HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ZEFANIA 1–HAGAY 2
Mitadiava An’i Jehovah Dieny Mbola Tsy Tonga ny Andro Fahatezerany
Tsy ampy fotsiny ny hoe manokan-tena ho an’i Jehovah, raha tiantsika ny ho voafina amin’ny andro fahatezerany. Tsy maintsy arahintsika koa ny toromarika nomen’i Zefania ho an’ny Israelita.
Mitadiava an’i Jehovah: Miezaha foana hifandray tsara amin’i Jehovah ka miaraha amin’ny fandaminany
Katsaho ny fahamarinana: Araho ny fitsipik’i Jehovah momba izay tsara sy ratsy
Katsaho ny fandeferana: Manetre tena ka ekeo ny sitrapon’Andriamanitra sy ny famaizany
Mbola misy azoko atao ve mba hitadiavana an’i Jehovah sy hikatsahana ny fahamarinana sy ny fandeferana?