FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 1/7 p. 22-26
  • Miaro anay Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miaro anay Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny hetaheta ta-hahafanta-javatra
  • Mampihatra izay nianarako aho
  • Ny fanompoana tao anatin’ny fotoan-tsarotra
  • Manompo any Brésil aho
  • Eo ambany fameperana
  • Gileada, ary avy eo fisehoan-javatra hafa
  • Fandrosoana tsy an-kijanona
  • Nitahy ny fahavononako i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Notohanan’ny Fatokiako An’i Jehovah Aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Mitarika ho Amin’ny Fandrosoana ny Fikirizana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Mitondra Fifaliana ny Fikirizana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 1/7 p. 22-26

Miaro anay Jehovah

Nataon’i Erich Kattner

VLAN! Kapoka boky teo ambony loha. Izany no nifandraisako voalohany tamin’ny Baiboly, izay ningain’ny pretra katolika iray tamin’izay. Inona no anton’izany fahasiahana izany? Satria nametraka fanontaniana iray aho.

Nampianatra anay katesizy sy fivavahana ilay pretra, ary nanandrana namporisika anay zatovolahy mba hiditra amin’ny laharan’ny pretra izy. Tamin’izany fiezahana izany, dia nampiasa ny andinin’ny Soratra Masina voasoratra ao amin’ny I Tesaloniana 4:17 izy, izay miresaka ny amin’ireo izay “hakarina (...) ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka”.

Koa satria aho nanana fanontaniana hapetraka foana, tamin’io indray mitoraka io aho dia nanontany hoe: “Ahoana no ilazanao fa mankany an-danitra mivantana ny pretra, nefa araka ny Fanekem-pinoana, Jesosy dia tsy maintsy nankany amin’ny afobe?” (Asan’ny apostoly 2:31). Ho valiny dia nokapohiny tamin’ny Baiboly ny lohako.

Ny hetaheta ta-hahafanta-javatra

Nefa naniry tamim-pahatsorana hahazo valiny aho. Nanintona ahy tokoa ny fanompoana an’Andriamanitra na dia tamin’ny fahazazako aza. Nahazatra ahy ny niditra tao amin’ny eglizy mba hivavaka isaky ny mandalo eo anoloany aho. Na dia tao aza izany rehetra izany, dia tsy nahita fahafahampo ny tenako. Noho ny antony iray na hafa, dia sosotra foana aho tamin’ny zavatra tsy mahitsy hitako, ohatra ny fanompoan-tsampy miharihary ataon’ny mpiangona maro na ny fitondrantenan’ny pretra sasany.

Vao valo taona teo ho eo aho raha namaky ny bokiko voalohany. La christianisation du Brésil no lohateniny. Tafintohina tamin’io vakiteny io aho. Azo lazaina fa tantara miresaka vonoana olona ilay izy, dia ny famonoana ny Indiana tamin’ny anaran’ny fivavahana. Izany dia ampy mba hanovako ny fomba fijeriko zavatra betsaka.

Nitranga izany nandritra ireo taona 1920. Teraka tany Autriche aho, tao Vienne, tamin’ny 19 aogositra 1919, ary nijanona ho lahitokana ny tenako. Raha enin-taona aho, ny raiko, injenieran’ny herim-baratra, dia nanaiky asa iray tany avaratr’i Tchécoslovaquie, tao amin’ny faritra miteny aleman’ny Sudètes. Nifindra tany àry izahay, mba hitoetra tao amin’ny tanàna kelin’i Warnsdorf tamin’ny farany.

Nihanandiso fanantenana ahy hatrany ny Eglizy katolika. Indray andro, dia maloka endrika be aho satria mbola nosazin’ilay pretra indray ka nitomany aho teny an-dalana nody. Nandritra izany dia an-tongotra namakivaky saha izany, dia niteny anakampo aho fa tsy azo atao ny mihevitra fa misy Andriamanitra iray, noho ireo zavatra ratsy hitako sy nampianarina ahy.

Nefa notairin’ny kalom-boronkely tamin’ny fisaintsainako aho; voamariko ny voninkazo, ny lolo ary ny hakanton’ny zavaboary. Tamin’izay dia nazava tamiko ny zava-drehetra: eny, misy tokoa Andriamanitra iray be fitiavana, toetra izay miharihary kosa fa tsy nananan’ireo mihambo ho mpanompon’Andriamanitra ireo. Ary koa, angamba Andriamanitra efa kivy ny amin’ny olombelona. Tamin’io andro io dia nanonona ny tena voaloham-bavako aho, nangataka tamin’Andriamanitra tao amin’izany aho mba hanampy ahy hahalala azy, raha toa ka mbola mihevitra ny olona izy. Izany dia nitranga tamin’ny 1928.

Teo amin’ny iray volana tatỳ aoriana, dia lasa nanatrika fivoriam-pianakaviana iray tany Vienne ny reniko, noho ny fitsingerenan’ny fahenimpolo taonan’ny renibeko. Tany izy dia nihaona tamin’ny anadahiny, Richard Tautz izay nipetraka tany Maribor, any Yougoslavie, tamin’izany fotoana izany. Vao haingana izy no tonga Mpianatra ny Baiboly, anarana niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Feno hafanam-po aoka izany ny reniko rehefa nody tao an-trano, noho ireo fampianarana vaovao vao nianarany. Izay teny naveriny taminay dia namoha ako tato anatiko; toy ny hoe ny tanan’i Jehovah no nanomboka niasa. — Salamo 121:5.

Mampihatra izay nianarako aho

Tatỳ aoriana, ireo Mpianatra ny Baiboly avy any Alemaina dia tonga tao amin’ny faritra misy anay, nanomboka nampiely ny hafatr’ilay Fanjakana. Volana vitsivitsy nanaraka izany, dia nandamina fivoriana tsy tapaka, tsy lavitra teo, izy ireo, tao amin’ny tanàna iray, tany amin’ny faritra alemana. Mba hanatrehana an’izany, dia nanao ireo kilaometatra vitsivitsy an-tongotra nanelanelana anay tamin’izany ka niampita tsy tapaka ny sisin-tany izahay. Tamin’izany fotoana izany no nihaonako tamin’i Otto Estelmann, izay mpiara-miasa akaiky tamiko tatỳ aoriana.

Tamin’ny 1932, ny fianakavianay dia nifindra tany Bratislava, renivohitr’i Slovaquie, tany amin’ny fitopolo kilaometatra teo ho eo avy ao Vienne. Tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah hafa mihitsy tao tamin’io fotoana io. Nanapa-kevitra ny hanao betsaka kokoa tamin’ny asa fitoriana aho. Noho izany, dia nifidy ny faritany, izay, araka ny hevitro, dia nanahirana indrindra aho, satria toeram-ponenana misy ankamaroan’ny fianakavian’ny mpikambana amin’ny fitondram-panjakana. Fiteny efatra no nampiasaina tao Bratislava tamin’izany: ny “slovaque”, ny “tchèque”, ny alemana sy ny “hongrois”.

Sady nitondra karatra mirakitra toriteny fohy voasoratra amin’ny fiteny efatra aho, no nandeha irery nandona isam-baravaran’ireny efitrano fonenana lehibe ireny. Indraindray ny raiko, izay tsy mbola Vavolombelon’i Jehovah, dia nijoro teo amin’ny sisin-dalana terỳ am-pita ary nijery izay nataoko ka nanifikifika ny lohany. Fotoana fohy tatỳ aoriana, dia niandany tamin’ny fomba hentitra tamin’i Jehovah koa izy.

Ny 15 febroary 1935, nandritra ny fivoriana iray manokana natao tao an-tokantranon’ny ray aman-dreniko niaraka tamin’ny mpiandraikitra mpitety faritany iray, dia natao batisa ny tenako, niaraka tamin’ny mpilatsaka hafa, tao anaty fandroana. Tamin’io taona io, dia nahazo ny diplaoma izay nomaniko tao amin’ny sekolin’ny varotra iray aho, ka notolorana asa manintona iray aho; nefa nifanitsy tamin’izany koa, dia nasaina mba hiasa tao amin’ny sampan’ny Fikambanan’ny Watch Tower tao Prague, Tchécoslovaquie aho. Rehefa avy nifandinika ny amin’izany tamin’ny fomba maotina tamin’ny ray aman-dreniko aho, dia natolotray am-bavaka tamin’i Jehovah izany. Izany no fomba nanombohako tamin’ny fanompoana manontolo andro, ny 1 jona 1935 teo amin’ny fahenina ambin’ny folo taonako..

Ny fanompoana tao anatin’ny fotoan-tsarotra

Tao amin’ny biraon’ny Fikambanana tao Prague, no nianarako nampiasa milina fandaharana lohavy sy fanomanana ny isam-pejy hatao pirinty. Nanonta taratasy mivalona izahay, ho an’ireo rahalahy tany Alemaina, izay nandraran’i Hitler ny asa, ary koa Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny fiteny maromaro. Kanefa, tojo fahasahiranana koa ny asa tao Eoropa, ka tamin’ny farany dia nakaton’ny manam-pahefana ny sampana nisy anay tamin’ny desambra 1938.

Nody tany amiko, tany Bratislava, aho, ary tao koa ny fitondram-panjakana dia lasa teo an-tanan’ireo mpomba ny nazia, ka nanao fitoriana tamim-piafenana isam-baravarana nandritra ny roa volana aho. Tamin’izany fotoana izany koa, ny Birao foibe eoropean’ny Fikambanana Watch Tower, tao Berne, Soisa, dia nampahafantatra ahy tamin’ny taratasy, fa raha tiako ny hanompo amin’ny maha-mpitory maharitra na aiza na aiza toerana eo amin’izao tontolo izao, dia tokony hankany Berne aho.

Nanaiky izany fanasana izany aho ka dia nandao ny tranonay. Hatreo dia tsy hifankahita tamin’ny raiko intsony aho; raha ny amin’ny reniko kosa, dia tsy ho hitako izy raha tsy telopolo taona atỳ aoriana. Nefa dia niambina anay telo mianaka hatrany Jehovah, nandritra ireo fisedrana maro nanaraka. Ohatra, reko tatỳ aoriana fa ny mpikambana tamin’ny Hlinka Guarda (karazana S.S. slovaques) dia nanenjika ahy nanomboka ny andro nandaozako an’i Bratislava. Ankoatr’izany, nandritra ny diako, rehefa fantatr’ireo mpitsikilo nazia fa Vavolombelon’i Jehovah aho, dia nanandrana nampisambotra ahy teny amin’ny toerana mamaritra ny sisin-tanin’i Italia sy Iogoslavia izy ireo. Kanefa Jehovah dia tsy nitsahatra niaro ahy. — Salamo 48:14; 61:3.

Tany Berne dia reko fa halefa ho any Chine, ao Shanghai ny tenako, nefa tatỳ aoriana dia novana ho any Brésil izany fanendrena ahy izany. Niasa tao amin’ny Sampana tany Berna aho mandra-pahazoko ny fahazoan-dalana ho any Brésil. Tamin’izany fotoana izany, dia vao mainka rotidrotiky ny korontana Eoropa. Ireo sisin-tany dia nakatona tsirairay, ka noho izany tamin’ny aogositra 1939, dia nandodona ahy ny Fikambanana mba handeha ho any Frantsa. Nandao an’io firenena io avy teo Le Havre ny 31 aogositra ny sambo lehibe breziliana iray atao hoe Siquiera Campos, ary nilaina ny niondranako tao. Adiny efatra monja talohan’ny hipoahan’ny Ady Lehibe faharoa vao niainga ilay sambo!

Tao amin’ny efitra sokajy faharoa, dia tafaraka tamin’ny mpandeha am-polony aho ka, tatỳ aoriana vao fantatro fa nazia avokoa ireo. Tsy nankasitrahan’izy ireo velively ny nanaovako fanambarana taminy. Imbetsaka dia nanandrana nandroaka ahy avy tao an-tsambo izy. Tao Vigo, teny amin’ny moron-tsiraka espaniola, ny kapiteny dia nanoro hevitra ahy tamim-pitiavana mba tsy hidina eny an-tanety mandritra ny fiantsonana. Tany Portugal, tao an-tseranan’i Lisbonne, ireo mpitsikilo nazia dia nandiso ny ora fiaingan’ny sambo voasoratra teo amin’ny tabilao filazana ora, mba ho tafajanona teny an-tseranana aho. Nefa Jehovah dia mbola niambina ahy indray (Salamo 121:3). Tonga tao Santos, tany Brésil aho, ny harivan’ny 24 septambra 1939. Ny ampitson’io dia niainga ho any Sâo Paulo aho, ho any amin’ny biraon’ny Fikambanana.

Manompo any Brésil aho

Tamin’ny septambra 1939, dia Vavolombelona 127 monja no tao Brésil, izay nisy mponina 41 tapitrisa teo ho eo tamin’izay. Nijanona havaloana tao Sâo Paulo aho, ary avy eo dia namonjy ny faritaniko tany amin’ny fanjakana iray farany atsimo, tany Rio Grande do Sul. Tokony hiara-hipetraka tamin’ny Vavolombelona vitsivitsy avy tamin’ny fiaviana polone sy miteny alema, izay nonina tany amin’ny faritra lavitra, tany afovoan’ala mikitroka, aho.

Naharitra efatra andro ny dia tamin’ny fiarandalamby. Tapitra ny lalamby tao Giruá, tanàna iray nampahatsiahy ireo tanàna tany Andrefan’ny Amerika Avaratra, tamin’ny fiandohan’ny tantarany, fony mbola tsy voazaha izy. Avy teo Giruá dia mbola nila namakivaky telopolo kilaometatra teo ho eo tany anaty ala aho mba hahatongavana tao amin’ny toeram-ponenan’ireo Vavolombelona ireo. Nisy kamiao mpanatitra entana iray nitondra ahy tamin’ny ampahany betsaka tamin’ny lalana, avy eo dia napetrany teo an-tsisin’ny lalan-tany iray aho. Rehefa nanao dia an-tongotra iray kilaometatra mahery kely tao anaty ala aho, ary niampita rian-drano kely iray, dia tonga aho tamin’ny farany.

Nitokana tokoa ny toerana nisy anay, hany ka ny fanompoako amin’ny maha-mpitory maharitra dia voafetra tamin’ny fivoahana mahalana, rehefa mba misy olona afaka nitondra ahy tamin’ny saretiny tarihin’ny soavaly iray. Mba hanatrarana ireo fonenana, dia ilaina ny hanaovana dia andro maro maninjitra, matory eny amin’ny lalan-tany mba hialana amin’ny bibilava na ao ambany kalesy rehefa avy ny orana. Nitory tany amin’ireo tanàna toa an’i Cruz Alta koa izahay.

Tamin’ny 1940, ny Fikambanana dia nanendry ahy ho any Pôrto Alegre, renivohitry ny Fanjakan’i Rio Grande do Sul. Tao no niarahako tamin’i Otto Estelmann, sakaizako fony aho zatovo, izay notendrena ho any Brésil koa. Toa nankasitraka ny nazia anefa ny manam-pahefana tao amin’io tanàna io. Nosamborina izahay ka nomena izao safidy izao: na hanao sonia taratasy iray izay milaza fa lavinay ny finoanay, na hanainga amin’ny fiarandalamby mandeha alina izahay, mba hotanana any akaikin’ny sisin-tanin’i Uruguay. Nandray fiaran-dalamby izahay ny alin’iny ihany.

Eo ambany fameperana

Notanana teo amin’ny sisin-tany efa ho roa taona izahay. Novonjen’i Jehovah indray anefa aho tamin’io fotoana io. Nanolotra ny fanampiany anay ny mpanao raharaha jiosy vitsivitsy ka noho izany dia navela hiasa tany ivelany aho fa tsy voahidy tao am-ponja; na izany aza dia nambenana fatratra izahay. Tsy afaka nifandray tamin’ny sampana mihitsy izahay.

Ary indray andro dia nifanena teny an-dalana tamin’ny mpitory maharitra iray avy any Eoropa nirahina ho any Uruguay izahay. Teo am-panombohana hamakivaky io faritra amin’ny sisin-tany io izy. Fihaonana nahafaly tokoa izany! Io rahalahy io dia nanome Baiboly iray amin’ny teny alemana sy Tilikambo Fiambenana iray amin’ny teny anglisy. Tamin’izany no nanombohako nianatra teny anglisy.

Avy eo, ny 22 aogositra 1942, dia namaky ady tamin’i Alemaina sy Italia i Brésil, ka nampiova ny tarehin-javatra nisy anay izany. Naverina tany Pôrto Alegre izahay; raha ny amiko, rehefa avy nadinadinina aho, dia nafahana. Tatỳ aoriana aho dia tafahaona tamin’ny tanora Vavolombelona vitsivitsy izay fantatro tany an’ala, toerana nanendrena ahy tamin’ny voalohany. Afaka nifandray tamin’ny sampana àry aho, ka notohizako ny fanompoako amin’ny maha-mpitory maharitra. Niaraka nanao io fanompoana io tamiko ny efatra tamin’ireo tanora ireo, ary dia nahita olona nanaiky ny hafatr’ilay Fanjakana izahay, ka ny sasany amin’izy ireny dia mbola mpitory mazoto foana.

Nankasitraka anay ireo manam-pahefana vaovao, ka tamin’ny 1943 dia nandamina voalohany ny fivoriambenay voafetra izahay tao Pôrto Alegre. Tafakatra ho 50 ny fitambaran’ny isan’ny mpanatrika, ka efa ho ny antsasak’izany dia polisy niakanjo sivily. Herintaona tatỳ aoriana, tamin’ny 1944, dia nandamina ny fivoriambe faharoa izahay. Taorian’io aho dia nantsoina hiasa tao amin’ny sampana, izay nafindra avy tao Sâo Paulo ho any Rio de Janeiro.

Gileada, ary avy eo fisehoan-javatra hafa

Tamin’ny 1950 aho dia nasaina hanaraka ny fampianaran’ny kilasin’i Gileada faha-16, Sekoly fianarana Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower, tao South Lansing any amin’ny Fanjakan’i New York. Rehefa nahazo ny diplaomako aho tamin’ny febroary 1951, dia notendrena ho mpitory maharitra manokana nandritra ny fotoana voafetra tao amin’ny kongregasionan’i South Bronx, ao New York mihitsy, nefa tatỳ aoriana dia niverina tany Brésil aho.

Nandritra ny herintaona sy tapany teo ho eo, dia nanompo tamin’ny naha-solontenan’ny Fikambanana mpitety faritany aho, ho mpiandraikitra ny distrika sy mpiandraikitra ny fizaran-tany koa. Avy eo, tamin’ny 1953, dia voantso indray ho any amin’ny sampana tao Rio de Janeiro ny tenako, ka notendrena tamin’ny asa fanaovana fandikan-teny aho. Tatỳ aoriana, teo amin’ny septambra 1961 ka hatramin’ny septambra 1963, dia nanana tombontsoa aho nandray anjara tamin’ny asa manokana fandikan-teny tao amin’ny foiben’ny Fikambanana ao Brooklyn, ao anatin’ny Fanjakan’i New York. Nandritra izany fivahiniako izany, dia nifandray tamin’ny mpivady iray izay nifankahalala tamiko tany Brésil aho. Nanaiky hianatra niaraka tamiko tao ao amin’ilay trano fandriam-bahiny nipetrahan’izy mivady ilay lehilahy, ary tsikelikely dia niaiky volana izy fa nahita ny fahamarinana.

Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, rehefa tafaverina tany Brésil izahay, dia lasa nandeha nitsidika azy aho. Nefa tsy dia nanao fandrosoana be loatra izy. Izao no nolazaiko taminy: “Jereo ange ry Paul e, ianao dia injenieran’ny “génie” sivily. Hevero hoe izaho indray izao no injeniera, ka mampitandrina anao aho fa mitady hirodana ny tafontranonao ary hanototra anao. Inona no hataonao? Koa noho izany, amin’ny maha-‘injenieran’ny’ Baiboly ny tenako, dia mampitandrina anao aho fa raha tsy manao izay fantatrao ianao, dia hampidi-doza ny tenanao.”

Fotoana fohy tatỳ aoriana, dia natao batisa izy, ary hatramin’ny taona maromaro izao dia manompo amin’ny maha-loholona ao amin’ny kongregasionany izy. Nitondra ny fanampiany sarobidy ho anay koa izy tamin’ny fanorenana ireo fitoerana malalaka amin’ny sampana vaovao ao Césario Lange, ao amin’ny Fanjakan’i Sâo Paulo, izay toerana anomezan’ny 480 aminay ireo zavatra ara-panahy ilain’ireo Vavolombelona mitombo isa any Brésil.

Fandrosoana tsy an-kijanona

Tamin’ny 1945 izahay dia nahazo ny fitsidihana voalohan’ny prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower, Nathan Knorr, ary koa ny an’ny prezidà lefitra, Frederick Franz. Nalamina tao amin’ny tokotany fampianarana fampiasan-tena Pacaembu tao Sâo Paulo ny fivoriambe iray, ary nandika teny ho an’ireo mpitsidika anay aho. Ny tampon’isan’ny mpanatrika dia nahatratra 765.

Tadidiko fa nijery ny kianja filalaovam-baolina midadasika teo akaiky teo ny rahalahy Knorr, sady nanontany tena raha mba ho fenonay izany. Tanteraka izany tamin’ny desambra 1973, rehefa tafavory tao amin’ny kianjan’i Pacaembu ny olona 94 586 mba hanatrika ny fivoriambe “Ny fandresen’Andriamanitra”. Nefa nihoarana io isa io tamin’ny aogositra 1985 tamin’ny fivoriambe “Ireo mpihazona tsy fivadihana” izay natao tao amin’ny kianjan’i Morumbi, ao Sâo Paulo ihany koa, satria olona 162 941 no nanatrika tao. Ary tamin’io fotoana io ihany koa dia nahavoriana olona 86 410 ny fivoriambe hafa iray natao tao amin’ny kianja iray tany Rio de Janeiro. Tatỳ aoriana kely, dia fivoriana 23 fanampiny natao tany Brésil no nahatrarana tontalin’isan’ny mpanatrika 389 387 tamin’ireo fivoriambe “Ireo mpihazona tsy fivadihana”!

Araka ny fandehan’ireo taona, dia nahazo tombontsoa handika teny ho an’ireo mpandahateny avy any amin’ny foibe any Brooklyn, izay nitsidika anay aho. Vao haingana, dia niara-nandeha tamin’ny iray tamin’izy ireo aho, koa rehefa hitany ny olona maro izay niara-nianatra tamiko tamin’ny lasa, tonga niarahaba ahy, dia nanao izao vazivazy izao tamiko izy: “Tsy mbola nahita mpitovo nanan-janaka maro toy izany aho.”

Nahita fotoana tena niavaka aho tamin’ireo fivoriambe niraisam-pirenena azoko natrehina tany amin’ny tany samy hafa. Tamin’ny fivoriambe tao Nuremberg tamin’ny 1969, dia nifankahita tamin’ny reniko aho taorian’ny telopolo taona nisarahana. Nodimandry nijanona nahatoky izy tamin’ny 1973. Koa satria ny raiko tsy nomen-dalana hiampita ny sisin-tany mba hamonjeny ilay fivoriambe, dia tsy nihaona taminy intsony aho hatramin’ny andro nandaozako ny tranonay. Tamin’ny 1978, dia nanana tombontsoa hanao ny lahateny ampahibemaso tao amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena tany Vienne, any Autriche, aho, izany no fivoriambe lehibe voalohany natrehiko tao amin’ny tanàna nahaterahako.

Nandritra ireo taona rehetra laniko tany Brésil, dia tsapako fa Jehovah no Ilay “mampitombo”. (I Korintiana 3:7.) Tamin’ny 1948, dia nihoaranay ny fetran’ny mpitory 1 000. Taorian’izany dia niakatra haingana be ny isan’ny mpitory: 12 992 tamin’ny 1958 avy eo dia 60 139 tamin’ny 1970. Ho solon’ny mpitory ilay Fanjakana 127 tamin’ny 1939, dia nisy 196 948 tamin’ny aogositra 1986. Tsy azo lavina fa ‘ny kely dia tonga firenena mahery’ koa tao amin’io tany io. — Isaia 60:22.

Nefa nifanitsy tamin’izany koa, ny isan’ny mponina tao Brésil dia nitombo, ka ny 41 tapitrisa tamin’ny 1939 dia tonga 135 tapitrisa amin’izao fotoana izao. Mbola misy saha midadasika iasanay àry. Faly aho nandray anjara tamin’ny fitomboana mahagaga nomen’i Jehovah anay, fitomboana nahafaly aoka izany! Noho izany dia afaka mamporisika izay rehetra maniry hanompo azy manontolo andro aho hoe: Ataovy izany! Aza matahotra izay mety hitranga, satria “Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra”. — Salamo 121:7, 8.

[Teny notsongaina, pejy 26]

“Mampitandrina anao aho fa raha tsy manao izay fantatrao ianao, dia hampidi-doza amin’ny tenanao.”

[Sary, pejy 25]

Sâo Paulo, 1945: Nathan Knorr manao lahateny iray ary Erich Kattner mandika ny teniny.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara