FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 1/10 p. 29-30
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Mitovitovy Aminy
  • Aza miray zioga amin’ny tsy mino
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Aoka isika hiaro ny firaisan-tsaina kristiana eo amin’ny fifandraisana amin’ny r
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 1/10 p. 29-30

Fanontanian’ny Mpamaky

Mety ho an’ny Kristiana iray ve ny miombon-draharaha amin’ny tsy mpino iray, satria milaza amintsika ny Baiboly hoe: “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino”?

Mahita izany torohevitra izany isika ao amin’ny 2 Korintiana 6:14-16: “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina? Ary inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan’ny anjaran’ny mino sy ny tsy mino? Ary inona no ikambanan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy?”

Tsy misy antony tokony hinoana fa nanolotra io torohevitra io ny apostoly Paoly tamin’ny fikendrena ny hanorina fandrarana voafaritra tsara, toy ny hoe fandrarana ny Kristiana iray tsy hiombon-draharaha amin’ny tsy mpino. Azo antoka anefa fa ny torohevitra nomeny dia mifandray tsara amin’izany sy amin’ny lafin-javatra hafa eo amin’ny fiainana koa.

Nanoratra io torohevitra io ho an’ireo rahalahiny kristiana tany Korinto fahiny i Paoly. Noho izy ireo nipetraka tao amin’ny tanàna iray izay feno faharatsiana tokoa, dia voatery niady isan’andro tamin’ny loza ara-pitondran-tena sy ara-panahy izy ireo. Raha tsy nitandrina izy ireo, ny fetezana ho voan’ny fitaomana tsy mahasoa dia afaka nampahosa tsikelikely ny fahatapahan-keviny ho vahoaka miavaka, “taranaka voafidy, fanjakà-mpisorona, firenena masina, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany”. — 1 Petera 2:9.

Talohan’ny nanoratany an’izay hita ao amin’ny 2 Korintiana 6:14-16, dia nandamina zava-nanahirana lehibe teo amin’ireo rahalahiny korintiana i Paoly. Navelan’izy ireo hisy teo anivony ny fanaovana fahalotoam-pitondran-tena lehibe, koa nanome toromarika azy ireo hanala, na handroaka ilay mpanota tsy nibebaka i Paoly. (1 Korintiana 5:1). Ny ratsy nataon’izany lehilahy izany dia nampiseho fa ny naman-dratsy na ny faharevoana tsy misy fitandremana ao amin’ny rivo-piainana ara-pitondran-tenan’izao tontolo izao dia mety hisy akony eo amin’ny Kristiana.

Tokony ho nanalavitra ny fifaneraserana tamin’ilay lehilahy voaroaka ireo Kristiana tany Korinto, kanefa nidika ve izany fa nila nisaraka tanteraka tamin’ireo tsy mpino izy ireo? Nasaina nanalavitra saiky ny fifandraisana na fifampiraharahana rehetra tamin’ny tsy Kristiana ve izy ireo, ka ho tonga karazana antokom-pivavahana mitoka-monina, toy ireo Jiosy izay nisintaka tany Qumran, any akaikin’ny Ranomasina Maty? Aoka hamaly izany i Paoly: “Nanoratra taminareo teo amin’ny epistily aho mba tsy hiharoharoanareo amin’izay mpijangajanga; nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin’izao tontolo izao (...) fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin’izao tontolo izao hianareo.” — 1 Korintiana 5:9, 10.

Mazava ny tian’ireo teny ireo holazaina. Takatr’i Paoly fa mbola eto amin’itỳ planeta itỳ ny Kristiana, niaina sy saiky nanana fifandraisana isan’andro tamin’ny tsy mpino izay nanana fari-pitondran-tena ambany sy fari-pitsipika hafa. Koa satria saiky tsy azo ialana tanteraka izany, dia tokony ho mailo ny Kristiana amin’ireo loza avy amin’ny fifampikasohana toy izany.

Izao dia aoka isika handinika indray ny taratasy faharoan’i Paoly ho an’ny Korintiana. Nasehony fa ireo Kristiana voahosotra dia lazaina fa minisitr’Andriamanitra, ambasadaoro misolo tena an’i Kristy. Nilaza tamin’izy ireo izy mba hitandrin-tena amin’ny izay rehetra mety hahatonga fanafintohinana ka mety hampiseho amin’ny fomba ratsy ny fanompoan’izy ireo. (2 Korintiana 4:1–6:3, NW ). Nampirisihin’i Paoly mivantana ireo rahalahiny korintiana, izay toy ny zanany ara-panahy, mba hihamalalaka eo amin’ny firaiketam-pon’izy ireo. (2 Korintiana 6:13). Taorian’izany dia nampirisika toy izao izy: “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino.” Nampiasa fitohitohizana fifanoherana nampiseho fahaiza-mandaha-teny izy mba hanasoritana io hevitra io.

Asehon’ny teny manodidina fa i Paoly dia tsy nifantoka tamin’ny lafim-piainana voafaritra tsara sasany, toy ny fandraharahana na asa, ary tsy namoaka fitsipika ofisialy izay tokony hanerena ny hafa eo amin’io lafiny io. Nanome torohevitra malalaka sy azon’ny saina ekena ary mahasoa ho an’ireo rahalahy izay tiany aoka izany kosa izy.

Moa ve io torohevitra io mihatra, ohatra, amin’ny toe-javatra misy ny Kristiana iray izay liana amin’ny fanambadiana? Izany dia izany tokoa. Tao amin’ny taratasiny voalohany, ilay apostoly dia nanoro hevitra ny Korintiana izay naniry hanambady mba hanao izany “ao amin’ny Tompo ihany”. (1 Korintiana 7:39). Nohamafisiny ny maha-feno fahendrena ireo teny ireo tamin’izay nosoratany tatỳ aoriana, araka ny voalaza ao amin’ny 2 Korintiana 6:14-18. Raha mikasa hanambady olona izay tsy mpanompon’i Jehovah sy tsy mpanara-dia an’i Kristy ny Kristiana iray, dia hoheverina ho mifamatotra amin’ny tsy mpino izy. (Ampitahao amin’ny Levitikosy 19:19; Deoteronomia 22:10.) Mazava fa ny tsy fifanarahan-toetra fototra dia hampitombo ireo zava-manahirana azo inoana fa hitranga, anisan’izany ireo zava-manahirana ara-panahy. Ilay tsy mpino, ohatra, dia mety hanaraka fanompoam-pivavahana amin’andriamani-diso iray amin’izao fotoana izao na amin’ny hoavy. Nanjohy hevitra toy izao i Paoly: “Inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala?”

Ahoana anefa ny amin’ny fomba hafa iray eo amin’ny fiainana — ny fiombonan-draharaha amin’ny tsy mpino iray? Amin’ny toe-javatra sasany ny Kristiana dia mety hihevitra fa ny fameloman-tena sy ny fikarakarana ny fianakaviany dia mitaky ny hidirany amin’ny fifandraisana eo amin’ny raharaha amin’olona izay tsy namana kristiana. (1 Timoty 5:8). Diniho ireto ohatra fotsiny ireto:

Ny Kristiana iray dia mety haniry hanombo-draharaha fivarotana karazan’entana iray, saingy ny hany fomba amin’izany dia ny fanekena fiaraha-miasa amina lehilahy iray izay afaka mahazo ireo entam-barotra na ny vola ampiasaina ilaina. Maniry hanao toeram-piompiana sy fambolena (na hiompy karazam-biby fiompy iray) ny Kristiana hafa iray; tsy misy tany azo ampiasaina anefa, hany ka voatery hanao izany miaraka amin’olona izay vonona hampindrana tany azy ho takalon’ny fizarana izay ho tombony izy. Angamba hisy Kristiana hafa izay tsy afaka miditra ao amin’ny fandraharahana mahakasika ny fikojakojana fantson-drano satria fanomezan-dalana vitsivitsy monja no omen’i Kaisara, ary efa nisy naka avokoa izy ireny; ny hany fomba azony atao dia ny fiarahana amin’ny havana iray tsy mpino izay manana fanomezan-dalana. — Marka 12:17.

Fanoharana fotsiny ireo. Tsy manandrana ny hitanisa ireo zavatra mety hitranga rehetra isika, ary tsy manao filazana fankasitrahana na tsy fankasitrahana na inona na inona koa. Kanefa amin’ny fananana ireo ohatra ireo ao an-tsaina, tsy hitanao ve hoe nahoana ny torohevitra ao amin’ny 2 Korintiana 6:14-18 no tsy tokony hodian-tsy hita?

Ny Kristiana iray miombon-draharaha amin’ny tsy mpino iray, na havany io na tsia, dia mety hahita zava-manahirana sy fakam-panahy tsy ampoizina. Angamba ilay mpiombon-draharaha hanatsoaka hevitra fa ny fomba hahazoana tombony antonony dia ny tsy filazana ny vola miditra rehetra, na ny tsy fanoratana ara-dalàna ireo mpiasa, na dia mandika ny lalàn’ny fanjakana aza izany. Mety ho vonona hanome tsolotra an’ireo mpamatsy izy noho ireo entana tsy atao lisitra ao amin’ny faktiora ofisialy. Moa ve ny Kristiana iray handray anjara amin’izany na amin’ny fanaovana ny tsy marina toy izany? Ary inona no hataon’ny Kristiana iray amin’ny fotoana samy anaovan’izy ireo sonia ireo taratasy momba ny hetra sy ireo taratasim-panjakana hafa mikasika ny fomba anaovan’izy ireo ny fandraharahana? — Eksodosy 23:1; Romana 13:1, 7.

Na mety haniry hanangona entana mifandray amin’ny fetin’ny mpanompo sampy sy handefa taratasy firarian-tsoa amin’ny fety amin’ny anaran’ny kaompania ary handravaka ny fiasana ho amin’ireo fety ara-pivavahana ilay mpiombon-draharaha tsy mpino. Nanontany toy izao i Paoly: “Inona no ikambanan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy? Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona”. Mifanentana toy inona moa ilay fanazavana hoe: “ ‘Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, ary aza manendry izay zavatra tsy madio; ary Izaho dia handray anareo’ ”! (2 Korintiana 6:16, 17). Amin’ny fampiharana io torohevitra mampiseho fahendrena io, dia Kristiana maro no nifidy karazan’asa fivelomana izay tsy hampisetra azy ireo zava-manahirana mety hitranga afa-tsy kely araka izay farany azo atao. — Hebreo 13:5, 6, 18.

Ny kongregasiona dia tsy nomena toromarika mba hanara-maso hatrany na hanadihady izay rehetra ataon’ny Kristiana any amin’ny asa fivelomany, na mpiasa izy na tompon’ny fandraharahana. Mazava ho azy fa raha manjary fantatra fa nandray anjara tamin’ny fanaovan-dratsy, toy ny fampandrosoana fanompoam-pivavahan-diso na ny endrika sasany amin’ny lainga na halatra ny Kristiana iray, dia voatery hanao dingana mba hanandratana ny fari-pitsipik’i Jehovah ny kongregasiona.

Ny hevi-dehibe anefa, dia ny hoe: ilay torohevitr’i Paoly azo tamin’ny tsindrimandry hoe “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino”, dia afaka manampy ny Kristiana hanalavitra zava-manahirana sy izay rehetra mety ho raharaha ara-pitsarana ilaina hataon’ny loholona. Ny Kristiana hendry dia handatsaka am-po io torohevitra io ary tsy hifidy ny hiditra ao anatin’ny tarehin-javatra izay hahatonga azy ireo ho ao anatin’ny fanerena fanampiny mba hampilefitra ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Raha misy mihevitra fa tsy maintsy miombon-draharaha amin’ny tsy mpino iray ny tenany, dia tsy tokony ho mailaka ny hitsara na hanakiana azy ny hafa, noho ny fahatakarana fa izy no tsy maintsy mitondra ny andraikitra noho ny safidiny. Amin’ny fotony, dia tsy namoaka fitsipika ofisialy sy azo anerena ny hafa tsy hiombon-draharaha amin’ny tsy mpino i Paoly. Tsy tokony hodian-tsy hita anefa ny toroheviny. Nomen’Andriamanitra tamin’ny tsindrimandry io torohevitra io, ary nasainy notanana an-tsoratra ao amin’ny Baiboly mba hahasoa antsika. Mampiseho fahendrena isika raha manaraka izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara