Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
Mahery ny Tenin’Andriamanitra
“VELONA sy mahery ny tenin’Andriamanitra”. (Hebreo 4:12). Imbetsaka no voaporofo fa marina ireo teny ireo rehefa nampahafantarina ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ireo olona voafitaky ny fivavahan-diso. Araka ny asehon’ny fitantarana zava-nitranga teny am-pitoriana manaraka eto, avy any amin’ny Repoblika Dominikanina, dia afaka manova ny fiainan’ny olona sy manome fanantenana ny herin’ny Baiboly.
Nitsidika vehivavy katolika nanan-daza iray izay vao avy namoy zanaka kely roa tamin’ny fahafatesana ny Vavolombelon’i Jehovah. Ory mafy izy ary nitomany isan’andro noho ny loza nihatra taminy. Nasehon’ireo Vavolombelona taminy izay lazain’ny Baiboly ao amin’ny Jaona 5:28, 29 mikasika ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Taorian’ny dinika fanampiny niaraka tamin’ny Vavolombelona, dia tsy vitan’ny hoe nahita fampiononana tamin’ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty izy fa nahatsapa koa fa namitaka azy ireo filoha ara-pivavahana katolika tao aminy.
Tsy ela izy dia nametra-pialana tamin’ny Eglizy Katolika, ary nanaiky fianarana Baiboly tsy tapaka niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy niombon-kevitra taminy anefa ny vadiny. Koa satria Katolika tena nanan-daza koa ilay lehilahy, dia nandamina ny fitsidihan’ny namana fanta-daza ara-politika sy ara-pivavahana ny vadiny izy mba hanandramana hampiova hevitra azy tsy hanaraka io lalana io sy hitondra azy hiverina any amin’ny fivavahana katolika. Tatỳ aoriana, dia nandrahona an’ilay vehivavy tamin’ny fisaraham-panambadiana izy, ka tonga hatramin’ny filazana tamin’ireo namany sy mpiangona namany mihitsy aza fa efa hisaraka izy ireo.
Kanefa tsy nahomby ny volavolan-keviny. Mifanohitra amin’izany fa vao mainka tapa-kevitra ny hanohy ny fianarany ny Baiboly ilay vehivavy. Noho ny fitomboan’izy io ara-panahy sy ny fampitomboany toetra kristiana tsara dia tsara, dia nanapa-kevitra ilay rangahy fa hijanona hiaraka aminy toy izay hitady fisarahana. Indray andro dia nanaiky mihitsy aza izy ny handinika ilay zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly izay nianaran’ny vadiny, kanefa amin’ny fepetra iray ihany. Tiany ny hampiasa ny dikan-tenin’ny Baiboly katolika azy manokana.
Gaga izy fa, tamin’ny fanampian’ilay zavatra vita an-tsoratra avy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nanomboka nahafantatra zava-baovao nivantana avy tao amin’ny Baiboliny manokana izy. Tsapany fa nifidy ny lalana marina ny vadiny, ary tsy ela dia vonona ny hanaraka ny ohatr’izy io izy. Eny tokoa, hitany ny ilana ny hanaovana fiovana teo amin’ny fiainany manokana. Zava-tsarotra iray ny hialana amin’ny sigara. Taorian’ny namakiany ny N° 4/1990 tamin’ny gazety Mifohaza!, misy ilay lohateny eo amin’ny fonony hoe “Fahafatesana Amidy — Fomba Folo Hialana Amin’ny Sigara”, dia tapa-kevitra izy ny hiala amin’io fahazarana tsy araka ny Soratra Masina io. Ho solon’ny fonosana sigara mahazatra hita matetika tao am-paosiny, dia nanomboka nitondra io nomeraon’ny Mifohaza! io izy. Isaky ny nanana faniriana mafy hifoka izy, dia namaky ireo lahatsoratra mikasika ny fifohana sigara. Nahomby ilay fomba nampiasainy! Taorian’ny namakiany imbetsaka ireo lahatsoratra, dia afaka niala tamin’ny sigara izy.
Manompo an’i Jehovah amin’ny maha-minisitra vita batisa ilay lehilahy sy ny vadiny ankehitriny. Rehefa mamela azy ny toe-javatra, dia manompo amin’ny maha-minisitra manontolo andro izy, ka manokana be dia be amin’ny fotoanany amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ary manompo amin’ny maha-mpikarakara momba ny asa ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana izy. Tsy andrin’izy mivady ny hitsanganan’ny maty rehefa ho afaka handray ireo zanany hiverina amin’ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao izy ireo. Eny, velona sy mahery ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra!