Ny Krismasy — Tena Kristiana ve Izy Io?
ARAKA ny The World Book Encyclopedia, ny “Krismasy dia ilay andro ankalazan’ny Kristiana ny andro nahaterahan’i Jesosy Kristy”. Na dia izany aza, dia milaza toy izao koa ilay firaketana: “Tsy nankalaza ny nahaterahan[’i Jesosy] ireo Kristiana tany am-boalohany satria nihevitra ny fankalazana ny nahateran’iza na iza ho fanaon’ny mpanompo sampy izy ireo.”
Ny The Making of Modern Christmas, nataon’i Golby sy i Purdue dia manaiky toy izao: “Tsy nankalaza ny nahaterahan’i Kristy ireo Kristiana tany am-boalohany. Ireo andro nahaterahana mihitsy aza dia nifandray tamin’ireo fanaon’ny mpanompo sampy; tsy milaza na inona na inona mikasika ny tena datin’ny nahaterahan’i Kristy ireo Filazantsara.”
Raha tsy nanana fiaviana kristiana àry ireo fankalazana andro nahaterahana, ahoana no nahatonga ny andro nahaterahan’i Kristy ho andro firavoravoana “kristiana” malaza aoka izany?
Ny fiandohan’ny “Krismasy” tany amin’ny mpanompo sampy
“Samy nanao fanasana be sy nifaly ny rehetra, niato tanteraka nandritra ny fe-potoana iray ny asa sy ny fandraharahana, voaravaka laurier sy rantsana hazo kesika ny trano, nifampitsidika sy nifanolotra fanomezana ireo mpinamana, ary nanolotra fanomezana ny mpanam-bola mpanohana azy ireo mpiankin-doha. Fe-potoam-pifaliana sy fiahiana feno fitiavana ilay fe-potoana manontolo, ary nanaram-po tamin’ny karazana fampifalifaliana rehetra ny olona.” — Paganism in Christian Festivals, nataon’i J. M. Wheeler.
Mifanentana amin’ireo firavoravoana amin’ny Krismasy fantatrao ve io filazalazana io? Mahagaga fa tsy Krismasy izy io! Izy io kosa dia filazalazana ny amin’ny Satiornaly — andro firavoravoan’ny mpanompo sampy romana izay naharitra herinandro maninjitra, nampifandraisina tamin’ny sôlstisin’ny ririnina (voalazalaza etsy amin’ny pejy ilany). Ny andro nahaterahan’ilay masoandro tsy mety resy, dia nankalazaina tamin’ny 25 Desambra, andro fanaovana fanasana lehibe indrindra tao amin’ny fivavahana tamin’i Mithra tany Roma.
Araka ny The New Encyclopædia Britannica, “ny 25 Desambra, ilay andro nahaterahan’i Mithra, andriamanitry ny hazavana iraniana, sy (...) ilay andro natokana ho an’ny masoandro tsy mety resy, ary koa ilay andro taorian’ny Satiornaly, dia noraisin’ny eglizy ka nataony ho Krismasy, ilay nahaterahan’i Kristy, mba hanoherana ny herin’ireny andro firavoravoana ireny”. Koa nitohy ilay fankalazana andro nahaterahana fanaon’ny mpanompo sampy, nisy fanovana fotsiny teo amin’ny anarana, ny hoe Mithra lasa Kristy!
Mety hihevitra anefa ianao fa zavatra manokana mendrika hotsarovana ny nahaterahan’i Jesosy, ilay Zanak’Andriamanitra. Ny fijerena izay lazain’ny Baiboly momba izany dia tena hanome fanazavana.
Fisehoan-javatra nahafaly
Manome fanazavana momba izay nanodidina ilay fisehoan-javatra ny Lk 2 toko faha-2 amin’ny Filazantsaran’i Lioka. I Lioka dia milaza amintsika ny fihetsik’ireo anjely tany an-danitra, ireo mpiandry ondry ambany saranga, ireo mpanompon’Andriamanitra be fandavan-tena, sy ny tenan’i Maria, teo anoloan’io fisehoan-javatra tsara homarihina io.
Hevero aloha ireo ‘mpiandry ondry nitoetra tany an-tsaha’ izay ‘nitandrina ny ondriny tamin’ny alina’, dia zavatra izay tsy ho nataon’izy ireo tao anatin’ny aty ririnina. Rehefa nisy ‘anjelin’i Jehovah’ niseho ka namirapiratra nanodidina azy ny voninahitr’Andriamanitra, dia natahotra aloha ireo mpiandry ondry. Tonga ny fanomezan-toky rehefa nanazava ilay anjely hoe: “Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.” Rehefa nisy anjely “maro be avy any an-danitra” niseho tampoka, dia fantatr’ireo mpiandry ondry fa tsy nitovy tamin’ny hafa rehetra io fahaterahana io. Mahaliana fa ireo anjely dia tsy nitondra fanomezana ho an’ilay zazakely vao teraka. Nidera an’i Jehovah kosa ireo anjely ka nanao hoe: “Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.” — Lioka 2:8-14.
Mazava ho azy fa naniry hahita io zaza menavava io ny tenan’ireo mpiandry ondry, satria i Jehovah no nanambara ilay fisehoan-javatra nahasambatra. Rehefa nahita ilay zazakely nandry teo amin’ny fihinanam-bilona izy ireo, dia nanambara tamin’ireo ray aman-dreny izay nolazain’ireo anjely. Nandeha avy teo ireo mpiandry ondry, “nankalaza sy nidera an’Andriamanitra”, fa tsy ilay zaza menavava. — Lioka 2:15-18, 20.
Tsy isalasalana fa nifaly tamin’ilay fiterahana soa aman-tsara an’ilay voalohan-terany i Maria renin’i Jesosy. Kanefa dia ‘nieritreritra tao am-pony’ koa izy. Avy eo, niaraka tamin’i Josefa vadiny, dia nandeha tany Jerosalema izy ho fankatoavana ny Lalàn’i Mosesy. Tsy fankalazana andro nahaterahana izy io. Fotoana nampisehoana ilay zazakely tamin’Andriamanitra kosa izy io, “araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’ny Tompo hoe: ‘Ny lahy voalohan-teraka rehetra hatao hoe masina ho an’i Jehovah’ ”. — Lioka 2:19, 22-24.
Tao amin’ny tempolin’i Jerosalema i Maria sy i Josefa dia nihaona tamin’i Simeona, izay lazalazain’i Lioka ho ‘marina sady mpivavaka tsara ka niandry ny fampiononana ny Isiraely’. Tao amin’ny tsindrimandry, dia nilazana izy fa tsy ho faty alohan’ny hahitany “ny Kristin’ny Tompo”. Izay nitranga nanaraka izany dia avy amin’ny fitarihan’ny “Fanahy Masin[’Andriamanitra]” koa. Nitrotro ilay zazakely i Simeona, tsia, tsy mba hanomezana azy fanomezana akory, fa mba hiderana an’Andriamanitra kosa, nanao hoe: “Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ny fiadanana araka ny teninao; fa ny masoko efa nahita ny famonjenao, izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra”. — Lioka 2:25-32.
Nanaraka izany, dia nanatona i Ana, mpaminanivavy be taona. Izy koa dia “nisaotra an’Andriamanitra ka nilaza Azy tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema”. — Lioka 2:36-38.
Samy nifaly avokoa tamin’ny nahaterahan’i Jesosy i Maria sy i Simeona sy i Ana ary ireo mpiandry ondry mbamin’ireo anjely tany an-danitra. Mariho kely anefa, fa tsy nanaram-po tamin’ny fikoranam-be tamin’ny andro nahaterahana izy ireo, na revo tamin’ny fanolorana fanomezana. Izy ireo kosa dia nankalaza an’i Jehovah, ilay Mpanome ny fomba hamonjena azy ireo, dia ilay Mpanome any an-danitra.
Na dia izany aza, dia mety hisy hanjohy hevitra toy izao: ‘Azo antoka fa tsy mety ho diso ny fanolorana fanomezana, satria moa ve tsy nanome voninahitra an’i Jesosy tamin’ny fanomezana ireo “olon-kendry telo lahy”?’
Ireo fanomezana amin’ny Krismasy
Aoka indray hodinihintsika ny fitantarana ao amin’ny Baiboly. Ho hitanao izy io, voarakitra ao amin’ny Filazantsaran’i Matio 2 toko faha-2. Tsy misy firesahana fankalazana andro nahaterahana ao, ary tsy misy koa fotoana voafaritra tsara nomena, na dia miharihary aza fa tamin’ny fotoana iray taorian’ny nahaterahan’i Jesosy izany. Eo amin’ny andininy voalohany, i Matio dia niantso ireo mpitsidika hoe “Magy [“mpanandro”, NW ] [Grika: maʹgoi] avy tany atsinanana”, noho izany dia mpanompo sampy tsy nanam-pahalalana an’i Jehovah Andriamanitra. Ilay kintana narahin’ireo lehilahy ireo dia nitarika azy ireo, tsy nivantana tany amin’ny toerana nahaterahan’i Jesosy tany Betlehema, fa tany Jerosalema, toerana nanapahan’i Heroda Mpanjaka.
Rehefa nandre azy ireo nanontany ny amin’“Ilay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy” io mpanapaka ratsy fanahy io, dia naka hevitra tany amin’ireo mpisorona izy mba hahitana hoe ‘taiza marina no nahaterahan’i Kristy’ mba hahafahany hamono ilay zaza. Namaly ireo mpisorona tamin’ny fanononana ny faminanian’i Mika izay manondro ny toerana hahaterahan’ny Mesia ho ao Betlehema. (Mika 5:1). Tamim-pihatsarambelatsihy, dia nanome toromarika toy izao an’ireo mpitsidika azy i Heroda: “Andeha, fotory tsara ny amin’ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy, dia ambarao amiko, mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.” Nanohy ny diany ireo mpanandro, ary ilay kintana dia “nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zazakely [“ankizy kely”, NW ]”. Mariho fa lazalazaina ho “ankizy kely” izy, fa tsy zaza menavava vao teraka. — Matio 2:1-10.
Araka ny tokony hataon’ny olona ambony tatsinanana nitsidika mpanapaka iray, ireo mpanandro mpanompo sampy dia niankohoka sy “nanolotra zavatra ho [an’ilay ankizy kely] (...), dia volamena sy zava-manitra ary miora”. Nanampy teny toy izao i Matio: “Ary rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy tsy hiverina any amin’i Heroda, dia làlana hafa no nalehany nody ho any amin’ny fonenany.” — Matio 2:11, 12.
Avy amin’io fitantarana fohy ao amin’ny Soratra Masina io, dia mety hisy olona hanandrana hahita fanohanana ny fanoloran’izy ireo fanomezana amin’ny Krismasy. Na dia izany aza, dia manazava ny Discovering Christmas Customs and Folklore fa ny fanao mahazatra eo amin’ny fanolorana fanomezana dia manana ny fotony tany amin’ireo fanomezana Satiornaly izay natolotr’ireo Romana ny mpiara-monina taminy nahantra. “Ny eglizy tany am-boalohany dia (...) namindra tamim-pahakingan-tsaina ny hevitr’izy io ho fombafomba fahatsiarovana ireo fanomezan’ny Magy.” Fahasamihafana toy inona moa izany amin’ireo tena mpivavaka marina — toy ireo mpiandry ondry ambany saranga — izay nidera fotsiny an’Andriamanitra tamin’ny nahaterahan’i Jesosy!
Manomeza voninahitra an’i Kristy amin’ny maha-Mpanjaka azy!
Amin’izao andro izao, dia tsy zaza menavava intsony i Jesosy. Izy dia Andriana mahery, Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, ary tokony homem-boninahitra amin’ny maha-izany azy izy. — 1 Timoty 6:15, 16.
Raha olon-dehibe ianao izao, efa mba nahatsiaro tena ho sanganehana ve ianao rehefa nisy olona, teo anatrehanao, nampiseho ny sarinao fony ianao zaza menavava? Marina fa ny sary toy izany dia mampahatsiahy ny ray aman-dreninao ny amin’ny fifaliany tamin’ny nahaterahanao. Kanefa amin’izao ianao manana ny toetra mampiavaka anao manokana izao, dia tsy ho tianao kokoa ve mazàna ny hahitan’ny hafa anao amin’ny maha-ianao anao? Mitovy amin’izany koa, fa eritrereto ange ny tsy fanajana an’i Kristy Jesosy rehefa manjary revo aoka izany amin’ireo lovantsofin’ny mpanompo sampy momba ny Krismasy sy amin’ny fanomezam-boninahitra zazakely iray ireo mihambo ho mpanara-dia azy isan-taona, hany ka tsy manome voninahitra azy amin’ny maha-Mpanjaka. Na dia tamin’ny taonjato voalohany aza, ilay apostoly kristiana atao hoe Paoly, dia nanjohy hevitra ny amin’ny naha-nety ny hieritreretana an’i Kristy amin’ny maha-izy azy izao — Mpanjaka iray any an-danitra. Nanoratra toy izao i Paoly: “Na dia nahafantatra an’i Kristy araka ny nofo aza isika, ankehitriny dia tsy fantatsika araka izany intsony Izy”! — 2 Korintiana 5:16.
Amin’ny maha-Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra azy, dia hanatanteraka tsy ho ela ilay fampanantenana ara-paminaniana hanaisotra ny fanaintainana sy ny fahoriana sy ny aretina ary ny fahafatesana, i Kristy. Izy no Ilay hiantoka trano fonenana sahaza sy asa mahafa-po ho an’ny rehetra ao anatin’ny toe-piainana paradisa, eto an-tany. (Isaia 65:21-23; Lioka 23:43, NW; 2 Korintiana 1:20; Apokalypsy 21:3, 4). Azo antoka fa ireo dia antony ampy mba hanalavirana ny hanala baraka an’i Jesosy!
Amin’ny fanarahana ny ohatra nomen’ny tenan’i Kristy, ireo tena Kristiana dia mikely aina mba hanolotra ho an’ireo mpiara-monina aminy ny iray amin’ireo fanomezana lehibe indrindra azo atolotra: Ny fahazoana ny hevitry ny fikasan’Andriamanitra izay afaka mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. (Jaona 17:3). Io karazana fanolorana fanomezana io dia mitondra fifaliana betsaka ho azy ireo, toy ny nilazan’i Jesosy hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” — Asan’ny Apostoly 20:35; Lioka 11:27, 28.
Ireo Kristiana izay tena mifampihevitra tokoa dia tsy mahita fahasahiranana eo amin’ny fanehoana tsy misy faneriterena ny fitiavany amin’ny fotoana rehetra ao anatin’ny taona. (Filipiana 2:3, 4). Indro misy ohatra tsotra: Toy inona moa ny fientanam-po naharay sary iray natao tanana, avy tamin’ny tanora kristiana iray! Rehefa avy nihaino lahateny iray momba ny Baiboly izy io, dia nanao izany an-tsary ho fanehoam-pisaorana. Mampahery toy izany koa ny fanomezana tsy nampoizina avy amin’ny havana iray ho mariky ny fitiavany. Toy izany koa fa ireo ray aman-dreny kristiana dia mahita fifaliana betsaka rehefa mifidy fisehoan-javatra mifanentana mandritra ny taona izy ireo mba hanolorana fanomezana ho an’ireo zanany. Io karazana fahalalahan-tanana kristiana io dia tsy voaloto, na noho ny fahatsapana fanerena hanolotra fanomezana amin’ireo andro fankalazana, na noho ny lovantsofin’ny mpanompo sampy.
Noho izany, dia misy Kristiana maherin’ny efatra tapitrisa sy sasany avy amin’ny firenena rehetra tsy mankalaza ny Krismasy. Izy ireo dia ny Vavolombelon’i Jehovah izay manao izay haharevo ny tenany amin’ny fanaovana fanambarana ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ireo mpiara-monina aminy. (Matio 24:14, NW ). Azo inoana fa hihaona amin’izy ireo ianao rehefa mitsidika ny tokantranonao izy ireo, angamba tsy ho ela. Enga anie ny fandraisanao amim-pahadodonana izay entin’izy ireo ho anao, hitondra fifaliana lehibe ho an’ny fianakavianao, raha mianatra ny fomba hiderana an’i Jehovah Andriamanitra isan’andro ao anatin’ny taona ianao. — Salamo 145:1, 2.
[Sary, pejy 7]
Ny Kristiana dia manolotra ho an’ireo mpiara-monina aminy ny fanomezana lehibe indrindra azo atolotra: Ny fahazoana ny hevitry ny fikasan’Andriamanitra izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay
[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]
Culver Pictures