FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/3 p. 28-31
  • Ireo Fitantarana Mahasondriana Nataon’i Josephus

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo Fitantarana Mahasondriana Nataon’i Josephus
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fiainany tany am-boalohany
  • Nandroso sy niverina tany Roma
  • Ireo asa soratra nataon’i Flavius Josephus
  • Fahatakaran-javatra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra
  • Ilay fikomiana lehibe ho fanoherana ny Romana
  • Taorian’ny ady
  • I Josèphe Tokoa ve no Nanoratra Azy Io?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Boky Iray Azonao Itokisana: Fizarana 6
    Mifohaza!—2011
  • Tena Nisy ve i Jaona Mpanao Batisa?
    Foto-kevitra Hafa
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/3 p. 28-31

Ireo Fitantarana Mahasondriana Nataon’i Josephus

IREO mpianatra tantara dia efa nandanjalanja hatramin’ny ela ireo asa soratra mahasondriana nataon’i Josephus. Teraka efa-taona monja taorian’ny nahafatesan’i Kristy izy, ary vavolombelona nanatri-maso ny fahatanterahana nampihoron-koditry ny faminanian’i Jesosy mikasika ny firenena jiosy tamin’ny taonjato voalohany. I Josephus dia sady mpitari-tafika no diplaomaty sy Fariseo ary manam-pahaizana manokana.

Ireo asa soratra nataon’i Josephus dia feno tsipirian-javatra mahavariana. Izy ireo dia manazava ireo boky ekena ho anisan’ny Baiboly no sady manome fitarihan-dalana an-tsoratra momba ny taosarintany sy ny jeografian’i Palestina. Tsy mahagaga raha maro no mihevitra ireo asa soratra nataony ho fanampiny sarobidy ao amin’ny talantalam-bokiny!

Ny fiainany tany am-boalohany

I Joseph ben Matthias, na Josephus, dia teraka tamin’ny taona 37 am.f.i., tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Caligula, emperora romana. Anisan’ny fianakavian’ny mpisorona ny rain’i Josephus. Ny reniny dia nolazainy fa taranak’i Jonathan mpisoronabe hasmonianina (anisan’ireo Makabeo).

Teo amin’ny naha-zatovo azy, dia mpianatra nafana fo ny Lalàn’i Mosesy i Josephus. Nofakafakainy tamim-pitandremana ireo antokom-pinoana telo teo amin’ny Jodaisma — ny Fariseo sy ny Sadoseo ary ny Eseniana. Nomba itỳ farany izy ka nanapa-kevitra ny hiara-mipetraka nandritra ny telo taona tamin’ny mpitoka-monina tany an’efitra iray atao hoe Bannus, izay azo inoana fa Eseniana. Nandao izany i Josephus teo amin’ny faha-19 taonany ka niverina tany Jerosalema, ary niaraka tamin’ireo Fariseo.

Nandroso sy niverina tany Roma

Nandeha nankany Roma i Josephus tamin’ny 64 am.f.i. mba hanelanelana ho an’ireo mpisorona jiosy izay nalefan’i Feliksa governoran’i Jodia tany amin’ny Emperora Néron hotsaraina. Vaky sambo teny an-dalana i Josephus ka kely fotsiny no tsy nahafaty azy. Olona 80 monja tamin’ireo mpandeha 600 tao amin’ilay sambo no voavonjy.

Nandritra ny fitsidihana nataon’i Josephus tany Roma, dia nisy mpilalao an-tsehatra jiosy iray nampifankahalala azy tamin’ny vadin’i Néron, ny emperora vavy Poppaea. Izy io dia nanana anjara lehibe teo amin’ny fahombiazan’ny asa nanirahana an’i Josephus. Ny hakanton’ilay tanàna dia namela soritra naharitra teo amin’i Josephus.

Rehefa niverina tany Jodia i Josephus, dia niraikitra mafy tao an-tsain’ny Jiosy ny fikomiana tamin’i Roma. Nanandrana nampiaiky an’ireo mpiray firenena taminy izy ny amin’ny naha-hadalana ny ady tamin’i Roma. Noho izy tsy afaka nihazona azy ireo sy, azo inoana fa noho izy natahotra sao dia heverina ho mpamadika, dia nanaiky fanendrena ho mpitarika ny antokon-tafika jiosy tany Galilia izy. Namory sy nampiofana ireo lehilahy mpiadiny i Josephus, ary nahazo ny vatsy nilaina ho fiomanana ho amin’ny ady amin’ireo tafika romana — kanefa dia herim-po very maina izany. Lavo teo an-tanan’ny tafik’i Vespasien i Galilia. Taorian’ny fanaovana fahirano 47 andro, dia resy ny tanàna nimandan’i Josephus tao Jotapata.

Rehefa nitolo-batana i Josephus, dia nanambara mialoha tamin-kafetsena fa ho tonga emperora tsy ho ela i Vespasien. Natao an-tranomaizina izy, saingy tsy nosazina noho io fanambarana mialoha io. Nafahana i Josephus rehefa tanteraka izany. Izany dia fotoana nisian’ny fiovana lehibe teo amin’ny fiainany. Nandritra ireo andro sisa tamin’ny ady, dia nanompo ny Romana tamin’ny naha-mpandika teny sy mpanalalana izy. Ho fampisehoana ny fiarovan’i Vespasien sy i Titus ary i Domitien zanany azy, dia nampian’i Josephus ny anaran’ilay fianakaviana hoe Flavius ny anarany manokana.

Ireo asa soratra nataon’i Flavius Josephus

Ny asa soratra tranainy indrindra nataon’i Josephus dia mitondra ny lohateny hoe Ireo Adin’ny Jiosy. Misy mino fa nanomana io fitantarana anaty boky fito io izy mba hampisehoana amin’ireo Jiosy filazalazana mazava ny tanjaka ambony nananan’i Roma, ary mba hanakiviana ireo fikomiana amin’ny hoavy. Ireo asa soratra ireo dia mandinika amin’ny an-tsipiriany ny tantara jiosy nanomboka tamin’ny fahazoan’i Antiochus Epiphanes (tamin’ny taonjato faharoa al.f.i.) an’i Jerosalema ka hatramin’ilay fifandrafiana narahin-tabataba tamin’ny 67 am.f.i. Tamin’ny naha-vavolombelona nanatri-maso azy, dia noresahin’i Josephus avy eo, ny amin’ny ady nahatratra ny fara heriny tamin’ny 73 am.f.i.

Asa soratra hafa iray nataon’i Josephus ny Ireo Tantara Tranainy Jiosy, tantaran’ny Jiosy ao amin’ny boky 20. Manomboka amin’ny Genesisy sy ny famoronana izy io, dia mitohy amin’ny fipoahan’ny ady tamin’i Roma. Narahin’i Josephus akaiky ny filaharan’ny tantara ao amin’ny Baiboly, tamin’ny fanampiana fanazavana araka ny lovantsofina sy fanamarihana avy teny ivelany.

Nanoratra tantaran’ny tenany izay nitondra ny lohateny tsotra hoe Fiainana i Josephus. Ao amin’io izy dia nitady hanamarina ny toerana notanany nandritra ny ady ary nanandrana nanamaivana ireo fiampangana azy nataon’i Justus avy tany Tiberiasy. Ny asa soratra fahefatra — boky roa fanamarinana mitondra ny lohateny hoe Manohitra an’i Apion — dia miaro ny Jiosy amin’ny filazana diso.

Fahatakaran-javatra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra

Tsy misy isalasalana fa maro amin’ny tantaran’i Josephus no araka ny marina. Ao amin’ilay asa soratra nataony mitondra ny lohateny hoe Manohitra an’i Apion, dia asehony fa ireo Jiosy dia tsy nampiditra mihitsy ireo boky tsy ara-tsindrimandry (apocryphes) ho anisan’ny Soratra Masina ara-tsindrimandry. Nanome porofo izy ny amin’ny maha-araka ny marina sy ny firindrana anaty ananan’ireo soratra avy amin’Andriamanitra. Hoy i Josephus: “Izahay dia tsy manana eo aminay boky maro be tsy hita isa, izay tsy mifanaraka na mifanohitra amin’izy samy izy, (...) fa boky roa amby roapolo ihany [mitovy amin’ny fizarana maoderina ataontsika amin’ny Soratra Masina ho boky 39], izay mirakitra ireo fitantarana ny amin’ny andro lasa rehetra; izay inoana ara-drariny ho avy amin’Andriamanitra.”

Ao amin’ilay bokiny hoe Ireo Tantara Tranainy Jiosy, i Josephus dia manampy tsipirian-javatra mahaliana ho an’ny fitantarana ara-baiboly. Nilaza izy fa “dimy amby roapolo taona i Isaka” fony i Abrahama namatotra azy tongotra aman-tanana mba hatao fanatitra. Araka ny filazan’i Josephus, taorian’ny nanampian’i Isaka tamin’ny fanamboarana ilay alitara, dia nilaza izy fa “ ‘tsy mendrika ny ho nateraka voalohany izy raha nanda ny fahatapahan-kevitr’Andriamanitra sy ny an-drainy’ (...) Koa nandeha avy hatrany teny amin’ilay alitara izy mba hatao fanatitra”.

Nanampy ireto tsipiriany ireto tamin’ny fitantarana araka ny Soratra Masina momba ny fialan’ny Isiraely tao Egypta fahiny, i Josephus: “Ny isan’ireo nanenjika azy ireo dia kalesy eninjato, niaraka tamin’ny mpitaingin-tsoavaly dimy alina, ary mpandeha an-tongotra roa hetsy, samy nitam-piadiana avokoa.” Nilaza koa i Josephus fa “fony i Samoela roa ambin’ny folo taona, dia nanomboka naminany izy: ary indray mandeha, rehefa natory izy, dia niantso azy tamin’ny anarany Andriamanitra”. — Ampitahao amin’ny 1 Samoela 3:2-21.

Misy asa soratra hafa nataon’i Josephus manome fahatakaran-javatra ny amin’ireo hetra sy lalàna ary zava-nitranga. Nolazainy fa Salome no anaran’ilay vehivavy izay nandihy tamin’ny fanasana nataon’i Heroda, sy nangataka ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa. (Marka 6:17-26). Ny ankamaroan’izay fantatsika momba an’ireo Heroda dia voatanan’i Josephus an-tsoratra. Nilaza mihitsy aza izy hoe “nandoko volo ho mainty [i Heroda] mba hanafenana ny fahanterany”.

Ilay fikomiana lehibe ho fanoherana ny Romana

Telo amby telopolo taona monja taorian’ny nanomezan’i Jesosy ny faminaniany mikasika an’i Jerosalema sy ny tempoliny, dia nanomboka nitranga ny fahatanterahan’izany. Ireo antokona Jiosy liam-piovana tanteraka tao Jerosalema dia tapa-kevitra ny hanafa-tena tamin’ny zioga romana. Tamin’ny 66 am.f.i., ny vaovao momba izany dia nahatonga ny famoriana ho amin’ny ady sy ny fandefasana haingana ny legiona romana teo ambany fanapahan’i Cestius Gallus, governora syriana. Ny asa nanirahana azy ireo dia ny hampitsahatra amin-kery ilay fikomiana sy hanasazy ireo mpandika lalàna. Rehefa avy nahatonga fandravana tany amin’ireo zana-bohitr’i Jerosalema ireo lehilahy mpiadin’i Cestius, dia nitoby nanodidina an’ilay tanàna nimanda. Tamin’ny fampiasana fomba iray antsoina hoe testudo, ireo Romana dia nanakambana ny ampingany tamim-pahombiazana toy ny lamosin-tsokatra ho fiarovan-tena tamin’ny fahavalo. Nanamarina ny fahombiazan’io fomba io i Josephus rehefa nanambara hoe: “Ireo zana-tsipìka izay nalefa dia nilatsaka ary nisolifaka niala tsy naninon-tsy naninona azy ireo; noho izany dia nandoaka ny manda ireo miaramila, tsy nisy naratra, ary nataon’izy ireo vonona ny zava-drehetra mba handoroana ny vavahadin’ny tempoly.”

“Avy eo”, hoy i Josephus, “i Cestius dia (...) nampiverina ny miaramilany avy tany amin’ilay toerana (...) Nisintona niala ilay tanàna izy, tsy nisy antony na inona na inona.” Voaporofo fa tsy nikendry ny hanome voninahitra ny Zanak’Andriamanitra i Josephus rehefa nitana an-tsoratra ilay fanaovan-javatra izay nandrasan’ireo Kristiana tao Jerosalema indrindra. Izany dia ny fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy Kristy! Taona maro talohan’izay, dia nampitandrina toy izao ny Zanak’Andriamanitra: “Raha mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy. Ary izay any Jodia amin’izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony. Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra.” (Lioka 21:20-22). Araka ny toromarik’i Jesosy, dia nandositra niala haingana ilay tanàna ireo mpanara-dia azy nahatoky, nipetraka lavitra azy, ka dia voatsimbina tamin’ilay fahoriana be nanjo azy io tatỳ aoriana.

Rehefa niverina ny tafika romana tamin’ny 70 am.f.i., ny vokatr’izany dia notanan’i Josephus an-tsoratra tamin’ny an-tsipiriany mazava. Tonga mba handresy an’i Jerosalema sy ny tempoliny kanto ny Jeneraly Titus, lahimatoan’i Vespasien. Tao anatin’ilay tanàna, dia nanandrana hahazo ny fahefana ireo antoko rafitr’ady. Nampiasa fomba nihoa-pampana izy ireo ary nandriaka ny ra latsaka. Ny sasany “dia tao anatin’ny fahoriana mafy aoka izany noho ireo loza avy eo amin’izy samy izy, hany ka naniry ny hanafihan’ny Romana”, nanantena “fanafahana tamin’ireo fahoriam-be nahazo azy tao amin’ny taniny”, hoy i Josephus. Nantsoiny hoe “jiolahy” ireo mpikomy tao an-tanàna izay revo tamin’ny fandravana ny fananan’ny mpanana sy tamin’ny famonoana olona manan-kaja — ireo izay nahiahina ho vonona ny hanaiky lembenana teo anatrehan’ny Romana.

Tao anatin’ny ady an-trano, dia nilentika tao anatin’ny fara fahoriana tsy hay nosaintsainina ny toe-piainana tao Jerosalema, ary nitoetra ho tsy voalevina ireo faty. Ireo samy mpikomy dia “rafitr’ady teo amin’izy samy izy teo am-panitsakitsahana ireo faty satria nitsitra nifampitaingintaingina izy ireny”. Nandroba ny sarambaben’olona izy ireo, namono olona hahazoana ny hanina sy ny harena. Tsy an-kijanona ny antsoantson’ireo nampahorina.

Nampirisihin’i Titus ny Jiosy mba hanolotra ilay tanàna ka amin’izay dia hamonjy ny tenany. “Naniraka an’i Josephus mba hiteny tamin’izy ireo amin’ny fiteniny manokana [izy]; satria noheveriny fa mety hilefitra amin’ny fandresen-dahatra ataon’ny mpiray firenena aminy izy ireo.” Nanome tsiny an’i Josephus anefa izy ireo. Nanaraka izany, dia nanorina manda vita tamin’ny tsato-kazo marani-doha nanodidina ilay tanàna manontolo i Titus. (Lioka 19:43). Rehefa foana avokoa ny fanantenana handositra ka voafetra ny fihetsehana, dia “nandripaka tanteraka ny olona iray trano sy fianakaviana manontolo” ny mosary. Ilay ady nitohy dia nanampy trotraka ny isan’ny maty. Nandresy an’i Jerosalema i Titus, tsy nahafantatra akory fa nanatanteraka ny faminanian’ny Baiboly. Rehefa avy nandinika ny mandany goavana sy ireo tilikambony voaro mafy i Titus, dia nihiaka hoe: “Tsy nisy afa-tsy Andriamanitra ihany no nanipy an’ireo Jiosy tany ivelan’ireo fiarovana ireo.” Jiosy maherin’ny iray tapitrisa no maty. — Lioka 21:5, 6, 23, 24.

Taorian’ny ady

Taorian’ny ady, dia nankany Roma i Josephus. Noho izy nahazo ny fanohanan’ireo Flaviens (fianakavian’ny emperora), dia niaina toy ny olom-pirenena romana tao amin’ny tranoben’i Vespasien taloha izy ary, nandray fanampiana ara-bola avy tamin’ny emperora niaraka tamin’ny fanomezana avy tamin’i Titus. Tamin’izay i Josephus dia nanohy ny asa nataony teo amin’ny fiainany momba ny haisoratra.

Mahaliana ny mahamarika hoe, voaporofo fa i Josephus no namorona ilay teny hoe “Teokrasia”. Mikasika ny firenena jiosy, dia izao no nosoratany: “Ny fitondram-panjakananay (...) dia azo lazaina hoe Teokrasia, amin’ny filazana fa ny fahefana sy ny hery dia avy amin’Andriamanitra.”

Tsy nihambo ho Kristiana mihitsy i Josephus. Tsy nanoratra teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra izy. Kanefa dia misy vidiny ara-tantara manazava saina ireo fitantarana mahasondriana nataon’i Josephus.

[Sary, pejy 31]

I Josephus eo amin’ny mandan’i Jerosalema

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara