Tongava Amin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana”
LOHA hevitra tsara dia tsara toy inona moa no nofidina ho an’ireo fivoriamben’ny distrika 1995: “Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana”! Azo antoka fa toy izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Mpidera an’iza hoe? An’i Jehovah Andriamanitra, mazava ho azy!
Amin’ny fomba maro aoka izany i Jehovah dia tsy manan-tsahala, tsy misy toa azy, tapitra ohatra, tsy manam-paharoa. Izy dia manana ny hery rehetra, manana ny fahalalana rehetra, tonga lafatra eo amin’ny fitiavana ny rariny, ary sary velona mampiseho ny fitiavana. Mendrika hahazo ny fanompoam-pivavahana sy ny fiderana ataontsika izy, ambonin’ny hafa rehetra.
Azo antoka fa maniry ny ho mpidera azy amim-pifaliana isika! Mba hanampiana antsika, ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nandamina fandaharam-pivoriambe telo andro tsara dia tsara, hanomboka amin’ny Jona 1995. Azo antoka fa ho andro hahafaly tokoa ireo telo andro ireo, ary ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra dia haniry hanao izay farany azony atao mba ho eo manomboka amin’ny hira fanokafana ny zoma maraina, ka hatramin’ny hira famaranana ny alahady tolakandro.
Toerana Hanaovana Ireo Fivoriamben’ny Distrika 1995
18-20 AOGOSITRA:
Antananarivo (frantsay)
25-27 AOGOSITRA:
Antsiranana, Antsirabe
1-3 SEPTAMBRA:
Antananarivo, Fianarantsoa
8-10 SEPTAMBRA:
Antananarivo, Toamasina
15-17 SEPTAMBRA:
Antalaha, Toliara