FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w10 1/4 p. 15
  • Fantatrao Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fantatrao Ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • Tena Nisy ve i Jesosy?
    Mifohaza!—2016
  • Ireo Fitantarana Mahasondriana Nataon’i Josephus
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Boky Iray Azonao Itokisana: Fizarana 6
    Mifohaza!—2011
  • Porofo fa Tetỳ An-tany Tokoa i Jesosy Kristy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
w10 1/4 p. 15

Fantatrao Ve?

Misy porofo hafa ankoatra ny ao amin’ny Baiboly ve mampiseho fa tena nisy i Jesosy?

▪ Mpanoratra maro velona taoriana kelin’ny andron’i Jesosy no niresaka momba azy. Anisan’izany i Cornélius Tacite, izay nanoratra ny tantaran’i Roma tamin’ny andron’ireo mpanjaka romanina. Nitantara izy fa nirehitra ny tanànan’i Roma tamin’ny taona 64, ary i Néron Mpanjaka no nahatonga izany, araka ny tsaho niely. Ny Kristianina anefa no nendrikendrehin’i Néron fa nanao an’ilay izy. Hoy i Tacite: “I Kristy, izay niavian’ilay anaran’izy ireo, dia novonoin’i Pontio Pilato governora, tamin’ny andro nanjakan’i Tiberio.”—Tantara (anglisy) boky faha-15, 44.

Miresaka an’i Jesosy koa i Flavius Josèphe, mpahay tantara jiosy. Nanoratra izy fa “namory ny mpitsara tao amin’ny Fitsarana Avo Jiosy” i Ananus (Ananiasy) mpisoronabe, taoriana kelin’ny nahafatesan’i Festosy governora romanina tany Jodia, tamin’ny taona 62 tany ho any. Mbola tsy nandray fahefana i Albinus mpandimby azy tamin’izay. “Anisan’ireo nentin’i Ananus teo anoloan’ny mpitsara ny lehilahy iray atao hoe Jakoba, izay rahalahin’i Jesosy, ilay atao hoe Kristy. Ary nisy hafa koa nentina teo.”—Rakitry ny Ela Jiosy (anglisy), boky faha-20, 200.

Nahoana i Jesosy no nantsoina hoe Kristy?

▪ Mitantara ny Filazantsara fa niseho tamin’i Maria ny anjely Gabriela ary nilaza fa ho bevohoka izy. Nolazainy fa atao hoe Jesosy ny anaran’ilay zaza. (Lioka 1:31) Betsaka ny Jiosy nanana an’io anarana io fahiny. Manonona olona 12 mitondra an’io anarana io, ankoatra ny voalaza ao amin’ny Soratra Masina, i Josèphe mpahay tantara jiosy. Nantsoina hoe “Jesosy avy any Nazareta” ilay zanak’i Maria, mba hanavahana azy. (Marka 10:47) Fantatra tamin’ny anarana hoe “Kristy” na Jesosy Kristy koa izy. (Matio 16:16) Inona no dikan’ny hoe Kristy?

Ny hoe “Kristy” dia avy amin’ny teny grika hoe kristôs, izay mitovy amin’ny teny hebreo hoe mashiah (Mesia). Samy midika hoe “Voahosotra” ireo teny ireo. Efa nisy olona nantsoina toy izany talohan’i Jesosy. Nolazaina hoe voahosotra, ohatra, i Mosesy sy Arona ary Davida Mpanjaka, satria nomen’Andriamanitra andraikitra sy fahefana. (Levitikosy 4:3; 8:12; 2 Samoela 22:51; Hebreo 11:24-26) I Jesosy, ilay Mesia nambara mialoha, no solontenan’i Jehovah lehibe indrindra. Mendrika ny antsoina hoe “Kristy, Zanak’ilay Andriamanitra velona” àry izy.—Matio 16:16; Daniela 9:25.

[Sary, pejy 15]

Sarin’i Flavius Josèphe

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara