Fanekena Amim-pifaliana ny Fahefana
“Nanaiky tao am-po [hianareo]”. — ROMANA 6:17, Fandikan-teny Katolika.
1, 2. a) Fanahy inona no miharihary eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, avy aiza no niaviany ary inona no vokany? b) Ahoana no anehoan’ireo mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena fa hafa izy ireo?
MIHARIHARY amin’ny fomba manafintohina ankehitriny “ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsi-fanarahana”. Izany dia fanahy na toe-tsaina tsy tia fiankinana amin’ny fomba tsy voafehy izay avy any amin’i Satana, ilay “mpanapaka ny [fahefana, DIEM ] eny amin’ny rivotra”. Mampihatra “fahefana” na hery eo amin’ny ankamaroan’ny olombelona io fanahy io, io “rivotra” na fihetsika mandresy feno fitiavan-tena sy tsy fankatoavana io. Izany no antony iray mahatonga izao tontolo izao hizaka ilay nantsoina hoe fahasahiranana lehibe eo amin’ny fahefana. — Efesiana 2:2.
2 Soa ihany fa ireo mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena amin’izao andro izao dia tsy mameno ny havokavony ara-panahy amin’io “rivotra” maloto, na toe-tsaina tia fikomiana io. Fantatr’izy ireo fa ny “fahatezeran’Andriamanitra [dia] amin’ny zanaky ny tsi-fanarahana”. Nanampy teny toy izao ny apostoly Paoly: “Koa aza mety ho mpiombona aminy hianareo.” (Efesiana 5:6, 7). Ny Kristiana marina kosa dia miezaka mba ‘ho feno ny fanahin’i Jehovah’ ary mandray amim-pahadodonana ny “fahendrena (...) avy any ambony”, izay “madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra”. — Efesiana 5:17, 18; Jakoba 3:17.
Fanekena an-tsitrapo ny fiandrianan’i Jehovah
3. Inona no fanalahidin’ny fanekena an-tsitrapo, ary lesona lehibe inona no ampianarin’ny tantara antsika?
3 Ny fanalahidin’ny fanekena an-tsitrapo dia ny fiekena ny maha-ara-dalàna ny fahefana iray. Asehon’ny tantaran’ny olombelona fa tsy mitondra fahasambarana ny fandavana ny fiandrianan’i Jehovah. Izany fandavana izany dia tsy nitondra fahasambarana ho an’i Adama sy i Eva, na ho an’ilay mpampirisika ny fikomian’izy ireo, dia i Satana Devoly. (Genesisy 3:16-19). Ao amin’ny toe-piainana mietry misy azy i Satana dia manana “fahatezerana lehibe” satria fantany fa fohy ny fotoana ananany. (Apokalypsy 12:12). Ny fiadanana sy ny fahasambaran’ny olombelona, eny, ny an’izao rehetra izao manontolo, dia miankina amin’ny faneken’ny rehetra ny fiandrianana marin’i Jehovah. — Salamo 103:19-22.
4. a) Karazana fanekena sy fankatoavana inona no irin’i Jehovah hasehon’ireo mpanompony? b) Tokony hiaiky mafy ny amin’inona isika, ary ahoana no nilazan’ny mpanao salamo izany?
4 Noho ireo toetrany mahatalanjona voalanjalanja anefa, dia tsy afa-po amin’ny fankatoavana tsy misy hafanam-po i Jehovah. Mahery izy. Eny, tokoa! Saingy tsy mpanampatra ny fahefany amin-kalozana. Andriamanitry ny fitiavana izy, ary iriny hankato azy an-tsitrapo, noho ny fitiavana, ireo zavaboariny manan-tsaina. Iriny ny haneken’izy ireo ny fiandrianany noho izy ireo nifidy tamin’ny fo manontolo ny hipetraka eo ambanin’ny fahefany marina sy ara-dalàna, noho izy ireo niaiky mafy fa tsy mety hisy na inona na inona tsara kokoa ho azy ireo noho ny fankatoavana azy mandrakizay. Ny karazan’olona irin’i Jehovah ho ao amin’ny tontolony dia mitovy fihetseham-po amin’ny mpanao salamo izay nanoratra hoe: “Tsy misy tsiny ny lalàn’i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon’i Jehovah, mahahendry ny kely saina. Mahitsy ny fandidian’i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin’i Jehovah, mampahazava ny maso. Madio ny fahatahorana an’i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik’i Jehovah, eny, mahitsy avokoa.” (Salamo 19:7-9). Fatokiana tanteraka ny fahitsiana sy ny fahamarinan’ny fiandrianan’i Jehovah — izany no tsy maintsy fihetsitsika raha tiantsika ny hiaina ao amin’ilay tontolo vaovaon’i Jehovah.
Fanekena amim-pifaliana ny Mpanjakantsika
5. Ahoana no namalian-tsoa an’i Jesosy noho ny fankatoavany, ary inona no ekentsika an-tsitrapo?
5 Ohatra ambony dia ambony teo amin’ny fanekena ny Rainy any an-danitra mihitsy ny tenan’i Kristy Jesosy. Vakintsika fa “nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazofijaliana”, izy. Nanampy teny toy izao i Paoly: “Koa izany no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray.” (Filipiana 2:8-11). Eny mandohalika amim-pifaliana isika eo anatrehan’ilay Mpitarika antsika sy Mpanjakantsika efa manapaka, i Kristy Jesosy. — Matio 23:10.
6. Ahoana no nisehoan’i Jesosy ho vavolombelona sy ho mpitarika antokom-pirenena, ary ahoana no hitohizan’ny “fanapahany” aorian’ny fahoriana lehibe?
6 Naminany toy izao mikasika an’i Kristy Mpitarika antsika, i Jehovah: “Indro, nataoko vavolombelona ho an’ny firenena Izy, ho mpanapaka [“mpitarika”, NW ] sy komandy amin’ny firenena.” (Isaia 55:4). Tamin’ny fanompoany teto an-tany sy tamin’ny fitarihany ny asa fitoriana avy any an-danitra taorian’ny nahafatesany sy ny nitsanganany, dia nampiseho ny tenany ho “Vavolombelona mahatoky sy marina” ho an’ny Rainy eo anatrehan’ny firenena rehetra, i Jesosy. (Apokalypsy 3:14; Matio 28:18-20). Ny antokom-pirenena toy izany dia asehon’ny “vahoaka betsaka” mitombo isa hatrany, izay ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” eo ambany fitarihan’i Kristy. (Apokalypsy 7:9, 14, NW ). Tsy mifarana eo anefa ny fitarihan’i Kristy. Ny “fanapahany” dia haharitra arivo taona. Ho an’ireo olombelona mankato, izy dia hiasa mifanaraka amin’ny anarany hoe “Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana”. — Isaia 9:5, 6; Apokalypsy 20:6.
7. Raha maniry ny hotarihin’i Kristy Jesosy ho any amin’ny “loharanon’ny ranon’aina” isika, inona no tsy maintsy ataontsika tsy misy hataka andro, ary inona no hahatonga antsika ho tian’i Jesosy sy i Jehovah?
7 Raha toa isika maniry handray soa avy amin’ilay “loharanon’ny ranon’aina” izay itarihan’ny Zanak’ondry, Kristy Jesosy, an’ireo olona mahitsy fo, dia tsy maintsy porofointsika tsy misy hataka andro amin’ny fomba fanaovantsika zavatra fa manaiky amim-pifaliana ny fahefany amin’ny maha-Mpanjaka isika. (Apokalypsy 7:17; 22:1, 2; ampitahao amin’ny Salamo 2:12.) Izao no nolazain’i Jesosy: “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko. Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy”. (Jaona 14:15, 21). Irinao ve ny ho tian’i Jesosy sy ny Rainy? Maneke àry ny fahefany.
Mankato amim-pifaliana ireo mpiandraikitra
8, 9. a) Inona no nomen’i Kristy mba ho fampandrosoana ny kongregasiona, ary amin’ny lafiny inona ireny lehilahy ireny no tokony ho ohatra ho an’ny andian’ondry? b) Ahoana no anehoana an’ohatra ny faneken’ireo mpiandraikitra kristiana ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, ary ahoana no tokony hitadiavan’izy ireo “fo mankato” rehefa mikarakara raharaha ara-pitsarana?
8 ‘Manaiky an’i Kristy ny kongregasiona’. Amin’ny maha-Mpiandraikitra ny kongregasiona azy, dia nanome “fanomezana olona” izy mba ho “fampandrosoana” ny kongregasiona. (Efesiana 4:8, 11, 12, NW; 5:24). Ireo lehilahy zokiolona ara-panahy ireo dia nasaina ‘hiandry ny ondrin’Andriamanitra izay eo aminy’, tsy “ho mpanjakazaka amin’ny anjara fiandrasana, fa ho fianaran’ny ondry”. (1 Petera 5:1-3). An’i Jehovah ny andian’ondry, ary i Kristy no ilay “Mpiandry Tsara”. (Jaona 10:14). Koa satria ireo mpiandraikitra manantena fiaraha-miasa an-tsitrapo araka ny tokony ho izy avy amin’ny ondry izay nankinin’i Jehovah sy i Kristy hokarakarainy, dia tokony ho ohatra tsara dia tsara koa ny tenan’izy ireo eo amin’ny fanekena. — Asan’ny Apostoly 20:28.
9 Tamin’ny taonjato voalohany, ireo mpiandraikitra voahosotra dia naseho ara-panoharana ho “teny” na “eny” an-tanana ankavanan’i Kristy. Izany dia milaza ny faneken’izy ireo azy ho Lohan’ny kongregasiona. (Apokalypsy 1:16, 20; 2:1). Tsy latsaka noho izany ny amin’izao andro izao, fa tokony hanaiky ny fitarihan’i Kristy ireo mpiandraikitra ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah ary tokony ‘hanetry tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra’. (1 Petera 5:6). Rehefa angatahina hikarakara raharaha ara-pitsarana izy ireo, dia tokony hivavaka amin’i Jehovah, sahala amin’ny nataon’i Solomona nandritra ireo taona nitoerany ho nahatoky: “Omeo ahy mpanomponao saina malady [“fo mankato”, NW ] ho entiko mitsara ny olonao, hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy”. (1 Mpanjaka 3:9). Ny fo mankato dia hanosika loholona iray hitady hijery zavatra toy ny fijerin’i Jehovah sy i Kristy Jesosy mba hahatonga ilay fanapahan-kevitra atao eto an-tany hitovy akaiky araka izay azo atao, amin’ilay atao any an-danitra. — Matio 18:18-20.
10. Ahoana no tokony hiezahan’ireo mpiandraikitra rehetra hanahaka an’i Jesosy teo amin’ny fomba nitondrany ny ondry?
10 Ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy loholona ao amin’ny kongregasiona dia hiezaka toy izany koa hanahaka an’i Kristy teo amin’ny fomba nitondrany ny ondry. Tsy sahala amin’ireo Fariseo, i Jesosy dia tsy nametraka fitsipika maro be izay sarotra harahina. (Matio 23:2-11). Hoy izy tamin’ireo olona toy ny ondry: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.” (Matio 11:28-30). Na dia marina aza fa ny Kristiana tsirairay dia tsy maintsy ‘samy mitondra ny entany avy’, ny loholona dia tokony hitadidy ny ohatr’i Jesosy ka hanampy ireo rahalahiny hahatsapa fa “mora” sy “maivana” ary fifaliana ny fitondrana ny entan’izy ireo, eo amin’ny andraikitra kristiana. — Galatiana 6:5.
Fanekena teokratika
11. a) Amin’ny ahoana ny olona iray no mety hanaja izay lohany kanefa tsy tena ho teokratika marina? Hazavao amin’ny ohatra. b) Inona no atao hoe tena teokratika marina?
11 Ny teokrasia dia fanapahana ampiharin’Andriamanitra. Izany dia mahatafiditra ilay fotopoto-pitsipika momba izay lohany, voalaza ao amin’ny 1 Korintiana 11:3. Midika ho zavatra bebe kokoa noho izany anefa izy io. Mety ho toa maneho fanajana izay lohany ny olona iray, ary anefa dia tsy teokratika amin’ny heviny feno. Ahoana no hetezan’izany? Indro misy ohatra mampiseho izany: Ny demokrasia dia fitondrana tapahin’ny vahoaka, ary ny demokraty iray dia nofaritana ho “olona iray izay mino ireo filamatry ny demokrasia”. Mety hilaza tena ho demokratika ny lehilahy iray, mety handray anjara amin’ny fifidianana izy, ary mety ho mpanao politika marisika mihitsy aza. Kanefa raha toa eo amin’ny fihetsiny ankapobeny ka manivaiva ny toe-tsain’ny demokrasia sy ireo fotopoto-pitsipika rehetra tafiditra amin’izany izy, azo lazaina ve fa tena demokratika marina izy? Toy izany koa fa mba ho tena teokratika marina, ny olona iray dia tsy maintsy manao zavatra bebe kokoa noho ny manaiky anarany fotsiny izay lohany. Tsy maintsy manahaka ny fomba sy ny toetran’i Jehovah izy. Tsy maintsy tena tapahin’i Jehovah marina amin’ny fomba rehetra izy. Koa satria i Jehovah nanome fahefana feno ny Zanany, ny hoe teokratika dia midika koa hoe fakana tahaka an’i Jesosy.
12, 13. a) Inona indrindra moa no tafiditra amin’ny hoe teokratika? b) Moa ve ny fanekena teokratika mahatafiditra fankatoavana fitsipika maro be? Hazavao amin’ny ohatra.
12 Tadidio fa maniry fanekena an-tsitrapo atosiky ny fitiavana i Jehovah. Izany no fomba anapahany an’izao rehetra izao. Tena sary velona mampiseho ny fitiavana izy. (1 Jaona 4:8). I Jesosy Kristy no “famirapiratan’ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra”. (Hebreo 1:3). Mitaky ny hifankatiavan’ireo tena mpianany izy. (Jaona 15:17). Koa tsy vitan’ny hoe mahatafiditra fanekena fotsiny ny hoe teokratika, fa mahatafiditra koa fisehoana ho be fitiavana. Azo fintinina toy izao manaraka izao ilay raharaha: Ny teokrasia dia fanapahana ampiharin’Andriamanitra; Andriamanitra dia fitiavana; noho izany, ny teokrasia dia fanapahan’ny fitiavana.
13 Mety hieritreritra ny loholona iray hoe mba ho teokratika, ireo rahalahy dia tokony hankato izao karazana fitsipika rehetra izao. Nisy loholona sasany nanao fitsipika avy tamin’ny fanipazan-kevitra nomen’ny “mpanompo mahatoky sy malina” indraindray. (Matio 24:45, NW ). Indray mandeha, ohatra, dia nisy fanipazan-kevitra hoe mba hifankahalalana mora kokoa amin’ireo rahalahy ao amin’ny kongregasiona, dia mety ho tsara ny tsy hipetrahana foana amin’ny toerana iray ihany ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Natao ho fanipazan-kevitra azo nampiharina izany fa tsy ho fitsipika hentitra iray. Ny loholona sasany anefa dia mety hirona hanova izany ho fitsipika ary hihevitra fa ireo izay tsy manaraka izany dia tsy teokratika. Mety hisy antony tsara maro anefa, mahatonga rahalahy iray na anabavy iray mety hifidy ny hipetraka eo amin’ny faritra sasany. Raha tsy manisy fiheverana amim-pitiavana zavatra toy izany ny loholona iray, moa ve ny tenany tena teokratika marina? Mba ho teokratika, “izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fitiavana”. — 1 Korintiana 16:14.
Fanompoana amim-pifaliana
14, 15. a) Ahoana no mety hanesoran’ny loholona iray amin’ny rahalahy na anabavy sasany ny fifaliany amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ary nahoana izany no tsy teokratika? b) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa ankasitrahany ny fitiavana asehon’ny fanompoantsika, fa tsy ny habetsahany? d) Inona no tokony hasian’ireo loholona fiheverana?
14 Midika ho fanompoana an’i Jehovah amim-pifaliana koa ny hoe teokratika. “Andriamanitra finaritra” i Jehovah. (1 Timoty 1:11). Iriny ny hanompoan’ny mpanompony azy amim-pifaliana. Tokony hotadidin’ireo mpitaky fanarahana fitsipika fa nisy izao manaraka izao teo amin’ireo didy izay tsy maintsy ‘notandremana harahina’ teo amin’ny Isiraely: “Hifaly eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao hianao amin’izay rehetra harin’ny tànanao.” (Deoteronomia 12:1, 18). Na inona na inona ataontsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah dia tokony ho fifaliana izany fa tsy ho enta-mavesatra. Afaka manao zavatra betsaka ireo mpiandraikitra mba hahatonga ireo rahalahy ho faly manao izay vitany eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Mifamadika amin’izany fa, raha tsy mitandrina ireo loholona, dia mety hanaisotra amin’ny rahalahy sasany ny fifaliany. Raha manao fampitahana, ohatra, izy ireo ka midera ireo izay nahatratra na nihoatra ny antsalan’ora lanin’ny kongregasiona tamin’ny fitoriana, ary an-kolaka dia manakiana ireo izay tsy nahatratra izany. Inona no ho tsapan’ireo izay mety ho nanana antony marim-pototra namerenana filazana fotoana kely kokoa? Moa ve izany tsy mety hahatonga azy ireo hahatsiaro tena ho meloka tsy amin’antony ary hanaisotra amin’izy ireo ny fifaliany?
15 Ireo ora vitsy izay azon’ny sasany natokana ho an’ny fanambarana ampahibemaso dia mety hampiseho ezaka lehibe kokoa noho ireo ora maro izay lanin’ny hafa tamin’ny fitoriana, noho ny fahatanorany, ny fahasalamana tsara kokoa, sy ny toe-javatra hafa. Amin’io lafiny io, dia tsy tokony hitsara azy ireny ireo loholona. Tsy azo lavina fa i Jesosy no nomen’ny Ray “fahefana hitsara”. (Jaona 5:27). Moa ve i Jesosy nanakiana ilay mpitondratena nahantra noho ny fanomezany latsaka ny antsalany? Tsia, fa nahay nahatakatra izay tena vidin’ireo farantsakely roa ho azy io, izy. “Izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra” izany. Nampiseho fitiavana lalina an’i Jehovah toy inona moa izany! (Marka 12:41-44). Tokony ho latsaka noho izany ve ny fahaizan’ny loholona mahatakatra ny ezaka feno fitiavana ataon’ireo izay, latsaka ny “antsalany” eo amin’ny tarehimarika, ny vitany rehetra? Eo amin’ny fitiavana an’i Jehovah, ny ezaka toy izany dia mety ho ambony lavitra noho ny antsalany!
16. a) Raha mampiasa tarehimarika ireo mpiandraikitra ao amin’ny lahateny ataony, nahoana izy ireo no mila fahaiza-manavaka sy fahaiza-mandanjalanja tsara? b) Ahoana no azo anampiana amin’ny fomba tsara indrindra ireo rahalahy mba hampitombo ny fanompoany?
16 Moa ve ireo fanamarihana ireo izao tokony hovana ho “fitsipika” vaovao ka hoe tsy tokony hotononina mihitsy ny tarehimarika, na dia ny antsalany aza? Tsy izany velively! Ilay hevitra dia hoe: Tokony hahay handanjalanja ireo loholona eo amin’ny fampirisihana ireo rahalahy hanitatra ny fanompoany sy eo amin’ny fanampiana azy ireo hanao izay vitany amim-pifaliana. (Galatiana 6:4). Tao amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny talenta, ilay tompo dia nanankina ny fananany tamin’ireo mpanompony “samy araka izay fahaizany avy”. (Matio 25:14, 15). Tokony hanisy fiheverana ny fahafahan’ny mpitory ilay Fanjakana tsirairay toy izany koa ny loholona. Mitaky fahaiza-manavaka izany. Mety hisy tokoa ny sasany izay tena mila marina fampirisihana mba hanao bebe kokoa. Mety hankasitraka ny fanampiana mba hahaizany mandamina tsaratsara kokoa ny asany izy ireo. Na ahoana na ahoana, raha azo ampiana izy ireo mba hanao izay vitany amim-pifaliana, izany fifaliana izany dia azo inoana fa hanatanjaka azy ireo mba hanitatra araka izay azony atao ny asany kristiana. — Nehemia 8:10; Salamo 59:16; Jeremia 20:9.
Ny fiadanana izay avy amin’ny fanekena amim-pifaliana
17, 18. a) Amin’ny ahoana ny fanekena amim-pifaliana no mitondra ho antsika fiadanana sy fahamarinana? b) Afaka mahazo inona isika raha tena mihaino ny didin’Andriamanitra tokoa?
17 Mitondra fiadanana lehibe ho antsika ny fanekena amim-pifaliana ny fiandrianan’i Jehovah ara-dalàna. Hoy ny mpanao salamo tao amin’ny vavaka iray ho an’i Jehovah: “Be fiadanana izay tia ny lalànao, ary tsy misy mahatafintohina azy.” (Salamo 119:165). Mitondra soa ho an’ny tenantsika isika amin’ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra. Izao no nolazain’i Jehovah tamin’ny Isiraely: “Izao no lazain’i Jehovah, Mpanavotra anao, dia ny Iray Masin’ny Isiraely: Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao. Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-drano-masina ny fahamarinanao”. — Isaia 48:17, 18.
18 Mitondra ho antsika fiadanana na fihavanana amin’Andriamanitra ny sorom-panavotan’i Kristy. (2 Korintiana 5:18, 19). Raha manam-pinoana ny ran’i Kristy izay manao fanavotana isika sy miezaka amim-pitandremana miady amin’ny fahalementsika ka manao ny sitrapon’Andriamanitra, dia hahita fanamaivanana amin’ny fahatsiarovan-tena ho meloka. (1 Jaona 3:19-23). Ny finoana toy izany, tohanan’ny asa, dia manome antsika toeran’ny olo-marina eo anatrehan’i Jehovah sady manome antsika ilay fanantenana mahatalanjona ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” ka hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’i Jehovah. (Apokalypsy 7:14-17; Jaona 3:36; Jakoba 2:22, 23). Afaka hahazo izany rehetra izany isika raha ‘mba tena mihaino ny didin’Andriamanitra tokoa’.
19. Miankina amin’inona ny fahasambarantsika dieny izao sy ny fanantenantsika fiainana mandrakizay, ary ahoana no nilazan’i Davida ny fiekentsika lalina?
19 Eny, ny fiadanantsika dieny izao sy ny fanantenantsika fiainana mandrakizay eo amin’ny tany tonga paradisa dia mihodinkodina eo amin’ny fanekentsika amim-pifaliana ny fahefan’i Jehovah amin’ny maha-Tompo Manam-piandrianana azy eo amin’izao rehetra izao. Enga anie isika hitovy fihetseham-po mandrakariva amin’i Davida izay nilaza hoe: “Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin’izy rehetra. Koa ankehitriny misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra.” — 1 Tantara 29:11, 13.
Hevitra Hotadidina
◻ Karazana fanekena sy fankatoavana inona no irin’i Jehovah hasehon’ireo mpanompony?
◻ Ahoana no namalian-tsoa an’i Jesosy noho ny fankatoavany, ary inona no tsy maintsy porofointsika amin’ny fomba fanaovantsika zavatra?
◻ Ahoana no tokony hanahafan’ireo mpiandraikitra rehetra an’i Jesosy teo amin’ny fomba nitondrany ny ondry?
◻ Inona no tafiditra amin’ny hoe teokratika?
◻ Fitahiana inona avy no entin’ny fanekena amim-pifaliana ho antsika?
[Sary, pejy 24]
Mampirisika ny andian’ondry hanao amim-pifaliana izay mety ho vitany ireo loholona
[Sary, pejy 26]
Mahita fahafinaretana amin’ireo izay mankato azy avy amin’ny fo i Jehovah