Mahita ‘Fahasambarana Kokoa Amin’ny Fanomezana’ Ireo Nahazo Diplaoman’i Gileada
TAMIN’NY alahady 6 Martsa 1994, dia tafavory ny fianakavian’ny Betela tao amin’ny foibe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ireo vahiny nasaina, ho amin’ny fisehoan-javatra iray nahafaly: ny fizarana diplaoma ho an’ny kilasy faha-96-n’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower. Tao amin’ireo teny fampidiran-dresaka nataony, dia niteny toy izao tamin’ireo mpianatra 46 ny mpitari-draharaha tamin’ilay fandaharana, dia i Karl F. Klein izay manompo ao amin’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah, efa ho roapolo taona izao: “Nilaza i Jesosy fa mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray. Ho toy izany no izy any amin’ny fanendrena anareo ho misionera — arakaraka ny anomezanareo bebe kokoa no hahasambatra anareo kokoa.” — Asan’ny Apostoly 20:35.
Teny fananarana ho fanaovam-beloma
Nisy lahateny nitohitohy natao ho an’ny mpianatra nanaraka izany. Namelabelatra ilay loha hevitra hoe “Manome Voninahitra an’i Jehovah ny Fiaretana” i Leon Weaver, anisan’ny Komitin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana. Samy miatrika fisedrana isika rehetra. (2 Korintiana 6:3-5, NW ). “Rehefa eo ambanin’ny fanerena isika”, hoy ny fanamarihan’ny Rahalahy Weaver, “dia mora erỳ ny miantehitra amin’ny tenantsika.” Izao anefa no nampahatsiahiviny an’ireo mpianatra: “Na inona na inona fisedrana iombonan’ny olombelona tsy maintsy atrehinareo, dia mihevitra izany i Jehovah. Tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo mihitsy izy.” — 1 Korintiana 10:13.
“Ankamamio Mandrakariva ny Fanendrena Anareo”, no lohatenin’ilay lahateny nanaraka, nataon’i Lyman Swingle, avy amin’ny Fitambara-mpitantana. Tsy nifidy foana izay toerana hipetrahany sy izay zavatra hataony akory ireo Isiraelita. Nomena anjara tany iray ny foko tsirairay, ary notendrena ho amin’ny adidy manokana hotanterahina ireo Levita. Toy izany koa fa, maro amin’ireo izay ao amin’ny fanompoana manontolo andro manokana amin’izao andro izao — toy ny misionera sy ireo mpianakavin’ny Betela — no tsy manapaka samy irery ny amin’izay toerana hipetrahany sy ny asa hataony. Ahoana raha mahatsapa fisalasalana ny amin’ny fanendrena azy ny olona iray? “Raha mijery an’i Jesosy, ilay Tompon’ny finoanareo ianareo, ka mandinika akaiky ny ohatra navelany, dia tsy ho reraka ianareo”, hoy ny Rahalahy Swingle. — Hebreo 12:2, 3.
Nanohy izany tamin’ny foto-kevitra hoe “Mitoera ho Mifantoka” i Leonard Pearson, avy amin’ny Komitin’ny Toeram-piompian’ny Watchtower. Hoy izy: “Mety hanananareo ny fakantsary tsara indrindra, ny zavatra halain-tsary kanto indrindra sy faritra hakana sary tonga lafatra, kanefa dia mbola hahazo sary ratsy ihany ianareo — raha tsy mifantoka tsara ny fakantsarinareo.” Sahala amin’ny lojy (fitaratra boribory mivohitra) iray mahita sary midadasika kokoa, dia tsy maintsy mahafaoka ilay fitoriana atao maneran-tany ny fijerintsika. Tsy tokony hanadino mihitsy an’ilay sary lehibe amin’ny fitambarany isika. “Tsy ho sambatra any amin’izay hanendrena azy, ireo izay mifantoka amin’ny tenany ihany”, hoy ny Rahalahy Pearson. “Hahomby ireo izay mifantoka amin’i Jehovah sy amin’ilay asa nomeny hataon’izy ireo.”
“Zavatra Maro Aoka Izany Mahavelom-pisaorana”, no lohatenin’ilay lahateny nanaraka nataon’i John E. Barr, mpikambana hafa iray ao amin’ny Fitambara-mpitantana. “Aza manary mihitsy ny fihetseham-ponareo feno fisaorana an’i Jehovah”, hoy ny fananaran’ny Rahalahy Barr an’ireo mpianatra. “Izany no iray amin’ireo loharanom-pahafaham-po lehibe indrindra, na toy inona na toy inona fanendrena azonareo.” Nanosika an’i Davida hanoratra toy izao ny fihetsika feno fisaorana: “Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin’ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho.” (Salamo 16:6). “Manam-pananana sarobidy ianareo amin’ny fahatsapana ho akaiky an’i Jehovah eo amin’ny fiainanareo isan’andro”, hoy ny Rahalahy Barr. “Tsy hanaisotra mihitsy izany fifandraisana izany aminareo i Jehovah raha mbola manohy mihevitra azy io toy ny zavatra tena mahafinaritra izay mahavelom-pisaorana, ianareo.”
Avy eo dia niresaka mikasika ilay loha hevitra hoe “Ahoana no Hampiasanareo ny Lelanareo?” i Jack Redford, mpampianatra ao Gileada. Fanimbana toy inona moa no mety hateraky ny fitenenana tsy amim-piheverana! (Ohabolana 18:21). Ahoana no ahafahana mifehy ny lela? “Tsy maintsy mampiofana ny sainareo aloha ianareo”, hoy ny navalin’ny Rahalahy Redford, “satria ny lela dia manome taratry ny saina sy ny fo”. (Matio 12:34-37). Nanome ohatra faran’izay tsara i Jesosy; nampiasa ny lelany mba hankalazana ny anaran’i Jehovah izy. “Amin’izao andro izao dia misy mosary noho ny faniriana handre ny tenin’i Jehovah”, hoy ny Rahalahy Redford tamin’ilay kilasy. “Fantatrareo ireo teny ireo. Manana ‘ny lelan’ny efa nampianarina’ ianareo. Koa aoka ny lelanareo hotarihin’ny saina sy ny fo izay voatokana tanteraka ho an’i Jehovah mandrakariva.” — Isaia 50:4, fanamarihana ambany pejy.
Nohamafisina ny maha-zava-dehibe ny vavaka tao amin’ilay lahateny hoe “Mandeha toy ny eo Anatrehan’i Jehovah ve Ianareo?” Nanamarika toy izao i Ulysses Glass, mpitantsoratr’ilay sekoly: “Raha miasa mafy mba hamelomana ny fianakaviany ny ray iray, kanefa tsy miteny amin’izy ireo mihitsy ary tsy manao teny fankamamiana azy ireo mihitsy, dia mety hanatsoaka hevitra tokoa ny fianakaviany fa ny antony manosika azy hiasa mafy dia fanaovana adidy iray tsy mahafinaritra fotsiny fa tsy fitiavana. Toy izany koa ny amintsika. Mety ho revo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra isika. Kanefa raha tsy mivavaka isika, dia nanokan-tena ho amin’ny asa fotsiny isika, fa tsy ho an’ny Ray be fitiavana iray any an-danitra.”
Niresaka momba ilay loha hevitra hoe “Ny Antony Isian’ny Olona Sesehena Miaraka Amin’ny Vahoakan’Andriamanitra”, i Theodore Jaracz, avy amin’ny Fitambara-mpitantana. Isan-taona dia misy olona ana hetsiny maro mirohotra mankao amin’ny fandaminan’i Jehovah. (Zakaria 8:23). Inona no mampahafantatra ny Vavolombelon’i Jehovah ho ny vahoakan’Andriamanitra? Voalohany, dia manaiky ny Baiboly iray manontolo ho ny Tenin’Andriamanitra izy ireo. (2 Timoty 3:16). Faharoa, dia mialanalana amin’ny politika izy ireo. (Jaona 17:16). Fahatelo, dia manao fanambarana ny amin’ny anaran’Andriamanitra izy ireo. (Jaona 17:26). Fahefatra, dia maneho fitiavana feno fahafoizan-tena izy ireo. (Jaona 13:35; 15:13). Avy amin’ireo fanamarinana ireo, dia azontsika atao amin-kasahiana ny ‘milaza ny hatsaran’ilay niantso antsika hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga’. — 1 Petera 2:9.
Taorian’ireo lahateny mampientam-po ireo, dia nahazo diplaoma ireo mpianatra 46 rehetra. Voatendry ho any amin’ny tany 16 manerana ny bolan-tany izy ireo.
Fandaharana isan-karazany ny tolakandro
Tamin’ny tolakandro, dia notarihin’i Donald Krebs avy ao amin’ny Komitin’ny Betela ny famintinana ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Avy eo, dia nanolotra fandaharana iray nitondra ny lohateny hoe “Ny Fahendrena Miantso Mafy eny Ivelany”, ireo nahazo diplaoma. (Ohabolana 1:20). Nasehon’izy ireo an-tsehatra indray ireo fanandraman-javatra nahafa-po izay hitan’izy ireo tamin’ny fitoriana teny amin’ny arabe sy tany amin’ireo faritanin’ny mpandraharaha. Tahin’i Jehovah marina tokoa ireo izay manangona herim-po mba hitory tsy ara-potoana. “Tiako ny mieritreritra antsika ho toy ny antsy fijinjana eo an-tanan’anjely mpijinja”, hoy ny nahazo diplaoma iray. “Arakaraka ny mampaharanitra ny fahaizantsika no maha-betsaka kokoa ny asa azon’ireo anjely ireo ampiasana antsika.” (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 14:6.) Ilay fandaharan’ny mpianatra dia nahatafiditra koa fampisehoana diapositives izay nitondra ny mpanatrika hanao fizahan-tany iray natao hianarana, nankany Bolivia sy i Malta ary i Taïwan — telo amin’ireo tany nandefasana ireo nahazo diplaoma tamin’io kilasy io.
Nanaraka izany, dia nadinadinina i Wallace sy i Jane Liverance — misionera nandritra ny 17 taona. Tamin’ny Oktobra 1993 izy ireo dia nasaina hankao amin’ny Toeram-piompian’ny Watchtower, ka ao ny Rahalahy Liverance izao dia manompo amin’ny maha-iray amin’ireo mpampianatra ao Gileada.
Nanaraka izany ny fampisehoana an-tsehatra nisy fizarana efatra nitondra ny lohateny hoe “Fanajana Ireo Mendrika Efa Be Taona”. Arakaraka ny maha-antitra ny olona, dia mety hikiky ny fatokian-tenan’izy ireo ny tahotra ny tsy hahavita na inona na inona sy ny hanjary hafoin’ny olona. (Salamo 71:9). Nasehon’io fampisehoana nanohina ny fo io ny fomba azon’ny rehetra ao amin’ny kongregasiona anohanana ny zokiolona mahatoky toy izany.
Taorian’ny hira sy ny vavaka famaranana, dia nahatsiaro tena ho velombelona ny mpanatrika rehetra 6 220 tao amin’ny Efitrano Fanaovana Fivoriamben’i Jersey City sy tao amin’ireo efitra nifanila tamin’izy io. Momba an’ireo nahazo diplaoma ny vavaka ataonay, any amin’ny fanendrena azy ireo vaovao. Enga anie izy ireo hanohy hahita an’ilay fahasambarana lehibe kokoa izay azo avy amin’ny fanomezana.
[Efajoro, pejy 26]
Antontan’isa Momba Ilay Kilasy
Isan’ny tany nanana solontena: 9
Isan’ny tany nanendrena: 16
Isan’ny mpianatra: 46
Antsalan’ny taona: 33,85
Antsalan’ny taona naha-tao amin’ny fahamarinana: 16,6
Antsalan’ny taona naha-tao amin’ny fanompoana manontolo andro: 12,2
[Efajoro, pejy 27]
Fiheverana Manokana an’i Malta
NANDRITRA ny taona maro, tany Malta, dia nanampim-bava ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Ireo misioneran’i Gileada farany nalefa tany, i Frederick Smedley sy i Peter Bridle, dia nahazo diplaoma tamin’ny kilasy fahavalo tamin’ny 1947. Nosamborina sy noroahina avy tao Malta anefa izy ireo, fotoana fohy taorian’ny nahatongavany. Manao izao tatitra izao ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1948 (anglisy): “Ny fotoana lanin’ireo misionera roa ireo teo anatrehan’ny fitsarana sy niaraka tamin’ireo manam-pahefana tao amin’ilay tany, dia nitovy tamin’izay laniny nanatanterahana ny adidiny teo amin’ny fanompoana, satria fotsiny nanohitra azy ireo ny Ambaratongam-pahefan’ny Eglizy Katolika. Nilaza ireo pretra fa an’ny Katolika i Malta ary izay olon-kafa rehetra dia tsy maintsy niala tao.” Ankehitriny, 45 taona atỳ aoriana, dia voatendry hankany Malta ny misionera efatra avy amin’ny kilasin’i Gileada faha-96.
[Sary, pejy 26]
Ny Kilasy Faha-96 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower
Eo amin’ny lisitra eto ambany, ireo laharana dia isaina avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.
1) Ehlers, P.; Giese, M.; Sellman, S.; Zusperregui, J.; Rowe, S.; Jackson, K.; Scott, T. 2) Liehr, T.; Garcia, I.; Garcia, J.; Fernández, A.; Davidson, L.; Liidemann, P.; Gibson, L.; Juárez, C. 3) Fouts, C.; Pastrana, G.; Claeson, D.; Fernández, L.; Walls, M.; Dressen, M.; Pastrana, F.; Burks, J. 4) Burks, D.; Scott, S.; Jackson, M.; Mauray, H.; Juárez, L.; Zusperregui, A.; Brorsson, C.; Rowe, C. 5) Sellman, K.; Liidemann, P.; Davidson, C.; Mauray, S.; Walls, D.; Dressen, D.; Schaafsma, G.; Liehr, S. 6) Claeson, T.; Gibson, T.; Giese, C.; Ehlers, D.; Fouts, R.; Schaafsma, S.; Brorsson, L.