FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 1/11 p. 26-30
  • Manompo Amin’ny Fahatsapana Fahadodonana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manompo Amin’ny Fahatsapana Fahadodonana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampiofanana nandritra ny fotoan’ny ady
  • Fanombohana asa iray atao eo amin’ny fiainana
  • Vady sarobidy iray
  • Asa misionera tany Indonezia
  • Nandritra ny fanonganam-panjakana iray
  • Noresena ny fanoherana fanampiny
  • Nankany Amerika Atsimo
  • Voaporofo fa Nomba Ahy i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Nampianarin’i Jehovah Hanao ny Sitrapony Aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Fizarana 4: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Miteraka Fitomboana Eran-tany ny Misionera
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 1/11 p. 26-30

Manompo Amin’ny Fahatsapana Fahadodonana

NOTANTARAIN’I HANS VAN VUURE

Indray maraina tamin’ny 1962, dia nihaona tamiko tao amin’ny fari-tseranan-tsambon’i Rotterdam i Paul Kushnir, mpiandraikitra ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower tany Pays-Bas. Nijery ahy nifanatrika teo amin’ny latabatry ny trano fialana hetaheta iray maizimaizina izy, ka nilaza hoe: “Fantatrao ve ry Hans, fa raha manaiky itỳ fanendrena anao itỳ ianao, dia karatra fandehanana mandroso fotsiny no ho azonareo mivady?”

“ENY, ary azoko antoka mihitsy fa hanaiky izany koa i Susie.”

“Tsara, koa diniho miaraka amin’i Susie àry izany. Tsara indrindra ny hampahafantaranareo ahy ny fanapahan-kevitrareo faran’izay haingana.”

Ny maraina nanaraka dia nahazo ny valin-teninay izy: “Handeha izahay.” Koa ny 26 Desambra 1962, dia namihina ireo havana aman-tsakaiza teo amin’ny Seranam-piaramanidin’i Schiphol rakotry ny orampanala tao Amsterdam izahay, ka nandray fiaramanidina nankany amin’ny faritany mbola tsy niasan’ny misionera — any Nouvelle-Guinée holandey (Irian Andrefana ankehitriny, any Indonezia) — tanin’ny Papous.

Nanana fisalasalana ve izahay tamin’ny fanekena an’io fanendrena nisy zava-tsarotra io? Tsy dia tsia tokoa. Nanokana tanteraka ny fiainanay ho amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra izahay sady natoky fa hanohana anay izy. Rehefa mieritreritra ny amin’ny fiainanay izahay, dia afaka mahita fa tsy diso toerana velively ny fitokianay an’i Jehovah. Nefa alohan’ny hitantarana izay nitranga tany Indonezia, dia mamelà ahy ianareo hiresaka momba ireo taona nanombohanay.

Fampiofanana nandritra ny fotoan’ny ady

Rehefa notsidihin’i Arthur Winkler, ilay Vavolombelona be herim-po, ny fianakaviako tamin’ny voalohany tamin’ny 1940, dia vao folo taona monja aho. Taitra ny ray aman-dreniko rehefa nahafantatra izay nambaran’ny Baiboly momba ireo fampianaran-diso tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Koa satria nofehezin’i Alemaina Nazia tamin’izany fotoana izany i Pays-bas, ary satria nenjehina ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tsy maintsy nanapa-kevitra ny ray aman-dreniko na hikambana amin’ny fandaminana iray voarara na tsia. Nanapa-kevitra ny hanao izany izy ireo.

Hatramin’izany fotoana izany dia efa nisy heriny teo amiko ny herim-po nananan’ny reniko sy ny fahavononany tamin’ny mety hamoizany ny fahafahany ary na dia ny ainy mihitsy aza. Indray mandeha, dia nanao 11 kilaometatra am-bisikilety izy ary niandry tao amin’ny maizina, nitondra kitapo iray nosesehana taratasy mivalona momba ny Baiboly. Tamin’ny fotoana voatondro hanombohan’ny fampielezana iray manokana, dia nivoy mafy araka izay azony natao ny bisikiletiny izy, nanitrika ny tanany tsy tapaka tao anatin’ny kitapony, ary nanaparitaka ireo taratasy mivalona teny an-dalana. Nahatratra azy tamin’ny farany ny mpitaingina bisikilety iray nanenjika azy ary, sady sempotra no nikiakiaka hoe: “Tompokovavy ô, tompokovavy ô, misy very ny zavatrao!” Toran’ny hehy izahay rehefa nitantara izany i Neny.

Tanora tokoa aho, nefa fantatro izay niriko hampiasana ny fiainako. Nandritra ny iray tamin’ireo fivorianay tany antenantenan’ny 1942, rehefa nanontany ilay mpitarika hoe: “Iza no maniry hatao batisa amin’ny fotoana manaraka?” Dia nanangana ny tanako aho. Nifampijery ny ray aman-dreniko, velona ahiahy, nisalasala raha takatro ny hevitry ny fanapahan-kevitra toy izany. Nefa na dia vao 12 taona monja aza aho, dia takatro ny hevitry ny hoe manolo-tena ho an’Andriamanitra.

Nitaky fitandremana ny fitoriana isan-trano tao anatin’ny fanenjehan’ny Nazia. Mba hanalavirana ny fitsidihana ny tranon’ireo izay nety hitory anay, dia toy izao no nataoko: tamin’ireo andro nametahan’ireo mpifankahazo tamin’ny Nazia afisy tamin’ny varavarankeliny, dia nandeha bisikilety teny amin’ny manodidina aho ary nanoratra haingana ny adiresin’izy ireny. Indray mandeha, dia nahamarika ahy ny lehilahy iray ary niantsoantso hoe: “Tsara izao leitsy a! Sorato daholo izy rehetra!” Nazoto tokoa aho nefa nazava fa tsy dia malina loatra! Tamin’ny fiafaran’ny ady, tamin’ny 1945, dia nifaly izahay tamin’ny fahatsinjovana fahalalahana bebe kokoa hitory.

Fanombohana asa iray atao eo amin’ny fiainana

Ny 1 Novambra 1948, taorian’ny nahavitako ny fianarako, dia nahazo ny fanendrena voalohany tamin’ny fitoriana manontolo andro, tamin’ny naha-mpisava lalana aho. Iray volana tatỳ aoriana, dia tonga nitsidika ilay fianakaviana izay niarahako nipetraka ny Rahalahy Winkler. Azoko antoka fa tonga teo izy mba hamantatra ny momba ahy, satria tsy ela taorian’izany dia nasaina hiasa tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana tao Amsterdam aho.

Nangatahina mba hitsidika ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny naha-mpiandraikitra ny fizaran-tany aho tatỳ aoriana. Avy eo, tamin’ny fararanon’ny 1952, dia nahazo fanasana hanatrika ny kilasy faha-21 amin’ny Sekolin’i Gileada An’ny Watch Tower any New York aho mba hahazo fiofanana ho misionera. Koa tamin’ny faramparan’ny 1952, dia nisy valo izahay avy tao Pays-bas no niondrana tao amin’ilay sambo nampitohy tsy tapaka amin’i Amerika atao hoe Nieuw Amsterdam.

Teo amin’ny fifaranan’ny fianarana, dia hoy i Maxwell Friend, iray tamin’ireo mpampianatra: “Hanadino ny ankamaroan’ireo zavatra nianaranareo teto ianareo, nefa antenainay fa ho tavela ao aminareo ireto zavatra telo ireto: ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana.” Notahiriziko tato an-tsaiko sy tato am-poko koa ny fahatsiarovana sarobidy ny fandaminan’i Jehovah izay miasa amin’ny fahatsapana fahadodonana.

Taorian’izany, dia nahatsapa fahadisoam-panantenana lehibe aho. Ny antsasak’ilay antokona holandey nisy anay — anisan’izany ny tenako — dia notendrena hiverina tany Pays-bas. Na dia diso fanantenana aza aho, dia tsy hoe tezitra na nalahelo akory. Nantenaiko fotsiny fa tsy ho voatery hiandry mandritra ny 40 taona aho, tahaka an’i Mosesy fahiny, vao hahazo fanendrena any an-tany hafa. — Asan’ny Apostoly 7:23-30.

Vady sarobidy iray

Tatỳ aoriana, rehefa nahafantatra ny fikasako hanambady i Fritz Hartstang, sakaiza toy ny ray tamiko, dia nilaza tamiko mangingina toy izao izy: “Tsy afaka ny hieritreritra safidy tsara kokoa noho izany aho.” I Casey Stoové, rain’i Susie, dia efa mpitolona mpitarika tamin’ny Fanoherana ny Nazia nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Nefa, rehefa nifandray tamin’ny Vavolombelona izy tamin’ny 1946, dia nanaiky avy hatrany ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Tsy ela, izy sy ny telo tamin’ireo zanany enina — i Susie sy i Marian ary i Kenneth — dia natao batisa. Tamin’ny 1 May 1947, dia samy nanomboka ny fanompoana manontolo andro tamin’ny naha-mpisava lalana ireo ankizy rehetra ireo. Tamin’ny 1948, dia nivarotra ny raharahany i Casey ary nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana koa. Nanao izao fanamarihana izao izy tatỳ aoriana: “Ireo no taona nahasambatra indrindra teo amin’ny fiainako!”

Nifankahalala tamin’i Susie aho tamin’ny 1949, rehefa nasaina hiasa tao amin’ny biraon’ny sampana tao Amsterdam izy. Ny taona nanaraka anefa, izy sy i Marian rahavaviny dia niala mba hanatrika ny kilasin’i Gileada faha-16, ary nandray sambo mba ho any amin’ny fanendrena azy ireo tamin’ny naha-misionera — i Indonezia. Tamin’ny Febroary 1957, taorian’ny asa misionera dimy taona tany, dia niverina tany Pays-Bas i Susie mba hanambady ahy. Tamin’izany fotoana izany dia nanompo tamin’ny naha-mpiandraikitra ny fizaran-tany aho, ary nandritra ireo taona nivadianay, dia nampiseho fahavononana hanao sorona manokana foana izy ho tombontsoan’ny asan’ilay Fanjakana.

Nanohy nitsidika ireo kongregasiona tamin’ny faritra samy hafa tany Pays-bas izahay, taorian’ny fampakaram-badinay. Ireo taona tamin’ny asa misionera nolanin’i Susie tamin’ny asa sarotra dia nanomana azy tsara ho amin’ireo dia fitetezana kongregasiona nataonay am-bisikilety. Tao anatin’ny fotoana naha-tao amin’ny asan’ny fizaran-tany anay tamin’ny 1962, no nitsidika ahy tao Rotterdam ny Rahalahy Kushnir ary nanasa anay hifindra tany Irian Andrefana, any Indonezia.

Asa misionera tany Indonezia

Tonga tao amin’ny tanànan’i Manokwari izahay — tontolo iray hafa tanteraka! Tao ireo feo hafahafa fandre amin’ny alina mafana sy ny hafanana ary ny vovoka. Ary avy eo dia tao ireo Papous avy any afovoan-tany izay tsy nitafy afa-tsy salaka, nitondra antsibe, ary tia ny nanaraka anay ka nanandrana nikasika ny hoditray fotsy — tsy mora taminay ny nizatra tamin’izany rehetra izany.

Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy nahatongavanay, ireo mpitondra fivavahana dia namaky avy teny ambony polipitran’ny fiangonana taratasy iray fampitandremana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nanolotra kopia iray avy tamin’izy io ho an’ny mpanatrika rehetra izy ireo. Na dia ny fandefasam-peo teo an-toerana aza dia namaky ilay taratasy tamin’ny onjam-peony. Taorian’izany, dia tonga nitsidika anay ny mpitondra fivavahana telo mirahalahy ka nangataka anay mba hifindra any afovoan-tany, mba hiasa eo anivon’izay nantsoiny hoe “ireo mpanompo sampy”. Nampirisika anay mba hiala tao koa ny manam-pahefana ambony papou iray tao amin’ny polisy, ary nisy mpikambana iray tamin’ny polisy miafina aza nilaza taminay fa nisy fikasana hamono anay.

Kanefa, tsy ny olon-drehetra no nanohitra anay. Ny mpanolo-tsaina ara-politikan’ireo Papous, olom-pirenena holandey iray, izay hody tsy ho ela any Pays-bas, dia nampahafantatra anay tamin’ireo filohan’ny foko papous maromaro. “Hitondra karazam-pivavahana kristiana tsara kokoa noho izay fantatrareo hatramin’izay ireo Vavolombelon’i Jehovah”, hoy izy tamin’izy ireo. “Noho izany, dia tokony horaisinareo tsara izy ireo.”

Tatỳ aoriana, dia nisy manam-pahefana iray tao amin’ny fitondram-panjakana nanatona an’i Susie teny an-dalana ary nibitsibitsika taminy toy izao: “Nolazaina taminay fa nanomboka asa vaovao ianareo eto, ary, noho izany, dia tsy afaka ny hamela anareo hijanona izahay. Nefa, hmm, (...) raha mba nanana fiangonana iray mantsy ianareo.” Fanipazan-kevitra iray izany! Noravanay haingana ny rindrina tao amin’ny tranonay, nandahatra ireo dabilio izahay, nametraka polipitra iray, ary nametaka famantarana iray teo ivelany namakiana hoe “Efitrano Fanjakana”. Avy eo, dia nasainay mba hanao fitsidihana ilay manam-pahefana. Nanetsiketsika ny lohany izy nanaiky sady nitsiky ary nipaipaika ny fihirifany tamin’ny fanondrony, toy ny te hilaza hoe: ‘Fetsy ka, fetsy’.

Ny 26 Jona 1964, herintaona sy tapany taorian’ny nahatongavanay, dia natao batisa ireo Papous 12 voalohany tamin’ireo mpianatra ny Baiboly nampianay. Tsy ela dia nisy 10 hafa nanaraka, ary 40 tamin’ny antsalany ireo mpanatrika ny fivorianay. Nisy mpisava lalana indoneziana roa nalefa mba hanampy anay. Rehefa niorina tsara ny kongregasiona tao Manokwari, dia notendren’ny sampan’ny Fikambanana tany Indonezia hitory any amin’ny toeran-kafa izahay tamin’ny Desambra 1964.

Talohan’ny hiainganay, dia niresaka manokana taminay ny lehiben’ny Sampan-draharaham-panjakana Momba ny Fifandraisana Amin’ny Vahoaka ary nilaza hoe: “Malahelo aho fa lasa ianareo. Isan-kerinandro dia tonga niangavy ahy ny klerjy mba handroaka anareo satria, hono, ianareo nioty ny voankazony. Nefa hoy aho tamin’izy ireo: ‘Tsia, tsy izany, fa mampamokatra ny hazonareo kosa izy ireo.’ ” Hoy ny teny nanampiny: “Na aiza na aiza halehanareo, dia mitoloma hatrany. Handresy ianareo!”

Nandritra ny fanonganam-panjakana iray

Indray alina tamin’ny Septambra 1965, raha mbola niasa tao Djakarta renivohitra izahay, dia namono filoha miaramila maro ireo mpikomy kaominista, nandrehitra an’i Djakarta, ary nanomboka ady nanerana ilay firenena izay natao hanonganana ny filoham-pirenena Sukarno tamin’ny farany. Olona efa ho 400 000 no namoy ny ainy tamin’ny farany!

Indray mandeha, dia teny am-pitoriana izahay raha mbola nitohy ny fitifirana sy ny fandoroana terỳ amin’ny lalana nanaraka. Ny ampitson’io, rehefa nandre izahay fa efa handrava ny trano nisy ny Kaominista teo akaiky teo ny tafika, dia toa natahotra ireo tompon-trano rehefa nanatona azy ireo izahay. Rehefa nandre ny hafatra avy ao amin’ny Baiboly nentinay anefa izy ireo, dia azoazony ny ainy ka nampiditra anay tao an-trano izy. Nahatsiaro ho afa-doza izy ireo nisy anay niaraka taminy. Izany vanim-potoana izany dia nampianatra anay rehetra mba hiantehitra amin’i Jehovah ary hahay handanjalanja hatrany eo ambanin’ny toe-javatra sarotra.

Noresena ny fanoherana fanampiny

Tamin’ny faramparan’ny 1966, dia nifindra nankany amin’ny tanànan’i Ambon, teo amin’ireo nosy Moluques atsimo misy faritra taza-maso mahafinaritra izahay. Tao, teo anivon’ny mponina nampiseho fitiavana, dia nahita fahalianana ara-panahy betsaka izahay. Nitombo haingana ilay kongregasiona kely nisy anay, ary nanakaiky ny zato ny isan’ny mpanatrika fivoriana. Koa lasa nanatona ny lehiben’ny Birao Misahana ny Raharaha Ara-pivavahana ireo mpitondra fiangonana tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana mba hanery azy handroaka anay avy tao Ambon. Nefa, teo ambonin’ny latabatr’ilay lehibe dia nahita ireo bokin’ny Fikambanana Watch Tower naseho niharihary izy ireo! Koa satria izy ireo tsy afaka nampiova hevitra ilay lehibe, dia nifandray tamin’ireo mpitondra ao amin’ny Minisiteran’ny Fivavahana tao Djakarta izy ireo, tamin’ny fitadiavana izay handroahana anay tsy avy tao Ambon fotsiny fa avy tao Indonezia manontolo koa.

Tamin’itỳ indray mitoraka itỳ dia toa nahomby izy ireo, satria ny 1 Febroary 1968 no voatondro ho toy ny daty handroahana anay. Nanatona ny mpitondra ambony miozilimana iray tao amin’ny Minisiteran’ny Fivavahana anefa ireo rahalahy kristiana tao Djakarta, ka nanampy tamin’ny fanafoanana ilay fanapahan-kevitra izy io. Ankoatra izany, dia novana ny fomba fanaovan-javatra iray teo aloha, ary nekena aza ny hidiran’ny misionera hafa.

Araka izany, nandritra ireo folo taona nanaraka, tao amin’ny toerana nisy tendrombohitra sy ala ary farihy kanto dia kanto any Sumatra avaratra, dia niara-niasa tamin’ireo misionera avy tany Aostralia, Aotrisy, Alemaina, Philippines sy Soeda ary Etazonia izahay. Nandroso ny asa fitoriana, indrindra fa teo amin’ny faritra nisy ny antokom-pirazanana lehibe indrindra, ny Bataka.

Nahomby anefa tamin’ny farany ireo mpioko ara-pivavahana, tamin’ny fanaovana izay handrarana ny asa fitorianay tamin’ny Desambra 1976, ary ny taona nanaraka dia niainga nankany amin’ny fanendrena tany amin’ny tany hafa ny ankamaroan’ireo misionera. Tamin’ny farany, tamin’ny 1979, dia tsy maintsy nandeha koa izahay.

Nankany Amerika Atsimo

Izao dia eo amin’ny 50 taona eo ho eo izahay, ary manontany tena raha mbola ho afaka hanao fanovana mba hankany amin’ny tany hafa. “Tokony hanaiky fanendrena vaovao ve isika sa tokony hanorim-ponenana amin’ny toerana iray?” hoy i Susie.

“Ry Sue”, hoy aho, “na taiza na taiza nanasan’i Jehovah antsika handehanana, dia nikarakara antsika izy. Iza no mahalala izay fitahiana fanampiny tahirizin’ny hoavy ho antsika?” Araka izany, dia tonga teto amin’ny toerana vaovao nanendrena anay izahay, eto Suriname, tany iray atỳ Amerika Atsimo. Tao anatin’ny roa volana monja dia tao amin’ny asa fitetezam-paritany indray izahay ary tsy ela dia nahatsiaro ho toy ny tany aminay.

Rehefa mandinika indray ireo 45 taona mahery lany tao amin’ny fanompoana manontolo andro izahay sy i Susie, dia tsapanay hoe hatraiza ny halehiben’ny fanohanan’ny ray aman-dreninay anay no nanampy anay hanao ny asa misionera. Tamin’ny 1969, rehefa nihaona indray tamin’ny ray aman-dreniko aho taorian’ny enin-taona, dia niresaka tamiko manokana ny raiko ka nilaza hoe: “Raha sanatria i Neny no maty aloha, dia tsy mila ny hody ianao. Mijanòna any amin’izay nanendrena anao. Izaho no hikarakara. Fa raha sanatria ny mifanohitra amin’izay no mitranga, dia tokony hanontany an’i Neny momba izany ianao.” Mitovy amin’izany koa no nolazain’i Neny.

Nanana fihetsika tsy nisy fitiavan-tena nitovy tamin’izany koa ny ray aman-drenin’i Susie. Tamin’ny fotoana iray, dia lavitra azy ireo nandritra ny 17 taona i Susie, kanefa tsy nanoratra teny nanaketraka velively ho azy izy ireo. Mazava ho azy fa raha tsy nisy mihitsy fanampiana hafa azon’ny ray aman-dreninay noraisina, dia tsy maintsy ho nody izahay. Ny zava-dehibe indrindra dia hoe nihevitra ny asa misionera ho sarobidy tahaka anay ireo ray aman-dreninay, ary hatramin’ny fahafatesany, dia nanompo an’i Jehovah tamin’ny fahatsapana fahadodonana tsy niova, izay nampidiriny tao am-ponay izy ireo. — Ampitahao amin’ny 1 Samoela 1:26-28.

Nampaherezin’ny olona mahatoky tamin’ny alalan’ny taratasy tsy tapaka koa izahay. Nisy vitsivitsy tsy nanadino ny nanoratra taminay mihitsy isam-bolana nandritra ny 30 taona mahery nanaovanay ny fanompoana tamin’ny naha-misionera! Nefa ambonin’ny zavatra rehetra, dia tadidinay ao an-tsaina hatrany i Jehovah, ilay Rainay malala any an-danitra, izay mahafantatra ny fomba hanohanana ny mpanompony etỳ an-tany. Noho izany, raha eo am-panatonana ny fiafaran’ny fisehoan-javatra izay andrasanay amim-pifaliana izahay sy i Susie, dia maniry ny tsy hitsahatra “hitadidy tsara ao an-tsaina ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah”, amin’ny fanohizana manompo an’i Jehovah amin’ny fahatsapana fahadodonana. — 2 Petera 3:12, NW.

[Sary, pejy 26]

Nanambady tamin’ny 1957

[Sary, pejy 29]

Mampihetsi-po tokoa — tanora enina mpisava lalana!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara