FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 1/2 p. 20-25
  • Nikatsaka Voalohany Indrindra ny Fanjakana Izahay

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nikatsaka Voalohany Indrindra ny Fanjakana Izahay
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fankasitrahana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly
  • Fidirana tao amin’ny asan’ny mpisava lalana
  • Ny fanompoanay nandritra ireo taona nisy ady
  • Asa taorian’ny ady — Avy eo dia i Gileada
  • Ny fanompoanay teto Brezila
  • Fiainana ampoky ny soa sy mahafa-po
  • Ny Vola ve no Tena Mahasambatra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Nahay Nifidy Asa Aho
    Mifohaza!—2007
  • Miaro anay Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Tena Notanterahin’i Jehovah ny Faniriako ho Misionera!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 1/2 p. 20-25

Nikatsaka Voalohany Indrindra ny Fanjakana Izahay

NOTANTARAIN’I OLIVE SPRINGATE

Vao avy nitsoka ny labozia sy nandao ilay efitrano i Neny rehefa avy nihaino ny vavaka nataonay. Nanontany ahy avy hatrany ny zandriko lahy nanao hoe: “Olive a, ahoana no ahafahan’Andriamanitra mahita sy mandre antsika ao ambadiky ny rindrina biriky?”

“MILAZA i Neny fa afaka mahita ao ambadiky ny zavatra rehetra na inona na inona izy”, hoy aho namaly, “na dia hatrany anatin’ny fontsika aza.” Vehivavy natahotra an’Andriamanitra sy mpamaky fatratra ny Baiboly i Neny, ary nandentika tao aminay zanany fanajana lalina an’Andriamanitra sy an’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly izy.

Ny ray aman-dreninay dia mpikambana tao amin’ny Eglizy Anglikanina tao amin’ny tanàna kelin’i Chatham, Faritanin’i Kent, any Angletera. Na dia mpiangona tsy tapaka aza i Neny, dia nino izy fa ny maha-Kristiana dia tsy midika fotsiny hoe mameno dabiliom-piangonana indray mandeha isan-kerinandro. Azony antoka koa fa tsy maintsy manana fiangonana marina iray ihany Andriamanitra.

Fankasitrahana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly

Tamin’ny 1918, fony aho dimy taona teo ho eo, i Neny dia nahazo ireo boky nitondra ny lohateny hoe Études des Écritures nosoratan’i Charles T. Russell, prezidà voalohan’ny Watch Tower Bible and Tract Society. Taona vitsivitsy taorian’izany, raha mbola nipetraka tao amin’ny toerana kely iray nantsoina hoe Wigmore izahay, dia nifandray tamin’i Neny ny Mpianatra ny Baiboly iray, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Nandray ilay boky fianarana ny Baiboly hoe La harpe de Dieu izy, ary tao amin’io izy no nanomboka nahita ny valin’ny maro tamin’ireo fanontaniany momba ny Baiboly. Isan-kerinandro dia tonga tamin’ny paositra ny karatra mavokely iray nisy fanontaniana vita pirinty mikasika ny toko tsirairay. Nasehon’ilay karatra koa ny toerana nety ho nahitana ireo valiny tao amin’ilay boky.

Tamin’ny 1926, ny ray aman-dreniko sy i Beryl, zandriko vavy, ary ny tenako dia niala tamin’ny Eglizy Anglikanina noho izahay tofoka tamin’ny fitsofohan’ny fiangonana tamin’ny politika, ary koa tamin’ireo fampianarany tsy azon’ny saina ekena maro be. Fampianarana lehibe iray ilay hoe Andriamanitra dia hampijalijaly ny olona mandrakizay ao amin’ny afobe mirehitra iray. Ny reniko, izay tena nikaroka tokoa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, dia niaiky mafy fa ny Eglizy Anglikanina dia tsy ilay marina.

Tsy ela taorian’izay, ho valin’ilay vavaka tamin-kafanam-po nataon’i Neny, dia nitsidika anay Rtoa Jackson, Mpianatra ny Baiboly iray. Nandritra ny efa ho adiny roa, dia niresaka taminay sy i Neny izy, namaly avy tao amin’ny Baiboly ny fanontanianay. Ravoravo izahay nianatra, ankoatra ny zavatra hafa, fa ny vavaka ataonay dia tokony hiantefa any amin’Andriamanitra, ilay Rain’i Jesosy Kristy, fa tsy any amin’ny Trinite mifono mistery. (Salamo 83:18; Jaona 20:17). Ny fanontaniana tsy haiko nohadinoina indrindra nataon’i Neny anefa, dia itỳ: “Inona no atao hoe mikatsaka voalohany indrindra ny Fanjakana?” — Matio 6:33, NW.

Nisy fiantraikany lalina teo amin’ny fiainanay ilay valiny niorina tamin’ny Baiboly. Hatramin’iny herinandro iny, dia nanomboka nanatrika ireo fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly sy nizara izay nianaranay tamin’ny hafa izahay. Niaiky mafy izahay fa nahita ny fahamarinana. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin’ny 1927, dia natao batisa i Neny ho fampisehoana ny fanolorany tena hanompo an’i Jehovah, ary tamin’ny 1930, dia natao batisa koa ny tenako.

Fidirana tao amin’ny asan’ny mpisava lalana

Ny fianakavianay dia nivory tao amin’ny Kongregasiona Gillingham, izay voaforon’ny olona sahabo ho 25. Ny maromaro tamin’izy ireo dia minisitra manontolo andro, antsoina hoe mpisava lalana, ary izy rehetra dia samy nanana fanantenana ny hankany an-danitra. (Filipiana 3:14, 20). Namindra ny zotom-po kristiana nananan’izy ireo. Na dia mbola zatovo aza aho, dia nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny fotoana fohy tany Belzika tany am-piandohan’ireo taona 1930. Izany dia nampiredareda ny faniriako hanao ny fanompoana ilay Fanjakana bebe kokoa. Tamin’izay fotoana izay izahay dia nandray anjara tamin’ny fizarana tamin’ny mpitondra fivavahana tsirairay, bokikely iray tamin’ilay hoe: Ilay Fanjakana, ny Fanantenana ho An’izao Tontolo Izao (anglisy).

Tatỳ aoriana dia nanjary nanohitra be ny asa kristiana nataonay ny raiko, ary izany no anisan’ny antony nifindrako tany Londres tamin’ny 1932 mba handeha tany amin’ny oniversite. Tatỳ aoriana dia tonga mpampianatra tany an-tsekoly aho nandritra ny efa-taona, ary nandritra izany fotoana izany aho dia niaraka tamin’ny Kongregasiona Blackheath, iray tamin’ireo kongregasiona efatra monja tao Londres tamin’izay fotoana izay. Tamin’izay izahay vao nanomboka nandre tatitra momba ny fanaovana an-tranomaizina sy ny fijalian’ireo anadahy sy rahavavy kristiana tany Alemaina notapahin’i Hitler, noho izy ireo tsy nety nanohana ny ezaka nataon’i Hitler ho amin’ny ady.

Tamin’ny 1938, tamin’ilay volana nahefako ny trosa tamin’ireo boky nalaiko, dia niala tamin’ny asako aho mba hanatanterahako ny faniriako ho tonga mpisava lalana. Nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana tao Londres tamin’izay fotoana izay koa i Beryl rahavaviko, saingy nipetraka tany amin’ny tranon’ny mpisava lalana hafa izy. Ny mpisava lalana voalohany namako dia i Mildred Willett izay tatỳ aoriana dia nanambady an’i John Barr, mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantana ny Vavolombelon’i Jehovah izao. Niaraka tamin’ireo hafa tao amin’ilay antokon’olona nisy anay, izahay dia nandeha bisikilety nankany amin’ny faritany, ary nijanona tany nandritra ny andro, matetika na dia teo aza ny orana.

Efa nitatao sahady teo ambonin’i Eoropa ny rahon’ny ady. Nisy fanoroana ny fomba fampiasa ny saron-tava fiarovana amin’ny gaza natao ho an’ny mpiray firenena, ary nanomboka ireo fiomanana ho fandefasana ireo ankizy any amin’ireo tanàna ambanivohitra anglisy, na any amin’ireo tanàna kely, raha sanatria ka nisy ny ady. Tsy nanana afa-tsy vola voatahiry ampy nividianana kiraro iray aman’olona aho, ary tsy nisy fahafahana hahazo fanampiana ara-bola avy tany amin’ireo ray aman-dreniko. Tsy nilaza ve anefa i Jesosy fa ‘hanampy izany rehetra izany raha mikatsaka voalohany indrindra ny fanjakana ianao’? (Matio 6:33, NW ). Nanam-pinoana tanteraka aho fa hanome izay rehetra nilaiko i Jehovah, ary dia nanao izany tamin’ny fomba tondraka izy nandritra izany taona rehetra izany. Nandritra ny fotoan’ny ady, dia nanampy ny anjara sakafo keliko aho indraindray, tamina anam-bazaha notsimponina teny amin’ny arabe taorian’ny fandalovan’ireo kamiao nitondra entana. Ary matetika aho dia nahazo sakafo tamin’ny fanakalozana zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly tamina voankazo sy anam-bazaha.

Teraka tamin’ny 1928 i Sonia, zandriko vavy. Vao fito taona monja izy rehefa nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah. Nilaza i Sonia fa na dia tamin’izy mbola kely toy izany aza, dia tonga zava-nokendreny ny asan’ny mpisava lalana. Tamin’ny 1941, tsy ela taorian’ny nampisehoany ny fanoloran-tenany tamin’ny batisa tanaty rano, dia nanatanteraka izany zava-nokendrena izany izy rehefa voatendry ho mpisava lalana tany Caerphilly, tany Pays de Galles Atsimo, izy sy i Neny.

Ny fanompoanay nandritra ireo taona nisy ady

Tamin’ny Septambra 1939, dia nanomboka ny Ady Lehibe Faharoa, ary ireo anadahinay sy rahavavinay kristiana tany Grande-Bretagne dia natao an-tranomaizina noho ny antony nitovy tamin’ny an’ireo mpiray finoana taminy tany Alemaina Nazia — ny fialanalanany teo amin’ny fandraisana anjara tamin’ny ady. Nanomboka teo antenantenan’ny taona 1940 ny zera baomba tao Angletera. Isan’alina, dia nankarenin-tsofina ny fanafihana ana habakabaka, kanefa noho ny fanampian’i Jehovah dia afaka nahita tory ihany izahay ka nahazo famelombelomana ho amin’ny asa fitoriana ny andro nanaraka.

Indraindray dia nandeha tany amin’ny faritany nitoriana izahay mba hahita fa ny ankamaroan’ny trano dia rava. Tamin’ny Novambra tamin’iny taona iny, dia nisy baomba nianjera, metatra vitsivitsy monja niala avy eo amin’ilay trano nipetrahan’ny maromaro taminay, ka nanamontsamontsana ny varavarankely. Ilay varavarambe navesatra teo anoloana dia nianjera mafy tamin’ny tany ka vaky, ary nirodana ny fivoahan-tsetroka. Rehefa avy nandany ny sisa tamin’ny alina tany amin’ny fialofana amin’ny fanafihana ana habakabaka izahay, dia nisaraka ary nandeha nipetraka tany amin’ny tranon’ny Vavolombelona samy hafa.

Tsy ela taorian’izay, dia nahazo fanendrena ho any Croydon, any Londres Lehibe, aho. Ny mpisava lalana namako dia i Ann Parkin, anabavin’i Ron Parkin izay tonga mpampifandrindra ny Komitin’ny Sampana any Porto Rico tatỳ aoriana. Taorian’izay aho dia nifindra tany Bridgend, tany Pays de Galles Atsimo, ka tany aho dia nanohy ny asan’ny mpisava lalana, nipetraka tao anatin’ny trano fiara tarihin-tsoavaly iray nandritra ny enim-bolana. Niala avy teo izahay dia nandeha bisikilety enina kilaometatra nankany amin’ny kongregasiona lehibe akaiky indrindra, tany Port Talbot.

Tamin’izay fotoana izay dia efa nanjary somary nankahala anay ny vahoaka, niantso anay hoe conchies (mpanohitra mitandrina fatratra). Izany dia nanasarotra ny fahitanay trano hipetrahana, kanefa dia nikarakara anay araka ny nampanantenainy i Jehovah.

Tatỳ aoriana, ny valo taminay dia notendrena ho mpisava lalana manokana tany Swansea, tanàna iray seranan-tsambo tany Pays de Galles Atsimo. Arakaraka ny nitomboan’ny fahamafisan’ny ady no nitomboan’ny fitsarana an-tendrony anay koa. Nisy nandoko teo amin’ny rindrin-tranon’ny mpisava lalana nisy anay ny teny hoe “voalavo” (olona faniratsira) sy ny hoe “kanosa”. Io fankahalana io dia nampirisihin’ireo tatitra an-gazety indrindra izay nanameloka ny fialanalananay. Tamin’ny farany, dia nalefa tsirairay an-tranomaizina izahay fito. Nandany iray volana tany amin’ny tranomaizin’i Cardiff aho tamin’ny 1942, ary tatỳ aoriana dia nandany fotoana tany koa i Beryl rahavaviko. Na dia tsy nanana firy ara-nofo sy niaritra fanesoana sy fanomezan-tsiny aza izahay, dia nanankarena ara-panahy kosa.

Nandritra izany fotoana izany, i Neny sy i Sonia dia nanao ny asan’ny mpisava lalana tany Caerphilly ary nahita fanandraman-javatra nitovy tamin’izany. Ny fampianarana ny Baiboly voalohany notarihin’i Sonia dia tamin’ny ramatoa iray izay nanaovany fandaharana hotsidihina ny zoma hariva. Natoky i Sonia fa hiaraka taminy i Neny, kanefa dia nanazava toy izao i Neny: “Manana fotoana amin’olona hafa aho. Ianao no nanao ilay fandaharana, koa voatery handeha irery fotsiny ianao.” Na dia vao 13 taona monja aza i Sonia, dia nandeha irery izy, ary nandroso tsara ara-panahy ilay ramatoa ka tatỳ aoriana dia tonga Vavolombelona vita fanoloran-tena.

Asa taorian’ny ady — Avy eo dia i Gileada

Rehefa nifarana tamin’ny 1945 ny Ady Lehibe Faharoa, dia niasa tany amin’ny faritra nitokana iray tany Whaley Bridge, tany Derbyshire, aho. Tamin’ilay maraina nanambarana ny fitsaharan’ny poa-basy, izahay dia nitsidika sy nampahery ny olona izay tamin’izay dia leon’ny ady sy ireo vokany — kamboty sy mpitondratena ary bekotromaroholatra.

Volana vitsivitsy tatỳ aoriana ny Fikambanana dia nangataka mpiasa an-tsitrapo mba hitory tany Irlande, ilay Nosin’ny Emeraody. Tamin’izay fotoana izay dia tsy nisy afa-tsy Vavolombelon’i Jehovah 140 teo ho eo tao amin’ilay nosy, hany ka noheverina ho faritanin’ny misionera izy io. Tao anatin’ny volana vitsivitsy, dia nisy mpisava lalana manokana 40 notendrena tany, ary anisan’izy ireo aho.

Rehefa avy niasa nandritra ny fotoana kelikely tao Coleraine sy Cookstown tany avaratra aho, dia voatendry, niaraka tamin’ny telo hafa, tany Drogheda tany amoron-tsiraka atsinanana. Na dia mafana sy tia mandray vahiny aza ny toetra voajanaharin’ireo Irlanday, dia lehibe ny fitsarana an-tendrony ara-pivavahana. Noho izany, nandritra ny herintaona naninjitra, dia tsy nahapetraka tamin’ny olona afa-tsy boky fianarana ny Baiboly vitsivitsy izahay (raha ny marina dia boky iray sy bokikely vitsivitsy monja).

Nandritra ny nijanonanay tany Drogheda, dia teo am-pitetezana ireo toeram-pambolena sy fiompiana tamin’ny bisikilety aho raha nipoitra tampoka avy tao amin’ny kirihitra nanemitra ny arabe ny mpiasan’ny toeram-pambolena iray. Nijerijery ny teo amin’ny arabe izy, avy eo dia nanontany tamin’ny feo iva hoe: “Vavolombelon’i Jehovah ve ianao?” Rehefa namaly hoe eny aho, dia nanohy toy izao izy: “Halina aho dia nanao ady hevitra nahatsiravina tamin’ny fofombadiko mikasika anareo, ary dia tapaka ny aminay. Nanizingizina izy fa Kaominisita ianareo, araka ny voalazan’ireo pretra katolika sy ny gazety, kanefa dia nidrikina aho fa tsy nety ho marina izany satria mandeha miharihary isan-trano ianareo.”

Nomeko bokikely iray hovakina izy, dia nafeniny tao anaty paosiny izany. Ary nanao fandaharana izahay mba hifankahita sy hiresaka bebe kokoa rehefa latsaka ny alina satria hoy izy: “Raha hita miresaka aminao aho, dia hamoy ny asako.” Iny alina iny, dia nihaona taminy ny roa taminay ary namaly ny fanontaniana maro nataony. Toa niaiky mafy izy fa fahamarinana izany, ary nampanantena izy fa hankany an-tranonay amin’ny alina hafa iray mba hianatra bebe kokoa. Tsy tonga mihitsy izy, koa dia nieritreritra izahay fa tsy maintsy nisy nahafantatra azy ny mpitaingina bisikilety sasany nandalo tamin’ilay alina voalohany, ka azo inoana fa namoy ny asany izy. Manontany tena izahay indraindray raha mba tonga Vavolombelona ihany izy.

Rehefa avy nanatrika ny fivoriamben’ny distrika tany Brighton tany amin’ny moron-tsiraka atsimon’i Angletera izahay tamin’ny 1949, dia naharay fanasana ho any amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower tany amin’ny Fanjakan’i New York ny maromaro taminay. Tamin’ny fitambarany, dia nisy 26 avy tany Grande-Bretagne nanatrika ny kilasy faha-15, izay nandray ny diplaoma tamin’ny 30 Jolay 1950, nandritra ilay fivoriambe niraisam-pirenena tao amin’ny Yankee Stadium.

Ny fanompoanay teto Brezila

Ny taona nanaraka izay, dia voatendry tany São Paulo, eto Brezila, aho. Izy io dia iray amin’ireo tanàn-dehibe mitombo haingana indrindra eo amin’izao tontolo izao. Tamin’izany fotoana izany dia tsy nanana afa-tsy kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah dimy monja izy io, fa izao dia misy efa ho 600 amin’izany! Endre ny fifanoheran’izany tamin’ny fiasana tany Irlande! Maro amin’ireo fonenana tao amin’ny faritaninay tany São Paulo, no trano be voahodidina fefy vy avo be, misy vavahady vita amin’ny vy voatefy tamin’ny fomba voakaly. Nitehaka izahay rehefa niantso ny tompo-trano na ny mpanampy.

Arakaraka ny nandehanan’ireo taona, dia nisy fanendrena vaovao. Nahazo tombontsoa aho hanampy tamin’ny fiforonan’ny kongregasiona vaovao tamin’ny toerana maro samy hafa tany afovoan-tanin’ny fanjakan’i São Paulo, anisan’izany ny iray tany Jundiaí tamin’ny 1955, ary ny iray hafa tany Piracicaba tamin’ny 1958. Tatỳ aoriana, tamin’ny 1960, dia tonga misionera namako i Sonia rahavaviko, ary dia notendrena tany Pôrto Alegre, renivohitry ny fanjakan’i Rio Grande do Sul izahay. Mety hanontany tena ianao hoe ahoana no nahatongavany teto Brezila?

Nanohy nanao ny asan’ny mpisava lalana niaraka i Sonia sy i Neny tany Angletera taorian’ny Ady Lehibe Faharoa. Teo am-piandohan’ireo taona 1950 anefa, dia nodidiana noho ny homamiadana i Neny, ka izany dia nahatonga azy ho osa loatra mba handehanana isan-trano, na dia afaka nitarika fampianarana Baiboly sy nanoratra taratasy aza izy. Nanohy ny asan’ny mpisava lalana i Sonia no sady nanampy tamin’ny fikarakarana an’i Neny. Tamin’ny 1959, dia nanana tombontsoa hanatrika ny kilasin’i Gileada faha-33 i Sonia, ary dia voatendry teto Brezila. Nandritra izany i Beryl dia nikarakara an’i Neny mandra-pahafatiny tamin’ny 1962. Tamin’izay i Beryl dia efa nanambady, ary manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana izy sy ny ankohonany.

Teto Brezila, izahay sy i Sonia dia nanampy olona maromaro hatramin’ny fanoloran-tena sy batisa. Iray amin’ireo zava-manahirana hitan’ny Brezilianina maro be anefa ny fanaovana izay haha-ara-dalàna ny fanambadian’izy ireo. Noho ny fahasahiranana eo amin’ny fahazoana fisaraham-panambadiana eto Brezila, dia tsy maningana ny olon-droa miara-miaina fotsiny tsy vita soratra. Izany indrindra no mitranga rehefa nisaraka tamin’ny vady mariaziny ara-dàlana taloha ny iray amin’ireo olon-droa.

Tao anatin’izany toe-javatra izany ny ramatoa iray atao hoe Eva, rehefa nifandray taminy aho. Tsy hita popòka ilay vadiny ara-dalàna, koa mba hahitana izay nisy azy, dia voatery nandefa filazana tao amin’ny radio izahay. Rehefa hita ilay vadiny, dia niaraka taminy tany amin’ny tanàn-dehibe hafa iray aho mba hahazoana ny sonian’ilay rangahy tao amin’ny taratasy iray izay ho nanafaka azy mba hahafahany hanao izay haha-ara-dalàna ny fikambanany tamin’ilay lehilahy tsy nanambady izay niara-niaina taminy. Tao amin’ny fakana am-bavany teo anatrehan’ny mpitsara, dia nangatahiny i Eva sy ny tenako mba hanazava ny antony nanirian’i Eva hanitsy ny toerany ara-panambadiana. Nampiseho fahatairana sy fahafaham-po koa ilay mpitsara rehefa nohazavaina taminy izany.

Tamin’ny toe-javatra hafa iray, dia niaraka tamin’ny olona iray ampianariko ny Baiboly aho nankany amin’ny mpisolovava iray mba handamina ny hikarakaran’io ny raharahany. Nisy indray fanambarana tsara nomena mikasika ny fanambadiana sy ny fari-pitsipika ara-pitondran-tenan’Andriamanitra. Tamin’io indray mitoraka io, dia lafo aoka izany ny vidin’ilay fisaraham-panambadiana, hany ka voatery niasa izy mivady mba handoavana ireo sarany. Mendrika ny nanaovana ezaka anefa izany, ho an’ireo mpianatra ny Baiboly vaovao ireo. Nanana tombontsoa ny ho vavolombelona tamin’ny mariazin’izy ireo izahay sy i Sonia, ary avy eo dia nihaino lahateny fohy araka ny Baiboly tany an-tranony, niaraka tamin’ny zanany telo efa zatovo.

Fiainana ampoky ny soa sy mahafa-po

Rehefa nanolotra ny fiainanay ho an’i Jehovah izahay sy i Sonia ka tonga mpisava lalana, dia nikasa, araka izay farany azo atao, ny hanao ny fanompoana manontolo andro ho ny asa nofidinay hatao eo amin’ny fiainana. Tsy nieritreritra firy ny amin’izay hitranga any amin’ireo taona any aoriana izahay, na hoe raha sanatria ka marary na tojo fahasahiranana ara-bola. Toy ny nampanantenain’i Jehovah anefa, dia tsy nafoy na oviana na oviana izahay. — Hebreo 13:6.

Eny e, zava-nanahirana indraindray ny tsy fisian’ny vola. Nisy fotoana nihinanako sy ilay namako niaraka tamiko mofo nisy persil ho sakafo antoandro nandritra ny herintaona naninjitra, kanefa dia tsy maty noana mihitsy izahay, na tsy nanana ireo zavatra fototra tena nilaina.

Arakaraka ny nandehanan’ireo taona, dia nihena nifanaraka tamin’izany koa ny herinay. Nandritra ireo taona 1985-1987, dia samy nanaovana fandidiana lehibe izahay roa vavy, ka izany dia niteraka fitsapana mafy ho anay satria tapaka be ny asa fitorianay. Tamin’ny Janoary 1987, dia nasaina ho tonga anisan’ny mpiasa ao amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Brezila izahay.

Ny fianakaviambenay misy minisitra maherin’ny arivo dia mipetraka any amin’ny 140 kilaometatra any ivelan’i São Paulo, ao amin’ny fitambaran-trano kanto iray izay anaovana pirinty ireo zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly ho an’i Brezila sy faritra hafa eto Amerika Atsimo. Eto izahay dia mahazo fikarakarana feno fitiavana avy amin’ireo mpanompon’Andriamanitra be fandavan-tena. Fony aho tonga voalohany teto Brezila tamin’ny 1951, dia nisy mpitory ny hafatr’ilay Fanjakana sahabo ho 4 000 tany ho any. Izao anefa, dia maherin’ny 366 000 izy ireo! Nanampy ho anay ‘ny zavatra hafa rehetra’ tokoa ilay Raintsika be fangoraham-po any an-danitra, satria nikatsaka voalohany indrindra ny Fanjakany izahay. — Matio 6:33, NW.

[Sary, pejy 22]

I Olive miaraka amin’i Mildred Willett eo anilan’ny sarety kely fanaovana filazana iray, tamin’ny 1939

[Sary, pejy 25]

I Olive sy i Sonia Springate

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara