“Nitahiry ny Finoana Aho”
NOTANTARAIN’IREO NAMAN’I BRUNELLA INCONDITI
“ANDRO tena nihisatra sy nahaketraka ny asabotsy. Irery tanteraka aho tao amin’ilay efitra, nahatsiaro ho very fanantenana. Toy ny hoe nandeha namakivaky lalantsara iray ny fahatsapako ny tenako. Nandeha tsara ny zava-drehetra, ary tampoka teo, dia nisy nanakaratoka ny varavarana teo anoloako mihitsy. Tsy nisy lalana hivoahana, na nanao ahoana na nanao ahoana fiezahako.”
Nitambesatra mafy tamin’ny fon’i Brunella Inconditi 15 taona ny fahadisoam-panantenana faran’izay lalina. Nandalo ny andro tena lehibe indrindra teo amin’ny fahatanorany. Taloha kokoa tamin’io taona io, ny fitiavany an’i Jehovah sy ny Baiboly nihanitombo dia nanosika azy hanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah. Tamin’ny Jolay 1990 izy dia tokony ho natao batisa tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Ny Fiteny Madio” nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Montréal, any Kanada. Efa hiatrika fitsapana ny finoany anefa izy, fitsapana izay haharitra mandritra ireo andro sisa hiainany.
Roa andro talohan’ny nanantenany ny hampiseho ny fanoloran-tenany tamin’ny batisa tao anaty rano, dia nahafantatra i Brunella fa voan’ny leucémie (homamiadana ao amin’ny ra) izy. Naniry ny hanomboka avy hatrany ny fitsaboana ireo dokotera tao amin’ny hopitalin’ankizy teo an-toerana, hany ka nijanona tao amin’ny hopitaly i Brunella.
Nampihetsi-po an’ireo dokotera ireo teniny manokana
Fantatr’i Brunella fa masina eo imason’i Jehovah Andriamanitra ny ra. (Levitikosy 17:11). Nanantitrantitra i Edmondo sy i Nicoletta ray aman-dreniny fa tsy misy fampidiran-dra tokony hampiasaina amin’ny fitsaboana ny zanany vavy. “Nirin’i Brunella ny handrenesan’ireo dokotera izany avy aminy koa, na dia tsy ampy taona aza izy”, hoy ny fahatsiarovan’ny rainy. “Nilaza tamin’izy ireo tamin’ny fomba hentitra izy fa tsy tiany ny fitsaboana izay handika ny didin’ny Baiboly mba ‘hifady ny ra’.” — Asan’ny Apostoly 15:20.
Tamin’ny 10 Jolay 1990, dia nihaona tamin’ny ray aman-drenin’i Brunella sy tamin’ny mpitory roa avy tao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana ny dokotera telo sy ny mpanao asa sosialy iray. Nanamarina ny fanaovana fitsapana fa voan’ny leucémie lymphoblastique mahery i Brunella. Nanazava ny planiny hiadiana amin’ilay aretina ireo dokotera. Nolazalazain’izy ireo tamim-pahaiza-mandanjalanja fa tena sarotra tsaboina izy io. “Ny fitondran-tenan’i Brunella sy ny fahatapahan-keviny hankato an’Andriamanitra dia nanohina ny fon’ireo dokotera sy ilay mpanao asa sosialy. Nanaitra ny sainy ny fitiavana nasehon’ireo ray aman-dreniny sy ny fanohanan’ireo namana avy tao amin’ny kongregasiona kristiana. Nankasitrahan’izy ireo koa ny fomba nahatakaranay sy nanajanay ny toerana notanany”, hoy ny fitadidian’ny loholona iray tao amin’ny kongregasiona.
Ireo dokotera dia nikendry ny hisoroka ny fampidiran-dra. Hahazo fitsaboana amin’ny foto-javatra simika (chimiothérapie) fanampiny i Brunella, kanefa dia tsy ho mafy toy ny mahazatra izany. Hampihena ny fahavoazana aterak’ilay fitsaboana amin’ireo sela ao amin’ny rany izany. “Nanisy fiheverana ny zavatra nilain’i Brunella ara-batana sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy ireo dokotera”, hoy ny fanazavan’i Nicoletta. “Rehefa nangataka tamin’izy ireo izahay mba hanontany ny hevitry ny manam-pahaizana manokana iray za-draharaha amin’ny fomba fitsaboana leucémie mahazo ny ankizy tsy misy fampiasana ra, dia nanaiky izy ireo.” Nahaforona fifatoram-piraiketam-po mafana i Brunella sy ireo mpiasan’ny hopitaly.
Zava-kendrena ara-panahy
Na dia niteraka vokatra tsara sasany aza ilay fitsaboana voalohany, dia vao nanomboka ny fitsapana nahamay nahazo an’i Brunella. Niafana kelikely ny aretiny tamin’ny Novambra 1990, hany ka natao batisa tsy nisy hataka andro izy. Tamin’ny fieritreretana ireo volana vitsivitsy teo aloha, dia niaiky toy izao i Brunella: “Tsy mora velively ilay izy. Mila hery be dia be ianao, ary mila ny mieritreritra amin’ny fomba manorina. (...) Notsapaina ny finoako, kanefa dia nitoetra ho tsy nihozongozona aho, ary mbola mikasa hanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra [mpitory manontolo andro] ho asa fidina hatao eo amin’ny fiainako.”
Tamin’ny voalohandohan’ny taona 1991, dia narary indray i Brunella. Saika maty izy na dia nanaovana fitsaboana tamin’ny foto-javatra simika aza, kanefa dia gaga sy faly ny rehetra fa sitrana indray izy. Tamin’ny Aogositra, dia salama tsara izy mba handany ilay volana tamin’ny fitoriana ampahibemaso tamin’ny naha-mpisava lalana mpanampy. Nihombo indray ny aretiny, ary tamin’ny Novambra 1991 dia voan’ny homamiadana tamin’ny faritra maromaro ny vatany. Nanomboka nitsabo azy tamin’ny alalan’ny fitsaboana amin’ny fandefasana taratra ny ekipana dokotera hafa tany amin’ny hopitaly hafa.
Na dia tao anatin’ny toe-javatra sarotra toy izany aza i Brunella, dia nitoetra ho tsy nivadika ary nametra zava-kendrena ara-panahy ho an’ny tenany. Rehefa nahafantatra voalohany ny amin’ilay leucémie izy, dia nilazana fa mety ho velona enim-bolana monja. Izao, efa ho herintaona sy tapany tatỳ aoriana, dia mbola nanao planina ny amin’ny hoavy i Brunella. “Tsy nandanilany fotoana izy tamin’ny fiezahany hanatratra ny zava-kendreny”, hoy ny fanamarihan’ny loholona iray tao amin’ny kongregasiona. “Nanohana an’i Brunella nandritra ilay fitsapana nahamay nahazo azy ny finoany ny Paradisa nampanantenain’Andriamanitra. Nitombo ho amin’ny fahamatorana kristiana izy na dia mbola tanora aza. Ny fitondran-tenany sy ny fihetsiny dia nampirisika ny kongregasiona ary nahazo ny fon’ireo izay nahafantatra azy, anisan’izany ireo mpiasan’ny hopitaly.” Nahatsiaro toy izao ny reniny: “Tsy nitaraina na oviana na oviana izy. Rehefa nisy nanontany azy hoe nanao ahoana izy, dia novaliany hoe: ‘Tsara’ na ‘Tsy dia maninona akory, ary ianao?’ ”
Hoavy azo antoka
Nikasa ny hanatrika ilay Fivoriamben’ny Distrika “Ireo Mpitondra Fahazavana” nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny Jolay 1992 i Brunella. Tamin’ny fotoan’ilay fivoriambe anefa, dia nampidirina hopitaly izy, ary nihena ny fahafahany ho velona. Na dia izany aza, dia nanatrika ilay fivoriambe teo amin’ny seza mikorisa izy, nampifantoka ny sainy tamin’ny fijerena ilay fampisehoana tantara hoe Aoka Isika Hanao Izay Mahitsy eo Imason’i Jehovah.
Niverina nody tany amin’ny fianakaviany izy tamin’ireo andro vitsy farany niainany. “Hatramin’ny farany, dia niahy bebe kokoa ny amin’ny hafa noho ny amin’ny tenany izy”, hoy i Nicoletta. “Nampirisika azy ireo hianatra ny Baiboly izy, tamin’ny filazana tamin’izy ireo hoe: ‘Hiaraka isika ao amin’ny Paradisa.’ ”
Maty tamin’ny 27 Jolay 1992 i Brunella, tsy nihozongozona tamin’ny fanantenany fananganana amin’ny maty ho amin’ny fiainana ao amin’ny Paradisa eto an-tany. Vao nanomboka nanatratra ireo zava-kendreny fotsiny izy, kanefa dia nikasa ny hanohy ny lalana narahiny nanaovany fanoloran-tena, aorian’ny fananganana azy amin’ny maty. Andro vitsivitsy monja talohan’ny nahafatesany, i Brunella dia nanoratra izao taratasy manaraka izao, izay novakina tamin’ny fotoam-pivavahana ho fahatsiarovana azy.
“Ry namana malala,
“Misaotra amin’ny fahatongavanareo. Midika ho zavatra be dia be ho an’ny fianakaviako ny maha-eto anareo.
“Ho an’ireo olona izay akaiky ahy — nandia zavatra maro isika. Nahita andro maro be tsy nahafinaritra isika, kanefa dia nisy koa ny nahafinaritra. Ady mafy sy naharitra ilay izy, kanefa tsy mahatsiaro ho tsy nahomby aho. Araka ny voalaza ao amin’ny Soratra Masina hoe: ‘Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahako aho; nitahiry ny finoana aho’. — 2 Timoty 4:7.
“Nianatra zavatra maro koa aho, ary niova be, ary nahita ilay fiovana ireo namako sy ireo izay nanodidina ahy. Tiako ny hisaotra ireo olona rehetra izay nanome ahy ny fanohanany.
“Ianareo izay mino ny fandehan-javatra vaovao sy mino an’i Jehovah dia mahafantatra fa hisy ny fitsanganana amin’ny maty, araka ny voalazan’ny Jaona 5:28, 29. Koa matanjaha hatrany ao amin’ny fahamarinana, ary dia ho afaka ny hifankahita indray isika.
“Tiako ny hisaotra ireo olona izay mahafantatra izay nodiaviko. Mamihina mafy sy manoroka ny tsirairay avy aminareo aho. Tiako daholo ianareo rehetra.”
Tsy namela ny fahatanorany na ny aretiny hampihemotra ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra i Brunella. Ny ohatra navelany tamin’ny finoany sy ny fahatapahan-keviny dia mampahery amin’ny fomba mitovy ny tanora sy ny antitra mba hanesotra izay rehetra mety hanakantsakana azy ireo tsy hanao ny hazakazaka ho amin’ny fiainana. — Hebreo 12:1.