Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
“Sambatra Izay Olona Mahita Fahendrena”
HITA ny fahamarinan’io ohabolana io any Korea, izay misy Vavolombelon’i Jehovah sambatra miisa 71 000 mahery ankehitriny. (Ohabolana 3:13). Ary alao sary an-tsaina fa ao anatin’ny fanompoana manontolo andro avokoa ny 42 isan-jaton’ireo mpitory ireo! Ireo fitantarana manaraka dia hampiseho fa hasambarana no azon’ireo izay mitady ny tena fahendrena.
Niangona tany amin’ny fiangonana iray an’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana nandritra ny 16 taona ny vehivavy iray any Pusan. Nanaraka fanao maro be tsy araka ny Soratra Masina izy, hany ka nanomboka nieritreritra fa tsy mety hisy Andriamanitra. Teo an-danin’izany, dia tsy afaka nanda ny fisian’Andriamanitra izy, hany ka nivavaka tamim-pahatsorana tamin’Andriamanitra mba hahita ny fiangonana marina raha nisy ny toy izany. Tamin’io fotoana io dia tonga tao an-tsainy tampoka ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tadidiny fa nanamavo azy ireo ny fiangonany sady nampitandrina ireo mpiangona ny amin’izy ireo satria hoe tsy nino ny Trinite sy ny afobe ary ireo foto-pampianarana hafa an’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ny Vavolombelona. Mety ho izy ireo ve no fiangonana marina? Noho ny fanampian’ny mpifanila trano iray, dia nahita ny toerana nisy ny Efitrano Fanjakana izy. Ny ampitson’io ihany, dia nanatrika fivoriana iray izy.
Nitolagaga izy nahita ny filaminan’ilay fivoriana. Tsy mba nisy antsoantso tamim-pirehetana na hira fehezin’ny fihetseham-po toy ny tany amin’ny fiangonany tao. Nampifankahalalaina tamin’ny Vavolombelona iray izay vonona ny hiara-mianatra ny Baiboly taminy izy, ary naharitra ora maromaro ny fianarana voalohany noho ny fanontaniana maro be nataony. Tamin’ny fianarana faharoa, dia nampahafantatra izy fa hiala amin’ny fiangonany ary ho tonga Vavolombelona. Nilaza tamin’ilay anabavy izy fa tsy hila ny hianatra miaraka aminy intsony, fa azony atao ny mamonjy fivoriana fotsiny. Naseho azy anefa ny hasarobidin’ny fananana fianarana ny Baiboly manokana ho fanampin’ny fanatrehana ireo fivoriana. Nanaiky ilay fanoloran-kevitra izy, nilofo tamin’ny fianarany, ary natao batisa tamin’ny fotoana nety.
Izao izy dia sambatra fa nahita ny fahendren’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, ary manana ny fanantenana hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra.
Mianatra ny fahamarinana ny jeneraly iray efa misotro ronono
Vita batisa tamin’ny 1962 ny vadin’ny jeneraly iray tao amin’ny tafika. Nanohitra azy ny vadiny tamin’ny voalohany, nefa tatỳ aoriana dia nitsahatra tsy nanohitra azy, ary tamin’ny fomba tapatapaka, nandritra ireo 28 taona nanaraka, dia nisy rahalahy isan-karazany niara-nianatra taminy, ka niezaka ny hanao izay hahaliana azy tamin’ny fahamarinana. Nanatrika fivoriana sy fivoriamben’ny distrika sasantsasany izy, nefa anisan’irony olona mitandrina mba tsy handray ny fahamarinana ho zava-dehibe irony izy. Tamin’ny 1990, dia nandeha tany Japana izy mivady, ka tany dia nanatrika fivoriamben’ny distrika iray. Tamin’io fotoana io izy dia nihaino tamim-pitandremana fatratra ireo lahateny — zavatra izay tsy nataony teo aloha. Taitra aoka izany izy noho ireo lahateny feno fahasahiana nanala sarona ny fivavahan-diso, nefa azo antoka fa nanokatra ny masony ho amin’ny fihatsarambelatsihin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana izany. Nanohina azy ny filaminana sy ny fahasambaran’ny vahoakan’Andriamanitra tany Japana, izay tsy nisy hafa tamin’ny hitany tany Korea. Rehefa niverina tany Korea izy dia nanomboka fianarana ny Baiboly hentitra ary tamin’ny farany dia vita batisa.
Inona àry no tokony hataony aorian’ny batisany? Niala tamin’ny naha-mpitantana ny hotely malaza iray ho an’ny mpizaha tany izy ary niaraka amin’ny vadiny ao amin’ny fanompoana manontolo andro amin’ny maha-mpisava lalana. Tsapany fa ny maha-mpisava lalana maharitra no fomba tsara indrindra hanonerana ireo 28 taona veriny nandritra ny fotoana tsy nandrosoany.
Tsapany izao fa mihatra aminy koa ilay ohabolana hoe “sambatra izay olona mahita fahendrena”!