Aiza no Ahafahanao Mahita Fitarihana Mendri-pitokiana?
“JEHOVAH ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany. Jehovah ô, anaro aho”. — Jeremia 10:23, 24.
Nanoratra ireo teny ireo ilay mpanoratra ny Baiboly atao hoe Jeremia, sahabo ho taonjato 25 lasa izay. Manaporofo ny maha-marina tsy azo lavina an’io filazana io ny toe-piainana mampahonena misy ny taranak’olombelona taorian’ny an’arivony taona maro nampiharana fitarihan’olombelona. Mety hanontany anefa ianao hoe: ‘Aiza no ahafahana mahita fitarihana mendri-pitokiana?’
Ilay andinin-teny voalaza etsy ambony dia manondro loharanom-pitarihana sy toro lalana iray azo ianteherana, dia loharano izay ambony lavitra noho ny olombelona — ilay Mpamorona ny olombelona, i Jehovah Andriamanitra. Azo antoka fa tsy misy mahafantatra tsaratsara kokoa ny maha-izy ny olombelona sy izay ilainy noho ny Mpamorona antsika. Mahaliana an’Andriamanitra ve anefa ny hanome antsika izany fitarihana sy toro lalana izany? Ahoana no anaovany izany? Azo ampiharina amin’izao androntsika izao ve izany?
Novolavolaina handray fitarihana avy amin’Andriamanitra
Fantatra tsara fa ny tsy fitoviana lehibe mampisaraka ny olombelona amin’ny biby dia mifototra amin’ny firafitra sy ny fahaizana ary ny fiasan’ny atidohan’olombelona. Eo amin’ny biby, saiky ny fiasan’ny atidoha rehetra dia efa voalahatra mialoha ao amin’ilay nanjary nantsoina hoe fahendrena voajanahary. Tsy izany no izy amin’ny olombelona. — Ohabolana 30:24-28, NW.
Tsy toy ny atidoham-biby ny atidohan’olombelona fa ny ampahany lehibe aminy dia tsy misy zavatra voalahatra mialoha raikitra. Nomen’Andriamanitra fahaizana misafidy malalaka ny olombelona, ka izany dia mamela azy ireo hanao fanapahan-kevitra amim-pahakingan-tsaina sy haneho toetra ambony toy ny fitiavana, ny fahalalahan-tanana, ny tsy fitiavan-tena, ny rariny sy ny fahendrena.
Araka ny fandrindran-kevitra ve ny hiheverana fa Andriamanitra dia ho namorona ny olona hanana fahaizana ara-tsaina toy izany, kanefa dia tsy hanome azy karazana fitarihana sasany ny amin’ny fampiasana izany amin’ny fomba tsara indrindra? Nanome fitarihana mivantana ny olombelona voalohany Andriamanitra. (Genesisy 2:15-17, 19; 3:8, 9). Na dia taorian’ny nahalavoan’ny olombelona tao anatin’ny ota aza, dia nanohy nitarika ireo lehilahy sy vehivavy nahatoky Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny Teniny ara-tsindrimandry, ny Baiboly, indrindra indrindra. (Salamo 119:105). Izany dia namela ny olombelona hiatrika tamim-pahombiazana ireo zava-nanahirana azy isan’andro teo amin’ny fiainana, rehefa mampiasa amim-pahendrena ny safidiny malalaka izy ireo.
Ny maha-avy amin’Andriamanitra ny Baiboly
Inona no mahatonga ny Baiboly ho loharanom-pitarihana mendri-pitokiana? Voalohany, izy io dia manolotra filazana izay ny Mpamorona ihany no afaka manome izany. Lazainy ireo lafiny lehibe tamin’ny tantaran’ireo zava-nitranga izay niseho ela be talohan’ny nanombohan’ny fiainan’olombelona. Omeny, ohatra, ny tantaran’ny fomba nanomanana ny tany tamin’ny ambaratonga nifanarakaraka mandra-pahatongany hety ho amin’ny fitanana ny ain’olombelona. (Genesisy toko 1, 2). Na dia efa maherin’ny 3 000 taona lasa aza izy io no voatana an-tsoratra tao amin’ny Baiboly, dia mifanaraka amin’ireo fiheverana ara-tsiansa maoderina.
Ela be talohan’ny naneken’ny olombelona tamin’ny ankapobeny fa boribory ny tany, dia nanambara toy izao ny Baiboly: “Mamelatra ny avaratra eo ambonin’ny toerana babangoana [Andriamanitra], manantona ny tany ambonin’ny tsy misy”. (Joba 26:7, NW ). Ankoatra izany, dia ahariharin’ny Baiboly fa “ao Ilay monina eo ambonin’ny faribolan’ny tany izay misy mponina toy ny valala”. (Isaia 40:22, NW ). Andriamanitra irery ihany, dia ilay Mpamorona no afaka nanome io tsipiriany io.
Ny fahafahana hahita mialoha ny hoavy dia tsy talenta nomena ny olombelona. Ny Mpamorona kosa dia manambara mialoha ny hoavy, manerana ireo pejin’ny Baiboly. Nanoratra toy izao momba Azy, i Isaia mpaminany nahazo tsindrimandry: “Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy, izay manambara ny farany hatramin’ny voalohany, ary manambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory”. — Isaia 46:9, 10.
Nasehon’ny Baiboly fa azony ambara mialoha amim-pahamarinana mahazendana ny farany, hatrany am-boalohany. Nambarany mialoha, ohatra, ny fiakarana sy ny fianjerana ary ireo toetoetra mampiavaka ireo herim-panjakana lehibe nandritra ireo an’arivony taona maro nisian’ny tantaran’olombelona. Ireny faminaniana niavaka ireny dia nosoratana taonjato maro talohan’ny fahatanterahany, tamin’ny toe-javatra sasany aza an’arivony taona mialoha. Araka izany, ny Baiboly dia manambara mialoha amim-pahamarinana ireo zava-mitranga amin’izao andro maoderina izao, ary koa ny hiafaran’izy ireo amin’ny farany. Tsy manam-paharoa koa ny Baiboly satria lazainy ny fomba hahatafitana velona mandritra ny fandravana ireo fitondram-panjakana tsy lavorary naorin’olombelona, ao Haramagedona, “ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”. Hanatanteraka izany asa lehibe izany ny Fanjakan’Andriamanitra eo an-tanan’i Jesosy Kristy, Zanany. — Apokalypsy 16:14, 16; 17:9-18; Daniela 2, 8 toko faha-2, 8.
Mahasoa foana — Tsy manimba mihitsy
Tsy lavorary ny fahendren’olombelona fotsiny; noho izany, dia tsy mahasoa foana akory ny torohevitr’olombelona, na dia mety ho nomena noho ny fikasana hanao tsara aza izy io. Tsy izany no izy amin’ny torohevitra omen’ny Baiboly. Niteny toy izao ny tenan’Andriamanitra: “Izaho, Jehovah (...) no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao. Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-drano-masina ny fahamarinanao”. — Isaia 48:17, 18.
Ny fitarihan’Andriamanitra dia manampy antsika hametra ireo zavatra mendrika ny homena ny laharam-pahamehana, sy hifikitra amin’ireo zavatra ekena fa misy vidiny kokoa eo amin’ny fiainana. Na dia manantitrantitra ny amin’ireo zava-bita sy zava-kendrena ara-nofo aza ny tany ama-monina maoderina, ny Baiboly dia manamafy fa sarobidy ho antsika ny “tsy mijery ny hita (...), fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay”. (2 Korintiana 4:18). Amin’izany fomba izany isika dia ampirisihina mba hanana ny zava-kendrena tsara indrindra eo amin’ny fiainana, dia ny zava-kendrena ara-panahy mifandray amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, ka ilay zava-kendrena farany dia ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fandehan-javatra iray vaovao sy marina.
Arakaraka ny ikelezan’ny Kristiana aina hanatratra ireo zava-kendrena ambony ireo, dia manampy azy ny torohevitra ao amin’ny Baiboly mba hiaina ilay karazam-piainana tsara indrindra azo atao eto amin’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ. Ny fahendren’olombelona maoderina dia mirona hampirisika ilay filozofian’ny fiasana faran’izay kely ary karama faran’izay betsaka. Etsy an-danin’izany, ny Baiboly dia milaza amintsika fa “ho tonga malahelo ny miraviravy tànana amin’ny asany; fa mampanan-karena ny tànan’ny mazoto”. Nanoratra toy izao ho an’ny Kristiana hebreo ny apostoly Paoly: “Matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara amin’ny zavatra rehetra.” — Ohabolana 10:4; Hebreo 13:18.
Manome torohevitra azo ampiharina eo amin’ny fandaharana momba ny fianakaviana koa ny Baiboly. Aoriny amin’ny fomba voafaritra tsara ny anjara asan’ny lehilahy sy ny vehivavy ao anatin’ny fandaharana momba ny fanambadiana, toy izany koa ny fomba mety eo amin’ny fitaizana sy fanabeazana ny ankizy. Izao no lazainy: “Ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. (...) Ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy. Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo (...). Ary hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izy.” Ny fanarahana ny torohevitra ambony omen’ny Mpamorona dia mandray anjara betsaka amin’ny tsy fihilangilanan’ireo fianakaviana sy ny fahasambarany. — Efesiana 5:21–6:4.
Hoavy azo antoka ho an’ireo izay manaraka ny fitarihan’Andriamanitra
Lazain’ny Tenin’Andriamanitra voasoratra ny ala olana izay ananan’Andriamanitra ho an’ny zava-manahirana rehetra mahazo ny taranak’olombelona. Kely sisa dia hofoanan’i Jehovah Andriamanitra izao fandehan-javatra izao, miaraka amin’ny fahoriany rehetra sy ny tsy rariny rehetra ary ny fijaliany rehetra. Izy io dia hosoloany an’ilay fandehan-javany vaovao sy marina. Milazalaza izany ny Baiboly ao amin’ny 2 Petera 3:7-10, ka izao no teny anampiny izany eo amin’ny 2Pe 3:13 andininy faha-13: “Araka ny teny fikasany, [isika] dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.” Izany no vaovao tsara indrindra azo omena ny fianakavian’olombelona. Izany indrindra anefa no hafatra asehon’ny Baiboly sy torin’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany sy nosin-dranomasina maherin’ny 200.
Rehefa atao manerana ny tany rehetra ny sitrapon’Andriamanitra, ny fianakavian’olombelona iray manontolo dia handray soa amin’ny fanarahana ilay fitarihana tsara dia tsara avy amin’i Jehovah, Mpamorona azy. Tsy hisy intsony ireo zava-manahirana momba ny fahantrana sy ny heloka bevava ary ny zava-mahadomelina. Tsy ho voan’ny aretina sy ny fahanterana ary ny fahafatesana intsony ny taranak’olombelona. Ny fianakavian’olombelona dia hasandratra ho amin’ilay fahalavorariana izay nananan’ireo ray aman-drenintsika voalohany, talohan’ny nikomiany tamin’ny fitarihan’Andriamanitra.
Tsara toy inona moa ny amintinan’ny boky farany ao amin’ny Baiboly ilay toe-piainana sambatra ananan’ireo izay mametraka ny fitokiany amin’ny fitarihan’Andriamanitra! Hoy ny Apokalypsy 21:4, 5: “Hofafan[’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” Nanome antoka ny amin’izany ilay Mpamorona antsika tamin’ny filazana hoe: “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra.” Toy izao ny teny nanampiny: “Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.”
Raha ta hahazo ireo fitahiana ireo isika, dia inona no antenain’Andriamanitra avy amintsika? Nohazavain’ny apostoly Paoly fa ny sitrapon’Andriamanitra dia ny “hahavoavonjy ny karazan’olona rehetra sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana araka ny marina ny fahamarinana”. (1 Timoty 2:4, NW ). Ny Vavolombelon’i Jehovah dia manasa anao amim-pitiavana mba hahazo izany fahalalana araka ny marina ny fahamarinana izany, amin’ny alalan’ny fianarana feno ny Baiboly. Amin’ny fianarana amim-pitandremana ny sitrapon’Andriamanitra, dia azonao atao koa ny mahita, amin’ny alalan’ny fanandraman-javatra, fa ny fahendren’Andriamanitra no hany fitarihana azo ianteherana amin’izao andro mampidi-doza izao. Ny fahadodonan’ny fotoana dia mahatonga ny fanarahana izany ho hentitra kokoa mbola tsy nisy toy izany!