Tongava Amin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Tahotra Araka An’Andriamanitra”
NOTAKINA tamin’ny mpanompon’i Jehovah fahiny teo ambany Lalàn’i Mosesy ny hiarahany mivory intelo isan-taona tamin’ny andro firavoravoana sasany. Fisehoan-javatra nahafaly sy nampiorina ara-panahy izy ireny. — Deoteronomia 16:16.
Tahaka izany koa amin’ny andro ankehitriny, mivory intelo isan-taona ireo mpanompon’i Jehovah: amin’ny andro fivoriambe manokana sy amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany roa andro ary amin’ny fivoriamben’ny distrika telo na efatra andro. Mandritra ny taom-piasana 1994, dia hiara-mivory amin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Tahotra Araka An’Andriamanitra” ny Vavolombelon’i Jehovah.
Ny Tenin’Andriamanitra dia tsy mamela ny hisian’ny fisalasalana momba ny maha-zava-dehibe ny tahotra araka an’Andriamanitra. Eo amin’ny in-200 eo ho eo no iresahany ny amin’izany karazana tahotra izany ao amin’ny pejiny. Fiarovana ny tahotra araka an’Andriamanitra, araka izay hita ao amin’ny Ohabolana 16:6 toy izao: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no analavirana ny ratsy.” Eny, ao amin’ny Salamo 111:10, dia lazaina amintsika fa fiandoham-pahendrena mihitsy ny tahotra araka an’Andriamanitra!
Ho azo atao ny hilaza fa misy endriny roa ny tahotra araka an’Andriamanitra. Voalohany, ny tahotra toy izany dia hetsehin’ny fitiavana. Matahotra isika ny hampalahelo an’Andriamanitra noho ny fitiavantsika lehibe azy. (Ohabolana 27:11). Aorian’izany, ny fanehoantsika fahendrena dia hanampy amin’ny fandentehana ny tahotra araka an’Andriamanitra ao amintsika, satria fantatsika fa Andriamanitra dia “afo mandevona” ho an’izay rehetra zatra manao ratsy. — Hebreo 12:29.
Amin’ny Fivoriamben’ny Distrikantsika “Tahotra Araka An’Andriamanitra” dia hahazo fampianarana sy fampirisihana be dia be mba handroso ao amin’ny tahotra araka an’Andriamanitra isika. Ny fampianarana toy izany dia homena amin’ny alalan’ny lahateny, fampisehoana sy fampisehoana tantara iray, ary koa fitantarana fanandraman-javatra.
Na ny Isiraelita fahiny aza dia nodidiana mba tsy hitondra tanam-polo tamin’ny fihaonamben’izy ireo, koa tokony ho tiantsika ny hitondra ny anjarantsika amin’ny fifaliana sy ny fahombiazan’ny fivoriambentsika. (Deoteronomia 16:17). Afaka manao izany isika amin’ny fanehoana fanajana ny latabatr’i Jehovah. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fahatongavana ara-potoana, amin’ny fanehoana fitandremana feno amin’izay lazaina eny ambony lampihazo, amin’ny fihirana amin-kafanam-po ireo hira. Tsy hiresadresaka na handehandeha isika mandritra ny fandaharana. Ho tiantsika koa ny handray anjara araka izay farany azontsika atao, rehefa manolotra an-tsitrapo ny fanampiantsika. Ny fandaminana ny fivoriamben’ny distrika dia mahafaoka sampan-draharaha maro, ka izy rehetra ireo dia mila mpiasa. Ho tiantsika ny handray anjara ara-bola, araka ny fetra nitahian’i Jehovah antsika.
Enga anie ny mpanompon’i Jehovah tsirairay hanao fandaminana dieny izao mba ho tonga amin’ny andro telo amin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Tahotra Araka An’Andriamanitra”, manomboka amin’ny hira fanokafana ny zoma maraina ka hatramin’ny vavaka famaranana ny alahady tolakandro.
Toerana Hanaovana Ireo Fivoriamben’ny Distrika 1994
26-28 AOGOSITRA: ANTSIRANANA; FIANARANTSOA
02-04 SEPTAMBRA: ANTANANARIVO I; TOAMASINA
09-11 SEPTAMBRA: ANTANANARIVO II; ANTSIRABE