FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g91 8/4 p. 8-10
  • Tena hisy ny firahalahiana maneran-tany!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tena hisy ny firahalahiana maneran-tany!
  • Mifohaza!—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Hafa ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Ny fomba anatratrarana ny firaisan-tsaina
  • Ireo faminanian’ny Baiboly eo am-pahatanterahana
  • Eo Am-panorenana Azy Ankehitriny ny Fototr’ilay Tontolo Vaovao
    Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?
  • Fanavakavaham-bolon-koditra
    Mifohaza!—2014
  • Nahita ny firindran’ny firazanana aho tao Afrika Atsimo rotidrotika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Sambatra ao Anatin’ny Tena Firahalahiana Maneran-tany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Hijery Hafa
Mifohaza!—1991
g91 8/4 p. 8-10

Tena hisy ny firahalahiana maneran-tany!

VAO tsy ela akory no nahatongavan’ilay misionera tao Afrika Andrefana rehefa nanatrika fivoriambe ara-pivavahana iray tao amin’ny faritany lavitra iray izy. Raha nanatona fianakaviana iray teo an-toerana izy dia nisy zazalahikely roa taona nanomboka nitomany nefa tsy hita izay antony.

Nanandrana nampangina azy ilay misionera, kinanjo vao mainka nivadika ho kiakiaka ny tomanin’ilay zaza. “Fa misy inona?”, hoy ilay misionera nanontany ilay reniny. Somary sanganehana io namaly hoe: “Toa ianao no antony. Matahotra ny lokonao izy. Tsy mbola nahita olona fotsy hoditra mihitsy mantsy izy io hatramin’izay.”

Hatramin’ny fahazazana isika dia mety hanjary hahatsapa ireo fahasamihafana ara-batana eo amin’ny olona. Atỳ aoriana kokoa vao mitranga ny fanavakavahana. Ny fomba fijerin’ny ankizy dia voavolavola arakaraka ny handinihany ny fihetsika amam-pitondrantenan’ireo lehibe kokoa, toy ireo ray aman-dreniny. Any an-tsekoly izy ireo dia mbola iharan’ny fitaomana fanampiny avy amin’ireo mpampianatra azy, namany, ary mpiray kilasy aminy koa.

Araka ny fandinihana naharitra iray natao tany Etazonia, rehefa tonga eo amin’ny faha-12 taonany ny ankizy dia efa namboly fomba fijery sy fihetsika raikitra raha ny amin’ireo fokom-pirazanana, volon-koditra, ary fivavahana manodidina azy. Mafy orina izany fomba fijery izany rehefa tonga olon-dehibe izy.

Hafa ny Vavolombelon’i Jehovah

Ao amin’ny tontolo iray anjakan’ny fanavakavahana, dia miavaka ny Vavolombelon’i Jehovah noho izy ireo hafa mihitsy. Fantatra maneran-tany noho ny fifanarahana ara-pirazanana misy eo aminy izy ireo. Voamarik’ireo mpandinika any amin’ireo fivoriambe fanaony isan-taona izany matetika.

Nanao tatitra toy izao momba ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah iray natao tany amin’ny faritra atsimon’i Etazonia, ohatra, ny gazety States-Item: “Nameno an’i Louisiana Superdome ny fahatsapana firahalahiana rehefa nipetraka mba hanomboka (...) hianatra sy hifampizara fanandraman-javatra ireo Vavolombelon’i Jehovah tanora sy antitra ary mainty hoditra sy fotsy hoditra. (...) Tsy mba zava-manahirana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah (...) ny fanavakavahana ara-pirazanana.”

Nanao fanamarihana toy izao ny vehivavy Xhosa iray, tao amin’ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah natao tatsy Afrika Atsimo: “Mahatalanjona fa eto Afrika Atsimo dia afaka miray saina toy izany ny olona avy amin’ny volon-koditra rehetra. Tena hafa lavitra noho izay mahazatra ahy any amin’ireo fiangonana izany.”

Rehefa nanatrika ireo fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Farany Atsinanana sy tany Pasifika Atsimo ireo mpitsidika avy any Amerika Avaratra sy Atsimo ary koa avy any Eoropa, dia “tsy nisy soritra fanavakavaham-bolon-koditra, na avy tamin’izy ireo na avy tamin’ireo mpampiantrano azy”, araka ny voalazan’ny tatitra iray.

Araka izany, ny tena maha-hafa ireo Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro manerana ny tany, dia ny firaisan-tsaina marina sy ny fifanarahana ara-pirazanana misy eo amin’izy ireo. Ampiraisin’ny fifankatiavana kristiana marina izy ireo. Mifanaraka indrindra amin’ilay voalazan’i Jesosy toy izao izany: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” — Jaona 13:35.

Efa manana firahalahiana maneran-tany marina sy maharitra àry ny Vavolombelon’i Jehovah! Mandray am-po izay voalazan’i Jesosy toy izao ao amin’ny Matio 23:8 izy ireo: “Hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa.” Ary izany dia amin’ny fotoana izay androtidrotehan’ny fankahalana sy ny fisaratsarahana ara-pirazanana sy ara-poko an’ireo firenena indrindra. — Jereo koa 1 Korintiana 1:10; 1 Jaona 3:10-12; 4:20, 21; 5:2, 3.

Ny fomba anatratrarana ny firaisan-tsaina

Ny fototra iorenan’izany firaisan-tsaina izany dia ny fampianarana miorina amin’ny Baiboly raisin’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ireo Efitrano Fanjakanany, sy amin’ny fianarana manokana ny Baiboly ataony. Izy ireo dia sahala amin’ireo kristiana tany Tesalonika, izay nitenenan’i Paoly toy izao: “Rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra izay notorinay hianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra, izay miasa ao anatinareo izay mino koa.” — 1 Tesaloniana 2:13.

Noho izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mino izay lazain’ny Baiboly, ary miezaka amim-pahatsoram-po hanahaka ny fomba fihevitr’Andriamanitra izy ireo. Mandray am-po izay nolazain’ny apostoly Petera toy izao teo ambanin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra izy ireo: “Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” — Asan’ny apostoly 10:34, 35.

Mifanaraka amin’izany, dia nanome baiko ny mpanara-dia azy hanao mpianatra ny olona “avy amin’ny firenena rehetra” i Jesosy. (Matio 28:19, MN). Vokatr’izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitady amim-paharisihana ireo izay tia fahamarinana any amin’ny fokom-pirazanana sy volon-koditra rehetra, tsy an-kanavaka. Ary rehefa miray hina mba hiara-manompo, hiara-miasa, ary hiara-manao zavatra ireo olona avy amin’ny fiaviana sy firazanana samy hafa ireo, dia resy ny fomba fihevitra raikitra. Mianatra mankasitraka ny toetran’ny hafa sy mifankatia izy ireo.

Marina fa mety tsy hanova ny fomba fiheverany avy hatrany ny olona iray nanana fanavakavaham-bolon-koditra hatramin’ny ela. Nefa rehefa tonga Vavolombelona izy dia manomboka ‘mitafy ny toetra vaovao’ ananan’ny kristiana marina iray, ary miezaka mafy izy mba handresena ny fomba fihevitra notanany teo aloha. (Efesiana 4:22-24). Tsy manandrana manamarina ny fitompoan-teny fantatra izy amin’ny filazana hoe: “Efa izany no fomba nitaizana ahy”. Tsia, fa miezaka mafy izy mba hanavao indray ny sainy sy “ho tia ny fianakavian’ny mpirahalahy manontolo”. — 1 Petera 2:17, MN.

Ireo faminanian’ny Baiboly eo am-pahatanterahana

Misy heviny lehibe izay mitranga eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao. Efa voalaza mialoha ao amin’ny Baiboly tokoa izany.

Mariho izay nambaran’ny Isaia 2:2-4 [MN] mialoha fa hitranga “amin’ny vanim-potoana farany amin’ny andro”, amin’ny “andro farany” ho an’izao fandehan-javatra ratsy izao. (2 Timoty 3:1-5, 13, MN). Marihin’io faminanian’Isaia io fa ny fanompoam-pivavahana marina amin’i Jehovah dia haorina amin’izao taranaka misy antsika izao, ary ‘ny firenena rehetra hitanjozotra hankany. Ary azo antoka fa maro ny firenena hiainga ka hanao hoe: “Avia, ianareo, ka andeha isika hiakatra any amin’ny tendrombohitra misy ny fanompoam-pivavahana marina amin’i Jehovah. Ary hampianariny antsika ny amin’ny lalany, ka handeha amin’ny atorony isika.” ’

Nomarihin’ny faminanian’Isaia koa izao vokany tsy fahita firy manaraka izao, izay hita amin’ny ambaratonga maneran-tany eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ity taonjato ity manontolo: “Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.”

Toy izany koa, fa raha niresaka ny amin’ny vanim-potoana misy antsika ny bokin’ny Apokalypsy ao amin’ny Baiboly, dia nanambara mialoha fa hisy olona betsaka ‘avy amin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny’ ho tafaraka ao amin’ny firahalahiana marina mba hanompo an’Andriamanitra amim-piraisan-tsaina. — Apokalypsy 7:9, 15.

Tsy fiheverana feno nofinofy fotsiny izany. Efa tafaorina izao ny vahoaka betsaka avy amin’ny firenena rehetra, sy avy amin’ny fokom-pirazanana sy volon-koditra rehetra. Eo am-piorenana izao ny firahalahiana marina sy maharitra maneran-tany! Io no fototra iorenan’ny fiaraha-monina iray maneran-tany vaovao tanteraka, voaforon’ny vahoaka tafaray sy falifaly izay hisolo toerana ity fiaraha-monina ratsy ankehitriny horavan’Andriamanitra tsy ho ela ity. Io fiaraha-monina io, araka ny voalazan’i Jesosy, dia “handova ny tany”, ary hiaina eo mandrakizay eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Matio 5:5; 6:9, 10; Salamo 37:10, 11, 28, 29, 37, 38.

Nahoana raha mandeha manamarina izany ny tenanao mihitsy? Asaina ianao hitsidika Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah na aiza na aiza, ka hahita ny fifanarahana ara-pirazanana misy eo amin’izy ireo. Na koa, rehefa misy Vavolombelona tonga mitsidika anao amin’ny manaraka, dia ampandrosoy izy, ka asaivo mampiseho anao avy ao amin’ny Baiboly izay fototra iorenan’ny fifanarahana ara-pirazanana misy eo amin’izy ireo. Asaivo asehony anao ny fanantenany miorina amin’ny Baiboly ny amin’ny tontolo vaovao iray hisian’ny firahalahiana marina manerana ny tany.

Ilay Andriamanitra Tsitoha, Jehovah, dia manome antoka fa ho tanteraka ny fikasany hanorina firahalahiana eo amin’ny taranak’olombelona manontolo. Manambara izy hoe: “Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.” — Isaia 55:11.

Manasa anao izahay handinika ny porofo avy ao amin’ireo faminanian’ny Baiboly sy ny fahatanterahan’ireny faminaniana ireny. Raha manao izany ianao, dia ho hitanao fa tsy hoe azo tanterahina fotsiny ny fifanarahana ara-pirazanana fa tsy azo sakanana koa!

[Teny notsongaina, pejy 9]

Izay mitranga eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao dia voalaza ara-paminaniana ao amin’ny Baiboly.

[Sary, pejy 10]

Miavaka ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fisian’ny fifanarahana ara-pirazanana eo amin’izy samy izy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara