FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 1/6 p. 5-7
  • Ny Fikarohan’izy Ireo ny Fivavahana Marina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fikarohan’izy Ireo ny Fivavahana Marina
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny antony ananan’ny sasany fisalasalana lehibe
  • Nianatra ny fahamarinana momba ny maty izy
  • Nahita fiainana nisy heviny izy ireo
  • Mpisava Lalana Be Herim-po
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2016
  • “Sambatra Izay Olona Mahita Fahendrena”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Tsy Nivadika Nandritra ny 70 Taona Mahery
    Mifohaza!—2009
  • Ny Fomba Nahazoan’izy Ireo Valiny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 1/6 p. 5-7

Ny Fikarohan’izy Ireo ny Fivavahana Marina

HATRAMIN’NY fahazazany ny olona sasany dia nikaroka valin-teny mahafa-po ho an’ny fanontanian’izy ireo momba ny fiainana. Fony mbola tanora izy ireo dia nety ho nanatrika fotoam-pivavahana. Maro amin’izy ireo anefa no nahita fa tsy tena nanampy azy ireo hiatrika tamim-pahombiazana ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana na ny valin-teny nomena na ny fombafombam-piangonana.

Mety hilaza ho mbola anisan’ny fivavahan’ny ray aman-dreniny izy ireo, na dia zara aza raha manatrika ireo fotoam-pivavahana. Araka ny voalazan’ny eveka iray ao amin’ny Eglizy Anglikanina, dia ambinambim-pinoana sisa ny azy ireo. Nataon’izy ireo an-kila bao ny fivavahana. Ny hafa dia nanda ny fivavahana iray manontolo noho izy ireo tofoka tamin’ny fihatsarambelatsihy hitany tao amin’ny faritra ara-pivavahana. Na dia izany aza, dia mbola eo ihany ireo fanontanian’izy ireo momba ny fiainana.

Ny antony ananan’ny sasany fisalasalana lehibe

Fantatry ny ankamaroan’ny olona fa fiangonana maro no manana masoivoho mba hanampiana ireo tsy manan-kialofana, mba hizarana sakafo ho an’ireo tsy nambinina, sy mba hanohanana ara-bola ireo fihetsiketsehana ara-kolontsaina. Saiky isan’andro anefa dia ren’izy ireo koa ireo tatitra an-gazety momba ny herisetra sy ny fandatsahan-dra mamaka ao amin’ny fivavahana, tsy eo amin’ireo tsy Kristiana ihany, fa eo anivon’ireo izay mihambo ho Kristiana koa. Tokony hahagaga antsika ve raha misalasala ny amin’ny maha-marina ny fivavahana arahin’ireo antoko tafiditra amin’izany herisetra izany izy ireo?

Maro amin’ireo izay nobeazina tao amin’ny fivavahana no nihevitra taloha fa zavatra tsara dia tsara ireo toerana fitaizana zaza kamboty tohanan’ny fiangonana ara-bola. Tao anatin’ireo taona faramparany anefa, dia tsiravina izy ireo rehefa nisy pretra tany amin’ny toerana samihafa voampanga ho nametaveta ireo ankizy nampiandraiketina azy. Tamin’ny voalohany dia nihevitra ny olona fa fahadisoan’ny pretra vitsivitsy monja izany. Izao ny sasany amin’izy ireo dia manontany tena raha tsy ny fiangonana mihitsy no misy zavatra tsy mety lalim-paka.

Ny sasany, sahala amin’i Eugenia, dia tafiditra lalina tao amin’ny fivavahana nisy azy tamin’ny lasa. Tamin’ny naha-tanora azy tany Arzantina, dia teo anivon’ireo izay nanao fivahiniana masina mba hanolotra fanompoam-pivavahana tamin’ny Virjiny tao Itatí izy. Nipetraka tao amin’ny tranon’ny relijiozy nandritra ny 14 taona izy tamin’ny naha-masera. Avy eo izy dia niala mba ho tonga anisan’ny antoko iray ara-pivavahana sady ara-politika iraisam-pirenena, izay niady ho an’ny fanovana tanteraka sy tsy misy hataka andro eo amin’ireo rafitra ara-tsosialy sy ara-toe-karenan’ny fitambaran’olona, tamin’ny alalan’ny tolom-bahoaka. Vokatr’izay hitany sy izay nandalovany, dia nanary ny finoany sy ny fatokiany an’Andriamanitra izy. Tsy tena nikaroka fivavahana iray izay azony ninoana izy. Ny niriny dia fomba iray hitondrana ny rariny ho an’ireo mahantra — eny, sy namana iray azony itokiana.

