FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 1/6 p. 3-4
  • Nahoana no Liana Amin’ny Fivavahana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no Liana Amin’ny Fivavahana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Mitovitovy Aminy
  • Afaka manome fahafahampo amin’izay ilaintsika ve ny fivavahana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Nahafoy Tena Izy Ireo: Albania sy Kosovo
    Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Tokony hiova finoana ve hianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Nahoana ianao no tokony handray ny fivavahana ho zava-dehibe?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 1/6 p. 3-4

Nahoana no Liana Amin’ny Fivavahana?

ANY amin’ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany, dia misy fahalianana amin’ny fivavahana. Etsy an-danin’izany, dia misy olona maro koa izay milaza amim-pahatsorana tanteraka fa tsy liana mihitsy amin’ny fivavahana izy ireo. Efa toy izany foana ve anefa no tsapan’izy ireo?

Ao amin’ny maha-izy ny olombelona mihitsy ny hoe tsy tena afa-po amin’ny zavatra ara-nofo ranofotsiny ny olona iray. Mila fiainana ara-panahy ny olombelona. Ny fiainana andavanandro izay mihodinkodina amin’ny fahazoana ireo zavatra ilaina ara-nofo fotsiny, miaraka amin’ny fe-potoam-pialan-tsasatra indraindray, dia tsy manome fahafaham-po amin’ny fomba feno ireo filana lalina ao anatin’ny olona iray. Tsy sahala amin’ny biby ny olombelona fa maniry hahafantatra ny hoe: ‘Inona no zava-kendren’ny fiainana?’ ‘Tsy misy afa-tsy itỳ fiainana mihelina izay ifamahofahoan’ny tsara sy ny ratsy itỳ fotsiny ve?’ Tsy mba efa nanao fanontaniana toy izany ve ianao?

Olona an-tapitrisany maro velona ankehitriny anefa no nihalehibe tao anatin’ny toe-piainana izay nisakana izay nety ho tena fahalianana tamin’ny fivavahana. Nety ho avy tamin’ny ray aman-drenin’izy ireo, na avy tamin’ny mpampianatra, na avy tamin’ny mitovy taona aminy, na avy tamin’ny fanjakana mihitsy aza izany fitaomana izany.

Nanazava i Skalabrino, tovolahy iray avy any Albania, fa teo ambanin’ny fanapahana kaominista, ny olona dia nampianarina fa tsy misy Andriamanitra. Ankoatra izany, dia nampidi-doza ho azy ireo ny firesahana ny amin’ny fivavahana; nety ho nitarika fanagadrana ny fanaovana izany. Tamin’ny 1991 anefa, fony izy tany Soisa tamin’ny naha-mpitsoa-ponenana azy, dia nomena fahafahana hianatra ny Baiboly izy. Nanaiky izy. Nahoana?

Nandre ny amin’ny fisian’ny boky toy ny Baiboly izy tany Albania, saingy tsy tena nahalala na inona na inona momba azy io. Araka izany, teo am-piandohana, dia nety ho tsy ny faniriana hahatakatra ny Baiboly no nanosika azy voalohany indrindra. Na dia nilazana aza izy fa hianatra ny amin’ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olombelona sy ny tany, dia nihevitra izany ho fahafahana hanatsara ny fampiasany ilay fiteny teo an-toerana koa izy. Vetivety anefa dia hitany fa izay nianarany dia nanome fahafaham-po ny faniriana fatratra zavatra ara-panahy izay namaka lalina tao anatiny. Nanafana ny fony ilay fampanantenan’Andriamanitra tontolo vaovao iray izay hanjakan’ny fiadanana, dia tontolo iray izay hahafahan’ny olona hiaina mandrakizay sy hananany fahatondrahana eo amin’ireo zavatra rehetra ilaina eo amin’ny fiainana. Nitombo ny fahalianany rehefa nianarany fa afaka ny ho anisan’io tontolo vaovao io izy sy ny fianakaviany. Tsy nahatana ilay vaovao tsara ho an’ny tenany izy ka niantso an-telefaonina ny fianakaviany tany Albania mba hizarana izany tamin’izy ireo.

I Aleksei, izay monina any Rosia, dia gaga koa noho ny vokatra nety ho nananan’ny fahalalana araka ny marina ny Baiboly teo amin’ny fiainan’ny olona iray. Tototry ny zava-nanahirana sady tsy afaka nahita fanazavana nahafa-po mikasika ny zava-kendren’ny fiainana izy ka nikasa ny hamono tena. Voalohany anefa, dia nankany Failandy izy mba hitsidika namana iray. Teny an-dalana, tao anatin’ny fiarandalamby, dia niresaka ny amin’ny zava-nanahirana azy tamin’ny mpandeha sasany niara-dia taminy izy. Teo amin’izy ireo dia nisy Vavolombelon’i Jehovah iray izay nampirisika azy hianatra ny Baiboly noho izy io manome ala olana amin’ny zava-manahirana toy izany. Nisalasala ny amin’izany i Aleksei. Teny an-dalana nody, dia nahita fanandraman-javatra nitovy tamin’izany izy. Tamin’izay dia Vavolombelona hafa iray no namosaka ny heviny ary nilaza taminy fa nanan-java-nanahirana karazany izany koa izy taloha, kanefa nanampy azy handresy izany ny Baiboly. Izy io koa dia nampirisika azy hianatra ny Baiboly. Rehefa tonga tany an-trano izy, dia naneno ny telefaonina. Ilay niantso dia namany hafa iray izay niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelona ka faly dia faly. Nanomboka nahatsapa ilay rangahy fa angamba tena afaka nanome izay nilainy tokoa ny Baiboly, saingy fantany fa tsy afaka nahazo ny hevitr’izy io ny tenany raha tsy nisy fanampiana. Nanaiky hanao fianarana ny Baiboly tany an-tokantrano tsy tapaka niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, ary nanomboka nanatrika ny fivorian’izy ireo. Tsy ela dia takany ny antony mahasambatra aoka izany an’ireo izay mamolavola ny fiainany hifanaraka amin’izay ampianarin’ny Baiboly, na dia miatrika zava-manahirana iombonan’ny olombelona koa aza izy ireo.

Nahatakatra hevi-dalina momba ny maha-izy ny olombelona i Jesosy raha nanambara hoe: “Tsy afaka mivelona amin’ny mofo fotsiny ny olona”. (Matio 4:4, The New English Bible). Hoy koa izy: “Sambatra izay mahatsapa fa mila zavatra ara-panahy”. (Matio 5:3, NW ). Mahita fahasambarana izy ireo satria mahatsapa tsara izay ilainy ka manao dingana araka ny tokony ho izy mba hanomezana fahafaham-po izany, ary mahazo ny fitahian’Andriamanitra. Tsy manome fahafaham-po ny filantsika zavatra ara-panahy anefa raha izay fikambanantsika amin’ny fiangonana iray, na izay fanatrehantsika fotoam-pivavahana sasany fotsiny. Mety hanintona ny fihetseham-po ny fivavahana izay be fombafomba, kanefa manome ala olana mifanaraka amin’ny zava-misy ve izy io, ho an’ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana? Na dia miaro fitsipika fototra sasany izay azon’ny saina ekena aza ny fivavahana iray, dia hanome fahafaham-po ny filanao zavatra ara-panahy ve izy io raha tsy manome fahazoana marina ny hevitry ny zava-kendren’ny fiainana? Mbola mampanahy bebe kokoa ihany ny hoe: Moa ve ny fanarahana fivavahana toy izany hitarika ho amin’ny fifandraisana tsara amin’Andriamanitra? Raha tsy eo izany dia tsy hisy ny tena fahafaham-po.

Amin’io lafiny io, dia olona maro no eo am-pikarohana zavatra izay mbola tsy hitany.

[Sary, pejy 3]

Tena ho afa-po tokoa ve ny filanao zavatra ara-panahy amin’ny fikambananao amin’ny fiangonana iray?

[Sary, pejy 4]

Maro no nahita fa rehefa nahazo ny hevitry ny Baiboly izy ireo, dia manjary manana heviny vaovao ny fiainana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara