zazavavy tompon-tany, koa hataoko inona ny aiko?” — Genesisy 27:46.
Mariho fa na dia nilaza tamin’ny fomba hentitra ny amin’ny fihetseham-pony aza i Rebeka, dia tsy namely an’i Isaka manokana izy. Tsy nilaza izy hoe: “Fahadisoanao izao!” na hoe: “Tokony ho nofehezinao tamin’ny fomba tsaratsara kokoa io tarehin-javatra io!” Tsy izany fa nampiasa ny mpisolo anarana hoe “aho” i Rebeka mba hilazalazana ny fiantraikan’ilay zava-nanahirana teo amin’ny tenany. Io fihetsika io dia nanaitra ny fahaizan’i Isaka nahatakatra ny fihevitry ny hafa, fa tsy ny faniriany hiaro ny voninahiny. Noho izy tsy nahatsiaro tena ho nasiana manokana, dia toa novalian’i Isaka avy hatrany ny fiangavian’i Rebeka. — Genesisy 28:1, 2.
Afaka mianatra avy amin’ny ohatr’i Rebeka ireo lehilahy sy vehivavy manambady. Rehefa mipoitra ny fifandonana, dia ilay zava-manahirana no asio, fa tsy ianareo samy ianareo. Sahala amin’i Rebeka, dia ambarao ny fahakivianao avy amin’ilay fomba fijery hoe: amin’ny ahoana izy io no misy akony eo aminao. Mandaitra kokoa ny hoe: “Kivy aho satria (...)”, na “Tsapako fa tsy takatra ny hevitro satria (...)”, noho ny hoe: “Manakivy ahy ianao!” na “Tsy mahatakatra ny hevitro mihitsy ianao!”
Tsy vitan’ny faharetana
Naharitra an-jatony taona maro ny fanambadian’i Adama sy i Eva, mpivady olombelona voalohany, ka niteraka fianakaviana iray nisy zanaka lahy sy zanaka vavy. (Genesisy 5:3-5). Izany anefa dia tsy midika fa mendrika hotahafina ny fanambadian’izy ireo. Tany am-piandohany dia nanimba ilay fatorana naha-nofo iray azy ireo ny toe-tsaina tsy tia fiankinana sy ny tsy firaharahana ny lalàna marin’ny Mpamorona.
Toy izany koa, ny fanambadiana iray amin’izao andro izao dia mety haharitra, kanefa dia mety tsy hanana ireo foto-javatra tena ilain’ny fifandraisana amin’ny vady. Misy fanjohian-kevitra voaro mafy sy lafin-toetra tsy mendrika mety ho tsy maintsy hongotana. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 10:4, 5.) Fomba fianarana mitohy hatrany izany. Kanefa dia mendrika hatao ilay fiezahana. Mahaliana an’i Jehovah Andriamanitra lalina ny fandaharana momba ny fanambadiana, satria izy no Mpamorona azy. (Malakia 2:14-16; Hebreo 13:4). Noho izany, raha manao ny anjarantsika isika, dia mahazo matoky fa hahita ny fiezahantsika izy ary hanome antsika ny fahendrena sy ny tanjaka ilaina mba hanasitranana izay mety ho faharavan’ny fifandraisana amin’ny vady. — Ampitahao amin’ny Salamo 25:4, 5; 119:34.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny fanampiana ireo fianakavian’ny mpisotro toaka dia voaresaka ao amin’ny nomeraon’ny Réveillez-vous! 22 May 1992, pejy faha-3-7.
b Novana ireo anarana.
c Jereo ny nomeraon’ny Réveillez-vous! tamin’ny 8 Oktobra 1991, 22 May 1992, sy ny 8 Jolay 1992.
[Efajoro, pejy 6]
“Nomena Fotoana Betsaka Kokoa ny Fako!”
NISY mpivady iray nahita fahasahiranana ara-panambadiana nasaina nanombana ny fotoana lanin’izy ireo nanariana fako isan-kerinandro. Ny valin-tenin’izy ireo dia hoe teo amin’ny 35 minitra teo ho eo isan-kerinandro, na 5 minitra isan’andro. Avy eo izy ireo dia nanontaniana ny amin’ny fotoana laniny teo amin’ny fiarahana mitapatapakahitra. Taitra mafy ilay lehilahy. “Nomena fotoana betsaka kokoa ny fako!”, hoy ny nambarany tamin’ny fanampiana teny hoe: “Mamita-tena isika raha mieritreritra fa fotoana ampy ny dimy minitra isan’andro mba hitanana ny fanambadiana iray tsy ho simba. Ary azo antoka fa tsy fotoana ampy mba hampiroboroboana ny fanambadiana izany.”
[Efajoro, pejy 7]
Manorena Fitsipika ho Fanaovan-javatra
◻ Miresaha foto-kevitra iray isaky ny milaza zavatra (1 Korintiana 14:33, 40)
◻ Ambarao ny fihetseham-po; aza manao fiampangana (Genesisy 27:46)
◻ Tsy misy famelezana (Efesiana 5:28, 29)
◻ Tsy misy fanevatevana (Ohabolana 26:20)
◻ Kendreo ny mba hampihavana, fa tsy ny handresy (Genesisy 13:8, 9)
[Sary, pejy 4]
Rehefa mipoitra ny fifandonana, dia ilay zava-manahirana no asio, fa tsy ianareo samy ianareo
[Sary, pejy 8]
Ambarao ny fihetseham-ponao; aza manao fiampangana