Misy hafa mandinika izay mitranga ao amin’ireo fiangonana, ary dia nihatakataka. Nilaza tamim-pahatsorana ny heviny ny olona tsy mino an’Andriamanitra iray. Navoaka tao amin’ny gazetiboky Sputnik toy izao izany tamin’ny 1991: “Tsy hitako izay fahasamihafana lehibe eo amin’ireo zavatra mifandray amin’ny anganon’ny mpanompo sampy sy ny an’ny Kristiana.” Ho ohatra, dia nolazalazainy ny amin’ny filaharana (procession) iray nisy pretra maro nanao akanjo feno petakofehy volamena, izay nilanja moramora vatam-paty iray nisy faty maina voatahiry, namakivaky ireo arabe tao Moscou. Fatina “olona masina kristiana ortodoksa” izy io, ka nafindra avy tany amin’ny tranom-bakoka nankany amin’ny eglizy iray. Izany dia nampahatsiahy an’ilay mpanoratra ny amin’ireo pretra sy faty maina voatahiry tany Egypta fahiny. Tsaroany koa fa, raha nino ny “Trinite kristiana” ireo nandray anjara tamin’ilay filaharana tany Moscou, ireo Egyptiana kosa dia efa nanolotra fanompoam-pivavahana tamin’ny fitambaran-telon’andriamanitra — i Osiris sy i Isis ary i Horus.

Nanisy fitenenana io mpanoratra io ihany fa tany Egypta mpanompo sampy, dia tsy nisy nifanitsy tamin’ilay fiheverana kristiana momba ny fitiavana — ny hoe “Andriamanitra dia fitiavana” sy ny hoe “tiava ny namanao tahaka ny tenanao”. Nanao izao fanamarihana izao anefa izy: “Tsy nandresy ny fitiavan-drahalahy teo amin’izao tontolo izao, na dia tao amin’izany faritra izay milaza tena ho tontolo kristiana izany aza.” Ary izany dia narahiny fanazavana mikasika ny voka-dratsin’ny fikirizan’ny fiangonana hiditra amin’ireo raharahan’ny Fanjakana. Izay hitany dia tsy nanosika azy hihevitra fa nanolotra izay nokarohiny ireo fiangonana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana.

Mifanohitra amin’izany, fa misy hafa izay nahita valin-teny mahafa-po, saingy tsy tao amin’ireo fiangonan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana.

Nianatra ny fahamarinana momba ny maty izy

Mipetraka any Bolgaria i Magdalena izay 37 taona izao. Taorian’ny nahafatesan’ny rafozan-dahiny tamin’ny 1991, dia tena nivalaketraka izy. Imbetsaka izy no nanontany tena hoe: ‘Mankaiza ny maty? Aiza ny rafozan-dahiko?’ Nankany am-piangonana izy, ary nivavaka teo anoloan’ny sary masina iray tao an-tranony, kanefa dia tsy nahazo valin-teny.

Avy eo, dia niantso azy an-telefaonina indray andro ny mpifanila trano taminy mba hanasa azy tany aminy. Nitsidika ny manodidina ny tovolahy iray niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nihaino i Magdalena rehefa niresaka ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fikasany hanao ny tany ho paradisa iray hahafahan’ny olona hiaina mandrakizay ao anatin’ny fahasambarana, ilay tovolahy. Teo ambonin’ny latabatra ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. Tamin’ny fampiasana azy io, dia notarihin’ilay tovolahy ny sain’i Magdalena tamin’ilay andinin-tenin’ny Baiboly ao amin’ny Mpitoriteny 9:5 manao hoe: “Ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona”. Tamin’io hariva io izy dia namaky andinin-teny betsaka kokoa. Nianarany fa ny maty dia tsy nanohy fiainana hafa iray any an-danitra na any amin’ny afobe; tsy mahalala na inona na inona izy ireo, toy ny ao anaty torimaso mahasoa iray. Nekeny tamin-kafaliana ilay fanasana hanatrika fivoriana tao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana. Taorian’ilay fivoriana izy dia nanaiky fianarana tsy tapaka ny Baiboly. Rehefa nandinika ny fomba nanolorana ireo vavaka ho an’i Jehovah tao amin’ilay fivoriana izy, dia nanomboka koa nivavaka tamin’i Jehovah mba hahazoana fanampiana handresy fahalemena iray lalim-paka tao aminy. Rehefa voavaly ny vavaka nataony, dia fantany fa nahita ny fivavahana marina izy.

Nahita fiainana nisy heviny izy ireo

Nobeazina tao anatin’ny tokantrano katolika hirihiriny tany Belzika i André, ary efa nanompo tamin’ny naha-mpanampy ny pretra teo an-toerana. Nandritra izany fotoana izany anefa, dia nahita zavatra izay nanimba tsikelikely ny fanajany ny eglizy izy. Vokatr’izany, dia Katolika anarany fotsiny izy.

Nandritra ny 15 taona dia mpilalao baolina kitra no fototr’asany. Indray mandeha, rehefa nanao fitohitohizan-dalao iadiana ny ho tompon-daka tany Italia ny ekipany, dia nasaina tamin’ny fihaonana ofisialy tamin’ny papa izy ireo. Tsy nisy na inona na inona nampandroso ara-panahy tamin’ilay fitsidihana, ary nanakorontan-tsaina an’i André ilay harembe araka an’izao tontolo izao izay nanodidina ny papa. Nihalalina ny fisalasalany momba ny eglizy. Tsy nahasambatra azy ny fiainany manokana noho izy efa rava tokantrano indroa. Nahakivy azy ny tarehin-javatra maneran-tany. Nanoratra toy izao tao amin’ny diariny izy tamin’ny 1989: ‘Inona no dikan’izao zavatra tsy misy fotony rehetra mitranga manodidina antsika izao?’ Tsy nahita valin-teny avy tamin’ny fivavahana nisy azy izy.

Tamin’ny 1990, rehefa niasa tamin’ny naha-mpanazatra tamin’ny baolina kitra tany Islande i André, dia nifandray taminy i Iiris, misionera Vavolombelon’i Jehovah iray. Nandray zavatra vita an-tsoratra izy ary nanasa ilay misionera mba hiverina. Niverina niaraka tamin’i Kjell vadiny ilay misionera. Rehefa afaka nipetraka sy niresaka tamin’i André izy ireo tamin’ny farany, dia niharihary fa liana lalina ny hahazo ny hevitry ny Baiboly izy. Nanana izany fahalianana izany koa i Ásta vadiny. Teo antenatenan’ny andro, dia nanana adiny telo izy teo anelanelan’ireo fotoam-panazarana nataony, ary nanapa-kevitra ny hampiasa izany fotoana izany hianarana ny Baiboly izy ireo. “Mahatsiaro tena ho velombelona kokoa aho amin’ny fianarana ny Baiboly noho ny amin’ny fialana sasatra fotsiny”, hoy izy. Namaly tsikelikely ny fanontanian’izy ireo ny Baiboly. Nitombo moramora ny finoan’izy ireo an’i Jehovah sy ny Fanjakany. Nanjary zavatra tena izy ho azy ireo ny fampanantenana be voninahitry ny Baiboly momba ny tontolo vaovao iray handry feizay, dia tontolo afaka amin’izao “zavatra tsy misy fotony rehetra mitranga” izao. Izao i André sy i Ásta dia samy mizara amin’ny hafa ilay finoana vao hitany.

Mino i Magdalena sy i André ary i Ásta fa nahita ny fivavahana marina amin’izay izy ireo. Tamin’ny farany koa i Eugenia dia nahita teo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay fivavahana izay heveriny fa ny marina, rehefa avy nanandrana nandamina ireo zava-manahirana an’izao tontolo izao tamin’ny fomba ara-politika izy. Inona anefa no tena mamaritra raha marina ny fivavahana iray? Jereo aza fady ny lahatsoratra manaraka.

[Sary, pejy 7]

Manampy olona maherin’ny dimy tapitrisa eo amin’ny fikarohan’izy ireo valin-teny mahafa-po ny fianarana ny Baiboly tsy tapaka miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara