Ny Fomba Azon’ny Kristiana Anampiana ny Be Taona
“TSY ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan-andro isan-andro kosa ny toetray anatiny. (...) Tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.” Toy izany no tenin’ny apostoly Paoly tao amin’ny taratasiny faharoa ho an’ny Korintiana. — 2 Korintiana 4:16-18.
Tamin’ny andro fahiny, ireo lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana dia nitana ny mason’izy ireo ho amin’ireo zavatra tsy hita, izay mahatafiditra ireo zavatra rehetra nampanantenain’i Jehovah Andriamaniny hatao amin’ny fotoana mety. Ao amin’ny bokin’ny Hebreo, i Paoly dia midera ny olona toy izany, izay nitana ny finoany mandra-pahatongan’ny fotoana nahafatesany — ary ny sasany taminy dia efa tena tratra antitra. Nanondro azy ireo ho ohatra ho antsika izy tamin’ny filazana hoe: “Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy”. — Hebreo 11:13.
Amin’izao andro izao isika dia tena akaiky ny fahatanterahan’ireo fampanantenana ireo. Kanefa eo ireo marary sy be taona eo amintsika izay tsy mahazo antoka fa ho velona mba hahita ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ ny tenany manokana. Angamba ny sasany amin’ireo koa dia ho faty amim-pinoana tsy hahita ireo fampanantenana rehetra tanteraka mandritra izao androm-piainany izao. Ho an’ny olona toy izany, dia afaka mampahery tokoa ny tenin’i Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 4:16-18.
Tsaroan’i Jehovah ireo olony mahatoky rehetra, anisan’izany ny marary sy ny be taona. (Hebreo 6:10). Ireo be taona mahatoky dia resahina amim-panajana ao amin’ny toerana maromaro ao amin’ny Baiboly, ary tao amin’ny Lalàn’i Mosesy dia nisy firesahana manokana ny amin’ny fanajana tokony haseho amin’ny be taona. (Levitikosy 19:32; Salamo 92:12-15; Ohabolana 16:31). Teo amin’ireo Kristiana voalohany, dia nentina tamim-panajana ireo be taona. (1 Timoty 5:1-3; 1 Petera 5:5, NW ). Ny boky iray ao amin’ny Baiboly dia mirakitra filazalazana kanto ny amin’ny fiahiana feno fitiavana sy ny fahafoizan-tena manohina ny fo nasehon’ny vehivavy tanora iray tamin-drafozam-baviny be taona. Amin’ny fomba mety indrindra no itondran’ilay boky ny anaran’io vehivavy tanora io hoe Rota.
Mpanampy iray be fandavan-tena
Nangidy ny fiainana ho an’i Naomy efa be taona. Nisy mosary nanery azy sy ny ankohonany kely, handao namana sy lova tany Joda, ary hiaina tany atsinanan’ny Onin’i Jordana, tany amin’ny tany Moaba. Maty tao ny vadin’i Naomy, namela azy ho irery niaraka tamin’ny zanak’izy ireo roa lahy. Tatỳ aoriana ireo dia nihalehibe ary nanambady, kanefa dia maty koa avy eo. Tavela tsy nisy mpandova mba hikarakara azy i Naomy.
Efa antitra loatra izy mba hanomboka fianakaviana vaovao iray, ary toa tsy nanan-katolotra firy ho azy ny fiainana. Tsy tamim-pitiavan-tena, dia niriny ny handefa hody tany an-tranon-dreniny an’i Rota sy i Orpa, vady navelan’ny zanany roa lahy, mba hahitan’izy ireo vady ho an’ny tenany. Ho nandeha nody irery tany amin’ny tany nahaterahany izy. Amin’izao andro izao koa, dia mahatsiaro tena ho ketraka ny be taona sasany, indrindra fa raha namoy olo-malala tao amin’ny fahafatesana izy ireo. Sahala amin’i Naomy, dia mety hila olona hikarakara azy izy ireo, kanefa dia tsy maniry ny ho tonga enta-mavesatra.
Tsy nandao ny rafozam-baviny anefa i Rota. Tia an’io vaviantitra io izy, ary tiany i Jehovah, ilay Andriamanitra nivavahan’i Naomy. (Rota 1:16). Koa niara-niainga hiverina tany Joda izy ireo. Tany amin’io tany io, dia nisy fandaharana iray feno fitiavana teo ambanin’ny Lalàn’i Jehovah: afaka nitsimpona na nanangona izay rehetra tavela teny an-tsaha ny mahantra, rehefa vita ny fijinjana. I Rota, izay tanora kokoa, dia nanolo-tena an-tsitrapo hanao io asa io tamin’ny filazana hoe: “Aoka aho hankany an-tsaha”. Niasa tsy nety sasatra izy ho tombontsoan’izy mianaka. — Rota 2:2, 17, 18.
Ny tsy fivadihan’i Rota sy ny fitiavany an’i Jehovah dia fampaherezana lehibe ho an’i Naomy izay nanomboka nieritreritra tamin’ny fomba nanorina sy nijery lafy tsaran-javatra. Nahasoa izao ny fahalalany ny Lalàna sy ny fomban-tany. Nanome torohevitra feno fahendrena an’ilay mpanampy azy be fandavan-tena izy, mba hahafahan’ilay vehivavy tanora hahazo indray ny lovam-pianakaviana sy hanan-janaka mba hanohy ny tetirazam-pianakaviana, tamin’ny alalan’ny fanambadiana fitondrana loloha. (Rota, toko faha-3). Ohatra kanto iray i Rota ho an’ireo izay maneho fahafoizan-tena lehibe mba hikarakarana ny marary na ny be taona. (Rota 2:10-12). Be ny azo atao toy izany ao anatin’ny kongregasiona amin’izao andro izao, mba hanampiana ny marary sy ny be taona. Amin’ny fomba ahoana?
Sarobidy ny fandaminan-javatra
Tao amin’ny kongregasiona kristiana tany am-boalohany, dia nisy lisitra notanana ny amin’ireo vehivavy mpitondra tena nila fanohanana ara-nofo. (1 Timoty 5:9, 10). Toy izany koa amin’izao andro izao, amin’ny toe-javatra sasany, dia mety hanao lisitra momba ireo marary sy be taona mila fiheverana manokana ireo loholona. Any amin’ny kongregasiona sasany dia misy loholona iray asaina mikarakara izany ho toy ny andraikiny manokana. Koa satria be taona maro, sahala amin’i Naomy, no tsy mirona hitady fanampiana, izany rahalahy izany dia mila mahay mamakafaka tarehin-javatra, ary — amim-pahaiza-mandanjalanja sy amim-pahamalinana — manao izay hahazoana antoka fa vita ireo zavatra ilaina. Azony atao, ohatra ny mijery raha manana zavatra voaomana ampy tsara ho an’ny marary sy ny be taona ny Efitrano Fanjakana. Raha vonona ny hanao zavatra izy, dia mety hihevitra raharaha toy ny fidinana miraika ho an’ny seza mikorisa, trano fidiovana mifanentana, fitaovana fanampiana ny sofina ho an’ireo tsy mandre tsara, ary toerana ho an’ireo seza manokana. Io rahalahy io koa dia afaka manao izay hahazoana antoka fa izay rehetra tsy afaka mankany amin’ny Efitrano Fanjakana dia afaka mindrana horonam-peo misy ireo fivoriana na mihaino ireo fivoriana ireo amin’ny alalan’ny fampifandraisana an-telefaonina.
Mety hisy ilana koa ny handaminana fitaterana ho amin’ireo fivoriana sy fivoriambe. Nanan-java-nanahirana ny anabavy be taona iray satria tsy afaka ilay mpitondra azy tsy tapaka tany amin’ireo fivoriana. Voatery niantso an-telefaonina olona maro izy vao nahita olona hitondra azy tamin’ny farany, ary noho izany dia nanjary nihevi-tena ho enta-mavesatra izy. Ny fandaharana iray amina loholona izay afaka mikarakara ny raharaha rehetra toy izany dia ho nanamaivana kokoa ny fahasanganehany.
Afaka manontany fianakaviana samihafa koa io loholona io, raha maniry hifandimby hitsidika ny be taona izy ireo. Amin’izany fomba izany dia hianaran’ireo ankizy fa ny fikarakarana ny be taona dia anisan’ny fiainana kristiana. Tsara ny hianaran’ny ankizy miantsoroka io andraikitra io. (1 Timoty 5:4). Hoy ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray: “Teo amin’ny fanandraman-javatra hitako, dia ankizy na tanora vitsy dia vitsy no mitsidika be taona na marary noho ny nahim-pony manokana.” Angamba tsy nieritreritra izany fotsiny izy ireo, na mety tsy mahazo antoka ny amin’izay tokony hatao na tokony holazaina; afaka mampianatra azy ireo izany ny ray aman-dreny.
Tsarovy anefa fa ny ankamaroan’ny be taona dia mankasitraka ny fahafantarana mialoha fa ho tonga ny namana iray. Izany dia manome azy ireo ilay fifaliana fanampiny entin’ny fiandrasana mpitsidika iray. Raha mitondra sakafo maivana, toy ny kafe na mofo mamy, ireo mpitsidika ary manadio haingana rehefa avy eo, dia voasoroka ny enta-mavesatra fanampiny ho an’ilay be taona. Ny mpivady be taona iray, izay samy mbola matanjaka tsara, dia manana andro iray isan-kerinandro hamenoan’izy ireo ny harona fitondra mitsangatsangana iray, ary dia mandeha manao fitohitohizana fitsidihana an’ireo be taona ao amin’ny kongregasiona. Tena ankasitrahana tokoa ny fitsidihan’izy ireo.
Ho tombontsoan’ireo be taona, dia misy kongregasiona maro manana Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona atao amin’ny antoandro. Tamin’ny toerana iray, dia nanontaniana ny fianakaviana sy ny mpitory mpitovo sasany raha vonona sy afaka manohana izany antokon’olona izany, ary ny vokany dia antokon’olona niray fianarana ny boky izay nisy be taona sy tanora kokoa afaka nifampikarakara.
Tsy tokony havela ho an’ny loholona irery ny fanombohan-javatra eo amin’io lafiny io. Samy tokony hahafantatra izay ilain’ireo marary sy be taona avokoa isika rehetra. Afaka miarahaba azy ireo isika any amin’ny Efitrano Fanjakana, ary maka fotoana mba hiresahana aminy. Mety ho raisina tsara ny fanasana iray ho amin’ny fiarahana tsotsotra. Na afaka manasa azy ireo isika hiara-mitsangantsangana amintsika, na hiara-manao vakansy amintsika mihitsy aza. Matetika ny Vavolombelona iray dia nitondra mpitory be taona niaraka taminy tao amin’ny fiarakodiany, rehefa nivoaka ny tanàna izy nanao fitsidihana noho ny asany. Zava-dehibe ny fanampiana ireo be taona hanohy hahatsiaro tena ho tafiditra amin-javatra. Aza mamela azy hitoka-monina, toy ny saika nataon’i Naomy, fa izany dia hanafaingana ny fandroson’ny fahanterana na ny fahosana.
Mila fiheverana koa ireo tanora izay kilemaina na marary. Hoy ny Vavolombelona iray nanan-janaka telo lahy narary tsy azo nositranina, ka ny roa tamin’izany dia efa maty: “Mety ho sarotra ho an’ny kongregasiona iray ny hanohy haneho fiheverana rehefa misy olona manana aretina mitohy mandritra ny fotoana lava be. Nahoana raha manendry mpitory tanora azo ianteherana sasany mba hiara-midinika ny teny natao hovakina isan’andro sy hamaky toko iray avy ao amin’ny Baiboly isan’andro amin’ny naman’izy ireo tsy afa-miala eo am-pandriana? Afaka mifandimby ireo tanora, tafiditra amin’izany ireo mpisava lalana.”
Rehefa toa tsy azo ialana ny fahafatesana
Ireo mpanompon’i Jehovah dia niatrika tamin-kerim-po foana ny fahafatesana, na noho ny aretina izany na noho ny fanenjehana. Rehefa manomboka mahatsapa ireo olona mijaly fa mety ho efa akaiky ny fahafatesana, dia ara-dalàna ny ananany fihetseham-po hafa. Aorian’ny fahafatesan’izy ireny, ireo havany koa dia handalo fotoana isian’ny fanovana sy alahelo ary fanekena. Koa matetika dia tsara ho an’ilay olona tsy salama ny miresaka ankarihary momba ny fahafatesana, toy ny nataon’i Jakoba sy i Davida ary i Paoly. — Genesisy, toko faha-48 sy faha-49; 1 Mpanjaka 2:1-10; 2 Timoty 4:6-8.
Nanoratra toy izao ny dokotera iray izay Vavolombelona: “Tsy tokony hanafinafin-javatra mihitsy isika amin’io lafiny io. Mbola tsy nahita mihitsy aho teo amin’ny asako, hoe nahasoa ny marary iray ny fanafenana taminy fa hitarika ho amin’ny fahafatesana ny aretiny.” Na dia izany aza, ilaintsika ny mahatakatra izay irin’ny tenan’ilay marary hofantarina, sy ny fotoana iriny hahafantarana izany. Misy marary sasany milaza mazava fa fantatr’izy ireo hoe akaiky ny fahafatesana, ary ilain’izy ireo ny miresaka ny amin’ny eritreriny sy ny fihetseham-pony momba izany. Ny hafa dia toa mikiry manantena, ary tsara raha miara-manantena aminy ireo namany. — Ampitahao amin’ny Romana 12:12-15.
Ny olona iray madiva ho faty dia mety ho reraka na ho very hevitra aoka izany ka sarotra aminy ny hivavaka. Azo inoana fa hampionona izany marary izany ny fahafantarana avy amin’ny Romana 8:26, 27 (DIEM ) fa Andriamanitra dia mahatakatra ireo “sento tsy hay ambara amin-teny”. Fantatr’i Jehovah fa mety ho sahirana hahita ireo teny ho amin’ny vavaka ny olona iray ao anatin’ny fihenjanana toy izany.
Rehefa azo atao izany, dia zava-dehibe ny hiaraha-mivavaka amin’ny marary iray. Nitantara toy izao ny rahalahy iray: “Rehefa nadiva ho faty ny reniko ary tsy nanan-kery hitenenana intsony izy, dia nasehony tamin’ny fifamihinan’ny tanany fa naniry ny hiarahanay nivavaka taminy izy. Taorian’ny vavaka nataonay, dia nihira hiran’ilay Fanjakana iray izahay, satria tena tia mozika tokoa ny reniko hatramin’izay. Tamin’ny voalohany dia nimonomonona ilay feo izahay, ary avy eo dia nihira moramora ny tonony. Niharihary fa nankafy izany izy. Tsy isalasalana fa ireny fihirana ireny, izay ampifandraisinay amin’ny fiainanay amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah, dia mampiseho ireo fihetseham-po izay mety ho sarotra hambara raha tsy toy izany.”
Ny firesahana amin’ny olona iray madiva ho faty dia mitaky fitiavana, fahaiza-mandanjalanja, ary fangorahana. Ny mpitsidika iray dia afaka manomana zavatra holazaina mampahery sy manatanjaka ny finoana, ary tokony ho mailo izy mba hanalavitra resaka tsy manorina momba ny hafa sy ny zava-manahirana azy ireo. Tokony hampifanarahana amin’izay antonony sy izay mifanentana koa ny faharetan’ny fitsidihana. Raha toy ny tsy mahatsiaro tena ilay marary, dia tsara hotadidiana fa mety ho mbola afaka handre izay lazaina ihany izy. Koa mitandrema amin’izay lazainao.
Andraikitra iarahantsika manana
Andraikitra mavesatra ny fikarakarana ny marary sy ny be taona. Ho an’ireo akaiky indrindra ilay marary, izany dia mitaky betsaka, sady ara-batana no ara-pihetseham-po. Mila sady mendrika ny fahatakarana sy ny fanampiana avy amin’ny sisa amin’ny kongregasiona izy ireo. Manao ny tsara ireo izay mikarakara mpianakavy na mpiray finoana marary, na dia hidika aza izany fa tsy hanatrika fivoriana sasany izy ireo, na hihena mandritra ny vanim-potoana iray ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny asa fanompoana. (Ampitahao amin’ny 1 Timoty 5:8.) Hahazo tanjaka izy ireo amin’ny fihetsika feno fahatakarana asehon’ny kongregasiona. Indraindray ny rahalahy iray, na ny anabavy iray dia mety ho afaka hisolo toerana vonjy maika mba hahafahan’ilay mpikarakara tsy tapaka hanatrika fivoriana iray na hanana ora vitsivitsy mamelombelona eo amin’ny asa fitoriana.
Mazava ho azy, fa raha ny tenanao mihitsy no marary, dia afaka manao zavatra koa ianao. Mety hahatonga anao ho kitokitoina ny tsy fananana fanantenana sy ny tsy fahafahana manoatra noho ny kilemanao. Ny fahakitokitoina anefa dia mampitokana ny olona iray ary mampihataka ny hafa. Afaka miezaka ny hampiseho fankasitrahana sy ho tia miara-miasa kosa ianao. (1 Tesaloniana 5:18). Mivavaha ho an’ny hafa izay mijaly. (Kolosiana 4:12). Saintsaino ireo fahamarinana mahatalanjona ao amin’ny Baiboly, ary iaraho midinika amin’ireo mpitsidika izany. (Salamo 71:17, 18). Aoka ianao ho dodona haharaka ny fandrosoana manatanjaka finoana ataon’ny vahoakan’Andriamanitra. (Salamo 48:12-14). Misaora an’i Jehovah noho ireo fisehoan-javatra mahasambatra ireo. Ny fisaintsainana zavatra toy izany dia afaka manome ho an’ireo andro sisa iainanao ny hakantony manokana, toy ny masoandro mody iray izay mandefa hazavana lalina kokoa sy mafana kokoa mihitsy aza noho ny masoandro amin’ny mitataovovonana.
Tokony hiady mafy isika rehetra mba hitanana ny fanantenana izay miaro ny saintsika toy ny fiarovan-doha, indrindra amin’ny fotoam-pisedrana. (1 Tesaloniana 5:8). Tsara ny misaintsaina ny fanantenana fitsanganan’ny maty sy ny fototra mafy iorenany. Azontsika tsinjovina mialoha amin-toky sy amim-piandrandrana fatratra ilay andro tsy hisian’ny aretina na fahosana noho ny fahanterana intsony. Amin’izay, dia ho salama ny tsirairay. Na dia ny maty aza dia hiverina. (Jaona 5:28, 29). Ireny zavatra “tsy hita” ireny dia hitantsika amin’ny mason’ny finoantsika sy ny fontsika. Aoka ianao tsy hanala azy ireo eo imasonao mihitsy. — Isaia 25:8; 33:24; Apokalypsy 21:3, 4.