FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp21 No. 3 p. 12-14
  • Misy Tari-dalana Azo Antoka Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Misy Tari-dalana Azo Antoka Ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • IZA NO AFAKA HITARI-DALANA ANTSIKA?
  • Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Mifohaza!—2017
  • Fampianarana Marina Ankasitrahan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Ny Mety sy ny Tsy Mety: Tari-dalana Azo Ianteherana ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2024
  • Aiza no Ahafahanao Mahita Fitarihana Mendri-pitokiana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
wp21 No. 3 p. 12-14
Lehilahy iray mamaky Baiboly.

Misy Tari-dalana Azo Antoka Ve?

Hitantsika tamin’ireo lahatsoratra teo aloha fa miantehitra amin’ny vintana, ny fianarana ambony, ny harena, ary ny fanaovana ny tsara ny olona, mba hananana hoavy sambatra. Hoatran’ny hoe mampiasa sarin-tany diso anefa isika, raha miantehitra amin’ireo zavatra ireo mba hitari-dalana antsika. Midika ve izany hoe tsy misy tari-dalana azo antoka mihitsy? Tsy izany!

IZA NO AFAKA HITARI-DALANA ANTSIKA?

Rehefa hanapa-kevitra isika, dia matetika no manontany ny hevitry ny olona iray ela niainana sy hendry kokoa noho isika. Mahita tari-dalana azo antoka hananana hoavy sambatra isika ao amin’ny Baiboly, ary ela niainana sy hendry lavitra noho isika ilay nanome azy io. Nanomboka nosoratana io boky io 3 500 taona teo ho eo izay.

Fa maninona ianao no afaka matoky ny Baiboly? Satria ilay nampanoratra azy io no ela niainana sy hendry indrindra eo amin’izao rehetra izao. Antsoina hoe “Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be” izy, ary efa nisy “hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay.” (Daniela 7:9; Salamo 90:2) Izy koa no “Mpamorona ny lanitra, Ilay tena Andriamanitra, ilay Mpamolavola ny tany.” (Isaia 45:18) Milaza izy fa Jehovah no anarany.​—Salamo 83:18.

Tsy manindrahindra kolontsaina na fiaviana ny Baiboly, satria avy amin’ilay namorona ny olombelona rehetra. Tsy lany andro ny torohevitra ao anatiny ary mahasoa ny olona avy amin’ny firenena rehetra. Izy io koa no boky voadika amin’ny fiteny betsaka indrindra sy miely indrindra.a Afaka mamaky Baiboly sy mahazo tari-dalana avy ao amin’izy io àry ny olona rehetra, na aiza na aiza misy azy. Izao no voalaza ao:

“Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”​—ASAN’NY APOSTOLY 10:34, 35.

Manome tari-dalana ho an’ny zanany ny ray aman-dreny be fitiavana. Hoatr’izany koa no ataon’i Jehovah Andriamanitra amintsika. Tia antsika izy dia manampy antsika amin’ny alalan’ny Teniny, izany hoe ny Baiboly. (2 Timoty 3:16) Afaka matoky ny Baiboly ianao, satria i Jehovah no namorona antsika ary fantany tsara izay tena hahasambatra antsika.

TARI-DALANA AZO ANTOKA

Sary: 1. Lehilahy iray mandeha lamasinina, ary mamaky teny ao amin’ny telefaoniny. 2. Miseho eo amin’ny telefaonin’ilay lehilahy ny Baiboly.

Afaka matoky isika hoe mahavita mitarika antsika ny Baiboly, ka hanampy antsika hanana hoavy sambatra. Efa 2 000 taona teo ho eo mantsy izay izy io no nilaza ny zavatra hitranga sy ny toetran’ny olona amin’izao androntsika izao.

ZAVA-MITRANGA

“Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana. Hisy horohoron-tany lehibe, ary hisy areti-mandringana sy mosary any amin’ny toerana samy hafa.”​—LIOKA 21:10, 11.

TOETRAN’NY OLONA

“Amin’ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho matin-kambo, hanambony tena, ho mpanevateva, tsy hankatò ray aman-dreny, tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ho mpamadika, ho be di-doha, ho mpieboebo, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra.”​—2 TIMOTY 3:1-4.

Fa maninona ny Baiboly no nahavita nilaza mialoha an’ireo? Ahoana ny hevitrao? Hoy i Leung, avy any Hong Kong: “Efa nosoratana ela be ny faminaniana ao amin’ny Baiboly. Tsy ho vitan’ny olombelona mihitsy ny hilaza mialoha an’ireo zava-mitranga ireo. Tsy maintsy hoe hendry noho isika ilay nampanoratra azy io.” Azo antoka fa hitovy hevitra amin’i Leung ianao.

Misy faminaniana an-jatony efa tanteraka ao amin’ny Baiboly.b Hita avy amin’izany hoe tena Tenin’Andriamanitra izy io. Hoy i Jehovah: ‘Izaho no Andriamanitra ary tsy misy mitovy amiko, dia Ilay manambara hatrany am-piandohana izay hitranga amin’ny farany.’ (Isaia 46:9, 10) Afaka matoky an’izay lazain’ny Baiboly momba ny hoavy àry ianao.

TARI-DALANA HAHASOA ANAO DIENY IZAO SY HO MANDRAKIZAY

Mpivady iray mitantana ny zanany mianadahy, ary falifaly erỳ miaraka mitsangantsangana.

Handray soa ianao raha manaraka ny tari-dalan’ny Soratra Masina. Diniho ireto ohatra ireto:

TOROHEVITRA MOMBA NY VOLA SY NY ASA

“Aleo fialan-tsasatra eran-tanan’ila, toy izay asa mafy eran-tanan-droa nefa toy ny misambo-drivotra fotsiny.”​—MPITORITENY 4:6.

FIAINAM-PIANAKAVIANA

‘Aoka ny lehilahy tsirairay avy ho tia ny vadiny tahaka ny tenany, ary aoka ny vehivavy hanaja fatratra ny vadiny.’​—EFESIANINA 5:33.

FIFANDRAISANA AMIN’NY HAFA

“Ialao ny fahatezerana ary atsaharo ny fahavinirana. Aza tezitra sao hahatonga anao hanao ratsy izany.”​—SALAMO 37:8.

Ho sambatra ianao dieny izao sy amin’ny hoavy, raha manaraka izay lazain’ny Baiboly. Voalaza ao ny zavatra tsara ampanantenain’Andriamanitra antsika. Ireto ny sasany amin’izany:

HIADANA SY TSY HANANA AHIAHY NY OLONA

‘Tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be ny mpandefitra.’​—SALAMO 37:11.

HANANA TRANO SY HO AMPY SAKAFO NY REHETRA

“Hanao trano ny olona ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany.”​—ISAIA 65:21.

TSY HISY HARARY NA HO FATY INTSONY

“Tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.”​—APOKALYPSY 21:4.

Te hahazo an’izany hoavy tsara be izany ve ianao? Diniho ny lahatsoratra manaraka.

a Misy fanazavana momba ny nandikana ny Baiboly sy ny fielezany ao amin’ny www.pr2711.com/mg. Jereo ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > TANTARA & BAIBOLY.

b Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ny toko 9 amin’ilay boky hoe Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io, ary azo jerena ao amin’ny www.pr2711.com/mg. Jereo ao amin’ilay hoe ZAVATRA MISY > BOKY & BOKIKELY.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara