“Mitadiava An’i Jehovah, Hianareo Mpandefitra Rehetra”
“MITADIAVA an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny: tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.” — Zefania 2:3.
Nampiantefa ireo teny ireo tamin’ny “mpandefitra rehetra amin’ny tany” i Zefania mpaminany, ary nampirisika azy ireo mba ‘hitady ny fandeferana’ izy mba ho voaro amin’ny “andro fahatezeran’i Jehovah”. Tsy isalasalana fa ny fandeferana dia fepetra takina mialoha mba hahatafitana velona. Fa nahoana?
Nahoana no mitady fandeferana?
Ny fandeferana dia fananana toetra malemy fanahy, tsy misy fieboeboana na fiheveran-tena ho zavatra. Izy io dia mifandray akaiky amin’ny hatsaran-toetra hafa, toy ny fanetren-tena sy ny fahalemem-panahy. Satria izany no izy, ny olona mpandefitra dia azo ampianarina sy vonona ny hanaiky fifehezana avy amin’ny tanan’Andriamanitra, na dia mety ho toa mahatonga alahelo aza izany amin’ilay fotoana anaovana azy. — Salamo 25:9; Hebreo 12:4-11.
Ny fandeferana amin’ny maha-izy azy dia mety tsy hisy ifandraisany firy amin’ny fianarana hitan’ny tena na ny toerana misy ny tena eo amin’ny fiainana. Ireo nahita fianarana ambony na mahomby amin’ny fomba iray araka an’izao tontolo izao anefa, dia mirona hihevitra fa ampy fahaizana izy ireo mba hanaovana fanapahan-kevitra ho an’ny tenany ny amin’ny zava-drehetra, na dia eo amin’ny raharahan’ny fanompoam-pivavahana aza. Izany dia afaka misakana azy ireo tsy hamela olon-kafa hampiana-javatra azy na hanaiky torohevitra sy hanao ireo fiovana ilaina eo amin’ny fiainany. Ny hafa izay manankarena ara-nofo dia mety ho latsaka ao anatin’ny fiheveran-diso hoe miankina amin’ny fananany ara-nofo ny tsy fananan’izy ireo ahiahy. Noho izany, izy ireo dia tsy mihevitra fa mila ireo harena ara-panahy avy amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. — Matio 4:4; 5:3; 1 Timoty 6:17.
Hevero ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo ary ireo lohan’ny mpisorona tamin’ny andron’i Jesosy. Indray mandeha, rehefa niverina tsy nitondra an’i Jesosy ireo mpiandry raharaha izay nirahina hisambotra azy, dia hoy ireo Fariseo: “Hianareo koa va voafitaka? Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy? Fa voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna.” (Jaona 7:45-49). Raha lazaina amin’ny teny hafa, araka ny fiheverany, dia ireo tsy mahay na inona na inona sy ireo tsy nahita fianarana ihany no tsotra loatra ka hino an’i Jesosy.
Na dia izany aza, dia nisy Fariseo sasany voatarika ho amin’ny fahamarinana, ary niaro an’i Jesosy sy ireo Kristiana mihitsy aza izy ireo. Anisan’izany i Nikodemosy sy i Gamaliela. (Jaona 7:50-52; Asan’ny Apostoly 5:34-40). Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia “maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana”. (Asan’ny Apostoly 6:7). Tsy isalasalana fa ny ohatra niavaka indrindra dia ny apostoly Paoly. Nampianarina teo anilan’ny tongotr’i Gamaliela izy, ary nanjary nanam-pahaizana ambony sy mpiaro heni-kaja ny Jodaisma. Tsy ela anefa dia nanaiky tamim-panetren-tena ny antson’i Kristy Jesosy izy ary tonga mpanara-dia azy be zotom-po. — Asan’ny Apostoly 22:3; 26:4, 5; Galatiana 1:14-24; 1 Timoty 1:12-16.
Izany rehetra izany dia manazava fa na inona na inona mety ho fiavian’ny tena na izay mety ho fiheveran’ny tena ny amin’ny hafatry ny Baiboly amin’izao fotoana izao, ireo tenin’i Zefania dia mbola mihatra ihany. Raha maniry ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra sy hotarihin’ny Teniny ny tena, dia ilaina tokoa ny fandeferana.
Ireo izay ‘mitady ny fandeferana’ amin’izao andro izao
Misy olona an-tapitrisany maro maneran-tany manaiky ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Mitarika fampianarana ny Baiboly isan-kerinandro maherin’ny efatra tapitrisa any an-tranon’izany olona izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Izy ireny dia avy amin’ny fiaviana maro samihafa sy toe-piainana ara-bola sy ara-tsosialy tsy mitovy. Kanefa dia zavatra iray iombonan’izy ireo ny fananany fanetren-tena ampy mba hanekena ny hafatry ny Baiboly izay nasehon’olona tamin’izy ireo tany an-tranony na tany an-toeran-kafa. Mandroso tsara ny maro amin’izy ireo satria vonona ny hanao fiezahana mba handresena ireo vato misakana eo amin’ny lalany. Eny, anisan’ireo ‘mpandefitra amin’ny tany’ amin’izao andro izao izy ireo.
Raiso, ohatra, i Maria any Meksika. Nianatra lalàna tany amin’ny oniversite izy sady tsy orim-bola noho ny lova iray. Noho izany dia nampitombo fomba fiheverana sasany tena malalaka be izy ka izany dia nanova azy ho olona “mpikomy, masiaka sy manjakazaka ary tsy mino ny fisian’Andriamanitra”, araka ny filazany. “Nanjary nihevitra aho fa ny zava-drehetra dia azo nalamina tamin’ny vola ary tsy zava-dehibe Andriamanitra. Raha ny marina, dia nihevitra aho fa tsy nisy akory aza izy”, hoy i Maria nahatsiaro. “Tamiko, ny fivavahana dia zavatra nahatsikaiky sy fitakiana ara-tsosialy fotsiny”, hoy ny teny nanampiny.
Tatỳ aoriana, i Maria dia nahamarika fiovana teo amin’ny zanak’olo-mpiray tam-po aminy, taorian’ny nahatongavan’io ho Vavolombelon’i Jehovah. “Ratsy toetra aoka izany izy io taloha, ary izao izy dia olona tena tia fihavanana sy olo-marina”, hoy ny fanazavan’i Maria. “Nilaza ireo havana fa mpitory ny Filazantsara izy sady namaky ny Baiboly, ary noho izany antony izany no tsy nisotroany sy nanenjehany vehivavy intsony. Koa naniry ny hahatongavany sy hamakiany ny Baiboly tamiko aho, satria noheveriko fa tamin’izany fomba izany no hahitako ilay fiadanana sy filaminana niriko mafy aoka izany.” Ny vokany dia ny naneken’i Maria fianarana ny Baiboly niaraka tamin’ny mpivady vavolombelona.
Nanan-javatra maro noresena izy, ary tena sarotra taminy koa ny nanaiky ilay fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly momba izay lohany, mba hanekeny ny vadiny. Nanao fiovana lehibe teo amin’ny fiainany sy ny fihetsiny anefa izy. Niaiky toy izao izy: “Heveriko fa hatramin’ny nandinganan’ireo anadahy ny tokonam-baravarako ka nitondran’izy ireo ny fanampian’i Jehovah niaraka taminy, dia nisy fahasambarana sy filaminana ary fitahian’Andriamanitra nitoetra tao an-tranoko.” Amin’izao andro izao i Maria dia Vavolombelon’i Jehovah vita fanoloran-tena sy batisa.
Eo amin’ny fanarahana ny fanompoam-pivavahana marina, dia misy faritra iray koa izay andraisan’ny fandeferana, na ny tsy fisian’ny fandeferana, anjara asa lehibe. Matetika tokoa dia manaiky ny fahamarinana ny vehivavy manambady ao amin’ny fianakaviana iray, ary maniry hanompo an’Andriamanitra, fa ilay lehilahy kosa dia malaina. Sarotra amin’ny lehilahy manambady sasany angamba ny manaiky ilay hevitra hoe izao dia misy olon-kafa — i Jehovah Andriamanitra — tsy maintsy eken’ny vadiny. (1 Korintiana 11:3). Nangataka fampianarana ny Baiboly ny vehivavy iray tany Chihuahua, any Meksika, ary tsy ela izy sy ireo zanany fito dia tonga tao amin’ny fahamarinana. Tamin’ny voalohany dia nanohitra ny vadiny. Nahoana? Satria tsy niriny ny handehanan’ny ankohonany hitory isan-trano hanolotra zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly. Toa noheveriny fa tsy mendrika ny hajany izany. Nitana mafy ny fanapahan-keviny hanompo an’Andriamanitra anefa ny ankohonany. Tsy ela ilay rangahy dia nanomboka nahita ny hasarobidin’ny fanekena ny fandaharan’Andriamanitra. Kanefa dia lasa ny 15 taona vao nanolo-tena ho an’i Jehovah izy.
Manerana an’i Meksika, dia mbola misy fitambaran’olona mitokana maro, ka any, ny mponina eo an-toerana dia manana ireo fiteny sy fomba indiana avy amin’ny tany nahaterahany. Mahatratra ireny olona ireny ny hafatry ny Baiboly ary manampy azy ireo hanatsara ny fari-pahalalany izany, satria ny sasany dia mianatra mamaky teny sy manoratra eo am-pianaran’izy ireo ny fahamarinana. Ny tsy nahitan’ny olona fianarana firy na ny tsy fananany harena ara-nofo firy anefa, dia tsy voatery midika hoe ho mora mandray kokoa izy ireo. Indraindray ny fireharehana ara-pirazanana sy ny fifikirana mafy amin’ny fomban-drazana dia manasarotra ny faneken’ny sasany ny fahamarinana. Izany koa dia manazava ny antony mahatonga an’ireo manaiky ny fahamarinana hahazo fanorisorena tsy an-kijanona avy amin’ireo tambanivohitra hafa matetika any amin’ny vohitra indiana sasany. Koa manana endriny maro àry ny fandeferana.
Mandraisa amim-pandeferana
Ahoana ny amin’ny tenanao manokana? Moa ve ianao mandray ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra? Sa sarotra aminao ny manaiky ny fahamarinana sasany ao amin’ny Baiboly? Angamba ianao haniry handini-tena mba hahitana izay misakana anao. Moa ve ianao sahiran-tsaina satria ny ankamaroan’ny olona voasintona ho amin’ny fahamarinana dia tso-piaviana? Mety hisy fireharehana manokana ve tafiditra ao amin’ny eritreritrao? Tsara ny misaintsaina ny amin’ny tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; ary ny iva razana amin’izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin’Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy, mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan’Andriamanitra.” — 1 Korintiana 1:27-29.
Moa ve ianao handa harena iray satria fotsiny hoe hitanao tao anatin’ny fitoerany tsotra vita tamin’ny tanimanga izy io? Mazava ho azy fa tsia! Kanefa dia izany no fomba nofidin’Andriamanitra hampisehoana amintsika ilay Tenim-pahamarinany mamonjy aina, araka ny anazavan’ny apostoly Paoly azy hoe: “Fa manana izao rakitra [“harena”, NW ] izao amin’ny vilany tany izahay, mba ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery, fa tsy ho avy aminay.” (2 Korintiana 4:7). Ny fandeferana sy ny fanetren-tena dia hahatonga antsika hahita ny tena vidin’ilay harena fa tsy ilay “vilany tany” fotsiny, na ireo fitaovana olombelona izay mampita izany amintsika. Amin’ny fanaovana izany no hampitomboantsika koa ny mety ‘hahavoafina antsika amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah’, ka ho anisan’ireo mpandefitra izay “handova ny tany”. — Zefania 2:3; Matio 5:5.