Misy Andraikitra Miaraka Amin’ny Fahafantarana ny Fivavahana Marina
“Sambatra (...) ny mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany.” — LIOKA 11:28.
1. Karazan’olona toy inona no manorina ny fiainany manodidina ny fivavahana marina raha vantany vao mahafantatra azy io?
TSY ampy ny mamantatra fotsiny ny fivavahana marina. Raha tia izay mahitsy sy marina isika, dia hanorina ny fiainantsika manodidina ny fivavahana marina raha vantany vao mahita azy io. Tsy filozofia ara-tsaina fotsiny akory ny fivavahana marina; fomba fiaina izy io. — Salamo 119:105; Isaia 2:3; ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 9:2, fanamarihana ambany pejy.
2, 3. a) Ahoana no nanantitranteran’i Jesosy ny maha-zava-dehibe ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra? b) Andraikitra inona no mipetraka eo amin’ny olona rehetra izay mahafantatra ny fivavahana marina?
2 Nantitranterin’i Jesosy Kristy fa zava-dehibe ny fanaovana izay nahariharin’Andriamanitra fa sitrapony. Teo am-pamaranany ilay toriteny nanjary fantatra hoe Toriteny teo An-tendrombohitra, dia nampahafantarin’i Jesosy fa tsy izay rehetra miantso azy hoe Tompo (ka araka izany dia milaza tena ho Kristiana) akory no hiditra any amin’ilay Fanjakana; izay manao ny sitrapon’ny Rainy ihany no ho toy izany. Ny hafa, hoy izy, dia holavina toy ny “mpiasan’ny tsy fankatoavan-dalàna”. Fa nahoana no hoe tsy fankatoavan-dalàna? Satria ambaran’ny Baiboly fa ny tsy fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra dia ota, ary ny ota rehetra dia tsy fankatoavan-dalàna na fandikan-dalàna. (Matio 7:21-23, NW; 1 Jaona 3:4; ampitahao amin’ny Romana 10:2, 3.) Mety hahafantatra ny fivavahana marina ny olona iray, mety hilaza ny fankasitrahany an’ireo izay mampianatra azy io, ary mety hidera an’ireo izay manaraka izany, kanefa dia manana andraikitra ny hampihatra azy io eo amin’ny fiainany manokana koa izy. (Jakoba 4:17). Raha manaiky izany andraikitra izany izy, dia ho hitany fa hisy heviny kokoa ny fiainany, ary hahita fifaliana izay tsy ho azony tamin’ny fomba hafa mihitsy izy.
3 Tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha isika dia nandinika marika famantarana enina ho an’ny fivavahana marina. Tsy vitan’ny hoe manampy antsika hamantatra ny fivavahana marina fotsiny ny tsirairay amin’izy ireo, fa mampiseho eo anoloantsika manokana koa zava-tsarotra tsy maintsy resena sy fahafahana hanao zavatra. Amin’ny fomba ahoana?
Ahoana no fihetsikao eo anoloan’ny Tenin’Andriamanitra?
4. a) Rehefa manomboka miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo vaovao, inona no tsy ela dia voamarik’izy ireo raha ny amin’ny fampiasan’ny Vavolombelona ny Baiboly? b) Amin’ny ahoana ny maha-tsara fahana ara-panahy an’ireo mpanompon’i Jehovah no misy fiantraikany eo amin’izy ireo?
4 Rehefa miara-mianatra ny Baiboly amin’ny olona liana vao haingana ny Vavolombelon’i Jehovah, dia maro amin’ireny vaovao ireny no mahatsikaritra haingana fa avy ao amin’ny Baiboly izay zavatra ampianarina. Ho famaliana ny fanontaniany, dia tsy asaina mitady fanazavana any amin’ireo fanekem-pinoan’ny fiangonana, na any amin’ireo lovantsofin’olombelona, na any amin’ireo hevitry ny olo-malaza sasany, izy ireo. Ny Tenin’Andriamanitra mihitsy no fahefana fakana teny. Rehefa mankany amin’ny Efitrano Fanjakana izy ireo, dia marihiny fa any koa dia ny Baiboly no boky fianarana lehibe indrindra. Tsy miandry ela akory dia takatr’ireo mpitady amim-pahatsorana ny fahamarinana fa ny antony lehibe mahatonga ilay fifaliana hitan’izy ireo eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia noho izy ireo tsara fahana ara-panahy avy amin’ny Tenin’Andriamanitra. — Isaia 65:13, 14.
5. a) Zava-tsarotra tsy maintsy resena inona no aseho eo anoloan’ireo izay mandinika ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Ahoana no ahafahany mahatsapa ilay fifalian’ny Vavolombelona?
5 Raha miaiky izany ianao, ahoana no fihetsikao eo anoloan’izany? Raha azonao ny dikan’izany, dia tsy afaka ara-drariny ny ho mpitazam-potsiny ianao, ary tsy tokony haniry ny ho toy izany koa. Asehon’ny Baiboly fa ‘mamitaka ny tenany’ ireo izay “mpihaino fotsiny” fa tsy “mpankatò ny teny”. (Jakoba 1:22). Mamita-tena izy ireo satria tsy mety miaiky fa na inona na inona mety holazainy, ny tsy fankatoavany an’Andriamanitra dia mampiseho fa tsy tena tia azy izy ireo. Finoana maty ny filazana ho manam-pinoana tsy tohanan’ny asa. (Jakoba 2:18-26; 1 Jaona 5:3). Mifanohitra amin’izany fa izay atosiky ny fitiavana an’i Jehovah ho tonga “mpanao ny asa” dia ho “sambatra amin’ny asany”. Eny, araka ny nohazavain’i Jesosy Kristy, dia “sambatra (...) ny mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany”. — Jakoba 1:25; Lioka 11:28; Jaona 13:17.
6. Raha tena mankasitraka ny Tenin’Andriamanitra isika, fahafahana inona avy no hiezahantsika manokana hohararaotina?
6 Hihalalina izany fifaliana izany arakaraka ny hitomboanao amin’ny fahalalana ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fampiharanao ireo zavatra fanampiny izay ianaranao. Toy inona ny ezaka hataonao mba hianarana ny Tenin’Andriamanitra? Olona an’aliny maro izay tsy nahay taratasy no niezaka mafy nianatra namaky teny, ka nanao izany indrindra izy ireo mba hahafahany hamaky ny Soratra Masina sy hampianatra izany ny olon-kafa. Nifoha aloha kokoa ny hafa isa-maraina mba hahafahan’izy ireo handany fotoana sasany isan’andro hamakiana ny Baiboly sy ireo boky manampy amin’ny fianarana ny Baiboly, toy Ny Tilikambo Fiambenana. Rehefa mamaky misesy ny Baiboly ny tenanao manokana, na rehefa mitady andinin-teny voatonona ao anatin’ny zavatra ianarana hafa, dia mariho amim-pitandremana ny lalàna sy didin’i Jehovah, ary miezaha manavaka ireo fotopoto-pitsipika maro izay natao hitarihana antsika ao. Saintsaino izay ahariharin’ny tapany tsirairay momba an’Andriamanitra, momba ny fikasany sy ny fifandraisany tamin’ny olombelona. Omeo fotoana izany mba hamolavola ny fonao. Diniho raha misy fomba azonao ampiharana ny torohevitry ny Baiboly amin’ny fomba feno kokoa eo amin’ny fiainanao manokana. — Salamo 1:1, 2; 19:7-11; 1 Tesaloniana 4:1.
Feno ve ny fifikiranao amin’i Jehovah?
7. a) Inona no fiantraikan’ny fampianarana momba ny Trinite eo amin’ny fiezahan’ny olona hanolotra fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra? b) Inona no mety hitranga rehefa mianatra ny fahamarinana momba an’i Jehovah ny olona iray?
7 Fanamaivanana ho an’ny olona an-tapitrisany maro ny fianarana fa tsy Trinite ilay Andriamanitra marina. Tsy nahafa-po azy ireo mihitsy ilay fanazavana hoe “mistery izany”. Ahoana moa no ahafahan’izy ireo manakaiky Andriamanitra iray izay tsy azon’ny sainy takarina? Ho vokatr’izany fampianarana izany, dia nirona tsy hiraharaha ny Ray (izay mbola tsy reny mihitsy tany am-piangonana ny anarany) izy ireo, ka nanolotra fanompoam-pivavahana tamin’i Jesosy ho toy ny Andriamanitra, na nampiantefa ny fanompoam-pivavahany tamin’i Maria (izay nampianarina azy fa “Renin’Andriamanitra”). Finaritra anefa ny fon’izy ireo rehefa nisy Vavolombelon’i Jehovah iray nanokatra ny Baiboly ary nampiseho taminy ny anaran’Andriamanitra manokana hoe Jehovah. (Salamo 83:18). Nentanin-kafaliana aoka izany ny vehivavy iray tany Venezoela rehefa naseho taminy ny anaran’Andriamanitra, hany ka nofihininy teo an-tratrany ara-bakiteny ilay Vavolombelona tanora izay nizara taminy io fahamarinana io. Ary dia nanaiky hahazo fampianarana ny Baiboly tany an-tokantrano izy. Rehefa ianaran’ireny olona ireny fa i Jesosy anie ka niresaka ny amin-dRainy ho “Andriamanitro sy Andriamanitrareo” sy ny hoe i Jesosy dia nilaza ny Rainy ho “Andriamanitra tokana sady marina”, dia takatr’izy ireo fa hay tsy misy izany tsy azon’ny saina takarina izany akory izay ampianarin’ny Baiboly momba an’Andriamanitra. (Jaona 17:3; 20:17). Arakaraka ny ahafantarany ireo toetran’i Jehovah, dia mahatsiaro ho voasintona hanatona azy izy ireo, ka manomboka mivavaka aminy sy maniry ny hahazo sitraka aminy. Inona no vokatr’izany?
8. a) Inona no nataon’olona an-tapitrisany maro noho ny fitiavany an’i Jehovah sy ny faniriany hahazo sitraka aminy? b) Nahoana no zava-dehibe iankinan’ny aina ny batisa kristiana?
8 Nandritra ireo folo taona lasa, dia olona 2 528 524 tany amin’ireo kontinenta enina sy vondro-nosy maro be no nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah ary avy eo dia nanamarika izany fanoloran-tena izany tamin’ny batisa anaty rano. Iray amin’izy ireny ve ianao sa miomana ny hatao batisa? Dingana tena lehibe eo amin’ny fiainan’ny Kristiana marina rehetra ny batisa. Naniraka ireo mpanara-dia azy i Jesosy, mba hanao mpianatra ny olona amin’ny firenena rehetra sy hanao batisa azy. (Matio 28:19, 20). Tsara homarihina koa fa nanaraka avy hatrany ny fanaovana batisa ny tenan’i Jesosy no nitenenan’i Jehovah mihitsy avy tany an-danitra nanao hoe: “Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako.” — Lioka 3:21, 22.
9. Mba hitanana fifandraisana ankasitrahana amin’i Jehovah, dia inona no takina amintsika?
9 Zavatra tokony hankamamina ny fifandraisana ankasitrahana amin’i Jehovah. Raha efa niditra tao amin’ny fifandraisana toy izany ianao, tamin’ny fanoloran-tena sy ny batisa, dia halaviro izay mety hanimba izany fifandraisana izany. Aza mamela ireo fanahiana eo amin’ny fiainana sy ny fiahiana ny amin’ireo zavatra ara-nofo hanosika azy io ho amin’ny toerana faharoa. (1 Timoty 6:8-12). Aoka ianao hiaina marina tokoa mifanaraka amin’ilay torohevitra ao amin’ny Ohabolana 3:6 hoe: “Maneke [an’i Jehovah] amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao”.
Hatraiza ny halalin’ny fiantraikan’ny fitiavan’i Kristy eo aminao?
10. Nahoana no tsy mahatonga antsika tsy hiraharaha an’i Jesosy ny fanompoam-pivavahana atolotsika an’i Jehovah?
10 Tsy mahatonga olona iray tsy hiraharaha an’i Jesosy Kristy akory ny fankasitrahana araka ny tokony ho izy an’i Jehovah ho ny hany Andriamanitra marina. Mifanohitra amin’izany aza fa hoy ny Apokalypsy 19:10 hoe: “Ny filazana an’i Jesosy no fanahin’ny faminaniana.” Avy eo amin’ny Genesisy ka hatrany amin’ny Apokalypsy, ireo faminaniana ara-tsindrimandry dia manome tsipirian-javatra momba ny anjara asan’i Jesosy Kristy ao amin’ny fikasan’i Jehovah. Rehefa manjary mifankazatra amin’ireny tsipirian-javatra ireny ny olona iray, dia mipoitra ny sary mahasondriana iray, dia sary izay afaka amin’ireo fanolanan-kevitra sy ireo hevi-diso izay vokatry ny fampianaran-dison’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana.
11. Tamin’ny ahoana izay tena ampianarin’ny Baiboly momba ny Zanak’Andriamanitra no nisy fiantraikany teo amin’ny vehivavy iray any Polonina?
11 Mety hisy vokany lalina eo amin’ny olona iray ny fahatakarana ny hevitry ny fahamarinana momba ny Zanak’Andriamanitra. Izany no nitranga tamin’i Danuta, vehivavy iray any Polonina. Nitana fifandraisana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’ny valo taona izy, nankafy izay nampianarin’izy ireo, saingy tsy nanao ny fanompoam-pivavahana marina ho ny fomba fiainany. Avy eo izy dia nahazo anankiray tamin’ilay boky hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany izay mampiseho ny fiainan’i Jesosy Kristy amin’ny fomba mora azo.a Efa alina be, dia nanokatra ilay boky izy, nikasa ny hamaky toko iray monja. Tsy namela ilay boky anefa izy raha tsy nahavita namaky azy, hatramin’ny vao mangiran-dratsy. Nigogogogo nitomany izy. “Mamelà ahy, Jehovah ô”, hoy izy nitalaho. Ho vokatr’izay novakiny, dia hitany nazava kokoa mbola tsy nisy toy izany ny fitiavana nasehon’i Jehovah sy ny Zanany. Takany fa nandritra ny valo taona izy dia nanda tsy nisy fankasitrahana ilay fanampiana izay nomen’Andriamanitra azy tamim-paharetana. Natao batisa izy tamin’ny 1993, ho fanamarihana ny fanolorany tena ho an’i Jehovah, niorina tamin’ny finoana an’i Jesosy Kristy.
12. Inona no fiantraikan’ny fahalalana araka ny marina an’i Jesosy Kristy eo amin’ny fiainantsika?
12 Ny “fahalalana [araka ny marina, NW ] an’i Jesosy Kristy Tompontsika”, dia ampifandraisina amin’ny maha-Kristiana marisika sy mahavokatra. (2 Petera 1:8). Hatraiza no handraisanao anjara amin’izany asa izany, dia ny fizarana amin’ny hafa ny hafatr’ilay Fanjakana? Miankina amin’ny toe-javatra maro ny habetsahan’ny azon’ny tsirairay atao. (Matio 13:18-23). Misy toe-javatra sasany izay tsy azontsika ovana; ny hafa dia azontsika ovana. Inona no hanosika antsika hamantatra sy hanao ireo fiovana izay azo atao? Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Ny fitiavan’i Kristy no manery anay”; raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe: Niavaka aoka izany ny fitiavana nasehony tamin’ny famoizana ny ainy ho antsika, hany ka arakaraka ny itomboan’ny fankasitrahantsika izany no hahavoatosika lalina ny fontsika manokana. Ho vokatr’izany, dia takatsika fa faran’izay tsy mety ny hanohizantsika hanatratra zava-kendrena feno fitiavan-tena sy ny hiainantsika mba hanomezana fahafinaretana indrindra ny tenantsika. Ho solon’izany, dia alamintsika ireo raharahantsika mba hanomezana ny toerana voalohany ho an’ilay asa izay nampianarin’i Kristy ny mpianany mba hataon’izy ireo. — 2 Korintiana 5:14, 15.
Misaraka amin’izao tontolo izao — Hatraiza?
13. Nahoana isika no tsy tokony haniry ny ho anisan’ny fivavahana iray izay nanao ny tenany ho naman’izao tontolo izao?
13 Tsy sarotra ny mahita ny firaketana an-tsoratra nataon’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana sy ny fivavahana hafa noho izy ireo naniry ho anisan’izao tontolo izao. Nampiasaina ireo tahirim-bolan’ny fiangonana mba hanohanana ireo fihetsiketsehana revolisionera. Nisy pretra tonga mpiady anaty akata. Isan’andro isan’andro ireo gazety dia mampisongadina manokana ireo tatitra momba ireo ady ifanaovan’ireo antoko ara-pivavahana mifandrafy any amin’ny faritra samihafa amin’ny tany. Feno ra ny tanan’izy ireo. (Isaia 1:15). Ary maneran-tany, dia manohy manandrana mampiasa amin’izay tiany ny sehatra ara-politika ny klerjy. Tsy manana anjara amin’izany ny mpivavaka marina. — Jakoba 4:1-4.
14. a) Inona no tsy maintsy halavirintsika manokana raha te hitoetra ho tafasaraka amin’izao tontolo izao isika? b) Inona no afaka manampy antsika hanalavitra ny ho voafandrik’ireo fihetsika sy fanaon’izao tontolo izao?
14 Mahatafiditra zavatra bebe kokoa noho izany anefa ny fisarahana amin’izao tontolo izao. Izao tontolo izao dia miavaka amin’ny fitiavam-bola sy amin’izay azon’ny vola vidina, amin’ny fanirian-daza manokana sy ny fikatsahana tsy an-kijanona fahafinaretana, miaraka amin-javatra toy ny tsy fisian’ny tena fiahiana marina ny hafa, ny lainga sy ny teny ratsy, ny fikomiana amin’ny fahefana, ary ny tsy fanehoana fifehezan-tena. (2 Timoty 3:2-5; 1 Jaona 2:15, 16). Noho ny tsy fahalavorariantsika manokana, dia mety hampiseho taratry ny sasany amin’ireny toetra ireny isika indraindray. Inona no afaka manampy antsika eo amin’ny ady mafy ataontsika mba hanalavirana izany fandrika izany? Ilaintsika ny mampahatsiahy ny tenantsika ny amin’ny hoe iza no ao ambadik’izany rehetra izany. “Izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” (1 Jaona 5:19). Tsy maninona na toa manintona toy inona aza ny lalana sasany, ary tsy maninona na firy na firy aza ny olon-kafa miaina amin’izany fomba izany. Rehefa hitantsika fa i Satana Devoly, ilay fahavalon’Andriamanitra lehibe indrindra no ao ambadik’izany, dia takatsika fa tena mahatsiravina tokoa ilay izy. — Salamo 97:10.
Tonga hatraiza ny fitiavanao?
15. Amin’ny ahoana ny fitiavana tsy misy fitiavan-tena izay hitanao no manampy anao hamantatra ny fivavahana marina?
15 Raha vao nanomboka niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao, dia tsy isalasalana fa nanintona anao ny fitiavana hita eo anivon’izy ireo, noho izany mifanohitra amin’ny toe-tsain’izao tontolo izao. Mametraka ny fanompoam-pivavahana madio amin’i Jehovah ho miavaka amin’ny endri-panompoam-pivavahana hafa rehetra ny fanantitranterana ny amin’ny fitiavana tsy misy fitiavan-tena. Mety ho izany no nampiaiky anao fa tena manaraka ny fivavahana marina tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny tenan’i Jesosy Kristy mihitsy no nilaza hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” — Jaona 13:35.
16. Mety hanana fahafahana inona avy isika isam-batan’olona mba hihalalahana eo amin’ny fitiavantsika?
16 Moa ve izany toetra izany mampahafantatra anao koa ho iray amin’ireo mpianatr’i Kristy? Moa ve misy fomba ahafahanao mihamalalaka kokoa eo amin’ny fanehoanao fitiavana? Tsy isalasalana fa afaka manao izany isika rehetra. Bebe kokoa noho ny fisakaizana amin’ny hafa any amin’ny Efitrano Fanjakana ny fitiavana. Ary raha tsy maneho fitiavana afa-tsy amin’ireo izay tia antsika ihany isika, mifankaiza amin’ny olona eo amin’izao tontolo izao moa isika? “Mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara”, hoy ny fampirisihan’ny Baiboly. (1 Petera 4:8). Iza no azontsika anehoana fitiavana lehibe kokoa? Moa ve izany rahalahy na anabavy iray tsy mitovy fiaviana amintsika sy manana fomba fanaovan-javatra sasany izay mahasosotra antsika? Moa ve izany olona iray izay, noho ny aretina na ny fahalehibeazana, dia tsy afaka manatrika fivoriana tsy tapaka? Moa ve izany ny vady andefimandrintsika? Sa angamba ireo ray aman-drenintsika be taona? Ny sasany izay nahay tsara naneho ireo vokatry ny fanahy, anisan’izany ny fitiavana, dia nahatsapa fa toy ny hoe vao nianatra izany rehetra izany indray izy ireo rehefa nifanandrina tamin’ny tarehin-javatra tena sarotra izay mety hipoitra rehefa saiky mikarakara tanteraka ny mpianakavy iray izay nanjary nisy kilema lehibe izy. Mazava ho azy fa, na dia ao anatin’ireny toe-javatra ireny aza isika, dia tokony hahatratra ny any ankoatra ny ankohonantsika ny fitiavantsika.
Fitoriana ilay Fanjakana — Zava-dehibe aminao ve?
17. Raha nandray soa manokana tamin’ny fitsidihan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny tenantsika manokana, dia tokony ho voatosika hanao inona isika izao?
17 Fomba lehibe iray anehoantsika fitiavana ny mpiara-belona amintsika ny fitoriana amin’izy ireo ny Fanjakan’Andriamanitra. Antokon’olona iray ihany no manao io asa nambaran’i Jesosy mialoha io. (Marka 13:10). Ny Vavolombelon’i Jehovah izany. Nandray soa manokana avy tamin’izany isika. Izao dia tombontsoa ho antsika indray ny manampy ny hafa. Raha manana ny fomba fijerin’Andriamanitra an’ilay raharaha isika, dia hisongadina eo amin’ny fiainantsika io asa io.
18. Amin’ny ahoana ny famakiantsika ilay boky hoe Les Témoins de Jéhovah — Prédicateurs du Royaume de Dieu no misy heriny eo amin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fitoriana ilay Fanjakana?
18 Voalaza ao amin’ilay boky hoe Les Témoins de Jéhovah — Prédicateurs du Royaume de Dieu, ny fitantarana mampientam-po mikasika ny fomba nitondrana ny hafatr’ilay Fanjakana tany amin’ny faritra lavitra dia lavitra eto an-tany mandritra izao andro farany izao. Raha mahay teny frantsay ianao, dia ataovy azo antoka fa ho voavakinao izy io. Ary eo am-panaovanao izany, dia mariho manokana ireo fomba rehetra nandraisan’ireo olona anjara tamin’ny fitoriana ilay Fanjakana. Misy ohatra sasany azonao tahafina ve? Misy fahafahana maro misokatra eo anoloantsika rehetra. Enga anie ny fitiavantsika an’i Jehovah hanosika antsika hampiasa tsara azy ireny.
19. Amin’ny ahoana isika no mandray soa rehefa manaiky ilay andraikitra izay miaraka amin’ny fahafantarana ny fivavahana marina?
19 Araka izany, rehefa milofo amin’ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah isika, dia ho hitantsika ny valin’ilay fanontaniana hoe: Inona no hevitry ny fiainana? (Apokalypsy 4:11). Tsy hitsapatsapa sy tsy havela hahatsiaro fahabangana intsony isika. Tsy misy asa fidina hatao eo amin’ny fiainana azonao anokanana tanteraka ny tenanao ka hitondra fahafaham-po lehibe kokoa noho ny filofosana amin’ny fo manontolo amin’ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitra. Ary hoavy malaza toy inona moa no hatolotr’izany! Fiainana mahafa-po haharitra mandrakizay ao amin’ny tontolony vaovao, ka ao isika dia ho afaka hampiasa ny fahaizantsika amin’ny fomba feno mifanaraka amin’ilay fikasana mampiseho fitiavana tamin’ny namoronan’Andriamanitra ny olombelona.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana no tena zava-dehibe ho an’ny fivavahana iray ny manaiky ny Baiboly ho ny Tenin’Andriamanitra sy ny manaja an’i Jehovah ho ilay Andriamanitra marina?
◻ Inona no ampianarin’ny fivavahana marina mikasika ny anjara asan’i Jesosy amin’ny maha-Mpanavotra azy?
◻ Nahoana ny Kristiana no tokony hitoetra ho tafasaraka amin’izao tontolo izao sy hampihatra ny fitiavana tsy misy fitiavan-tena?
◻ Inona no anjara asan’ny fitoriana ilay Fanjakana ao amin’ny fivavahana marina?
[Sary, pejy 16]
Ny batisa dia dingana iankinan’ny aina eo amin’ny fanekena ireo andraikitra amin’ny fivavahana marina. Isam-bolana dia misy 25 000 eo ho eo manao io dingana io maneran-tany
Rosia
Sénégal
Papouasie-Nouvelle-Guinée
Etazonia
[Sary, pejy 17]
Tapany amin’ny fivavahana marina ny fizarana amin’ny hafa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly
Etazonia
Etazonia
Brezila
Hong-Kong