Sambatra ao Anatin’ny Tena Firahalahiana Maneran-tany
NOTANTARAIN’I WILLIE DAVIS
Tamin’ny 1934, dia nangeja an’izao tontolo izao ny Fitambotsorana Ara-toe-karena Lehibe, ary tao anatin’ny ady mafy tamin’ny fisafotofotoana ara-toe-karena i Etazonia. Teo ivelan’ny Toerana Mety Hahazoana Fanampiana Ara-bola, tany Cleveland, any Ohio, dia nisy fifandonana teo amin’ny polisy iray sy ny Kominista hirihiriny iray. Nitifitra ilay polisy ary nahafaty ilay Kominista sy ny olona iray sendra nijery, dia i Vinnie Williams, renibeko.
NANANDRANA ny hamadika ireo fahafatesana ireo ho fitrangan-javatra ara-pirazanana ireo Kominista, satria mainty hoditra ny renibeko ary fotsy hoditra ilay polisy. Nizara gazety kely izy ireo, gazety nisy lohateny toy ny hoe “Mpanavakava-bolon-koditra ny Polisin’i Cleveland” sy ny hoe “Anaovy Valy Faty Ireny Famonoana Ireny”. Nandamina sy nikarakara ny fandevenana ny renibeko ireo Kominista. Ananako ny sarin’ireo mpilanja vatam-paty — fotsy hoditra avokoa sady mpikambana ao amin’ny antoko kominista izy rehetra. Ny tsirairay avy dia samy nanainga ambony totohondry nivonkina, tamin’ny fomba izay nampiasaina tatỳ aoriana ho toy ny famantarana ny Fahefan’ny Mainty Hoditra.
Tamin’ny fotoana nahafatesan’ny renibeko, dia nitondra vohoka ahy ny zanany vavy, ary teraka aho, efa-bolana tatỳ aoriana. Niakanakam-piteny aho rehefa nihalehibe. Tsy afaka niteny aho raha tsy niboredika, hany ka nahafaoka fitsaboana mba hahafahako hiteny tsara ny fianarako tany an-tsekoly tany am-boalohany.
Nisaraka ireo ray aman-dreniko fony aho dimy taona, ary notezain’ny reninay izaho sy ny zokiko vavy. Rehefa folo taona aho, dia nanomboka naka sy nivarotra enta-madinika rehefa avy tany an-tsekoly mba hanampy amin’ny fandanian’ny fianakaviana. Roa taona tatỳ aoriana dia nanomboka niasa aho talohan’ny hankanesana an-tsekoly sy taorian’izany, ka nanjary ny mpampidi-bola lehibe indrindra ho an’ny fianakaviana. Rehefa nampidirina hopitaly i Neny sady nila fitohitohizam-pandidiana, dia nandao ny sekoly aho ary nanomboka niasa manontolo andro.
Fidirana tao anatin’ny firahalahiana
Tamin’ny 1944, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah iray namela ilay boky hoe “La vérité vous affranchira” tamin’ny vadin’ny zana-drahavavin-dreniko, ary tafiditra tamin’ny fianarana ny Baiboly niaraka taminy aho. Tamin’io taona io ihany, dia nanomboka nanatrika ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika tao amin’ny kongregasiona tao Eastside aho. Nanan-java-nanahirana ara-pitenenana nitovy tamin’ny ahy i Albert Cradock, mpampianatra tao amin’ny sekoly, kanefa nianatra ny nifehy izany izy. Fampaherezana toy inona ho ahy moa izy!
Tamin’ny ankapobeny, ny mpiara-monina taminay dia Italiana, Poloney, Hongroà, sy Jiosy, ary voaforon’ny olona avy tamin’ireo sy avy tamin’ny antokom-pirazanana hafa ilay kongregasiona. Izaho sy ilay vadin’ny zana-drahavavin-dreniko no anisan’ny Amerikana mainty hoditra voalohany niaraka tamin’io kongregasiona io, izay raha tsy izany dia ho kongregasionan’ny fotsy hoditra. Kanefa tsy nampiseho fitsarana an-tendrony ara-pirazanana na oviana na oviana taminay ireo Vavolombelona. Raha ny tena izy, dia naka ahy tsy tapaka mba ho vahiny hisakafo tany an-tranony izy ireo.
Tamin’ny 1956, dia nifindra nankany amin’ny tapany atsimo amin’i Etazonia aho mba hanompo any amin’izay ilana mpitory bebe kokoa. Rehefa niverina tany avaratra aho indray fahavaratra mba hanatrika ny fivoriamben’ny distrika, dia nisy rahalahy maro tao Cleveland tonga nijery ahy ary nampiseho fahalianana tamin-kafanam-po tamin’ny asako. Nanome ahy lesona lehibe ny fiahian’izy ireo: Aza mitsahatra mandrakariva ny ‘tsy hihevitra ny soa ho an’ny tena ihany, fa ny ho an’ny namana koa’. — Filipianina 2:4, DIEM.
Fanompoana manontolo andro niitatra
Taorian’ny nanompoako telo taona tamin’ny asa fitoriana manontolo andro tamin’ny naha-mpisava lalana, dia nasaina hiasa tao amin’ny Betela ao Brooklyn, izay foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah any New York, aho, tamin’ny Novambra 1959. Notendrena ho ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fandefasana Entana aho. Nanjary ray ara-panahy ho ahy i Klaus Jensen, mpiandraikitra ny sampan-draharaha nisy ahy, sy i William Hannan, mpiray efitra tamiko, izay samy fotsy hoditra. Samy nanompo efa ho 40 taona tao amin’ny Betela izy ireo tamin’ny fotoana nahatongavako tao.
Tany am-piandohan’ireo taona 1960, dia nisy sahabo ho 600 ny mpianakavin’ny Betela, ary sahabo ho 20 ireo Amerikana mainty hoditra. Tamin’izay i Etazonia dia nanomboka nisamboaravoara noho ny fifandrafiana ara-pirazanana, ary nihenjana ny fifandraisana teo amin’ireo firazanana samy hafa. Na dia izany aza, ny Baiboly dia mampianatra fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra”, ary tsy tokony hizaha tavan’olona koa isika. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35). Natao mba hanatanjaka ny fahatapahan-kevitray hanaiky ny fiheveran’Andriamanitra ny amin’ny raharaha toy izany ireo dinidinika ara-panahy nataonay teo an-databatry ny Betela isa-maraina. — Salamo 19:7.
Raha mbola nanompo tao amin’ny Betela ao Brooklyn aho, dia nifanena tamin’i Lois Ruffin, mpisava lalana avy tany Richmond, any Virginie, ary nivady izahay tamin’ny 1964. Ny hijanona amin’ny fanompoana manontolo andro no fahatapahan-kevitray, hany ka niverina tany amin’ny tapany atsimo amin’i Etazonia izahay taorian’ny fampakaram-badinay. Voalohany, dia nanompo tamin’ny naha-mpisava lalana manokana izahay, ary avy eo tamin’ny 1965, dia nasaina hiditra tamin’ny asan’ny fizaran-tany aho. Nandritra ireo folo taona nanaraka, dia nitsidika kongregasiona tao amin’ny fanjakan’i Kentucky, Texas, Louisiane, Alabama, Géorgie, Caroline Avaratra, sy i Mississippi, izahay.
Fisedrana ny Firahalahianay
Nisy fiovana lehibe tamin’ireny taona ireny. Talohan’ny nifindranay nankany Atsimo, dia navakavahana ireo firazanana. Noraran’ny lalàna ireo mainty hoditra tsy handeha any amin’ny sekoly iray ihany, miaraka amin’ny fotsy hoditra, tsy hiara-mihinana aminy any amin’ny hotely fisakafoana iray ihany, tsy hiara-matory aminy ao amin’ny hotely iray ihany, tsy hiara-mividy aminy zavatra ao amin’ny fivarotana iray ihany, na tsy hiara-misotro aminy avy amin’ny fantsakàna rano sotroina iray ihany mihitsy aza. Kanefa, tamin’ny 1964, dia nolanin’ny Antenimieran’i Etazonia ny Lalàna Momba ny Zon’ny Olom-pirenena izay nandrara ny fanavakavahana eny amin’ny toerana ampahibemaso, anisan’izany ny fitaterana. Koa tsy nisy intsony ny antony araka ny lalàna hanavakavaham-bolon-koditra.
Noho izany, dia izao ny fanontaniana: Hanafoana ny fanavakavahana ka hifaneho fitiavana sy firaiketam-po ve ireo rahalahintsika sy anabavintsika ao amin’ireo kongregasiona tsy misy afa-tsy mainty hoditra sy ireo kongregasiona tsy misy afa-tsy fotsy hoditra? Sa hahatonga azy ireo hanohitra ny fanafoanana ny fanavakavahana ny fanerena avy amin’ny fiaraha-monina sy ireo fihetseham-po latsa-paka lalina noho ny lasa? Zava-tsarotra ny nanaraka ilay baiko araka ny Soratra Masina hoe: “Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha làlana amin’ny fifanomezam-boninahitra.” — Romana 12:10.
Fa hatramin’izay nahatsiarovan’ny olona azy, ny fiheverana nanjaka, indrindra tany Atsimo, dia hoe ambany ny mainty hoditra. Tafalentika lalina tao an-tsain’ny olona izany fiheverana izany tamin’ny saika ny lafiny rehetra teo amin’ny fitambaran’olona, anisan’izany ireo fiangonana. Koa tsy mora ho an’ny fotsy hoditra sasany ny nihevitra ireo mainty hoditra ho mitovy aminy. Eny tokoa, fotoana fisedrana ny firahalahianay izany — ho an’ny mainty hoditra sy ny fotsy hoditra.
Soa ihany fa tamin’ny ankapobeny, dia nisy fihetsika tsara mahatalanjona ho an’ny fanafoanana ny fanavakavahana tao amin’ireo kongregasionanay. Tsy voakosoka vetivety ireo fiheverana momba ny fahamboniana ara-pirazanana nalentika tamim-pitandremana tao amin’ny olona nandritra ny taonjato maro. Kanefa, rehefa natomboka ny fanafoanana ny fanavakavahana, dia noraisin’ireo rahalahintsika tamin’ny fomba tena tsara izy io, ka faly ny ankamaroan’izy ireo fa afaka niara-nivory.
Mahaliana fa na dia ireo tsy Vavolombelona aza matetika dia niara-niasa tamin’ny fanafoanana ny fanavakavahana tao amin’ireo kongregasionanay. Ohatra, tany Lanett, any Alabama, dia nanontaniana ireo mpiara-monina teny akaikin’ny Efitrano Fanjakana raha toa ka nolavin’izy ireo ny fahatongavan’ireo mainty hoditra tany amin’ireo fivoriana. Nifandray tanana tamin’ny rahalahy mainty hoditra iray ny vehivavy fotsy hoditra zokiolona iray, ka nilaza hoe: “Tongava raha sitrakareo etỳ amin’ny manodidina anay ary mivavaha amin’Andriamanitrareo araka izay tianareo!”
Rahalahy mahatoky any Etiopia
Tamin’ny 1974, dia faly izahay nahazo fampiofanana ho misionera nandritra ny dimy volana sy tapany tao amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower tao New York City. Notendrena hankany Etiopia, tanàna eto Afrika, izahay avy eo. Vao avy naongana i Haile Selassie, ilay emperora, ary notanana tao an-tranony. Koa satria voarara ny asa fitorianay, dia nankasitrahanay ny fifandraisana akaiky sady mafana nisy teo amin’ny firahalahianay kristiana.
Niaina sy nanompo niaraka tamin’ny maro tamin’ireo izay nampidirina an-tranomaizina tatỳ aoriana noho ny fifikirany tamin’ny fanompoam-pivavahana marina, izahay. Novonoina ho faty mihitsy aza ny sasany tamin’ireo namana malalanay. Loholona namako tao amin’ny kongregasiona tao Addis-Abeba, renivohitr’i Etiopia, i Adera Teshome.a Taorian’ny nitoerany telo taona tao an-tranomaizina, dia novonoina ho faty izy. Mazava ho azy fa nalahelo aoka izany ny vadiny. Fahafinaretana toy inona moa, taona maro tatỳ aoriana, ny nahita ny fifaliany miramirana noho ny fanompoany amin’ny maha-mpisava lalana!
Nomelohina ho faty imbalo i Worku Abebe, rahalahy nahatoky hafa iray.b Kanefa tsy nivadi-po tamin’izany na oviana na oviana izy! Fony aho nahita azy farany, dia nasehony ahy ireo sofiny izay novelezin’ireo mpiambina ny tranomaizina tamin’ny vody basy. Nilaza tamin’ny alalan’ny vazivazy izy fa nahazo vody basy ho sakafo maraina sy sakafo antoandro ary sakafo hariva. Na dia efa maty aza izy taorian’izay, dia mbola tadidin’ireo rahalahy amim-pitiavana ihany.
Rahalahy hafa iray tadidiko amim-piraiketam-po i Hailu Yemiru.c Nampiseho fitiavana fakan-tahaka ny vadiny izy. Nosamborina ny vadiny, kanefa noho izy io bevohoka sady efa ho teraka, dia nangataka tamin’ireo manam-pahefana tamin’ny tranomaizina i Hailu raha afaka naka ny toeran’ny vadiny tao am-ponja izy. Tatỳ aoriana, rehefa tsy nampanaiky lembenana ny finoany izy, dia novonoina ho faty. — Jaona 15:12, 13; Efesiana 5:28.
Noho ny fikororosian’ny tarehin-javatra ara-politika tany Etiopia, dia nifindra nankany Kenya izahay tamin’ny 1976. Nandritra ny fito taona, dia nanompo tamin’ny asa fitetezam-paritany izahay, ka nitsidika rahalahy tany amin’ny tany maro teto Afrika Atsinanana — anisan’izany i Kenya, i Etiopia, i Soudan, i Seychelles, i Ouganda, sy i Tanzanie. Nanao dia lavitra nankany Burundi sy i Rwanda matetitetika koa aho tamin’ny naha-anisan’ny fitambarana solontena hiresaka amin’ireo manam-pahefana mikasika ny fanoratana ara-dalàna ny asantsika tao amin’ireo tany ireo.
Nahafinaritra ny niverina tany Etiopia tamin’ny Janoary 1992 mba hanatrika ny fivoriamben’ny distrika voalohany natao tao, taorian’ny nanesorana ny fandrarana ny asantsika. Maro tamin’ireo nanatrika maherin’ny 7 000 no tsy nifankahalala, satria tsy nisy afa-tsy antokon’olom-bitsy ireo rahalahy rehefa nivory teo aloha. Isan’andro nandritra ilay fivoriambe, ny ankamaroan’ireo mpanatrika dia tonga teo adiny roa talohan’ny nanombohan’ny fandaharana ary nijanona ela tamin’ny takariva, ka nankamamy ny firahalahiantsika feno fitiavana.
Resy ny fanindrahindram-poko
Nandritra ny taonjato maro, ny fanindrahindram-poko dia nihanaka teto Afrika. Tatsy Burundi sy i Rwanda, ohatra, dia nifankahala ela ireo antokom-pirazanana lehibe, dia ny Hutu sy ny Tutsi. Hatramin’ny nahazoan’ireo tany ireo ny fahaleovan-tenany avy tamin’i Belzika tamin’ny 1962, dia nifandripaka an’arivony maro tsy tapaka ny anisan’ireo antokom-pirazanana roa lehibe ireo. Noho izany, dia toy inona moa ny hafaliana mahita olona anisan’ireo antokom-pirazanana ireo, izay tonga Vavolombelon’i Jehovah, miara-miasa amim-pilaminana! Nampirisika olon-kafa maro hihaino ny fahamarinana ara-baiboly ny fitiavana marina ifanehoan’izy ireo.
Toy izany koa, ireo antokom-pirazanana eto Kenya dia efa nisy tsy nifanarahany. Toy inona moa ny fifanoheran’izany amin’ny ao anatin’ny firahalahiana kristian’ny vahoakan’i Jehovah eto Kenya! Afaka mahita olona avy amin’ny antokom-pirazanana samy hafa manolotra fanompoam-pivavahana amim-piraisan-kina ao amin’ny Efitrano Fanjakana ianao. Mahafinaritra ahy ny mahita maro amin’izy ireny miala amin’ny fankahalany ara-poko sy mampiseho fitiavana marina an’ireo rahalahiny sy anabaviny avy amin’ny antokom-pirazanana hafa.
Sambatra noho ny firahalahiantsika
Rehefa manao jery todika ireo 50 taona niarahako tamin’ny fandaminan’Andriamanitra aho, dia mameno ny foko ny fankasitrahana an’i Jehovah sy i Jesosy Kristy Zanany. Tena mahagaga tokoa ny mandinika izay notanterahin’izy ireo eto ambonin’ny tany! Tsia, tsy lavorary foana akory ireo toe-javatra teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra, ary tsy lavorary koa amin’izao andro izao. Kanefa, tsy azo antenaina ny hahafahan’ireo fampianarana mampirisika fanavakavaham-bolon-koditra nataon’ny tontolon’i Satana nandritra ny an-jatony taona maro, ho voakosoka vetivety eo. Na ahoana na ahoana, dia mbola tsy lavorary isika. — Salamo 51:5.
Rehefa mampitaha ny fandaminan’i Jehovah amin’izao tontolo izao aho, dia safononoky ny fankasitrahana ny foko, noho ny tena firahalahiantsika maneran-tany. Mbola tadidiko amim-pitiavana ireo rahalahy any Cleveland, fotsy hoditra avokoa, izay nitaiza ahy tao amin’ny fahamarinana. Ary rehefa nahita ireo rahalahintsika any atsimon’i Etazonia, fotsy hoditra sy mainty hoditra, nanolo ny fitsarany an-tendrony tamin’ny fitiavan-drahalahy amim-pahatsorana aho, dia faly ny foko. Avy eo, ny fandehanana nanketo Afrika sy ny fahitana mivantana ny fomba ahafahan’ny Tenin’i Jehovah mikosoka ireo fankahalana ara-poko dia nahatonga ahy hankasitraka bebe kokoa mihitsy ny firahalahiantsika maneran-tany.
Eny tokoa, nilaza tsara izany i Davida Mpanjaka fahiny rehefa niteny izy hoe: “Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina.” — Salamo 133:1.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Hita eo amin’ny pejy faha-177 amin’ny Annuaire des Témoins de Jéhovah 1992, ny sarin’i Adera Teshome sy i Hailu Yemiru; voatantara eo amin’ny pejy faha-178-181 ireo zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Worku Abebe.
b Hita eo amin’ny pejy faha-177 amin’ny Annuaire des Témoins de Jéhovah 1992, ny sarin’i Adera Teshome sy i Hailu Yemiru; voatantara eo amin’ny pejy faha-178-181 ireo zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Worku Abebe.
c Hita eo amin’ny pejy faha-177 amin’ny Annuaire des Témoins de Jéhovah 1992, ny sarin’i Adera Teshome sy i Hailu Yemiru; voatantara eo amin’ny pejy faha-178-181 ireo zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Worku Abebe.
[Sary, pejy 23]
Ny fandevenana ny renibeko
[Sary, pejy 24]
Miara-miasa amim-pilaminana ireo Vavolombelona tutsi sy hutu
[Sary, pejy 25]
Miaraka amin’i Lois vadiko